Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany

NY FIJANGAJANGANA

FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKA
FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA.

Io fahotana io no nahatonga ny safo-drano teto ambonin’ny tany izay nandringana ny olombelona rehetra sy ny biby afa-tsy Noa sy ny ankohonany.
Io fahotana io no nahatonga an’Andriamanitra handatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora, ary koa handroaka ny mponina voalohany tany amin’ny tanin’i Palestina.

Nahatonga mpanjaka maro ho very seza fiandrianana io, namono zaza maro, nahatonga olon-dehibe ho kilemaina, nahatonga ny olona hamono ny tsy manan-tsiny sy hampiditra an-tranomaizina ny mpivavaka, namparary fo sy nampijaly ny manodidina ary nampalemy ny olona tomady ho tahaka ny landihazo. Tsy mba voasarona na oviana na oviana io fahotana io. Manoratra ny tantarany sy ny rikorikony eo amin’ny tavan’izay voany izy ka mandatsa azy amin’ny androm-pahanterany. Mandà ny rariny sy ny fananarana izy, ny hany lalana handresena azy dia ny "fandosirana azy" hoy ny Soratra Masina. (II Kor. 6:17 ; II Tim. 2:22).

Tena mahery vaika mihitsy izy io eto ambonin’ny tany ka na dia ny mpitondra fivavahana sasany aza dia mihevitra fa mahazo manaram-po izy ary tsy misy voka-dratsy hojinjainy amin’izany. Mamela ny zanany hiroboka amin’io fahotana io ny ray aman-dreny ka tsy mampiasa ny tsorakazo, ary misy aza ray aman-dreny kristiana sasany mampirisika ny zanany hanao io fahotana io satria mangina ny polipitra ny amin’ny fitsaran’andriamanitra mahatahotra momba ny fijangajangana na dia efa an-tapitrisany aza ny olona rava tokantrano sady voan'ny areti-mandoza tsy azom-panafana mandra-pibebany marina amin’ny fahotany ka ialany amin’ny [[fiamana sy]] lalan-dratsiny. Ny filazana voalohany momba io fahotana io dia hita ao amin’ny (Genesisy 6). Tena zava-dratsy teo imason’Andriamanitra mihitsy io. "nampanenina ny tompo" ny namoronany ny olombelona teto an-tany, ary dia naringan’Andriamanitra izay rehetra meloka fa nanambady izay vehivavy rehetra tiany fa tsy nijanona tamin’ilay vadiny voalohany.

Raha misy lehilahy mandika ny voadim-panambadiany ka manao tokantrano maso amin’izay vehivavy tiany dia mampalahelo ny fon’Andriamanitra indrindra izany. naleony tsy nisy lehilahy na vehivavy akory teto an-tany raha handoto azy. Mety handidy fîsaraham-panambadiana ny fitsarana fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Ny lalana ahazoana manampina io fahotana io hatrany amin'ny loharanony dia ny "mitandrina ny fanahin’ny tena", ary ny tsy hamela olona hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. "Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa misy manarona herisetra amin’ny fitafiany", hoy Jehovah, Tompon’ny maro ; koa tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy nisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany". (Mal. 2:14-16.) Ny anankiray fahatelo dia ao amin’ny (Gen. 20), raha nisy mpanjaka mpanompo sampy iray naka an’i Saray, vadin’i Abrama, noho ny hatsaran-tarehiny. Niseho tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy nony alina Andriamanitra ka nanao hoe: "Indro, ho faty ianao (tsy hisy famindrampo mitondra fahasitranana mihitsy fa dia fahafatesana) noho ny vehivavy izay efa nalainao, fa vadin’olona izy. Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina ? Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy ? Ary ravehivavy tenany ihany no nanao hoe: Anadahiko izy ; tamin’ny fahitsian’ny foko sy ny tsy fananan’ny tanako tsiny no nanaovako izany. Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: Eny, fantatro fa tamin’ny fahitsian’ny fonao no nanaovanao izany, fa niaro anao tsy hanota amiko koa Aho, noho izany no tsy namelako anao hanendry azy. Ary ankehitriny avereno amin-dralehilahy ny vadiny ; fa mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia no velona ianao ; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamm’izay rehetra anao".

FANAMARIHANA: Na dia tsy nanan-tsiny aza Abimeleka, dia tsy maintsy naveriny ho any amin’ny vadiny ihany Saray ; fa tsy fijaliana ihany no hahazo an’i Abimeleka raha nandà, fa ho tonga aminy sy ny ankohonany koa ny fahafatesana Betsaka ny ray aman-dreny no mijaly amin’ny androm-pahanterany satria tsy nampitandrina ny zanany lahy na vavy tsy hanambady olona efa nisaraka am-panambadiana no nataony, fa ny nampirisika azy mihitsy aza ka nihevitra fa mety amin-janany ny hanambady olona toy izany, na dia handrava tokantranon’olona aza izany, nataony izany satria nantenainy fa ho vady tsaratsara kokoa ho an’ilay olona ny zanany, heveriny fa tsy miraharaha izany mihitsy ny fitsaran’andriamanitra. Tsy mahazo maka vadin’olona ny lehilahy, toy izany koa ny vehivavy. Raha mandika izany didin’Andriamanitra mazava izany izy dia hijinja aretina sy fahafatesana izay fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra ary fanamelohana mandrakizay any amin’ny helo ho famaizana.

Tsy noho ny hoe satria mifankatia izy roa ; tsia, fa "feno fitaka ny fon’olombelona sady tena ratsy", hoy Andriamanitra ; koa mety ho tia ota ny fo ratsy kanefa hamono azy ara-nofo izany ota izany ary hahavery azy any amin’ny helo mandrakizay. Fa tsy misy mahazo miditra any an-danitra na ny mpijangajanga, na ny olom-betaveta, na ny mpierina, aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana ianareo ; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana (Efe. 5:5-6).

Faizin’Andriamanitra ny ray aman-dreny matetika noho ny tsy fandrarany ny zanany tsy hijangajanga sy tsy hanao zava-betaveta. Mpaminany sady mpisoronabe Ely, kanefa satria nahalala izy fa nandry tamin’ireo vehivavy tonga tao amin’ny tempoly mba hivavaka ny zanany lahy, izay efa tonga taona, ary na dia mba niteny an-janany ihany aza Ely, kanefa tsy nisakana azy tamin’ny tsorakazo (I Sam. 2:22 ; I Sam. 3:12-14), dia nofolahin’Andriamanitra ny vozony ary novonoiny ny zanany roa lahy (I Sam. 4:14-18). Tompon’andraikitra amin ny fandrarana ny zanany tsy hikasika na haka vadin’olona ka handrava ny tokantranon’ny hafa ny ray aman-dreny. Raha manao ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy ny ray aman-dreny fa tsy lany andro amin’ny fitadiavam-bola izay hahazoan’ny zanany vavy hividy haingo fotsiny na mba hahazoan’ny zanany lahy hividy fïarakodia vaovao fotsiny, ary raha amafïsiny tsara amin-janany ny tsy tokony hieritreretany akory izay fisaraham-panambadiana, dia hahavonjy ny tenany sy ny zanany tsy ho azon’aretina izy. (Kanefa matetika ny ray aman-dreny no mamela ny zanany hinamana sy hifanadala amin’olona efa manambady), ka rehefa masaka ny fihavanana ka sendra mifamaly kely ny mpivady dia mihevitra ilay zanany fa afaka manome fahasambarana bebe kokoa ho an’ilay olona adalainy. Ny antony toy izany dia ampy handravana tokantranon’olona ka hanambadiany ilay vadin’olona. Tapeno hatrany am-boalohany izany hevi-petsin’ny devoly izany ka asaovy mitandrina ny zanakao tsy ho roboka amin’olona tsy manaja ny vadiny. Raha tàhiny tsy mahita olona ho adalainy amin’ireo olona tsara fitondrantena ny mpijangajanga, dia vetivety foana izy dia hahatsiaro ny fahotany ka hanitsy ny fiainany.

Betsaka ny reny raha misaraka am-panambadiana ny zanany vavy, no mihevitra fa sitrak’Andriamanitra ny hanambadian-janany indray mba tsy hahatsiarovany ny tenany ho singan’irery, ary mba tsy hiadian’izy mivady aminy intsony. Kanefa raha vao manambady indray izy dia tena mijangajanga mihitsy ary mampijangajanga ilay olona manambady azy indray (Lio. 16:18).

Misy olona manao hoe: "Rehefa mamela heloka Andriamanitra dia mamela heloka ; ary tahaka ny amelany ny heloka anankiray no amelany ny heloka hafa indray koa", eny, kanefa rehefa namela heloka Jesosy dia hoy Izy: "Mandehana ka aza manota intsony, fandrao hanjo anao ny ratsiratsy kokoa noho ny teo". Raha misy mpamono olona navelan i Jesosy heloka, dia mihevitra Izy fa tsy hiverina hamono olona intsony ilay mpamono olona. Raha mamela heloka ny mpangalatra iray Andriamanitra dia tsy hihevitra izany mpangalatra izany hamaky trano fitehirizarn-bola hafa indray. Toy izany koa eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy hanohizan’ny mpijangajanga ny fijangajangany intsony, rehefa voavela ny helony. Fa satria misy mihevitra fa tsy afaka ho velona raha tsy manambady dia izao: raha ampy sy mahery ny Fahasoavan’Andriamanitra, ka mahasakana ny mpangalatra tsy hangalatra, ny mpamono olona tsy hamono olona, ny mpimamo tsy himamo, ny mpandainga tsy handainga, dia ho voasakan’ny Fahasoavan’Andriamanitra koa ny lehilahy na vehivavy tsy hijangajanga. Raha tsaroan’ilay olona mantsy fa hitondra azy any amin’ ny helo mirehitra afo sy solifara mandrakizay ny fijangajangana dia hitandrina sy tsy hanao izany intsony izy. Hoy Jesosy: "Izay manambady ny efa nisaorana dia mijangajanga (mitohy izany ary mbola hitohy raha mbola miara-mitoetra izy ireo), ary na firy na firy zaza naterany tamin’izany dia zanaky ny fijangajangana". Nefa ny hany hampijanonana ny fijangajangana dia ny fisarahana amin’ilay namana niaraha-nanota ihany. Izany no zavatra mafy hanjo ny zanakao raha avelanao ho rendrika amin’io fahotana mahatsiravina io izy dia ny fijangajangana sy ny fahavetavetana ary ny fakambadin’olona. Tsy mijanona miaraka amin’ny fampijanonana ny fijangajangana akory ny voka-dratsiny. Raha misy mibebaka amin’ny vonoan’olona nataony, tsy mahaverina ny aina nalany akory izany. Avelan’Andriamanitra ny heloka fa ny aina tsy miverina. Raha misy mampakatra ny olona nanaovany tokantrano maso mba hoe hanajanona ny fijangajangana, dia tsy manala ireo nateraka tamin’ny tokantranomaso tsy ho eto an-tany akory izany. Hijaly ireny zaza tsy manan-tsiny nateraky ny mpijangajanga ireny, kanefa koa betsaka ny zaza nateraka tamin’ny vady ara-dalàna no mijaly rehefa lasa mitoetra amin’ny vehivavy hafa ny rainy na amin’ny lehilahy hafa ny reniny. Mba mahagaga ihany ny hamindran’ny olona fo amin’ny vehivavy janga sy ny zanany ; kanefa tsy heveriny akory ny fijaliana entin’ny vady aman-janaka ara-dalàna.

Misy ray aman-dreny manome ny zanany vavy hanambady lehilahy efa nanary vady aman-janaka. Kanefa raha tokony mba hiova ilay lehilahy ka hiverina amin’ny vadiny aman-janany ara-dalàna dia ireo ray aman-dreny nanome ny zanany vavy ho vadiny no mampijangajanga io lehilahy io sady hampijaly sy hampitondra fahoriana ny vady aman-janany ara-dalàna. Kanefa raha omeny azy io zanany vavy io dia mba mety harian-drangahy indray io any aoriana ka dia hianjadian’ny fahoriana sy ny fijaliana izy amin’ny andro sisa iainany. "Aza mety hofitahina ianareo fa Andriamanitra tsy azo vazivazina fa izay afafin’ny olona no hojinjainy koa". Arakaraky ny mahatratra aoriana ny fijinjana no mahabe ny hojinjaina.

