NY FAMONJENA

Ny Famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin ny tantaran’ny Filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i Isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: «Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo» (Isa. 35:4). Raha nanambara ny haterahany ny Anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe: «Hiteraka zazalahy izy ary ny anarany hataonao hoe JESOSY ; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany» (Mat. 1:21). Izany no nanirahana Azy teto an-tany. Hoy Izy: «Tonga ny Zanak'olona mba hitady sy hamonjy ny very» (Lioka 19.10). Nanamafy ny Apostoly Paoly fa «Tonga tety ambonin’ny tany Kristy hamonjy ny mpanota»(I Tim. 1:15). Petera nilaza fa nasandratr'Andriamanitra Kristy «ho Tompo sy Mpamonjy» (Asa. 5:31); fa araka ny Hebreo kosa dia mbola «mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy». (Heb. 7:25). Ka noho izany ny famonjena dia tsy maintsy ho Zavatra azo atao ankehitriny.

Voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao, hatrany am-piandohany ka hatrany am-piafarany, fa mety ho azon’ny olona amin’izao maha eto ambonin’ny tany azy izao ny famonjena. Raha nanontany ilay Filipiana mpiandry tranomaizina hoe: «Inona no mety hataoko mba hamonjena ahy ?» dia nomena azy niaraka tamin’izay ny valiny hoe «Minoa an’i Jesosy Kristy Tompo, dia hovonjena hianao» (Asa 16: 30,31). Ary hoy Paoly: «Tsy menatra ny Filazantsaran’i Kristy aho; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany»(Rom. 1:16).

Ary indray «Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao» (Rom. 10:9). Hoy izy tamin’ny Korintiana: «Ka dia ny fahadalan’ny fitorian-teny no sitrak’Andriamanitra hamonjeny izay mino» (I Kor. 1:21). Hoy koa izy amin’ny fiteny hentitrentitra kokoa: «Indro ankehitriny no andro fankasitrahana, indro ankehitriny no andro famonjena» (II Kor. 6:2).

Maro ny olona voafitak'i satana amin’ny finoana ny lainga mampidi-doza hoe hahazo famonjena izy indray andro any na manao ahoana na manao ahoana. «Indro ankehitriny no andro fankasitrahana , indro ankehitriny no andro famonjena». Andriamanitra anie hanampy ny olo-marina rehetra mba hahita fa tsy maintsy azo izao ny famonjena, na tsy ho azo mihitsy. Efa nisy nahazo azy io.

Ny fanamarinana tsara indrindra milaza fa mety ho azo amin’izao fotoana izao ny famonjena dia ny efa nahazoan’ny sasany azy. Manamafy Paoly ao amin’ny II Tim. 1:9 fa Andriamanitra «namonjy antsika ary niantso antsika tamin’ny fiantsoana masina». Nanoratra izao ho an’ny rahalahy sasantsasany Petera: «Efa nandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy» (I Pet. 1:9). Ary izao no filazan’i Paoly ny amin’ny asa nosoritan’i Kristy ao am-pon’ny olona: «Araka ny famindrampo no namonjena antsika, tamin’ny fanasan’ny fiterahana indray sy ny fanavaozan’ny Fanahy Masina» (Tit. 3: 5) «Fa fahasoavana no namonjena anareo (Efes. 2: 8a) «Fa ny teny ny amin’ny hazo fijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena» (I Kor. 1:18).

Inona no hevitry ny Famonjena ?

Fa inona moa no hevitr'ity hoe «famonjena» ity ? Raha ara-bakiteny dia fanafahana no heviny; ary noho izany dia fanafahana amin’ny ota no heviny amin’ny fampiasana azy amin’ny ara-panahy. Aoka ny Tenin’Andriamanitra no hanome ny heviny: «Ary ny anarany hataonao hoe Jesosy fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany » (Mat. 1:21) «Ary fantatrareo fa Izy no hanaisotra ny ota» (I Jaona 3:5). «Izao no nisehoan’ny Zanak’Andriamanitra, dia ny handrava ny asan’ny devoly», «Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin’izao miara-belona ratsy fanahy izao» (Gal. 1:4).

Mazava dia mazava tokoa ny Tenin’Andriamanitra, koa mahagaga antsika ny maha-diso fandray ny olona maro ny amin’izany fampianarana izany. Tena tombontsoa mahafinaritra ho an’ny olo-meloka rehetra ny mahazo fanafahana malalaka sy tanteraka ary avy hatrany amin’ny ota rehetra. «Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra» (I Jaona 1:9, 7). «Ho an’Izay tia antsika ka nanasa antsika ho afaka amin’ny fahotantsika tamin’ny rany» (Apok. 1: 5).

Na dia mino aza ny Kristiana rehetra fa nalatsaka noho ny fahotana ny ran’i Kristy, dia tsy mbola ampihariny amin’ny tenany tsirairay avy araka ny tokony hatao izany zava-dehibe efa nomanina ho azy izany, hany ka tsy mahatsapa izy fa mahazo famonjena dieny izao ankehitriny izao. Marina fa maty ho an’izao tontolo izao sy noho ny fahotan’izao tontolo izao Kristy kanefa tsy hahazo izany tombontsoa lehibe izany raha tsy ny tena mihitsy no mandray azy ary mampihatra azy. Ao amin’ny Jaona 1:12 dia hoy Andriamanitra hoe: «Izay rehetra mandray Azy dia omeny hery ho tonga Zanak’Andriamanitra».

Jesosy no zanak'ondrin'Andriamanitra izay nanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao (izany hoe efa voaomana ny famonjena izao tontolo izao raha mety handray izany izy) kanefa ireo izay mandre, sy mino ary manaiky ao amin’ny tenany fa maty Kristy ho famonjena azy, ireo ihany no hahazo tombontsoa amin’izany famonjena lehibe izany ka hahatsapa izany eto amin’izao fotoana ankehitriny izao dia araka izay namafisin’i Jesosy tamin’ny nanaovany hoe «Manana fiainana mandrakizay» (ny manana dia ampiasaina amin'ny ankehitriny, koa dia fahatsapana ankehitriny izany, izay ananan’ny mino ka mahatonga azy ho tafafindra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana ka tsy handalovany ny fitsarana intsony). Tsy hoe fanantenana na faniriana fotsiny no tokony hananana fa tena fahatsapana ankehitriny mihitsy fa manana fiainana mandrakizay ary tsy handalo ny fitsarana.

Mariho ny ampifandraisan’ny Apostoly Paoly ny famonjena sy ny vokany ao amin’ny fo sy fiainan’ny olona tsirairay avy. «Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny oniny sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr'Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota rehetra sy hanadiovany izay olona ho an’ny Tenany, sady ho mazoto indrindra amin ny asa tsara izany« (Tit. 2:11-14).