Raha nanota Davida tamin’ny fitsiriritany ny vadin’i Oria, ka nampaka azy, dia tsy nandà ravehivavy satria nihevitra fa tokony hankato ny didy, satria mpanjaka Davida, kanefa tsy faly Andriamanitra. Dia nahatsiaro ravehivavy nony afaka kelikely fa nanana anaka dia nampilaza tany amin’i Davida. Niaraka tamin’izay dia nitady izay hanaronana ny fahotany Davida ka dia nampaka an’i Oria tany amin’ny tany fiadiana mba hody sy hiala sasatra ao amin’ny vadiny. Saingy olona tena miendrika andriana tokoa Oria ka dia hoy izy: "Ahoana no ahazoako hiara-mifaly amin’ny vadiko kanefa ny miaramilan’i Jehovah miady sy miaritra any an-tafika?" Koa dia nandà tsy nety nody izy. Dia nomamoin’i Davida indray izy ka noheveriny fa amin’izany dia tsy hahalala ny lalan-kalehany izy ka hody any an-tranony ; kanefa na dia nomamoina aza izy dia tsy very voninahitra Oria. Tsaroan’i Davida tamin’izay fa tsy ho afa-miala izy, satria ny lalàn’i Mosesy dia mandidy fa ny mpijangajanga dia toraham-bato mandra-pahatapitry ny ainy. Dia nitetika hamono an’i Oria izy mba hanavotany ny ainy ka vitany izany. Teraka ny zaza ary nitombo mandra-pahatonga azy ho roa taona eo ho eo, dia naniraka an’i Natana Andriamanitra mba hampiseho sy hanambara amin’i Davida ny fahotany. Nibebaka Davida ary rehefa narary ilay zaza dia nifady hanina izy ka nivavaka sy nitomany ary nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra kanefa izany tsy nampijanona ny ain’ilay zaza tao aminy.
Rehefa maty ilay zaza, dia nitsangana Davida ka nanao hoe: "MARINA ANDRIAMANITRA". Na dia tsy nanao fahotana toy izany intsony aza Davida taoriana, dia mbola nanaraka azy ihany tamin’ny androny sisa rehetra izany vokatry ny ota izany, satria: nohazain’ny zanany lahy tahaka ny amboadia izy, ary ireo zanany ireo dia nanao fahotana mitovy amin’ny azy saingy tsy mba niafina tahaka ny nataon’i Davida fa ampahibemaso. Davida no ilay voro-manga feon’ny Isiraely. Rehefa lao tamin'ny ota izy noho ny fitsiriritana ny hatsaran-tarehin’ilay vehivavy dia nanary ny fifalian’ny famonjena azy ary raha tsy efa nihira ny Salamo 51 noho ny fibebahana izy dia tsy nisy fiadanana tao aminy ; ary indray na dia tsy nanao izany fahotana izany intsony aza Davida, dia mbola nitsingilahila ihany ny fiainany tamin’ny andro sisa rehetra niainany, ary nidina tany am-pasana tamin’alahelo izy.

Nataon’i Heroda tao an-tranomaizina Jaona Mpanao-batisa noho ny famelivelezana ny fijangajangana ka nanaovany hoe: "Tsy ara-dalàna aminao ny manambady ny vadin’i Filipo rahalahinao". Tezitra mafy Herodiasy satria tiany ny hitoetra amin’ny maha-vadin’ny mpanjaka azy, koa dia namelatra fandrika tamin’i Heroda izy mba hampanantenany azy ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa. Nampalahelo an’i Heroda izany zavatra izany, kanefa noho ny sain’i Heroda voafehin’ny fijangajangana loatra dia tsy sahy nanohitra ny fangatahan’i Herodiasy izy ka dia notapahiny ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa. fa tsy matoritory akory ny fitsaran’andriamanitra., ny amin’ny helo ireo izao. Tsy marina teo anatrehan’Andriamanitra mantsy ny nataony na dia mpanjaka sy mpanapaka aza izy ireo.
Ary helohin’Andriamanitra ny fianakaviana rehetra raha mamela ny zavatra toy izany hitohy. Tsy afa-milalao afo ka tsy ho may lamba ianao. Izay atao mba hanakanana ny fijangajangana ary dia ny tsy famelana ny zanakao hiaraka amin’olona nisaraka am-panambadiana na mbola manambady. Hovalian’Andriamanitra araka izay nataony avy ny olona. Mora dia mora tokoa ny mandeha mijangajanga ka mandao ny vady aman-janaka ary mamela azy ireo hijaly sy hitomany, fa ho lehibe lavitra noho izay nafafinao ny vokany. Ny voam-bary iray miteraka voam-bary zato, koa ampitomboy toy izany ny fahotanao ary manampoiza fa tsy maintsy hiverina aminao izany. Lalana tsy azo lavina izany, AZA METY HOFITAHINA IANAREO... ANDRIAMANITRA TSY AZO VAZIVAZINA, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy koa (Gal. 6:7).

Io fahotana avy amin'ny fijangajangana sy ny fitsiriritana ary fahavetavetana sy tsy fahadiovana io dia tsy zava-bitika sy maivana akory na dia betsaka aza ny olona maty fanahy noho io ota adala io ankehitriny. Tsy hoe satria misy areti-mifindra mamely ny tany no mahatonga ny olona rehetra harary, fa ny fijangajangana koa dia miteraka aretina sy fahafatesana. Koa na hita toa ambinina aza izy ka miteraka, dia aoka tsy hihevitra izany ho fitahiana avy amin’Andriamanitra ka hisakana ny fahafatesana tsy handripaka izay rehetra azony arapaka. Izao no Tenin’Andriamanitra milaza ny vokatr’io fahotana io: IZA NO HOMEN-TSINY, raha misy ny fijangajangana, ny lehilahy sa ny vehivavy ? Izay voalaza etsy ambony dia mampiseho ny andraikitry ny olona tsirairay avy.

Ny Mpanjaka ao amin’ny Testamenta Taloha izay nitarika ny fireneny tamin’ny fijangajangana sy faharatsiana dia fohy andro nahavelomana ary voapaokan’ny fandringanana tampoka, ka hafa no nandimby azy. Na dia samy meloka aza ny lehilahy sy ny vehivavy mijangajanga, satria tsy ho vita izany raha tsy efa nifaneken’izy roa, dia izao no fomba hilazan’ny Soratra Masina ny vehivavy mpandrava tokantrano ka manambady lehilahy nisao-bady na namandrika zatovolahy tsy manan-tsiny.
Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahendreny no hanafaka anao "amin’ ny vehivavy jejo, dia ny vahiny izay mandrobo amin'ny teniny, izay mahafoy ny mpitari-dalan'ny fahatanorany sy manadino ny faneken’Andriamaniny fa ny tranony milentika ho amin’ny fahafatesana ary ny alehany mankany amin’ny maty. Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, na mihazo amin'ny lalan’aina ". (Oha. 2:16-19). Ohatra angaha, misy vehivavy iray tsy manambady miasa amin’ireny birao ireny ; ary an-kafetsena no iresahany amin’ny lehilahy iray efa manambady aman-janaka ka mampiseho aminy ny alahelony azy noho ny anaovan’ny vadiny azy fa tena tsy mety mihitsy ny ataon’ny vadiny aminy, tsy tokony ho iny no ho vadiny hoe: (nefa amin’izay ny vady any an-trano mikarakara ny ankizy ary matetika tsy manao ny akanjony tsara indrindra foana akory Ramatoa rehefa miditra ny tokantrano ralehilahy vadiny, kanefa ilay vehivavy any am-piasana tsara fitafiana ery ka afa-miseho vahoaka). Dia mba mandoka ilay mpitovo koa ralehilahy ary manomboka eo ny tantara. Dia manjary kintonina amin’ny vadiny ilay lehilaliy, izany mantsy no nilazany ny vadiny, mihevi-tena ho mijaly ary tsy mety ho sambatra rehefa mody. Dia mihasarotra eo ny fiainana. Dia miantomboka mitondra ilay anankiray ho any amin’ny trano fisotroana na manasa azy hiara-misakafo mba ho mariky ny fisakaizana fotsiny satria tsy mba mahita izany amin’ny vadiny, hono izy ; dia mitohy ny tantara. Nefa hoy Andriamanitra: Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, ary ny alehany mankany amin’ny maty (tsy fahasambarana fa fahafatesana). Fa "sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Andro lava no eo an-tanany ankavanana ; ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra" (Oha. 3:13-17).

"Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy, fa ny fonenan’ny marina dia tahiany kosa." (Oha. 3:3), "Tandremo ny fonao amin’izay fitandremana tsara rehetra, fa avy ao no ivoahan’ny aina. Ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Aoka ny hodi-masonao hibanjina ny eo anoloanao. Saino tsara izay alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny lalanao rehetra. Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia ; esory amin'ny ratsy ny tongotrao.(Oha 4:23-27).

(Ohabolana 5:3-6) : "Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra ary ny vavany dia malama noho ny diloilo ; nefa ny farany dia mangidy tahaka ny hazo mahafaty ary maranitra ohatra ny sabatra roa lela. Midina ho any amin’ny fahafatesana ny tongony ; mizotra ho any amin’ny helo ny diany." "Fandrao hisaina ny lalan’aina ianao dia miovaova ny alehany mba tsy hahafantaranao azy." (mihevitra ny ho afa-miala ianao ka hamitaka azy fa izy kosa mihodina ka mambabo anao ao anatin’ny fandrika lehibebe kokoa noho ilay voalohany).

"AMPANALAVIRO azy ny alehanao ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony ; (aleo kokoa hanalavi-dalana aza ianao mba tsy handalovanao eo akaikin’ny tranony), fandrao homenao ho an’ny sasany ny Voninahitrao ary ny taonanao ho an’izay lozabe ; fandrao hivokisan’ny vahiny ny fanananao ; ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ny vahiny ; ka dia hitoloko ianao any am-parany raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao ; dia hanao hoe: Nahoana re no nankahala fahalalana aho ? ary nahoana no naniratsira fananarana ny foko ka tsy nihaino ny tenin’ny mpampianatra ahy , na nanongilana ny sofiko hihaino ny mpanoro hevitra ahy ?" (Oha. 5:6-13).

Ny vehivavy jejo izay mihevitra fa tsy maninona ny mijangajanga amin’ny lehilahy manam-bady dia tena tsy mifaditrovana mihitsy. Tsy mampaninona azy akory ny tsy hihinanan’ny vady aman-janak’ilay lehilahy hanina sy tsy hitafiany, fa izy kosa mihaingo be ary feno vola ny kitapom-bolany ary lasany ny fanamarinana ny trano aman-tanin-dralehilahy. Fa rehefa marary izy, ary harary izy satria miteraka aretina ao amin’ny tena ny fijangajangana, ka efa ambany ny ainy, dia hialan-dravenivavy izy ka hilaozany manaraka olon-kafa indray izay afa-manome azy izay tadiaviny. Tsy mifikitra na oviana na oviana amin’ny lehilahy voafandriny izy fa haneso azy aza amin’ny farany.

"Nahoana ianao anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo, ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga ? Fa eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa. Ny heloky ny ratsy fanahy dia hahazo ny tenany ihany ; ary ny kofehin’ny fahotany no hitanana azy. Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany." (Oha. 5:20-23). "Fa jiro ny didy ary fanazavana ny lalàna ary lalan’aina ny anatra famaizana (na dia avy amin’ny vady malala tia anao aza), hiaro anao amin’ny fandroboan’ny lelan’ny vahiny jejo.

"Aoka tsy hila ny hatsaran-tarehiny ao am-ponao ianao ; ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodi-masony izy. Fa noho ny amin’ny vehivavy janga no ietren’ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo ; ary ny vehivavy mpijangajanga dia hihaza ny aina sarobidy".

"Mahatondra afo ao an-tratrany va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony ?", "Misy mahadia vainafo va ka tsy ho may ny tongony ? Dia toy izany izay mankamin'ny vadin’ny namany: izay rehetra mikasika azy dia tsy ho tsy manan-tsiny." (Fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra izy).

"Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy fahalalana ; manimba-tena izay manao izany.", "Ratra sy fahafaham-baràka no ho azony ary tsy ho afaka aminy ny tondro-molotra. Fa ny fahasaro-piaro dia mampisafoaka ny lehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliana. Tsy handinika izay vola avotra izy, ary tsy hety ho afa-po na dia omenao fanomezana betsaka aza" (Oha. 6:23-35).

HO AN’NY MPITOVO

"Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, dia teo amin’ny makarakara no nitsirihako, ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, izay nandeha tamin'ny lalàna akaikin ny zoron-tranon'ny vehivavy janga sy nizotra nankany an-tranony, nony takariva ilay somambisamby iny sy tamin’ny alina efa maizina dia maizina. Dia indro, nisy vehivavy nitsena azy sady manao fitafian’ny janga no mifetsy am-po, (sady vavàna no maditra, tsy manajanona ao an-tranony ny tongony ; fa vetivety mby eny ivelany izy, vetivety eny an-dalambe ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy). Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe: Manana fanati-pihavanana aho aty amiko ; ary androany no efa nanefako ny voadiko. (Vao avy nivavaka ho anao aho ary ny toeranao ato amin’ny fiainako, na vao avy nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanirahany ny olona ilaiko hanampy ahy ary fantatro fa izany no sitrapon’Andriamanitra dia ny hiarahantsika (izany no lalana alehan’ny sasany na dia any am-piangonana aza mba hamandrihana ny fanahin’ny tsy manan-tsiny). Koa dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao. (Raha tsy ianao no azony dia tsy maintsy ho nahazo olon-kafa izy. Tsy dia misy lanjany loatra ianao.) Ny fandriako dia nasiako firakotra tsara, dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly tamin'ny hariry madinika avy tany Egypta. Efa norarahako miora sy ahalima ary havozo manitra ny fandriako. Andeha, aoka isika hivoky fitia mandra-pahamarain’ny andro, aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika (na dia mampalahelo ny zazavavy tsara aza izany). Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, fa lasa nivahiny lavitra izy ; ny kitapom-bola dia nentiny any aminy, ka tsy mbola hody izy raha tsy amin'ny andro voatendry (Oha. 7:6-20).

"Tamin’ny teniny mahafinaritra maro no nampanekeny azy, tamin’ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy, ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadraina amin'ny boloky hazo ambaram-piboroaky ny lefom-pohy amin’ny atiny ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany. "Koa mihainoa ahy ianareo, ry zanaka, ary atreho ny tenin’ny vavako. Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany. Fa efa betsaka no lavo naratrany ; eny, maro ny lehilahy efa matiny. "Ny tranony dia lalàna mankany amin’ny helo, midina mankany amin'ny efitranon'ny fahafatesana." (Oha. 7:6-27).

NY VEHIVAVY ADALA DIA :

Toa manintona, toa tsotra, nefa tsy mahay na inona na inona (mety hiebo ho mahay raharaha izy ka heverinao fa ilainao ny hanampiany anao fa ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: "Tsy mahalala na inona na inona izy"), aleo lavitra maka olo-marina izay tsy mamitsaka hikendry sy hambabo ny fanahinao ka hanimba ny fiainanao ary hitondra anao ho amin’ny fahalevonana mandra-piboroaky ny lefom-pohy amin’ny atinao, ary nony mifoha ianao dia hahita fa lasa ny herin’ny taonanao rehetra, ho eo am-pofoan’ny vehivavy vahiny ; ary hanjonitra ianao amin’ny farany ka tsy hisy vola intsony hitsaboana raha marary. Betsaka ny lehilahy mpanan-karena no nila tsy hahita sombi-mofo hohanina noho ny nataon’ny vehivavy janga. TSY FETSY noho ny devoly ianao. TSY MATSILO NOHO ANDRIAMANITRA Izay mahita ny ataonao rehetra sy mahalala ny hevi-dratsinao rehetra na dia izay ataonao amin’ny namanao miara-miangona aminao aza ianao. Milaza izay hataony Andriamanitra raha manaraka vehivavy vahiny ianao ka mijangajanga aminy. Tsy fetsy noho ny vehivavy janga izay mikendry ny fanananao rehetra ianao. Avereno vakina iretsy Soratra Masina iretsy, ka mahazoa fahalalana. Vonjeo ny fiainanao ka tano ny voninahitrao sy ny harenao sy ny fahasalamanao, ny fahasambaranao sy ny fiadananao.

"Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony ny vehivavy adala ary amin’ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna, mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin’ny alehany." (Tsy ianao irery akory no ilalaovany, raha maharava ny tokantranonao izy dia maharava tokantranon’olon-kafa moramora toy izany koa. Tsy misy tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny masony na ao am-pony. Tsy ho raharahainy akory izay fiheveranao, mahafinaritra azy aza ny mampijaly anao amin’ny fampanaovana anao izay sitrapony ary dia hihomehezany ianao rehefa rava fananana).
Ny tafika mahery indrindra nanananay (Amerika) tamin’ny ady lehibe faharoa dia ilay anankiray niady hatrany Aostralia ka nankany amin’ny Nosy Filipina. Azony nisesy ireo nosy maromaro. Tena andian-tafika mahery fo izy io mandra-pahatongany teo amin’ny nosy kely iray farany. Toa hoatry ny efa lavitr’azy ny fahavalony ka dia nanararaotra nisotro sy nitady vehivavy janga izy. Nony alina dia norarafan’ny fahavalo izy ireo ka ripaka daholo afa-tsy vitsy kely foana izay tsy nety nanao izany fahotana izany. An’arivony ny zatovolahy no maty tsy noho ny naha-mpiady mahatoky azy ireo ka netezany hanavotra an’i Amerika, fa noho ny fankanesany tany an-tranon’ny vehivavy janga fony izy tany am-pitan’ny ranomasina.

Na iza na iza tsotra, aoka izy hitodika eto ary ho an’izay mikatsaka fahalalana dia hoy izy taminy : "Mamy ny rano angalarina ary fy ny mofo hanina amin’ny fiafenana. Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, ary ao amin'ny halalin’ny helo ny olona nasainy.

Ny ilaina hataonao dia ny mamaky ny tantaran’ny fiainana mahatsiravina nananan’ireo vehivavy janga voalaza ao amin’ny Baiboly, (ny hoe: "janga" eto, dia vehivavy tia firaisana tsy ara-dalàna, mandrakariva mba hahazoany vola, na laza), dia hohitanao izay nanjo ny fireneny noho ny ratsy nataony. Nampianatra ny olona hijangajanga sy hanao vetaveta Jezebela, dia nofaizin’Andriamanitra tamin’ny fahafatesana mahatsiravina izy, fa natsipin’ny mpiambina azy avy teny am-baravarankely ary alohan’ny niantefany tamin’ny tany dia efa narapaky ny alika izy.
Nampivadika ny lohan’i Solomona ireo vadi-tsindranony marobe ka nahatonga ny fiafaran’ny fiainany ho feno alahelo ary ny fanjakany ho voasaratsaraka taorian’ny nahafatesany .
Lozabe tokoa i Herodiasy ka nampanaiky an’i Heroda hamono ny mpaminany dia i Jaona Mpanao-batisa.

Ao amin’ny Boky farany ao amin’ny Baiboly, dia ny Apokalypsy, dia mampitandrina ny fiangonana Jesosy mba tsy hamela ny vehivavy janga hampianatra ao am-piangonana ka milaza fa hampandaloviny fahoriana lehibe ireo izay mijangajanga aminy.

Misy mpitovo sasany mihevitra fa ny vehivavy efa namoafady taloha dia mety ho vady tsaratsara kokoa noho ny zatovovavy tsotra izay mety ho saro-kenatra sy maotina kanefa tsara toetra ary mahatonga ny lehilahy ho tafakatra ambony. RAHA MANAMBADY VEHIVAVY efa nisaorana ianao na izay efa nandao ny vadiny dia MIJANGAJANGA ary raha misaotra ny vadinao ianao dia MlJANGAJANGA ary mampijangajanga azy koa. Koa aza mitaraina fa mba manao izay ataonao koa ny vadinao. Fa tsy mahafa-tsiny ny iray amin’ izy ireo akory izany sady tsy mahavonjy azy amin’ny ozon’Andriamanitra sy ny fahatezerany ary ny helo. Ny fibebahana ihany no hahavonjy azy ireo.

Hoy ny Apokalypsy 21:8 hoe: "ny mpivaro-tena dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara, izany no fahafatesana faharoa". Ary ao amin’ny Apokalypsy 22:15, "Fa any ivelany (ivelan'ny lanitra) ny mpivaro-tena ary izay rehetra tia lainga sady manao lainga.

Ao amin’ny Efesiana 5:5 : "Fa fantatrareo marina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny vehivavy mpivaro-tena... "
Ny Galatiana 5:19-21 indray: "Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahavetavetana, fahalotoana, fïjejojejoana ara-panahy izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra."

Raha te-handao ny fïainana feno fijangajangana ataony ny lehilahy dia mandinika miaraka amin’izay ny fomba hilazany ny toe-javatra amin’ilay vehivavy janga. Very ny heviny amin’izay fomba hanaovany izany mba tsy hampisendaotra ny fon’ilay vehivavy janga. Tamin'ny nandaozany ny vadiny ara-dalàna sy ny zanany anefa izy, dia tsy mba nisy eritreritra kely akory ny hoe: ahoana no hanazavako ny raharaha amin’izy ireo, fa dia lasa fotsiny ary angamba tsy mba nanoratra ho any an-trano akory nandritry ny volana na taona maro. Fa izao kosa nony te-hanitsy ny fiainany eo imason’Andriamanitra izy dia mihevitra fa tsy maintsy mitandrina tsara ka mihevitra fa ny tokony hataony voalohany indrindra dia ny mandamina ny toeran’ilay vehivavy janga sy ny zanany ka manao fiomanana tsara ary manome azy ireo zavatra tsara alohan’ny handaozany azy, kanefa fony nandao ny vadiny izy dia tsy niraharaha akory na andro Krismasy, na taom-baovao, na hatsiaka na hafanana fa dia lasa fotsiny ary namela ny vady aman-janany hikarakara tena. Fa nony hiverina amin’io vady ara-dalàna io izy dia ampidiran’ny devoly hevitra mba hijanonany amin’ilay vehivavy janga aloha mandra-pahitany hevitra amin’ny hanomezany azy ny zavatra ilainy amin'ny androny sisa: RAHA MISY VEHIVAVY TSY VALAHARA KA MANDRAVA NY TOKANTRANON’NY VEHIVAVY HAFA ANANKIRAY ka maka ny vadiny, na raha misy lehilahy tsy vanona ka maka vadin’olona, kanefa raha vonona hiala amin’ny fiainan-dratsiny izy dia TSY MAINTSY MIVONON-KIJINJA IZAY NAFAFINY HO AZY IZY.

Tsy mamafy voan-dandihazo ianao ka manantena hijinja voaloboka. Dia toy izany koa, izay mamafy fahotana aza manantena hijinja fahasambarana sy ho afa-maina amin’ny fijaliana nateraky ny fahotana aminao. Mety hibebaka ianao fa ny voa nafafinao sy ny toe-javatra efa nasavoritakao dia tsy ho afaka amin'ny fanaovanao fotsiny hoe: "Malahelo aho". Mety hibebaka ny mpamono olona fa tsy mahaverina ny ain’ilay nalatsany rà akory izany . Mety hibebaka ny mpijangajanga (na lahy na vavy) fa izany akory tsy mampiala eto an-tany ny zaza naterany tamin’ny fahotana. Hoy ny Soratra Masina: Tsy ho afaka mihitsy ny pentina " fa izay afafin’ny olona no ho jinjainy."

Tena zava-dehibe mihitsy io fijangajangana io, koa jereo tsara, ry Ray aman-dreny ny lalan-kalehan’ny zanakareo lahy sy vavy, raha tianareo ho sambatra izy ireny ka tsy hisy loza mihantona mandrakariva eo ambonin ny lohany.
Ny tsora-kazo ahatra eo amin’ny tenan’ny zanakareo sy ny fampianarana mahatoky avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no hahatonga azy ireny handositra fijangajangana sy fahavetavetana. Mba mankanesa ange eny amin’ny trano fitsaboana ny adala sy fitaizana ny ankizy e, dia hahita zaza maro kilemaina noho ny fijangajangana sy fahavetavetana nataon’ny ray aman-dreniny ianao. "NY FAHAMARINANA sy ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra no MANANDRATRA NY FIRENENA fa ny OTA kosa dia FAHAFAHAM-BARAKA amin’ny OLONA".