Fanamarinana :

Fomba maro no entina milaza ny famonjena ao amin’ny Soratra Masina dia fanamarinana, fiovana, fiterahana indray, ets…, ary manana ny heviny manokana mikasika ilay lohateny avy izy rehetra ireo. Tokony ho fantatry ny mpamaky anefa fa ireo teny rehetra ireo izay ampiasaina ho fampahatsiarovana eto amin’ity fizarana ity dia tsy mikasika afa-tsy asa tokana ihany dia ny asan’ny fahasoavana voalohany. Amarinina aloha isika indray mandeha, dia ovàna kosa indray avy eo, vao mahazo ny fiterahana indray.

Hodinihintsika aloha ny amin’ny fanamarinana. Io no endriny amin’ny ara-dalàna. Ny hoe manamarina dia manala ny maha-meloka. Efa nodinihintsika ny amin’ny andraikitry ny olona eo anatrehan’ny lalàna, ary nasehontsika fa tsy manan-kery hanafahany ny tenany amin’ny zavatra marina takian’ny lalàna ny olona raha mandika lalàna. Fa Kristy no efa nanolotra ny tenany ho avotra ho an’ny mpanota ary manome fahafaham-po ampy ho an’ny fitsaran’Andriamanitra ; ary amin’izany lalàna izany no ametrahantsika ny fahotantsika Aminy (Kristy) raha ibebahantsika arak’izay lazain’ny Baiboly ; dia homena antsika ny fahamarinany hahazoantsika mijoro eo anatrehan’Andriamanitra tahaka ny olona tsy nanota. Izany no fanamarinana. Izao no teny entin’i Paoly milaza azy : «Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy, Izay nasehon’Andriamanitra tamin’ny rany ho fanavotana amin’ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin’ny tsy namalian’Andriamanitra ny fahotana lasa tamin’ny nandeferany, mba hamenoana ny fahantrany ankehitriny, mba ho marina Izy sady marina izay manana finoana an’i Jesosy... Koa amin’izany dia ataontsika fa finoana no anamarinana ny olona...» (Rom. 3:23-28).

«Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy kosa isika» (II Kor. 5:21). «Fa raha ny fahadisoan’ny olona anankiray no nanjakan’ny fahafatesana noho ny nataon’ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben’ny fahasoavana sy ny fanomezan’ny fahamarinana no hanjaka amin’ny fiainana noho ny nataon’ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. Koa tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray» (Rom. 5:17-19).

Rehefa tonga eo amin’ny toetra mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra isika ary amim-pinoana no anekentsika an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenantsika dia atao izany famindrana ara-dalàna izany (raha azo atao ny mampiasa izany fomba fiteny izany) ka dia heverina ho tonga eo amin’ilay toerana mifanaraka indrindra amin’ny lalàn’Andriamanitra isika «Koa amin’izany satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika» (Rom. 5:1).

Misy fampianarana diso sy mamitaka anankiray izay saika mahazo laka eo amin’ny Kristiana ankehitriny, dia ilay mamela ny kristiana hanota sy tsy hankato isan’andro, kanefa dia mbola hihevi-tena ho marina ihany. Inoany mantsy fa isaina ho fahamarinany sy fankatoavany an’i Kristy ny fanekeny Azy ho ny Mpamonjy izao tontolo izao. Fa aoka ho tadidintsika tsara fa ny fahamarinan’Andriamanitra izay lazain’i Paoly fa ekena ho antsika dia tsy mahasahana afa-tsy ny «ota efa lasa», dia ireo izay natao talohan’ny nahitantsika an’i Kristy. Hatramin’ny fotoana nanamarinana antsika dia tsy maintsy velona «amin’ny fahamarinana sy fahamasinana eo anatrehany isika amin’ny androm-piainantsika rehetra» (Lio. 1:75). Efa nilaza mialoha Paoly sady nanohitra izany hevi-diso momba ny fanomezana ny Kristiana ny fahamarinan’i Kristy izany ka nanao hoe: «Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana ?». Ny fiheverana izany fotsiny dia efa nolavin’ny sainy ka namaly hoe izy «Sanatria izany, hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ?» (Rom. 6:1,2).

Fihavaozana

Raha fanafahana ara-dalàna no hevitry ny hoe fanamarinana tamin’ny voalohany, izany hoe ny mifanohitra amin’ny fanamelohana, dia vao mitranga ao anatin’ny olona kosa ny fihavaozana, ka dia samy hafa izany ny zavatra entin’ireo. Kanefa kosa mitovy ny samy maha-zava-dehibe azy ireo eo amin’ny fifandraisany amin’ny endriky ny famonjena samy hafa.

Raha ny teny fotsiny no dinihina dia «fiovana avy amin’ny toetra iray mankamin’ny toetra iray» no heviny ; ary izany no ampiasana azy amin’ny fanitsiana ivelany fotsiny, na koa ampiasaina izy indraindray ho enti-milaza fiovam-pinoana na ny foto-pinoana ekena. Fa be lavitra noho izany ny fihavaozana araka ny Baiboly na ny fihavaozana mahavonjy, satria tena fiovam-po sy fiainana mihitsy no heviny. «Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo» (Asa. 3:19). «Afeno ny tavanao ny fahotako ary vonoy ny heloko rehetra. Amorony fo madio aho Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahy ato anatiko. Dia hampianatra ny olon-diso ny lalanao aho; ary ny mpanota hampiverenina Aminao» (Salamo 51: 9,10,13). Natao ho tsy maintsy ilaina io fahatsapana io noho ny amin’ny ota, ary Jesosy mihitsy no nanao hoe «Raha tsy miova hianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely dia tsy hiditra ny fanjakan’ny lanitra hianareo» (Mat. 18:13).

Ny Fahaterahana indray.

Ny fahatsapana ny famonjena azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia lazaina koa hoe fahaterahan’ny fanahy. Ny tenan’i Jesosy no nampiditra io fampianarana io. «Tonga tany amin’ny azy Izy, fa ny azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia ireo izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitra-pon’ny nofo, na ny sitrapon’ny olona, fa naterak'Andriamanitra» (Jaona 1 : 11-13). Araka io teny io dia naterak'Andriamanitra ireo izay nandray an’i Kristy sy nino ny anarany nandritry ny naha-nofo azy.

Dia tahaka izany koa raha tonga tamin’ny alina Nikodemosy hanontany ny Mpamonjy, ary nanaiky Azy ho mpampianatra avy amin’Andriamanitra «dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra» (Jaona 3:1-7). Fahaterahana ara-nanahary no nandraisan’i Nikodemosy izany ary tsy mety ho azony mihitsy izany hoe «fahaterahana indray» izany izay mety ho tsapan’ny olona na dia efa antitra aza. Dia nanazava Jesosy ka nanao hoe: «Izay ateraky ny nofo dia nofo; fa izay ateraky ny Fanahy dia fanahy. Aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray hianareo».

Tena fototra lehibe mihitsy io fampianaran’ny fahaterahana indray io, satria raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy azo antsoina ho tena kristiana marina. Ny kristiana mantsy dia olona tahaka an’i Kristy, ary tsy maintsy hovana avy amin’ny ota ho amin’ny fahasoavana ny mpanota alohan’ny hahatonga azy ho tahaka an’i Kristy, ary ny Fanahy no manao izany fiovana izany izay antsoina eto hoe fahaterahana indray.

Ny hevitra misongadina asehon’ny fahaterahana dia ny fahatongavana eo amin’ny fahavelomana. Aseho ho toy ny olona maty am-panahy ny mpanota ao amin’ny Soratra Masina. Ny fahafantarana an’Andriamanitra ary ny fikambanana Aminy amin’ny fahamasinana sy ny firaisana no fiainana.

Manaraka izay, ary izany no faritra tokony no tratrarin’ny fahasambaran’ny fanahy (Jaona 17:3). Fa etsy an-daniny kosa ny fanasarahan’ny ota sy ny fanapahany ny firaisana amin’ny Mpanao antsika no fahafatesana ara-panahy. «Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho» (Rom. 7:9). Hitantsika ao amin’ny Isaia 59:1,2 ny mampisaraka ny olona amin’Andriamanitra. Hoy ny ao amin’ny I Tim. 5:6: «Izay vehivavy manaram-po amin’ny fahafinaretana dia maty fahavelony». «Ary hianareo izay efa matin’ny fahadisoana» (Kol. 2:13). «Ary hianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao» (Efes. 2:1-2). Mba hafahafa izany mihevitra olona maty kanefa mandehandeha ! anefa hodidinin’olona an-tapitrisana isika izay velona tsara ary manan-tsaina saingy «matin’ny fahadisoany sy ny fahotany». Ireny no «tsy maintsy ateraka indray». «Tonga Jesosy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be» (Jaona 10:10). Ao amin’ny Jaona 1:12.13 efa voalaza etsy ambony dia milaza ny apostoly fa ireo iza mino ny anaran’i Jesosy dia naterak'Andriamanitra; ary ao amin’ny Jaona 5:24 dia hoy izy ny amin’ny nolazain’i Jesosy: «Izay mandre ny teniko ary mino Izay naniraka Ahy, no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy». Milaza mazava ity Apostoly mahafinaritra ity fa «omen’Andriamanitra fiainana mandrakizay isika ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana, izay tsy manana ny Zanak Andriamanitra dia tsy manana ny fiainana» (I Jaona 5:11, 12).

Na dia eo aza anefa ireo teny mazava ireo sy ny hafa koa mikasika io lohateny io, dia mbola sahy milaza marina ihany ny mpampianatra sasany fa tsy ilaina amin’izao fotoana izao ny fahaterahana indray; fa nateraka ho eto amin’ity tany ity isika ary hateraka indray ho amin’ny fiainana ho avy tsy amin’izao fotoana izao akory no ahazoana ny fiainana mandrakizay ets.. «Inona ary no holazaintsika ny amin’izany zavatra izany ?» Aoka ho vakiantsika izay lazain’ny Baiboly ary aoka izy no hanapaka ny hevitra.

«Izay rehetra mino fa Jesosy no Kristy dia naterak'Andriamanitra» (I Jaona 5:1). «Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe Zanak’Andriamanitra... Ankehitriny aza dia Zanak’Andriamanitra isika» (I Jaona: 1, 2). «Satria naterak'Andriamanitra izy» (I Jaona 3:9). «Fa efa teraka indray hianareo...tamin’ny tenin’Andriamanitra» (I Pet. 1:23). «Izay rehetra manao ny marina no zanany naterany» (I Jaona 2:29). «Fa naterak'Andriamanitra» (Jaona 1:12, 13). «Ary satria zanaka hianareo dia nirahin’Andriamanitra ho ato am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany» (Gal. 4:6). «Fa tahaka ny zaza vao teraka, dia maniria ny rononom-panahy tsy misy fitaka, mba hitomboanareo amin’izany» (I Pet. 2:2). «Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa Zanak’Andriamanitra isika» (Rom. 8:16). «Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra» (I Jaona 4:7) Ary satria efa naterak'Andriamanitra isika dia zanany ankehitriny, ary ny zanany mino ka «mahafantatra fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana» (I Jaona 3:14). «Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanaka izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana» (I Jaona 5:11, 12).

Tsy tokony hodiantsika tsy hita io tarehy mahagagan’ny fahaterahana indray io, io fitondrana ho amin’ny fiainana io. Amin’ny toetra nahariana izao tontolo izao fotsiny dia avy amin’ny aina no ihavian’ny aina. Ny zava-tsy manan’aina dia tsy afaka manome aina ny tenany. Dia toa izany koa amin’ny ara-panahy. Tsy afa-manome aim-panahy ho an’ny tenany ny olona «maty amin’ny fahadisoany sy ny fahotany». Angamba mety mba hiova kely ihany izy amin’ny toetra sasantsasany ary hahavita asa soa maro, fa rehefa mahatratra ny faran’ny azo atao amin’ny fiezahana samy irery izy dia ho olona tsara fomba fotsiny fa tsy ho arak'izay antsoin’ny Soratra Masina hoe Kristiana, satria olona tsara ampiana zavatra hafa ny atao hoe Kristiana. Io zavatra hafa anampy io dia ny aina avy amin’Andriamanitra izay ampidirin’ny Fanahin’Andriamanitra ao am-pontsika. «Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana, ary izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana» satria «ao amin’ny Zanaka io fiainana io» (I Jaona 5:11, 12).

An-tapitrisany ny olona mihevi-tena ho Kristiana ka mandeha eo amin’ny lalana mankany an-danitra, kanefa tsy izany tsinona fa mamita-tena satria tsy mbola nateraka indray izy ireo ary Jesosy mihitsy no nanao hoe: «Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra» (Jaona 3:3). Koa tena zava-dehibe ary ny hampahafantarana ny olona ny tokony hahatsapany ny famonjena mba hahalalany izay tokony hatao hifanaraka amin’izay tadiavin’ny Baiboly ka mandray ny tena fiovana marina, dia ny fahaterahan’ny Fanahy izay manome ny tsirairay avy fiainana mandrakizay, fahasambarana sy fifaliana ! Henatra toa inona ary fanalam-baraka toa inona ny anaran-tsoa hoe Kristiana ny mba ihamboan’ireo olona maro tia ota ho Kristiana satria hono efa anisan’ny fiangonana naorin’olona izy na koa efa nanaovana ilay fombafombam-pivavahana atao hoe batisa fony fahazaza ! Tena zavatra mampalahelo tokoa izany ! Andriamanitra anie hampisokatra ny mason’ireo olona maro nohajambaina ireo izay mihazakazaka mankany amin’ny fiainan-tsi-hita mandrakizay (helo) ! Ry mpamaky malala, raha anisan’ireo hianao, dia mivavaka amin’Andriamanitra aho mba hamohazany anao fandrao diso aoriana loatra, sy mba hanoratany ao amin’ny fanahinao tahaka ny voasoratra amin’ny afo ireto tenin’ny Tompo ireto hoe: «Tsy maintsy ateraka indray hianao».