Ny zanaky ny mpijangajanga sy ny vehivavy janga kosa izay mihomehy an’Andriamanitra ka manara-dia ny ray aman-dreniny dia hoy ny Teny ao amin’ny Isa. 57:3-21: "Fa ianareo kosa dia mankanesa aty, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpijangajanga. Iza no ihomehezanareo ? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela ? Tsy taranaky ny fihodinana va ianareo sady taranaky ny lainga ? Ianareo dia mahamaimay ny fonareo amin’ny sampy eny ambany hazo maitso rehetra ; ka mamono zaza eny an-dohasaha, eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato. Ao amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao ; eny, izany no anjaranao ; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’izany va Aho ? Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao.

"Raha mitaraina ianao, aoka ireo antokonao no hanafaka anao ; fa hongahan’ny rivotra avokoa ireo ; zava-poana no hahalasa azy ; fa izay mametraka ny fitokisany Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina. Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan’ny oloko. Fa izao no lazain’ny Iray Avo sy Manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo. Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy. Ka dia hahasitrana azy Aho. Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. TSY MISY FIADANANA HO AN’NY RATSY FANAHY, hoy ANDRIAMANITRO ".

Andriamanitra milaza fa hotsarainy haingana ny mpijangajanga, "Indro, ianareo matoky ny teny lainga, izay tsy mahasoa anareo. Hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga sy hianian-tsy to va ianareo ? ary tonga MIJORO EO ANATREHAKO AMIN’ ITY TRANO izay antsoina amin’ny anarako ITY ka manao hoe: EFA AFAKA IZAHAY MBA HANAO IREO FAHAVETAVETANA REHETRA IREO ? (Efa navelan’Andriamanitra ny fahotantsika taloha ka dia mahazo mijanona amin’ny fanohizana ny fijangajangana isika). Moa tonga zohy fieren'ny jiolahy eo imasonareo va ity trano izay antsoina amin'ny anarako ity? (Moa va mety amin’ny mpitondra fivavahana ny mamela ny mpijangajanga ho velona amin’ny fijangajangana ?) Fa mandehana ianareo ankehitriny any amin’ny fitoerako izay tao Silo, izay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka JEREO IZAY NATAOKO TAMINY NOHO NY HARATSIAN’NY ISIRAELY OLOKO.

"Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo ; koa dia ho toy ny nataoko tamin’i Silo no hataoko amin’ity trano izay efa nantsoina tamin’ny Anarako sady itokianareo ity, sy amin’ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo. Ary hoesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra. Koa AZA mivavaka ho an’ity firenena ity ianao ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona Amiko, FA TSY HIHAINO ANAO AHO. Fa tsy ny amin’ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nandidiako azy, fa izao kosa no nandidiako azy hoe: ANKATOAVY NY FEOKO, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho oloko, ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo ianareo, mba hahitanareo soa. Kanjo tsy nihaino izy. Nametraka ny fahavetavetany ao amin’ny trano izay efa antsoina amin’ny Anarako izy mba handoto azy, ny tenin’ i Jehovah dia nolaviny, ka FAHENDRENA INONA NO AO AMINY ? Ary noho izany dia homeko ho an’ny hafa ny vadiny, ary ny sahany ho an’izay handova azy, satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy fatra-pila harena, hatramin'ny mpaminany sy ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranana ny faharatran’ny zanakavavin’ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: FIADANANA, FIADANANA ; KANJO TSY MISY FIADANANA TSINONA.

"Menatra va izy raha nanao fahavetavetana? Tsia, tsy menatra izy, na nivoaramena akory ; koa ho lavo eo amin’izay lavo izy ; amin’ny andro hamaliana azy dia hazera izy, hoy Jehovah. Fa, indro Aho handefa aminareo bibilava sy menarana izay tsy azon’ody, ka hanaikitra anareo izany, hoy Jehovah.
"Moa tsy misy balsama va any Gileada ? Moa tsy misy dokotera va any ? Koa NAHOANA NO TSY TANTERAKA NY FANASITRANANA NY ZANAKAVAVIN’NY OLOKO ? (Jer. 7, 8, 9.)

"Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, ary fiangonan'ny olona mpamitaka. Ary manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipika izy mba handefa lainga, nefa tsy araka ny marina no mahahery azy ety ambonin’ny tany. Noho izany, indro hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy homeko ranon’afero izy hosotroiny. Ary haeliko any amin’ny jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy ; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.

Tadidio fa TSY MBOLA NIOVA ANDRIAMANITRA, manao famindrampo amin’izay miala marina amin’ny lalan-dratsiny Izy, dia izay miantso an’i Jesosy Kristy mba hamela azy ka tsy mijanona intsony amin’ny helony. Hoy ny (Mat. 5:32) "NA ZOVY NA ZOVY NO HANAMBADY IZAY VOASAOTRA DIA MIJANGAJANGA". Amin’izao ankehitriny izao no fotoana ilazana izany eto ; izany hoe isaky ny mikasika azy (ilay voasaotra) izy dia manao fijangajangana vaovao indray. Azo avela heloka noho ny fijangajangana ianao raha manajanona an’izany fa raha mbola tohizanao ny fijangajangana, hahavita inona aminao ny fitalahoana ny famindrampon’Andriamanitra. Mety ho voavela heloka ny mpamono olona, kanefa raha mbola mamono olona isan’andro, na isaky ny indroa andro izy, iza no hino fa efa navelan’Andriamanitra ny helony RAHA TSY MANAN-KEVITRA NY HIALA AMIN’ NY FAHOTANY IZY ?

Ny heloka amin’ny faniratsirana dia io heloka amin’ny filalaovana amin’ny indrafon’Andriamanitra io indrindra. Hoy ny fanontanian’i Paoly: "Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana ? Sanatria izany ! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ?" (Rom. 6:1-2).
Moa misy fanantenana ho an’ny vehivavy janga ve ? Eny, nandroaka devoly fito tamin’i Maria Magdalena Jesosy ary tonga mpianatr’i Jesosy Kristy izy sady izy no mpilaza ny fitsanganany tamin’ny maty voalohany. Nilatsahan’ny Fanahy Masina izy tamin’ny andron’ny Pentekosta rehefa navelan’Andriamanitra ny helony ary tsy niverina nanota intsony izy.

Ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana tany Samaria dia efa niova vady in-5 ary vadin’olona no nipetrahany tamin’ny fotoana nihaonan’i Jesosy taminy ka nilazan’i Jesosy taminy ny zavatra rehetra nataony. Fa faly loatra izy noho ny famelana ny helony, dia lasa tany an-tanàna ka niantso ny olona rehetra tao, dia tamy ireo ary niangavy an’i Jesosy mba hijanona ao aminy roa andro indray. Ary voavonjy daholo izy satria tena nialan’ilay vehivavy marina tokoa tamin’ny fony rehetra ny fahotany.

Nisy vehivavy azo nijangaianga anankiray nentina teo Aminy ka saiky hotoraham-bato araka ny voalazan’ny lalàna, dia hoy Jesosy: "Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany, nony efa nampitràka ny lohany Izy dia indro hitany fa tsy nisy iray tafajanona intsony mba hitora-bato azy satria efa samy nanota daholo, dia hoy Jesosy: "IZAHO KOA DIA TSY MANAMELOKA ANAO, mandehana, ary AZA MANOTA INTSONY".

Fa mitondra alahelo lehibe sy fahasahiranana ho an’izay lavo tao aminy, ny fiarenana amin’ny fîjangajangana, satria mahatonga ilay zazavavy hiahy irery ny zanany izany ; ary henatra ho an’ny fianakavian’ilay zazavavy rehefa miala ralehilahy mba hanarina ny fiainany.

Tena zavatra mahalasa eritreritra mihitsy ny mahita ny ahiahy manjo ny lehilahy amin’ny handaozany ny vehivavy janga sy ny zanany, nefa tsy mba nampaninona azy akory ny nandao ny vadiny ara-dalàna sy ny tokantrano misy ireo zaza tsy manan-tsiny. Fa nony efa mieritreritra ny lalany izy ka te-hanarina ny fiainany, dia injay fa nandeha ny tsiny ataon'ny maro noho ireo ZAZAKELY TSY MANAN-TSINY naterak’ilay mpijangajanga. Tokony hieritreritra tsara aloha ny zazavavy ka handanjalanja ny vokatra hojinjainy raha miverina amin’ny vadiny ilay lehilahy, mialoha ny handaniany zara ny tenany ny amin’ny ho avy. Raha tsy valahara ny zazavavy ka mitetika haka vadin’olona fa tsy miandry ny anjara soa atolotr’Andriamanitra azy, dia izy irery no hivesaran’ny famelomana ny zaza naterany tamin’ny ota raha miova fo ilay lehilahy ka miverina amin’ny vadiny marina teo aloha.

Raha nasain’i Saray naka ny andevovaviny Abrama mba hahazoany zanaka aminy ka hifalian’i Saray amin’ny fananany zanaka amin’i Abrama, dia tsy izany no fikasan’Andriamanitra fa fahalemen’i Saray izany. Ary rehefa notanterahan’Andriamanitra ny toky nomeny ka nomeny an’Isaka izay naterak’i Saraha ary rehefa nitombo Isaka ka noesoesoin’ilay andevovavy, dia ny zava-piseho mandrakariva ihany no niseho: tsy zakan’i Saraha ny hisian’ny vehivavy hafa maharevo an’i Abrahama, koa dia hoy izy: "ROAHY IO ANDEVOVAVY IO sy ny zanany !" Nampalahelo an’ i Abrahama izany, fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: "HENOY IZAY LAZAIN’I SARAHA, ROAHY NY ANDEVOVAVY fa TSY TOKONY HIARA-MANDOVA amin’Isaka ny andevovavy sy ny zanany."
Mafy tamin’ ilay andevovavy sy Isimaela izany, nefa Andriamanitra no niahy azy ka nanao an’Isimaela ho firenena lehibe Izy. Fa mbola mifandrafy ihany izao Isaka sy Isimaela. Tsy mety hanana fandriam-pahalemana akory ny ota. TSY MAINTSY VONOINA NY OTA ALOHAN’NY HIANTOMBOHANY.

Na dia ao amin’ny Testamenta Taloha aza izay ahitana lehilahy mampirafy dia hita fa tsy mbola nitondra fahasambarana na oviana na oviana ireny ; fa fahasosorana kosa na dia tamin’izy mirahavavy samy vadin’i Jakoba aza. TSY NATAON’ANDRIAMANITRA HITAMBATRA AMIN-DEHILAHY IRAY NY VEHIVAVY ROA.
Misy mihevitra, fa noho ny Gal. 2:16 manao hoe: "Nefa fantatsika fa tsy mba hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ ny lalàna", dia tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra intsony izy. Mihevitra izy fa tsy hofaizina ny fijangajangana raha mitohy manao izany izy.

Kanefa hoy ny andininy manaraka io indrindra: "Fa raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompon’ny ota va Kristy ? Sanatria izany. Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa mpandika lalàna aho.

Ny toko faha-4: "Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina ? "Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy ; fa ny zanaky ny andevovavy tsy hiray lova amin’ny zanaky ny tsy andevovavy"

Ny toko faha-5:17: "Fa ny nofo manohitra ny Fanahy ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna (raha tsy izany dia mbola eo ambanin’ny lalàna sy ny famaizany ianareo). Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: FIJANGAJANGANA, fahalotoana, fijejojejoana, sns... izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Fa izay an’i Kristy Jesosy dia niara-nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazofijaliana. Raha velona ao amin’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy koa." (Gal. 5:18-25).

Ny Toko 6:8: "Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo ; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja "FIAINANA MANDRAKIZAY avy amin’ny Fanahy"

Ny hoe manombo ny nofo, dia hoe manombo ny fijangajangana, fahavetavetana, sns... no dikany, ary koa tsy manolo-tena hanao izany, na hanaram-po amin’ny filàny. ZAVA-TSAROTRA tokoa izany, TSY MORA ny miarina amin’ny fijangajangana fa fijaliana samy irery no dikany, kanefa izay miverina amin’i Jehovah dia AFA-MANDRESY, fa raha tsy haharo ny olona tsy hanota Andriamanitra, dia izay olona te ho velona tokoa ho an’Andriamanitra, dia kely loatra izany ny herin’Andriamanitra. Fa isaorana anie Andriamanitra fa izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra.