Ny Fahalalana ny Famonjena

Tsy nofinofy fotsiny akory ny fahatsapana ny famonjena arak'izay ampianarina ao amin’ny Testamenta Vaovao fa tena fitahiana misy tokoa. Tamim-pahalalana marina no nitenenan’ny Apostoly nony niseho io loha-teny io izy. Hoy ny fanatitrateran’i Jaona: «Fantatsika fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika» (I Jaona 3:14).

«Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika» (toko 5:19). «Avy amin’Andriamanitra isika... Izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra». (I Jaona 4: 6, 7).

Fa kosa indray, natao hahatsiaro io fiovana lehibe io isika amin’ny fanafahana ny helotsika. «Efa hevitr’Andriamanitra mihitsy ny hampahalala ny olony ny famonjena amin’ny famelana ny helony» (Liok. 1 : 77). Rehefa atao mahatsiaro tsara ny helony izay mitady famonjena, ka manatona an’i Jesosy milanja ny vesatry ny helony ary miaiky sy miala amin’izany araka izay tadiavin’ny Baiboly, dia fafan’ilay Tompo Tsara amim-pitiavana ireny rehetra ireny amin’ny herin’ny fahasoavany ka dia miboiboika ao amin’ilay fo vaovao ny fiadanan-tsoan’ny lanitra, ary tsy mila olon-kafa hilaza aminy izy fa voavonjy satria ny tenany mihitsy no voalohany hahatsapa izany. Dia tonga tsapa tsara ny fahafahana amin’ny ota sy ny fanamelohany tahaka ny nahatsapana ny ota koa teo aloha. Fa tsy izany ihany : Misy fitiavana sy faniriana ary fanantenana vaovao mipoitra avy ao amin’ny fanahy izay mahatonga azy hahalala ilay marina voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo efa tonga vaovao ireo. Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra» (I Kor. 5:17, 18).

Ny fiovana tanteraka ao amin’ny zavatra tiantsika koa no fanamarinana mazava ny amin’ny famonjena. Voalohany indrindra aloha dia ny mikasika an’Andriamanitra. Mbola tsy tena tia an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra ny olona raha mbola velona amin’ny ota, satria tsy mampiraika azy izay tadiavin’Andriamanitra aminy. Misy aza tafalentika lalina loatra ao anaty fahotana ka tonga «mpankahala an’Andriamanitra» (Rom. 1:30). Fa rehefa mifoha ny fanahintsika ka mahita ny fahamarinan’ny fitiavan-dehibe nasehon’Andriamanitra antsika, dia mamerina ny fitiavantsika efa nania ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny nahafatesan’ny Tompontsika ho antsika, ary amin’izay isika dia vonon-kiteny miaraka amin ny Apostoly hoe «Tia Azy isika satria Izy efa tia antsika» (I Jaona 4:19). Rehefa avy eo dia zava-mandeha ho azy ny fankatoavana an’Andriamanitra ! Hoy Jesosy: «Raha misy tia Ahy dia hitandrina ny teniko izy» (Jaona 14:23).

Faharoa, mahatsiaro fiovana isika ao amin’ny fitiavantsika an’ireo fahavalontsika taloha. Tsy ny fankahalana sy ny halozana nananantsika taminy intsony no tsapantsika fa fitiavana te hifandray aminy kosa. Eny efa tanteraka amintsika tokoa ny tenin’i Kristy mikasika an’io izay manao hoe: «Tiava ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo mba ho tonga zanaky ny Rainareo izay an-danitra hianareo» (Mat. 5:44, 45).

Fahatelo, miova koa ny fitiavantsika ny olon’Andriamanitra, ary «fantantsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy» (I Jaona 3:14). Ary «izao no ahalalantsika fa tia ireo Zanak’Andriamanitra isika dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremantsika ny didiny» (I Jaona 5:2). «Anaka, aoka tsy ho tia amin’ny teny isika, na amin’ny lela, fa amin’ny asa sy amin’ny marina. Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany» (I Jaona 3:18,19). Lehibe tokoa ny fitiavantsika marina ny zanak'Andriamanitra ka hoy Kristy hoe: «Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo raha mifankatia» (Jaona 13:35).

Fa ny fanamarinana tsara indrindra sy mazava indrindra ny faneken’Andriamanitra antsika dia ny fanambaran’ny Fanahy ao anaty. Avy amin’ny finoana no ahazoana ny famonjena. Hoy Paoly tamin’ilay mpiandry tranomaizina : «Minoa an’i Jesosy Kristy Tompo, dia hovonjena hianao...». Ary hoy ny Apostoly Jaona: «Izay mino ny Zanak'Andriamanitra no manana fanambarana ao anatiny» (I Jaona 5:10). Tsy misy izany hoe mampiasa finoana mahavonjy an’i Kristy raha tsy efa misy fahatsapana ao anaty fa nomen’ny Fanahy Masina toky isika fa efa voavonjy. Tsy misy teny azo entina manazava tsara io fanambarana io; fa misaotra an’Andriamanitra isika noho ny ahazoantsika mahatsapa azy !

Nisy olona anankiray fantatry ny mpanoratra nanonofy hoe voavonjy izy ary nitory ny Filazantsara. Faly aoka izany izy nony nifoha ny ampitso maraina ary dia noheveriny fa voavonjy tokoa izy noho izany. Dia nanambara izy fa hanao fivoriana nony hariva ary nanandrana nitory teny tamin’ny olona. Tsy azo amin’ny tsi-fahatsiarovan-tena anefa na amin’ny alalan’ny nofy ny famonjen’ny Baiboly fa amin’ny finoana misy fisainana. Tsy maintsy ho olona mahatsiaro tena ny mandray azy ary mitady mafy an’Andriamanitra araka ny Teniny. Rehefa tanteraka ireo fepetra ireo dia hahatsapa tena fiovam-po sy ny fanambaran’ny Fanahy mivantana ny olona mino fa voavonjy izy. «Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika» (Rom. 8:16).

Ry mpamaky, moa tsaroanao ho efa novonoina tanteraka va ny otanao ka manana fiainana araka an’i Kristy hianao ? Raha tsia, dia mamelà ahy hilaza aminao fa tsy mbola nateraka indray hianao, koa dia tsy tena Kristiana marina. Mety ho olona tsara toetra hianao amin’ny mpiara-belona aminao manana ny fahamendrehanao ary milaza koa hoe Kristiana, fa tsy kristiana hianao raha refesina amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra . «Raha tsy ateraka indray ny olona dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra».

Fiainana masina

Nasehontsika tamin’ny toko nialoha ity izany hoe tena fihavaozana araka ny Baiboly izany, sy ny hevitry ny fiterahana indray. Amin’ity toko ity kosa dia ny fampianaran’ny Baiboly ny amin’ny fiainan’ireo izay naterak Andriamanitra no hojerentsika. «Fantatsika fa tsy manota izay rehetra naterak'Andriamanitra ; fa izay naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy» (I Jaona 5:18).

Inona moa ny ota ?

Izao teny izao no entin’io mpanoratra io ihany hilazana ny ota: «Izay rehetra manota no mandika ny lalàna; fa ny ota no fandikana ny lalàna» (I Jaona 3:4). Satria metimety kokoa ny hivoasantsika ny amin’ny didin’Andriamanitra amin’ny toko anankiray manokana, dia tsy ilaina ny hanaovana izany eto. Aoka ho ampy ny milaza fa ny lalàna izay hitsarana ny fitondran-tenantsika, ary izay mahatonga ota raha dikaina, dia ny «lalàn’i Kristy (Gal. 6:2). Hoy Jesosy: «Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko dia manana izay mitsara azy; ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ny andro farany» (Jaona 12:48).

Satria hotsaraina amin’ny lalàn’i Kristy isika amin’ny andro farany dia miharihary fa ny lalàn’i Kristy izao no andraikitra ananantsika hankatoavina. Fa marina Andriamanitra ka noho izany voafetra amin’izay faritra tratran’ny fanazavana antsika ny andraikitsika, satria tsy voalaza ao amin’ny Testamenta Vaovao fa fahotana ny tsi-fahalalana tanteraka izay tadiavin’Andriamanitra. «Raha jamba (ara-panahy) hianareo, dia tsy ho nanan-keloka» (Jaona 9:41). «Raha tsy tonga aho ka niteny taminy dia tsy nanan-keloka izy» (Jaona 15:22). «Tsy isaina ny ota raha tsy misy lalàna (Rom. 5:13). «Fa raha tsy misy lalàna dia tsy misy fandikan-dalàna» (Rom 4:15). Tsy maintsy manana fahalalana izay tsy maintsy ataontsika isika. amin’izay dia hiasa ny sitra-po ; fa raha tsy izany dia tsy heverina ho mpandika lalàna isika. «Koa izay mahalala hanao soa nefa tsy manao dia heloka ho azy izany» (Jak. 4:17). Raha araka io fitsipika io izany dia izao koa, izay mahalala fa tsy tokony hanao ratsy, nefa manao, dia heloka ho azy izany.

Mpanota avokoa ny olona rehetra

Zavatra nekena tamin’ny toerana rehetra sy tamin’ny fotoana rehetra teto ambonin’ny tany fa samy nahatsiaro ho nanota avokoa ny olona rehetra satria nahatsapa izy ireo fa tamin’ny sitrapony no nahavitany zavatra izay ekeny fa ratsy. Eken’ny Baiboly izany maha-mpanota ny olona rehetra izany ka hoy izy: «Fa tsy misy olombelona tsy manota» (I Mpanj. 8:46) ; «Fa samy nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra» (Rom. 3:23). «Fa ny Soratra Masina efa nanidy azy rehetra teo amin’ny fahotana» (Gal. 3:22).

Fa raha neken’ny Testamenta Taloha ny fahabetsahan’ny ota teto an-tany dia misy koa ao fanambarana ny fahavononan’Andriamanitra hanaisotra izany. Nony nanambara ny amin’i Kristy Isaia, dia hoy izy: «Eny Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo» (Isa. 35:4). Ary hoy Zakaria: «Amin’izany andro izany dia hisy loharano voasokatra ho an’ny taranak'i Davida sy ho an’ny mponina any Jerosalema hanafaka fahotana sy fahalotoana» (Zak. 12:1). Eto no ahitantsika izay zavatra natokana ho an’ny ota. Efa nanambara ny fihavian’ny Mesia Daniela tamin’ny nanaovany hoe: «Fito-polo herinandro no voatondro ho an’ny firenenao sy ny tanananao masina hahatapaka ny fahadisoana sy hanampiana ny fahotana, ary hanao fanavotana noho ny heloka sy hampiditra fahamarinana mandrakizay» ( Dan. 9:24). Ireny faminaniana rehetra ireny izay azo tamin’ny tsindrimandry dia tanteraka tao amin’i Kristy Izay tonga «Hanafaka ny olona amin’ny fahotany» (Mat. 1:21).

Vonjena ho afaka amin’ny fahotana ny Kristiana

«Ary fantatrareo fa Izy no naseho hanaisotra ny ota; ary tsy mba misy ota ao Aminy. Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy» (I Jaona 3:5, 6). Io no fenitry ny Filazantsara tsy miova araka izay ho hitantsika.

1. Kristy no nampianatra azy. «Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa, izay rehetra manota dia andevon’ny ota... Koa raha ny Zanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa hianareo» (Jaona 8: 34-36). Ampanantenaina eto ny fahafahana tanteraka amin’ny fatoran’ny ota. Ao amin’ny Jaona toko fahadimy no amakiantsika tantaran-dehilahy malemy anankiray nandry teo amoron’ny farihy Betesda ary efa naharitra valo amby telo-polo taona ny naharariany. Avy Jesosy ary nanasitrana azy. «Rehefa afaka izany dia hitan’i Jesosy teo an-kianjan’ny Tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy : Indro efa sitrana hianao, aza manota intsony fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo» (Jaona 5:14). Tena hevi-dravina ny fanaovana hoe tsy nanao ny marina Kristy, satria nanome didy tsy azo ankatoavina — didy izay raha dikaina dia hitondra fahavoazana mafimafy kokoa ho an’ity lehilahy ity noho izay efa nanjo azy nandritry ny 38 taona. Azo ankatoavina tsara izany didy izany. Nahazo hery avy amin’ny Tompo io lehilahy io mba handeha sy ho velona afaka amin’ny ota. Raha tsy azo natao ny hanana fiainana masina tsy misy ota dia tsy ho nandidy Jesosy ka nanao hoe: Mandehana ka aza manota intsony.Ary indray, ao amin’ny Jaona 8:3-11 no amakiantsika ny amin’ilay vehivavy anankiray nentina teo amin’i Jesosy fa nampangaina ho nanao fahotana lehibe. Rehefa afaka fotoana kelikely niresahana ary nahatonga ny Fariseo sy Mpanora-dalàna hahatsiaro ho meloka noho nv otany, dia nitodika tamin-dravehivavy Jesosy ka nanao taminy hoe «Aiza ireo mpiampanga anao ? Tsy nisy nanameloka anao va ? Tsy nisy Tompoko hoy ravehivavy. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho koa tsy manameloka anao, MANDEHANA ARY AZA MANOTA INTSONY».