Hoy Paoly: "Asio, vonoy ny asan’ny nofo", aza milalao aminy ka mihevitra ny hisangy azy fotsiny dia handao azy, adala ianao raha mihevitra izany satria feno fitaka ny fo sady tena ratsy, iza no hahalala ny aminy ? Miantomboka amin’ny fijerena sy ny faniriana ny fijangajangana. Tsy afa-miady hevitra sy mifandahatra amin’ny fijangajangana ianao, ny hany fanafodiny dia ny mandositra ny filàn’ny tanora fanahy, miezaka mitady fahamarinana, ary miady ny ady tsaran’ny finoana. Fa ampy ho anao ny fahasoavan’Andriamanitra raha te-hanaraka ny Tompo ianao ka hanao ny lanitra ho fonenanao. Raha mbola mifikitra amin’ny fijangajangana ianao dia hivarina any amin’ny helo ; dia aleonao ve hijaly any amin’ny helo mandrakizay noho ny fahotana kely mandritry ny alina vitsivitsy.

Natosik’i Paoly tany amin’i Satana ny lehilahy anankiray mba handevonany azy ka hampianarany azy tsy hijangajanga.

Misy olona izay tsy maintsy avela hioty ny vokatry ny fahotany aloha vao mahatsiaro tena ka hiantsoany tahaka an’i Davida, endrey izany hadalany niala ny didy lehibe sady mahatokin’Andriamanitra. "Ary tsy misy fizaha-tavan’olona amin’Andriamanitra."

Ry Ray aman-dreny, ho famonjena ny zanakareo dia tsy tokony hatoritory ianareo ka hamela ny zanakareo handeha amin’izay tiany, hifanadala amin'ny zatovolahy na lehilahy efa manambady. Ry Reny, tokony hitandrina ianareo mba tsy hahatonga ny zanakareo vavy ho mpandrava tokantranon’olona. TSY FIVAVAHANA NO ILAINA AMIN'NY TOY IRENY fa fiambenana sy fitandremana kosa ary famonoana ny ota hatrany an-karanany. Noho ny zatovolahy sy zatovovavy tsy tan-dalàna: zavatra hafa no takian'ny Soratra Masina aminareo fa tsy ny handeha hatory fotsiny ka hanao hoe: "Efa nanao izay azoko natao aho, miangona aho ka tsy fantatro izay tsy maha-voavonjy ny zanako". Manantena Andriamanitra, ry Ray aman-dreny, fa tsy hitsitsy ny tsora-kazonareo amin’ ny zanakareo lahy na vavy ianareo mba hamonjena ny fanahiny tsy ho any amin’ny helo. (Oha. 23:13-14). Azonao atao ny mampandeha azy amin’ny lala-mahitsy raha tianao, mila fiezahana izany, mila fiarahana aminy izany, mety ny tsy hamelana ny reny hiasa any ivelan’ny tokantrano, ka dia tsy maintsy izay azon’ny ray no hiveloman’ny fianakaviana. Avelao kely ny haingo isan-karazany mba hamonjena an'i Bozy. Fifaliana kosa no ho vokatr’izany amin’ny fiainan’ny zanakareo ary koa fitahian’Andriamanitra aminy sy aminareo, ary fahasalamana ho an’ny vatanareo.

Tsy hahavita soa ho an’ny olona ny fivavahana indraindray raha tsy mandray ny tsora-kazony izy hikapohana ny zaza maniasia ka mampiverina azy amin’ny lala-mahitsy mba hampijoro azy sy hanitsiana azy ary tsy handravany tokantranon’olona.

Moa tsy misy balsama va any Gileada ? Eny, misy any, saingy ny fijangajangana aloha no tsy maintsy ialana alohan’ny hitondran’Andriamanitra fanasitranana na hihainoany ny vavak’ireo ray aman-dreny nampirisika ny zanany amin’izany fiainana izany. "Mialà, eny, mialà amin’ny lalana ratsy nalehanareo ka aoka ho velona fa nahoana ianareo no te-ho faty ?"(Deo. 30).

Hoy Andriamanitra ao amin’ny Ezekiela 14:6 "Mibebaha, dia miambohoa ny fahavetavetanareo rehetra". Ialao ny fijerena na ilay olona niara-nanao ratsy taminao, na ny sariny na ny fanomezana nataony. Ary hoy ny Ezekiela 18:30 "Mibebaha ka mitodiha hiala amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho fandringanana anareo ny heloka. Ario ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo ; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely ? Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mitodiha ianareo, mba ho velona".

Ao amin’ny Ezekiela 33:13-16 "Raha holazaiko amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa izy, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany manokana ka manao heloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony fa ny heloka nataony no hahafaty azy. Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa mialà amin’ny fahotany izy sady manao izay ara-dalàna sy mahitsy, raha mamerina ny natao tsatoka ny ratsy fanahy sady mampody izay norobainy ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao heloka, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony ; manao izay ara-dalàna sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa."

Maro ny olona mety hanao hoe: "Ka hataoko ahoana no fiharitra ny aretim-po sy fahanginana izay tsy maintsy ho vokatr’izany fisarahana izany amiko ?" Hoy Jesosy: "Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko satria nanosotra Any hitory teny soa mahafaly amin’ ny mahantra Izy ; naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo, hitory fahafahana amin'ny babo, hanafaka izay nampahoriana". (Lio. 4:18). Tonga hanafaka anao amin’ny fahotanao Jesosy ary hanasitrana ny ratra izay vokatr’izany fahotana izany na ara-batana, na ara-tsaina na ara-panahy izany. Tonga hanafaka anao amin’ny fanamelohana anao noho ny fahotanao Jesosy ary hanasitrana ny fo malahelo. Hoy Jesosy: "Ampy ho anao ny fahasoavako fa ny HERIKO dia TANTERAHINA amin’ny fahalemena (II Kor. 12:9). Nefa teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin ny fahamarinana ho amin'ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika." (Rom. 5:20-21).

Raha mahavonjy Andriamanitra dia mahatahiry koa, ary hotehiriziny ho madio ianao sady ho masina, ka hamoa voan’ny fahamarinana. Hahalala ny fahasoavan’Andriamanitra ianao rehefa miala amin’ny lalan-dratsy nalehanao ; fa raha mbola mihosona ao amin’ ny fotaky ny fahalotoana ianao dia tsy mba hahalala mihitsy ny hasoan’ny hoe: voadio. Tsy mandro ianao raha mipetraka ao anaty lavaka feno fotaka, fa raha miala ao amin’ny fotaka ianao ka misasa amin’ny rano madio, dia ho tsaroanao fa tsara lavitra ianao.

Fa ahoana kosa ny amin’ny fahavetavetana ? Moa ve mahazo manambady ny olona raha nahavita fahavetavetana? "Eny", hoy ny Soratra Masina ; nefa rehefa manambady izy ary misy mpialona maka ny vadiny, dia mety handao azy ralehilahy ka tsy hiara-mitoetra aminy intsony, ary hilaza tena ho mahazo maka vady hafa izy satria nandiso fanantenana azy ravehivavy. Ary ny anarany sy ny hoavin-dravehivavy dia rava mandrakizay, na iza na iza manambady azy rehefa voasaotra izy dia mijangajanga (Mat. 5:32).

Ny zazavavy manambady ara-dalàna lehilahy efa manambady dia tsy ara-dalàna ny fanambadiany eo anatrehan’ny lalàn’ny tandrefana sy ny Eoropeana, mahazo manambady izay tiany izy raha miala amin’ilay namitaka azy miaraka amin’izay. TSY MISY IZANY HOE FAMPAKARAM-BADY ARA-PANAHY SY TSY ARA-PANAHY IZANY. Ny fanambadiana dia ara-nofo mihitsy izay hajain'Andriamanitra na amin’ny mpanota na amin’ny kristiana. Raha manambady mpanota ny kristiana, dia ny anjara ratsiny izany, satria tsy maintsy hifandona amin’ny rafozany izy, dia ny devoly raha manambady zanaky ny devoly. Raha manambady zanak’Andriamanitra kosa izy dia hotahian’Andriamanitra raha manaraka Azy.

Tokony izay ho naman’ny zanany no mavesatra an’eritreritry ny ray aman-dreny ; ary aoka hahay hanavaka ny zazalahy izay tokony ho tokantranon’ny zanakao vavy. Tokony hiresaka amim-pahatsorana amin ny zanany lahy ny ray aman-dreny amin'ny fifidianana izay zazavavy hanasoa azy amin'ny androm-piainany rehetra. "Mamitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy ; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovan no hoderaina " (Oha. 31:30).

Azon’ny lehilahy atao ny mahatonga vehivavy tsara tarehy ho tonga ratsy tarehy amin’ny fanaovany ny tsy marina aminy, nefa koa azony atao ny mahatonga ny vadiny ratsy tarehy ho tonga tsara tarehy amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy aminy. Tahaka ny diloilo ny fahasambarana. Ka mampamirapiratra ny endrika ary manamaivana ny famindran’izay manana azy. Avy amin'ny fitiavana no ihavian'ny fahasambarana, ny fifaliana, ny hatsaram-panahy, ny fahatokisana ary ny famindrampo amin’ny finoana. Aoka ho lehilahy tsara ianao dia hanana fianakaviana tsara, raha zarinao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny ankohonanao ary arovanao amin’ny ratsy.

Ny ray aman-dreny te-hiadana andro lava amin’ny androm-pahanterany dia tsy maintsy miaro ny zanany (na lahy na vavy) tsy hamafy tsiparifary ; fa tsy hahavokatra vary akory ny tsiparifary, fa manana ny fomba fïtondrany ny voany ny tsiparifary izay tsy maintsy ho entin’ny zanakareo amin’ny androm-piainany sisa rehetra. Fa ny ray aman-dreny hendry kosa izay matahotra an’Andriamanitra ary malina amin’ny namana izay fidin’ny zanany, dia handray valiny tsara noho ny fisahiranany nandritry ny taona meritreretan’ny zanany hanana tokantrano. "Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo fa ankehitriny voasasa tamin’ny ra soan’i Jesosy Kristy ianareo, mandehana tahaka ny zanaka malalan’ny mazava ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho amin’ny fanahinareo hatramin’izao ka ho mandrakizay mandrakizay. Amena".

Misy ray aman-dreny mandray ny Fanasan’ny Tompo ihany na dia hita miharihary aza fa mampirisika ny zanany ho velona amin’ny ota, dia amin’ny fitaizana ny zafikely mba hahafahan’ny zanany vavy mamonjy dihy na mifanadala amin’ny vadin’olona. Mpiara-miombom-keloka aminy ianao raha manamora sy manalalaka ny fandravany ny tokantranon’olona. Raha manampy ny zanakao amin’ny ota ataony ianao, nefa mandray ny Fanasan'ny Tompo dia misotro fanamelohana ho an'ny tenanao ; ary izany no mahatonga olona maro ao aminareo harary sy ho farofy ka tsy mety sitrana mihitsy raha tsy efa ajanony ny fanampiana an-janany amin’ ny fijangajangana ataony.

Manasitrana izay matahotra Azy sy mandeha amin’ny fahamarinana Andriamanitra. Raha misy reny iray manana zanaka vavy, moa ekenao ve ny hiarahan’ity zazavavy mihenjy amin’ny zanakao lahy efa manambady aman-janaka, ary moa ekenao (koa) ve ny hanampian’ilay reny an-janany vavy janga ka handravany ny tokantranon’ny zanakao lahy amin’ny fitaizany ny zafiny rehetra kanefa ny zanany vavy miara-milalao amin’ny zanakao lahy, RAHA IZAHO DIA TSY HANAIKY VELIVELY ary raha tahian’ANDRIAMANITRA ilay vehivavy manampy an-janany vavy handrava ny tokan-tranoko dia TSY HO ANDRIAMANITRO IZANY Andriamanitra izany. MASINA ANDRIAMANITRA ka tsy hitahy ny faharatsiana na oviana na oviana.