2. Izao no fampianaran’i Petera: «Koa mibebaha hianareo ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo» (Asa. 3:19). «Fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany; Izay tsy nanota akory, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany» (I Pet. 2: 21, 22).

3. Ny an’i Paoly kosa indray: «Mifohaza tsara ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an’Andriamanitra ; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany» (I Kor. 15:34). Saika ny toko fahenina manontolo amin’ny bokin’ny Romana no natokana hilazana ny fahafahan’ny kristiana amin’ny ota. Hilaza andininy vitsivitsy fotsiny aho izay ahitana izao: «Inona ary no holazaintsika ? Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika mba hitomboan’ny fahasoavana ? Sanatria izany ! Hataontsika izay fa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ?» (and. 1, 2) «Ary aoka ho tahaka izany koa hianareo, ka ny tenanareo dia ataovy ho efa maty ny amin’ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany» (and. 11, 12). «Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ny lalàna hianareo fa ambanin’ny fahasoavana» (and. 14). «tsy amin’ny ota hianareo, dia tonga mpanompon’ny fahamarinana» (and. 1 8). «Fa ankehitrinv, rehefa natao afaka tamin’ny ota hianareo ka efa tonga mpanompon’Andriamanitra , dia manana ny vokatrareo ho amin’ny fahanasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay» (and. 22).

Misy olona mitady hanamarina fa Paoly koa dia mpanota sy mpiaro ota ; fa io toko io ihany dia ampy hamaritra mandrakizay ny fijoroany ho Kristiana raha ny ota no tenenina. Mbola hiverenantsika ihany izany hevitra izany eto amin’ity toko ity. Izao no nolazain’i Jaona : «Raha mandeha eo amin’ny mazava isika tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra» (I Jaona 1:7-9). Ampianarina eto ny fanadiovana tanteraka amin’ny ota, kanefa kosa asiana fepetra hoe tsy ho sarontsaronantsika ny fahotantsika sy tsy ho lavintsika, fa «mandeha eo amin’ny mazava» isika ary «miaiky ny fahotantsika». Ary asehon’io mpanoratra io ihany fa tsy maintsy velona amin’izany toetra masina izany eo anatrehan’i Kristy isika satria hoy izy : «Izay milaza fa mitoetra aminy Izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa» (I Jaona 2:6). Ahoana no nandehanan’i Kristy ? Nanamafy Petera fa «tsy nanota akory Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany (Pet. 2: 2). Ka noho izany tsy tokony hanota koa isika. Izany no fenitra amin’ny Kristiana.

Dia mbola hoy koa Jaona: «Anaka soratako ho anareo izany zavatra izany mba tsy hanotanareo» (I Jaona 2:1). Mbola tohizany ao amin’io andininy io ihany ny fampisehoana fa «raha misy manota dia manana solovava ao amin’Andriamanitra isika, dia Jesosy Kristy Ilay marina». Mampiseho izany fa raha sendra mihataka amin’ny fenitry ny maha-Kristiana ny olona ka lavo amin’ny ota dia mbola mety ho voavotra indray izy satria mbola mety hamela ny helony indray Kristy. Na izany aza dia tsy manalefaka na dia kely akory aza ny fenitra lazaina eto hoe: «izay milaza fa mitoetra ao aminy Izy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa» (and. 6). Fa mbola mandroso ihany ity Apostoly ity ary mampiseho fa tsy hoe tsy maintsy handeha amin’izany fomba izany ihany ny Kristiana, fa tena ataony mihitsy izany. «Izay rehetra mitoetra ao aminy dia tsy manota ; izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy» (I Jaona 3: 8). «Fa fantatsika fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota; fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia miaro ny tenany, ka tsy mikasika azy akory ilay ratsy» (I Jaona 5 : 18). «Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo, izay manao ny marina no marina; eny marina tahaka Azy. Izay rehetra naterak'Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny; ary tsy mahay manota izy satria naterak'Andriamanitra » (I Jaona 3:7, 9). Mariho kely izao zavatra izao ry mpamaky: Tsy nilaza Jaona fa tokony hiaiky heloka isan’andro ny olon’Andriamanitra na hibebaka amin’ny fahotany matetika, fa hoy izy: «AZA MANOTA». An’arivony amin’ireo milaza azy ho Kristiana no nametraka fanontaniana hoe: «Iza moa ireo olo-marina tsy mila fibebahana nolazain’i Kristy ireo ?»(Lioka 15:7). Mazava ny valiny: Ireo no Kristiana izay olom-boavonjy, naterak'Andriamanitra ; satria «izay rehetra naterak'Andriamanitra dia tsy manota». Koa tsy mila, ary avy amin’izany, tsy afaka hibebaka izy.

Ny tsipika fihavahana

Tafaresaka tamin’ny Mpitandrina anankiroa mandà ny fampianarana momba ny fahafahan’ny kristiana amin’ny ota ny mpanoratra vao haingana na dia ao aza ireo teny maro ao amin’ny Testamenta Vaovao manazava io fampianarana io tsara. Nanontaniako azy ny maha-samy hafa ny mpanota sy ireo atao hoe «Kristiana manota». Izao no valiny nomeny: Ny Kristiana manota dia miaiky ny helony ary mangataka famelana isan’andro, fa ny mpanota kosa tsy mba manao toa izany. Dia nolazaiko taminy fa mitovy ihany ireo olona ireo amiko, ary mampahatsiahy ahy tantara anankiray vao novakiako vao haingana io fihavahana io na dia tsy azoko atao aza ny miantoka ny fahamarinan’ilay tantara : Nisy mpitondra fivavahana episkopaliana anankiray nitety tany tany Amerika atsimo ary niresaka ny momba ny fivavahana tamin’ny mpamboly anankiray indray andro. Nony nanontaniana ny amin’ny fivavahany ilay mpamboly dia hoy ny navaliny : «Episkopaliana aho». «Iza no nanao konfirmasiona anao ?» hoy ilay mpitondra fivavahana. «Natao konfirmasiona hoe ?» hoy ilay mpamboly «inona izany ?» «Ahoana no nahatonga anao ho Episkopaliana raha tsy nianatra konfirmasiona hianao ?» «Hay !» hoy ilay mpamboly, izao no nitranga : Nitsidika tany New Orléans aho tamin’ny fahavaratra lasa teo ary nankany am-piangonana indray andro. Tao aho dia nandre olona nanao hoe : manao zavatra maro tsy tokony ho nataony izy ireo ary tsy nahavita zavatra maro tokony ho nataony; dia hoy koa izy ireo hoe: manao lalana miolakolaka handehanan’ny tongony izy ireo, ka dia hoy aho anakam-po : «Izany indrindra no mahazo ahy». Nony nivoaka aho dia nanontany olona hoe mba fiangonana inona moa ity ? ary novalian’ilay olona aho fa Fiangonana episkopaliana io ; ka dia episkopaliana aho hatramin’izay» Noheveriny fa nahita ny tahaka azy izy.
Fa manisy tsipika mampiavaka tsara ny mpanota sy ny Kristiana Andriamanitra . Efa nasehontsika tamin’ny an-dalan-teny maro fa vonjena amin’ny fahotany ny olon’Andriamanitra.