Ry Reny, raha te-ho afaka ianao dia ilazao ny zanakao vavy mba hijanona ao an-trano hitaiza ny zanany fa aza avela hanadala vadin’olona izy. Amin’ny ankapobeny dia tsy tian’ny lehilahy efa manambady ny misahirana amin’ny zana-drafilahy, izany no angatahan’ny vehivavy sasany ny reniny mba hitaiza ny zanany. Raha tsy afaka hitondra an-janany ilay niteraka dia aleoleo kokoa izy tsy mandehandena n’aiza n’aiza mirenireny foana.

Ilay fahamasinan’ny fo sy ny fomba nahazatra taloha dia nahatonga an’ANDRIAMANITRA ho faly ka hampijoro ny zanakao ; ary ireo hiantso anao hoe: Sambatra, Mety haneso sy hisendoatra izy amin’ny fijoroanao ho masina sy manohitra ny ota, fa tsy ho ela dia hamihina ny vozonao izy ary hikendry ny hanao soa anao sy hikarakara anao satria namonjy azy tamin’ny helo ianao ary nahafaka azy tamin'ny fahasahiranana betsaka mahazo amin’izao fiainana ankehitriny izao. Ary dia ho salama sy ho sambatra ianao ka na dia amin'ny androm-pahanteranao aza dia mbola hamoa voa tsara ianao ho voninahitr’ANDRIAMANITRA ; ka ho an’ny fonao sy ny fanahinao ary ny sainao ny fiadanana.
Ny lalana ho amin’ny fiainana sy ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny fahasambarana dia ny mitandrina ny didin’ANDRIAMANITRA ao amin’ny Baiboly sy ny misakana ny zanakao tsy hanao sy hankasitraka ny ratsy.

Misy lalana mankamin’ny fahasahiranana sy ny alahelo sy ny fahafatesana sy ny aretina sy ny fahadisoam-panantenana ary ny aretim-po, koa ianao no tsy maintsy mifidy izay lalan-kalehanao satria tsy ho azonao indray aleha ny lalana anankiroa, "Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao." (Deo. 30:19). Tsy nampiova ny haratsian’ny ota akory ny fahatongavan’i JESOSY, na koa hoe: misy ota sasany tsy heverin’ANDRIAMANITRA ho tsy ota intsony, na koa indray hoe: tsy ho faizina intsony ny mpanota. "Fahafatesana no tambin’ny ota". (Ilay zavatra nantsoin’ANDRIAMANITRA hoe ota tao amin’ny Testamenta Taloha dia mbola antsoiny hoe ota ao amin ny Testamenta Vaovao). (Rom. 6:23).
Tonga KRISTY nivesatra ny valin'otantsika sy ny helok’izao Tontolo izao. Mila Mpamonjy isika izao ANKEHITRINY izao tahaka ny nilan’ireo velona tamin'ny andron’ny Testamenta Taloha Mpamonjy koa satria zavatra mitovy no ataontsika dia izay hitondra antsika any amin’ny helo tahaka ny nitondrany ny olona tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha ho amin’ny famaizan’ANDRIAMANITRA koa.

Nahoana moa no nomena ny lalàna ? Tsy hanameloka ny olona fa ho "aloky ny zava-tsoa ho avy" (Heb. 10:1). Izay rehetra mankato ny lalàna dia hijinja fiainana tsara, fiadanana, fahasambarana, fifaliana ary ny fitiavan’ANDRIAMANITRA. Fa ny manahirana ny olombelona rehetra dia ny tsy fisian’ny anankiray akory afaka manatanteraka ny zavatra voasoratra ao amin’ny lalàna noho ny toetra maha-olona azy, noho izany dia tsy maintsy nirahin’ANDRIAMANITRA ny Zanany mba haka ny endrik’olombelona ka hitondra sy hiaritra ny famaizana tokony ho antsika noho ny fahotantsika, ary handresy ny ota moa hahazoantsika toetra vaovao hahafahantsika manao izay voasoratra ao amin’ny lalana amin’ny fo tsara.

Satria be famindrampo Andriamanitra sady fantany ny manjo antsika, dia izany no netezany hamela heloka antsika sy hanamarina antsika tsirairay avy amin'ny fahotantsika ka hanafahany antsika amin’izany, dia ilay fahotana nofaizin’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha indrindra.

Fa ireo tsy mety hodiovina amin’ny fahotany kosa dia ho faty amin’ny faharatsian’ny tenany satria ny fahotana dia mbola fahotana ihany eo imason’Andriamanitra ary tsy maintsy ho faizina amin'ny fahafatesana mandrakizay izy raha tsy ialana dieny mbola eto amin’ ity tany ity izany.
Ny hany halàn’i Jesosy tao amin’ny lalàna dia ny fanatitra noho ny ota satria tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy (Heb. 10:3, 4, 9, 12). Ny hoe nohamarinina mandrakizay dia tsy hoe akory rehefa mangataka famelan-keloka amin’i Jesosy dia mahazo manao ny ota fanao ihany satria efa nohamarinina ary tsy ho entina eo anoloan’ny fitsarana intsony noho ny ota hataontsika manomboka hatreo. Ny hoe nohamarinina dia hoe efa notsaraina tamin’ny fahotantsika taloha isika ka hita fa tsy meloka satria Jesosy no efa nitondra ny fahotantsika, koa dia afa-mivoaka ny trano fitsaran’Andriamanitra isika ka manatraka ny loha, olona tsy manan-tsiny, tahaka ny tsy mbola nanota akory taloha. Lasa mandrakizay ny fahotantsika taloha ary tsy hotsarovana amintsika intsony mandrakizay. (Eze. 33:16).

Fa raha manota isika aorian’io dia tokony hibebaka ka hangataka famelan-keloka tahaka ny tamin’ny voalohany, raha tsy izany dia ho faty amin’ny fahotantsika isika (I Jao. 2:1-4 ; Eze. 33:12,13, 18). "Raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao heloka dia ho faty amin’izany izy.
"Rankiziko madinika, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solo-vava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina, ary Izy no fanatitra fampiononam-pahatezerana noho ny fahotantsika ; ary tsy noho ny antsika ihany fa noho ny fahotan’izao tontolo izao koa. Ary izao no tena ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremantsika ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga ary ny marina tsy ao anatiny."

Tsy miasa ny famindrampon’Andriamanitra raha tsy manaiky hiala amin’ny fahotantsika isika ka voadio ho afaka aminy.
Raha tsy fahotana ho an’ny lehilahy ny mipetraka amin’ny vehivavy efa vadin’olona, na raha tsy fahotana ho an’ny vehivavy ny mipetraka amin’ny lehilahy efa vadin’olon-kafa dia tsy ilaina ny famindrampo sy ny famelan-keloka, fa raha fahotana kosa izany dia tsy maintsy ialana. Ahoana no hahavoavonjy antsika raha tsy mila Mpamonjy isika ?

Na Jesosy aza tsy namela heloka izay olona ninia nitohy nanota, fa rehefa mamela heloka Izy dia manova ny fiainany, betsaka ny mpijangajanga sy ny mpivaro-tena no nanatona an’i Jesosy satria te-hahazo ilay fiainana vaovao omen’i Jesosy, nefa kosa misy ny mpitondra fivavahana no tsy nety niala tamin’ny fahotany.

"Mpanompon’izay arahintsika isika raha manolo-tena ho mpanompo na ho an’iza na ho an'iza". (Rom. 6:16). Raha mankato ny nofo isika dia mpanompon’ny fahotana fa tsy an’ny fahamarinana. Raha miala amin’ny fahotantsika isika ka mankato an’i Jehovah, dia hahita famindrampo sy famelana, raha mitohy manota kosa isika dia hoy Jesosy hoe: zanaky ny devoly isika. Aza mety ho fitahina, fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra (fa tsy ny famindrampony) amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana, izay manao izany dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Gal. 5:19-21 ; Efe.5:5).

Tsy mahafa-po an’Andriamanitra ny fanaovana hoe: Misy fahotana koa izay mitovy haratsiana amin’ny fijangajangana na tsaratsara kokoa noho ny sasany ao amin’ny fiangonanay aho. Aza misahirana amin’ny hafa raha te ho voavonjy ianao, ianao no tsy maintsy mampijoro ny tenanao eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy eo anatrehan’ny olona noho ny fahotanao, tsy hahafa-tsiny anao ny fahotan’ny hafa.

NY LANITRA SY NY LALANA HAHAZOANA AZY

Ny Baiboly dia manambara fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra (Rom. 3:23), ary "ny fahafatesana no tambin’ny ota (Rom. 6:23) ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana satria samy efa nanota izy rehetra (Rom. 5:12). Ny fahafatesana mandrakizay sy ny fisarahana tanteraka amin’Andriamanitra no vokatry ny ota rehetra ataon’ny olombelona, kanefa satria tian'Andriamanitra ny olombelona, dia efa nikarakara lalana Izy hanafahana ny olona rehetra izay manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy azy, ary koa amin'izany dia hanazo fiainana vaovao izay tsy mifangaro amin’ny ota intsony. Talohan’ny nidiran’ny fahotana i Adama sy Eva dia nitana ny toetra araka ny maha-izy azy, fa masina tanteraka izy ka tsy nanota akory, nanana firaisana tamin’Andriamanitra mihitsy izy ; fa raha vao nifidy ny lalana manaraka an’i Satana, fa tsy Andriamanitra intsony, dia tafasaraka tanteraka tamin’Andriamanitra izy mivady, Andriamanitra mihitsy no nandroaka azy avy tao amin’ny saha Edena, ka niharan’ny fahafatesana izy sy ny taranany rehetra hatramin’ny faramandimbiny. Tsy misy olona mahay mamonjy olombelona fa ny fitiavan’Andriamanitra ihany, dia Andriamanitra izay naniraka ny Zanany Lahy Tokana, Jesosy Kristy, ho eto amin'izao tontolo izao mba hitondra ny famaizana ny fahotantsika.

Raha mitaraina amin’i Jesosy Kristy isika sady mangataka AZY mba hanala ny fahotantsika ary koa raha MIFIDY ny hanaraka an’i Jesosy Kristy mandrakariva isika dia hihaino ny fitarainan’ny vavatsika Izy, hanadio antsika amin’ny fahotantsika taloha Izy sady hamerina amintsika indray ilay toerana (tsara) nananan’i Adama sy Eva fahiny. Raha tsy manana izany toetra masina izany isika, dia tsy hankany an-danitra akory, na dia miangona amin’ny fiangonana maro aza ary na dia manana andraikitra manokana amin’ireo fiangonana ireo aza isika. Tsy mijery afa-tsy ny fo Andriamanitra. Moa tena madio sy marina amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo izy ? Moa ve IANAO mikely aina HANAIKY an i JESOSY isan’andro isan’andro amin’ny zavatra rehetra ataonao ? Tsy sarotra ny manao ny marina sy ny manana fitiavana hanaiky ny Tenin’Andriamanitra raha voavelany ny helokao ary nasian’Andriamanitra fiainana vaovao ao anatin’ny fonao. Ny fo toy izany no lazain’i Jesosy hoe "nateraka indray tamin’ny Fanahin'Andriamanitra."
Nandova toetra anankiray avy tamin’ny ray aman-dreny niteraka ianao raha vao latsaka an-tany. Izany toetra izany no mety hahatonga anao handainga sy hanao fahotana isan-karazany. Izany toetra izany tsy mba afaka hiditra any na dia mitafy lamba tsara tarehy eo imason’ny fiangonana aza ny olona mbola mety handainga izy, mbola mety handika ny Tenin’Andriamanitra lalandava izy.

Rehefa miaiky amin’i Jesosy Kristy ny fahotanao sy ny zavatra tsy laitranao ianao sady mangataka Azy hanova ny fonao mba tsy hiverina intsony amin’ireny zava-dratsy ireny dia homen’Andriamanitra toetra vaovao tokoa. Izany toetra izany dia ho tena samy hafa be mihitsy ka ho hitan’ny havana aman-tsakaiza rehetra miharihary ny fiovan’ny fiainanao, vokatry ny fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra tao am-ponao. Rehefa tonga izany dia tsy misaina afa-tsy ny zavatra mety hahafaly an’i Jesosy ianao. Hanova tanteraka ny dian-tongotrao amin’izao fiainana izao izany Fanahy izany. Hitarika anao mba hiteny sy handeha ary hanao araka ny nolazainy tamin’ny Teniny hoe: Izay tsy manana izany toetra vaovao izany dia tsy mba hahita an’Andriamanitra na iza na iza.

Naorin'Andriamanitra ny helo ho an’ny devoly sy ny anjeliny kanefa raha manaraka ny devoly ny olombelona sady tsy nahazo ny fahaterahana indray akory dia ho faty izy ka ho anjarany koa ny helo ary any no hahitany fijaliana andro aman’alina. Ary satria mahatsiravina loatra izany helo izany dia efa neken’Andriamanitra ny hiaretan’i Jesosy ny fahafatesana teo ambony hazofijaliana noho ny sazintsika. Ho azon’izay rehetra vonona hiantso ny anaran’i Jesosy Kristy, ny toetra vaovao mahafaka amin’ny herin’ny ota sy ny devoly.

Nisy mpanapaka tamin’ny andron'ny Jiosy natao hoe Nikodemosy izay nanatona an’i Jesosy sady nahalala tsara fa avy tamin’Andriamanitra Izy. Na dia nankasitraka ny fahagagana nataon’i Jesosy aza izy dia mbola nahazo teny taminy ihany hoe: "Raha tsy ateraka indray ny olona (ka mahazo ny toetra vaovao noresahantsika teo), dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra izy". (Jao. 3:3). Sady mpiangona no mpitoriteny ambony toerana i Nikodemosy, kanefa tsy ny toerany na ny naha-mpiangona azy no lalana hahazoana namonjy azy. Ny fomba sy ny fanao dia tsy hanafaka. Andriamanitra ihany no mahay manova ny fon’ny olona. Ao amin’ny Apo. 21:8 ; Gal. 5:19-21 sy Rom. 1 dia voalaza miharihary ny olona izay tsy mety ho tonga any an-danitra. Ny olona, araka ny maha-olombelona azy no nanao ireo zavatra tononina ireo noho izany, dia ilaina tokoa ny fanovan’Andriamanitra tanteraka nv toetsika raha te ho voavonjy mandrakizay.

Maro tokoa ny olona izay miangona Alahady maraina sady mihira ho an’Andriamanitra kanefa amin’ny harivan’iny ihany indray, dia lasa mijery "sinema" maloto, mijangajanga, mandihy, misotro zava-mahamamo, izay samy asan’ny devoly avokoa, tsy misy kristiana tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra minia manao ireo zavatra ireo. "Fa raha misy kosa olona tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy" (Rom. 8:9). Raha manana ny Fanahin’Andriamanitra isika dia ho "tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra". "Fa izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak'Andriamanitra". (Rom. 8:14).
Ny sarimihetsika (film) rehetra, dia voaorina ho amin’ny fahotana, ny fijangajangana, ny fisaoram-bady, ny fampakarana vady faharoa, sy ny filàn’ny nofo. Raha madio ny diany araka ny ilazan’ny sasany azy, nahoana no tsy miara-mandihy ny lehilahy samy lehilahy, na ny vehivavy samy vehivavy ?

Ny hoe "Kristiana" dia milaza "mpanaraka an’i Jesosy" na "Ambasadaoron’i Kristy". Ny mino ny Baiboly dia tsy maintsy ho mpanaiky ny teny fahamarinan’Andriamanitra. Araka ny filazan’i Jaona 1:12 hoe: "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Heverinao ange, raha mety ho tonga any amin’ny toerana maloto ny zanak’Andriamanitra. Mitsiriritra vadin'olona, nefa mbola miangona sy manao ny tenany ho KRISTIANA.

Ry havana, aza mety ho fitahin’ny fanantenana diso sy poak’aty mety ho hitanao ny amin’ny fidirana any an-danitra, kanefa tsy mahatratra ny fepetra nataon'Andriamanitra momba izany tsinona. Ny mpandainga dia tsy mba hiditra any an-danitra na izay tia lainga aza (Apo. 22:15).

Masina Andriamanitra ary tsy hisy hahita Azy raha tsy feno finoana sy fitokiana an’i Jesosy Kristy, no sady tafasaraka tanteraka amin’ny fanao ratsy rehetra. Tamin'ny andron’i Jaona Mpanao-batisa, dia maro ny olona nanatona azy hatao batisa tao amin’ny ony Jordana. Kanjo rehefa hitan’i Jaona ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo tonga hatao batisa koa dia nolaviny tanteraka izany raha tsy hita mazava ao amin’ny fiainany fa efa nafoiny ny ota sy ny fihatsarambelatsihy taloha. Nisy nihevitra ny tenany ho voavonjy satria natahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny sady izy voafora rahateo, nefa kosa hoy Jaona: "Aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto". Dia hoy Jesosy tamin’ireo olona ireo hoe: "zanaky ny menarana dia ny devoly ianareo, satria manao ny zavatra lazain’ny devoly aminareo". "Avy amin’ny devoly rainareo ianareo ka ny filan’ny rainareo no tianareo hatao.

Ny batisa amin’ny rano dia tsy manampy anao afa-tsy rehefa foinao ny fahotanao ary ekenao ny finoana ny Tompo Jesosy Kristy (Mat. 28:18-20 ; Mar. 16:16-18).
Samy hafa tokoa ny fiainana mitodika amin’Andriamanitra mandrakariva sy ny fiainana feno fombafombam-pivavahana fotsiny.

Tena Mpamonjy antsika tsirairay Andriamanitra sady Sakaiza miaraka amintsika lalandava ; vonona hanampy antsika hatrany hatrany Izy rehefa voatolotra an’i Jesosy ny fiainantsika mba hodioviny tanteraka. Amin’izany dia hanome antsika fo feno ny Fitiavan'Andriamanitra, fo malemy, mangorakoraka. Tena samy hafa tokoa ny mpiangona, na mpandray fotsiny sy ny tena zanak’Andriamanitra vao teraka indray izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra lalandava.

Mamaly ny vavaky ny zanany tarihin’ny Fanahiny Andriamanitra, fa ny olona mafy fo izay tsy mety mibebaka dia tsy mahazo valiny, raha tsy vonona hanome lalana an’i Jesosy hitondra ny fiainany.

Manana trano soa mahafinaritra voaomana ho an’izay rehetra tia Azy Jesosy, fa ny helo kosa no ho anjaran’ny olona izay mbola mifidy ny fiainan’ny ota sy ny fanaon’izao tontolo izao. Ianao irery no manan-tsafidy araka izay tianao na hankany an-danitra, na hankany amin’ny helo. Andriamanitra dia vonona hamonjy anao, Jesosy dia vonona hamela ny fahotanao taloha raha vonona hiantso Azy ianao sady hangataka Azy mba hanome anao fiainana vaovao amin’ny Fanahiny, dia hanaisotra ny fahotanao rehetra, kanefa tsy hanery anao Andriamanitra, ny safidinao no hamaritra ho anao, na fiainana mandrakizay izany na fisarahana mandrakizay ao amin’ny afo sy ny solifara izay misy ny devoly sy ny anjeliny.

Ny vavakay dia izao: Enga anie ka hanetsika ny fonao Andriamanitra mba ho tianao ny lalany sy ny fahasambarany, mifalia mandrakizav ianao.

Ny Fanasitranan' Andriamanitra

NY FANASITRANAN’ ANDRIAMANITRA ANAO

Nosoratan’i M.A. DAOUD

FANASITRANANA avy amin’ANDRIAMANITRA ho anareo rehetra

Hoy Jesosy: «Ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.»
Andriamanitra izay nahary antsika no mahalala bebe kokoa momba ny vatantenantsika noho ny olombelona. Nokarakarainy ny fahasitranana ho an’izay REHETRA vonon-kandray izany, araka ny fomba fanomezany izany.

Ny fofon’aina nomen’Andriamanitra no iainantsika sy ahavelomantsika. Ary ilay nahary antsika sy nanome antsika ny aina dia azo antoka fa mahay mahasoa antsika mihoatra noho izay rehetra ety an-tany. Hoy ny Soratra Masina: «Indro, Izaho no Jehovah Andriamanitry ny nofo rehetra ; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va ?» (Jer. 32:24). «Ny zavatra rehetra dia hain’Andriamanitra.» Koa aoka tsy ho faritana araka izay mety ho vitan’olombelona ny soa mety ho vitan’Andriamanitra. Matetika tsy mahomby ny olombelona, Andriamanitra kosa dia sady mahatoky no mahavita izay nampanantenainy antsika, ary «manao mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintslka aza» (Efes. 3:20). Ny fomba fanasitranany dia sady mampitony fanaintainana no miasa faingana lavitra noho ny fanafody mahery indrindra. Tsy mampitony fahoriana vetivety Andriamanitra, fa esoriny na dia ny fototry ny aretina sy ny antony aza.

VEHIVAVY TEO AM-PIALAN’AINA TAO AMIN’NY LAMASININA

Tamin’ny taona 1951 dia naka ny lamasinina aho hankany New-York. Injay nisy vehivavy nentina avy tamin’ny kalesy hafa, toa teo am-bavahoana raha tsy efa maty sahady. Sahiran-kevitra ireo mpiadidy ny lamasinina. Hitany nanatona aho ary nanontaniany hoe: «Mpitsabo angaha hianao?» «Tsia», hoy izaho. «Afaka hanome tsindrona va hianao?» hoy indray izy. «Tsia, hoy izaho, fa manana izay tsara lavitra noho ny tsindrona aho: hivavaka amin’ny anaran’i Jesosy aho, ary Izy no hamelona azy». Nihataka kely ireo nitondra an-dravehivavy, ary nitsangana teo anoloany aho. Dia nametra-tànana taminy aho, ary nandidy ny fanahin’ny fahafatesana handao azy. Nifoha izy, nisokatra ny masony, dia nitomany izy, voavonjy noho ny herin’ny anaran’i Jesosy.

TSY TOKONY HO MARARY NY OLO-MINO NA NY KRISTIANA MARINA

Tsy ekentsika ny fisian’ny ota ao amin’ny fiainantsika, satria nentin’i Jesosy ny fahotantsika rehetra. Koa dia tsy tokony hekentsika ny hisian’ny aretina eo amin’ny tenantsika, satria nentiny koa ny aretintsika rehetra: «Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika» (Isa. 53:4). «Mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Mat. 8:17).

Izay efa nentin’i Jesosy sy niaretany, nisoloany antsika, dia tsy ilaina ho entintsika intsony. Araka ny lalàna dia voaheloka ho faty isika, «fa samy efa nanota izy rehetra» (Rom. 5:12) ary «ny fanahy izay manota no ho faty» (Ezek. 18:4).
Natolotr’i Adama sy Eva, razambentsika voalohany, ho an’i Satana ny tena sy fanahintsika. Navotan’i Kristy ho an’Andriamanitra isika, na ny vatan-tena na ny fanahy, tamin’ny fahafatesany tao Kalvary.

SATRIA HO AN’NY OLONA REHETRA NY FAMONJENA DIA HO AZY REHETRA KOA NY FAHASITRANANA VITAN’NY HERIN’ANDRIAMANITRA

Tsy misalasala isika, fa Andriamanitra dia vonona hamonjy, na dia izay faraidin’ny olona mpanota ratsy aza. Ahoana no ahalalantsika izany? Satria inoantsika ny Soratra Masina manambara ny famonjena : «Efa tonga ny Zanak’olona hitady sy hamonjy ny very» (Lio. 19:10). Izany hoe, tadiavin’i Jesosy hovonjena ny mpanota rehetra. «Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay» (Jao. 3:16). Lazain’ity teny ity fa na zovy na zovy no vonon-kandray an’i Jesosy ho Mpamonjy azy dia azo vonjena, te-hamonjy antsika rehetra Andriamanitra, kanefa andrasany ny handraisantsika ny famonjena omeny, samy mahazo mandray izany sy hiravoravo noho ny aim-baovao ao amin’i Kristy ny olona rehetra.