Ny Fifanoherana

Ho marihintsika izay teny ambaran’ny Baiboly momba ilay karazana anankiray mba hampiseho ny fifanoheran’izy roa.
Hoy Jesosy : «Izay rehetra manota dia andevon’ny ota» (Jaona 8: 34).
Hoy Paoly : «Fa fony mpanompon’ny ota hianareo dia afaka tamin ny fahamarinana» (Rom. 6:20).
Hoy Petera : «Manana maso feno fijangajangana izay tsy mety mitsahatra amin’ny fahotana... ka efa tehirizina ho azy ny fahamaintisan’ny maizina» (Pet. 2:14, 17).
Hoy Jakoba : «Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao ? Koa na iza na iza te ho sakaizan’izao tontolo izao dia fahavalon’Andriamanitra » (Jak. 4:4).
Hoy Joda : «Ny olona ratsy fanahy... mandeha araka ny filany...ka mandoka olona mba hahazoany zavatra... Ireo no mahatonga fisarahana (amin’ny marina sy ny fampianarana momba ny fiainana tsy misy ota), dia olona araka ny nofo ihany fa mba manana Fanahy» (Joda 15-19).
Hoy Jaona : «Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa» (Jaona 5:19). «Izay rehetra manota dia tsy nahita na nahalala Azy (Kristy)» (I Jaona 3:6).

Mariho izao fifanoherana izao: «Izay manota dia avy amin’ny devoly satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany... Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota...». Izany no mampiseho miharihary izay zanak'Andriamanitra sy izay zanaky ny devoly. «Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao marina» (I Jaona 3:8-10). «Izay manao ny marina no marina; eny marina tahaka Azy (Kristy)» (and. 7). Ny tsipika mampiavaka nataon’Andriamanitra dia ho an’ireo manota sy ireo tsy manota. Ireo tsy manota dia naterak'Andriamanitra ka mahalala Azy ary manana ny fahamarinany; fa etsy an-daniny kosa, ireo izay manota dia andevon’ny ota ary manao ny asan’ny devoly, koa dia azy sy avy aminy ka tsy Zanak’Andriamanitra velively. Mivavaka amin’Andriamanitra aho mba «hifohazan’ireny olona ireny ho amin’ny fahamarinana ka tsy hanotany».

Fanakianana vitsivitsy voavaly

Rehefa atranga ny fampianarana momba ny famonjena amin’ny ota sy ny fiainana masina dia tonga ny olona matetika manao fanakianana izany fenitra izany. Kanefa raha marina ireny fanakianana ireny ary miorina amin’ny an-dalan-tsoratra sasantsasany ao amin’ny Soratra Masina, dia mba tokony ho dinihina ihany. Mifandrindra tsara tokoa amin’ny fikasana momba ny fanavotana ireny an-dalan-tsoratra ireny raha omena ny dikany marina. Tsy misy mifanohitra akory ao amin’ny Tenin’Andriamanitra momba io loha-teny io raha ny fikasana ho amin’ny famonjena miandalana no andraisana azy, dia tahaka izay ho hazavaintsika izao.

Fanakianana voalohany : «Fa tsy misy olombelona tsy manota» (I Mpanj. 8:46). «Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota» (Mpit. 7:20).

Valiny : Solomona Mpanjaka no niteny ireo teny ireo ary velona tokony ho arivo taona talohan’i Kristy izy; ary tamin’izany fotoana izany dia tsy nahaisotra ny ota ny ran’ny ombilahy na ny osilahy (Heb. 10:4). Betsaka ny olona be finoana an’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany ary nanana fiainana tsara raha ny faritra tamin’izany fotoana izany no jerena, ka dia neken’Andriamanitra noho ny finoany rehefa nifanaraka tamin’ny faritra ambony indrindra amin’ny sitrapony izay nasehony. Fa ny fahatsapana ny fiterahana indray sy ny fanavaozana ny fanahy izay mahatonga ny olona ho olom-baovao dia tsy mbola tsaroana tamin’izany andro izany; ka izay no tsy nilazan’ny olona ny tenany ho velona tsy manota. Ny fikasana ho amin’ny famonjena amin’ny ota amin’ny alalan’i Kristy dia zava-miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao ary «voaafina tao amin’Andriamanitra » (Efes. 3:9), zava-miafina izay na dia ny «Anjely aza dia ta-handinika azy koa» (I Pet. 1:12), fa voaseho kosa amin’ny andron’ny Filazantsara (Kol. 1:26). Hoy Jesosy tamin’ny Mpianany «Maro ny mpaminany sy olona marina naniry hahita izay hitanareo nefa tsy mba nahita, ary naniry handre izay renareo nefa tsy mba nandre. Fa sambatra ny masonareo fa mahita ary ny sofinareo fa mandre» (Mat. 13: 17, 16). Kanefa efa nahatsikaritra io fanavotana io ireny mpaminany ireny ary nanoratra momba izany na dia tsy nahatsapa izany aza ny tenany. Nolazain’i Petera mazava tsara izany tamin’izao soratra nataony momba ireo rahalahy amin’ny andro vaovao izao hoe: «Mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. Ny amin’izany famonjena izany dia notadiavin’ny mpaminany sy nokatsahiny fatratra, dia ireo efa naminany ny fahasoavana ho anareo; eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ny Fanahin’i Kristy tao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany. Ary naseho tamin’ireo fa tsy ho azy fa ho anareo no nanompoany ny amin’izany zavatra izany, izay voalaza aminareo ankehitriny, tamin’ny tenin’ireo nitory ny Filazantsara taminareo amin’ny Fanahy Masina Izay nirahina avy tany an-danitra» (I Pet. 1:9-12). Manazava tsara io fa ny fahatsapana ny famonjena izay raisina ankehitriny amin’ny alalan’i Kristy dia tsy mba tsapa talohan’ny nahatongavany dia ireo mpaminany nanoratra momba izany aza. Ireo izay manda ny fiainana tsy misy ota dia tsy maintsy hanondro ny Mpit. 7:20 manao hoe: «tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao tsara ka tsy manota». Fa nahoana kosa izy ireo no tsy manondro ny I Jaona 3: 9 manao hoe: «izay rehetra aterak'Andriamanitra dia tsy manota ?» Moa mifandaka va ireo an-dalan-tsoratra ireo ? Mety ho izany raha ny fanoratana azy, fa tsy mifandaka ireo ao amin’ny soritra nataon’Andriamanitra, satria Solomona nanoratra tamin’ny andro taloha fa Jaona kosa tamin’ny andro vaovao. Ny tena fototra mampisy ny fifanarahana dia hita ao amin’ity zavatra marina ity hoe: «ny ran’i Jesosy Kristy Zanany no manadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra» (I Jaona 1:7).

Fanakianana faharoa : Ny fahatsapan’i Paoly ao amin’ny Romana izay anaovany hoe «Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko dia ato amin’ny nofoko, fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko, fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. Koa hitako izao lalàna izao : raha te-hanao ny marina aho dia ato amiko ihany ny ratsy. Fa mankasitraka ny lalàn’Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; nefa mahita lalàna hafa amin’ny momba ny tenako aho, miady amin’ny lalàn’ny saiko ka mamabo ahy ho an’ny lalàn’ny ota izay ao amin’ny momba ny tenako. Indrisy ! olo-mahantra aho !»

Valiny : Ny fandinihana ny toko manontolo dia mampiseho mazava fa milaza ny zavatra tsapany teo ambany lalàn’i Mosesy talohan’ny nahitany an’i Kristy ny Apostoly. Miteny ny toetrany fony fahazazany izy aloha fony izy «velona tsy nanan-dalàna» — tsy nahalala akory izay lazain’n’lalàna hoe: «Aza mitsiriritra». Ary rehefa tonga taminy ny lalàna dia hoy izy: «Velona indray ny ota, ka dia maty aho» (And. 7:13). Tsara io lalàna nitaizana azy io satria milaza ny hevitry ny fahotana ary mampiseho tamin’ny maha mpanota azy, fa tsy nitondra fahafahana sy famonjena amin’ny fahotana ho azy io ; izany no niantsoany mafy hoe: «Indrisy ! olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin’ny tenan’ity fahafatesana ity ?» Dia nahazo tara-panantenana izy ka namaly ny tenany hoe: «Misaotra an’Andriamanitra aho amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika» (and. 24, 25).

Io fahatsapana ny ota io koa no efa nananan’i Saoly, ilay lehilahy saro-piaro ny lalàna ka nanenjika ny fiangonan’Andriamanitra ; fa nandimby an’io niaraka tamin’izay dia izay fahatsapan’i Paoly Kristiana, araka izay lazain’ny teniny, no hitantsika: «Ary amin’izany dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy Izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka ny fanahy. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalàn’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalàn’ny fahotana sy ny fahafatesana. Fa izay tsy hain’ny lalàna (lalàn’i Mosesy), satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan’Andriamanitra tamin’Izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin’ny ota ka nanameloka ny ota tao amin’ny nofo, mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain’ny lalàna amintsika izay tsy mandeha araka ny nofo fa araka ny Fanahy» (Rom. 8:1-4).

Ry mpamaky iza no irinao, izay zavatra tsapan’i Saoly sa izay zavatra tsapan’i Paoly ? Rehefa nahazo fahafahana tamin’ny ota tamin’ny alalan’i Kristy izy dia nampianatra ny Kristiana ho velona tsy misy ota. «Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika, mba hitomboan’ny fahasoavana ? Sanatria izany ! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ?» (Rom. 6:1-2). «Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo, FA TSY AMBANIN’NY LALANA HIANAREO FA AMBANIN’NY FAHASOAVANA» (and. 14). Manazava ny zavatra rehetra io an-dalan-teny farany io. Teo ambanin ny lalàna dia nanan-kery tamin’ny olona ny ota ; fa eo ambanin’ny fahasoavana kosa dia manan-kery amin’ny ota ny olon’Andriamanitra . Teo ambanin’ny lalàna dia azo atao ny manao hoe : «Tsy misy olombelona marina eto ambonin’ny tany izay manao ny tsara ka tsy manota», fa eo ambanin’ny fahasoavana kosa : «Izay rehetra naterak’ Andriamanitra dia tsy manota». «Fa ny lalàna dia nomena tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy» (Jaona 1 : 17). Eny «Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra , izay famonjena ny olona rehetra mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao». Nahoana ? Satria efa nanolotra ny tenany hamonjy antsika Kristy mba hanavotany antsika ho afaka amin’ny ota REHETRA sy hanadiovany izay olona ho an’ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin’ny asa tsara izany (Tit. 2 : 11-14).

Ny tsy maha an’i Paoly Kristiana ny fahatsapana ny amin’ny ota voasoratra ao amin’ny Rom. 7 tamin’ny fotoana nanoratany io toko io dia mbola ampibaribarian’ny zavatra misy hafa koa. Tokony ho tamin’ny taona 60 taorian’i Kristy no nanoratana io Epistily io. Enin-taona talohan’io, izany hoe 54 taona taorian’i Kristy, dia tsara lavitra noho izany ny fiainana satria hoy izy tamin’ireo rahalahy tesaloniana : «Hianareo no vavolombelona, ary Andriamanitra koa, fa masina sy marina ary tsy nanan-tsiny tokoa ny fitondrantenanay teo imasonareo izay mino» (I Tes. 2:10). Moa nitambotsotra va izy tamin’ny fotoana nanoratany ny Epistily ho an’ny Romana ? Tsia, satria tokony ho tamin’io taona io ihany, 60 taona taorian’i Kristy, dia nanambara teo amin’ny Synedriona izy hoe : «Izaho nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka androany» (Asa 23 : 1). Ary andro vitsivitsy taorian’io dia hoy izy : «Ary amin’izany dia mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona» (Asa 24:16). «Izay manota dia avy amin’ny devoly, satria ny devoly manota hatramin’ny voalohany. Izao no nisehoan’ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly» (I Jaona 3:8). Ny ota dia asan’ny devoly ary tsy ho izy raha avelan’Andriamanitra ho eo ambany fanapahan’ny devoly ny olony satria hoy Jesosy : «mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy» (Heb. 7:25). Ny fampianarana rehetra ao amin’ny Testamenta Vaovao dia mampiseho fa ambonin'ny ota sy izao tontolo izao ny fiainana ara-panahy. Hoy Andriamanitra : «Ho masina hianareo, satria masina Aho» (I Pet. 1:16). Ka tsy handidy zavatra tsy ho vitan’ny zanany Andriamanitra fa manana fahasoavana hampahatonga ny zanany hahay miaro tena tsy ho voapentipentina eto amin’izao fiainana izao. Fa tena ho fahavoazana lehibe eo amin’ny fikasana ho amin’ny famonjena raha tsy hahafaka ny zanany eo ambany fifehezan’ny devoly Andriamanitra . «Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety hianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo» (I Pet. 5:10).

Nosoratan'ny Misionera Rahalahy sy Anabavy Daoud;