Raha tahiny ka tamin’ny andro lasa ihany no nahavitan’Andriamanitra zava-mahagaga, dia «llay Andriamanitra teo» Izy fa tsy «ilay Andriamanitra misy». Kanefa faly aho milaza tsy amim-pisalasalana fa Izy no «llay manasitrana ny aretinao rehetra» (Sal. 103:3). Teniny anio sy rahampitso tsy miova izany ; hatrany hatrany dia toviny ny Teniny hoe: «Tongava aminareo araka ny finoanareo» (Mat. 9:29). «Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay» (Heb. 13:8).
Ny marina dia izao: tian’i Jesosy hositranina ny olona rehetra, fa raha tsy izany dia tsy ho nekeny ny dian-kapoka namelezana azy teo amin’ny trano fitsaran’i Pilato, talohan’ny nanombohana Azy teo amin’ny hazo fijaliana. «Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo» (Isa. 53:5 ; I Pet. 2:24).

POROFO AZO ANTOKA FA SITRAK’ANDRIAMANITRA NY MANASITRANA NY OLONA REHETRA ANKEHITRINY

«Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay». «Izaho Jehovah dia tsy miova» (Malakia 3:6).

1. Ny porofo voalohany sady mahery, fa sitrak’Andriamanitra ny manasitrana ny olona rehetra ankehitriny, dia satria tsy miova Izy. Raha misy olona nositranin’Andriamanitra taloha, dia mbola hataony ankehitriny izany. Izay soa vitan’Andriamanitra ho an’ny olona fahiny dia mbola hataony ankehitriny ho an’izay rehetra vonon-kandray toy ireo olona taloha. Fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.

2. Tsy niova ny Tenin’Andriamanitra. Raha tsy miova ny filahatry ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ny andro sy ny alina, dia tsy hiova koa ny Tenin’Andriamanitra (Jer. 3l :35-36). Tsy mbola nampanoratra «teny fanampiny» amin’ny Baiboly Andriamanitra, toy ny manao hoe: novany na nanesorany na namboariny ny Teny naloaky ny vavany. Mbola mitaky fahamasinan’ny fo sy fiainana Izy ; ary mbola maharitra ny teny hoe: «Fahafatesana no tambin’ny ota». Hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany amin’ny Baiboly, dia lazain’Andriamanitra mazava fa tiany hatao afaka amin’ny herin’ny Devoly ny olona rehetra, na ny tenany na ny fanahiny.

3. Ny teny fanomezan-toky nataon’Andriamanitra momba ny fanasitranana ny vatan-tenantsika dia miseho hatramin’ny fiandohan’ny Baiboly ka hatramin’ny farany. «Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao» (Eks. 15:26). «Hesoriko aminao ny aretina» (Eks. 23:25). «Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra» (Sal. 103:3). «Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy» (Sal. 107:20 «Miravoravoa amin’i jehovah hianao, dia homeny anao izay irin’ny fonao» (Sal. 37:4), ao anatin’izany ny fahasitranana ho anao sy ny havanao. Koa mifaneke heloka hianareo ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo» (Jak. 5:16).

4. Hoy Jesosy: «Hainao hoe ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino» (Mark. 9:23). — «Hamoaka demonia amin’ny Anarako izy... hametra-tanana amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny» (Mark. 16:17-18).

5. Niharihary ny sitrapon’Andriamanitra, tamin’ny nanirahany an’i Kristy ho ety amin’izao tontolo izao sy ny nokendreny tamin’izany:
a) Handrava ny asan’ny Devoly (I Jao. 3:8). Nataon’ny devoly marenina, moana, very saina, ets. ny olona. Kanefa noroahin’i Jesosy ny devoly, noravany ny asany, ary nositraniny izay rehetra nampahorin’ny devoly.
b) Ny Fanahin’i Jehovah no nanosotra an’i Jesosy «hitory fandefasana amin’ny mpifatotra» (Lio. 4:18 ; 13:16).
d) «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Mat. 8:17).
e) Jesosy dia «nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly» (Asa. 10:38).

6. Tonga aty an-tany hanao ny sitrampon’Andriamanitra Jesosy (Heb. 10:9). Raha toa ka tsy sitrak’Andriamanitra ny fanasitranana ny marary, dia (sanatria) nampalahelo ny Rainy any an-danitra Jesosy. Satria manko nositranin’i Jesosy izay nila izany, nositraniny ny aretina isan-karazany, ary «na iza na iza no nanendry (Azy) dia sitrana tokoa» (Mat. 14:36).
«Ary nony nahita ny vahoaka Jesosy, dia nahonena Azy ny fijeriny ireo, satria nampahantraina ireo ka nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry», «Ary Jesosy niantso ny mpianany 12 lahy hankeo aminy ka nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra» (Mat. 9:36 ; 10:1). «Ary Jesosy nandeha nitety ny tanàna rehetra sy ny vohitra, nampianatra tao amin’ny synagoga sy nitory ny filazantsaran’ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ny rofy rehetra». (Mat. 9:35). «Nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra... ka nahasitrana ireny Izy» (Mat. 4:23, 24). «Nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro ; ary ny teniny ihany no namoa-hany ny fanahy ratsy. ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa» (Mat. 8:16). «Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra» (Mat. 12:15).

«Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza ; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa» (Mat. 4:35-36). «Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina» (Mar. 3:10). «Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy, ary izay marary dia nositraniny» (Lio. 9:11).
Nankasitrahan’Andriamanitra ny asan’i Jesosy. Hoy Jesosy: «Ary Izay naniraka Ahy dia eto amiko ; tsy nandao Ahy ho irery Izy, satria Izaho manao izay sitrany mandrakariva» (Jao. 8:29).

7. Nomen’i Jesosy fahefana ny mpianany handroaka demonia sy hahasitrana ny marary. (Mat. 10:1, 7, 8). Tsy nahavita nanampy ny olona rehetra ireo 12 lahy, ka dia niantso olona 70 indray Jesosy hanafaka ny voafatotra, ary ireo koa dia nomeny fahefana mitovy amin’izay azon’ny 12 lahy (Lio. 10:17-19).
Ny hafatra farany navelan’i Jesosy ho an’ny mino rehetra dia izao: Mandehana any amin’izao tontolo izao hianareo, ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra... Izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ny anarako izy ; hiteny amin’ny fiteny izay mbola tsy hainy izy ; handray menarana izy, hametra-tanàna amin’ny marary izy, dia ho sitrana ireny» (Mar. 16:15-18 ; Mat. 28:19).

8. Nanome toky Jesosy fa homba antsika hatramin’ny fahataperan’izao tontolo izao (Mat. 28:20).

9. Talohan’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia niangaviany ny mpianatra hangataka izay niriny sy nilainy ; «Mangataha, dia hahazo hianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo» (Jao. 16:24) ahazoana fifaliana ny fahasitranana. «Na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany» (Jao. 14:13). «Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany» (Jao. 15:7).

10. Tsy mba nesorina hiala amin’ny Fiangonana ny Fanahy Masina Ary mbola atolotry ny Fanahy Masina ho an’ny olona mino izay feno ny Fanahy Masina ny «fanomezana sivy» lazain’ny teny, I Kor. 12:7-11. Ny efatra amin’ireo dia momba ny fanasitranana ny vatan-tena, dia ny «finoana», ny «fanomezam-pahasoavana ho enti-manasitrana», ny «manao fahagagana», ary ny «mahafantatra fanahy samy hafa».

11. Amin’izao andro ankehitriny izao dia anarivony ny olona nampahorian’ny aretina samy hafa izay nositranina tanteraka tamin’ny fomba mahagaga, noho ny fitoriana ny filazantsara tamin’ny fivoriam-pifohazana» notarihanay tao Peurto-Rico, Pérou, ny nosy samy hafa, Egypta, Etiopia, Eritrea, India, Pakistan, Frantsa, Afrika Atsinanana, Afrika Andrefana, ary Etazonia. Tsy dia ao amin’ny fivoriana tarihanay ihany no isehoan’ny fahagagana toy izany, fa na aiza na aiza no misy mitory ny tenin’Andriamanitra milaza ny heriny sy ny fahasitranana voatendriny.

NY FOMBA FANGATAHANA HAHAZOANA FAHASITRANANA

Ny vavaka no hery lehibe indrindra amin’izao zavatra ary rehetra izao, ary mahavita izay tsy vitan’ny fomba hafa, ohatra: nosokafana ny ranomasina mena ary nandalo tao ny olona telo tapitrisa ka tsy mba lena akory ny tongony, noho ny vavaka nataon’i Mosesy. Nijanona tamin’ny fandehanany ny masoandro sy ny volana, noho ny vavak’i Josoa. Velona indray ity zazalahy anankiray, valin’ny hatak’i Elia. Ary tsy nahalevona ireo zatovo Jiosy telo lahy ny afo tao amin’ny lafaoro.
Matoa vita ireo zava-mahagaga ireo, dia tao ny herin’Andriamanitra tonga noho ny vavaky ny mino.

1. Minoa an’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra (Jao. 14:6). «Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy, sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy» (Heb. 11:6).
Tsy azo atao ny mandray zavatra amin’izay ataonao fa tsy misy tsinona, raha fantatrao fa misy Andriamanitra, dia tsy maintsy inoanao ny teniny sy ny marina lazaina ao ary ny teny fampanantenana voalazany.

2. Minoa fa mihaino anao Jesosy sady mamaly anao eo am-pivavahana mihitsy. Ary mihetseha araka ny finoanao, miaraka amin’izay.

ZAZAVAVY KELY NANANA TONGOTRA BILA

Tao amin’ny fivoriana anankiray notarihin’Atoa Smith Wigglesworth dia nisy zazavavy kely nangataka vavaka noho ny tongony izay bila. Hitan’ny mpitoriteny fa nisakelika fonosan-javatra ikalakely. «Inona izany entinao izany?» hoy izy. «Ny naman’ny kiraroko tsara», hoy ikalakely ; satria fantatro fa raha mivavaka hianao, dia hahitsin’i Jesosy ilay tongotro bila, ary amin’izay dia tsy ho azoko anaovana intsony io kiraro boribory io izay hitanao eo amin’ny tongotro bila» Nivavaka Atoa Wigglesworth, dia namonjy seza teo anilan’ny sehatra ilaikely, ary nesoriny ny kirarony, koa tamin’izay dia nanjary nahitsy ny tongony ka tonga toy ilay anankiray Dia nokiraroiny ilay kiraro tsara nentiny, ary niverina nandeha tsara izy namonjy ny toerany, satria nony nivavaka izy dia fantany fa teo Jesosy ka hahasitrana azy. Koa raha mangataka zavatra amin’i Jesosy hianao, dia tsy maintsy inoanao fa eo anilanao Jesosy, ary tsy maintsy mihetsika araka izany finoanao izany hianao.

3. Tsy maintsy manana faniriana marina ilay zavatra angatahintsika isika, fa arakaraka ny herin’ny faniriana no hananantsika faharetana sy fifikirana amin’Andriamanitra amin’ny vavaka izay hihazonantsika an’Andriamanitra toy ny nataon’i Jakoba fony niteny izy hoe: «Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho» (Gen. 32:26) sy toy ny mpitondratena lazain’ny Lio. 18:1-8.

4. Mangataha zavatra iray mazava tsara.
Aleo mangataka zavatra iray amin’Andriamanitra amin’ny fotoana iray. Satria manko, araka ny toetry ny sain’olombelona dia tsy mahay maniry mafy zavatra maro amin’ny fotoana iray isika. Ny vavaka nahazo valiny izay voalaza ao amin’ny Baiboly dia samy toy izany, nisy zava-dray loha nirina mihoatra noho ny zavatra rehetra, zava-dray loha no nangatahina ary izay nangatahina no azo, fa tsy zavatra hafa.
Nangataka ranon’orana Elia: fatratra ny faniriana an’izany ka nataony impito ny hataka, tsy nisy zavatra hafa nolazainy, ranonorana no nangatahiny dia niandrandra niandry izany izy, ary nony tapi-nivavaka dia nihazakazaka nitady fialofana tamin’ny oram-baratra.

5. Tsy maintsy mangataka amin’ny finoana hianao. «Nefa aoka hangataka amin’ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany ; olona miroa saina izy, miovaova amin’ny alehany rehetra» (Jak. 1:6-8).
Satria nomen’Andriamanitra toky ny olon-kafa, fa ho azony izay ilainy, dia matokia fa homeny anao koa izany, raha mety mino sy manolotra ny ainao ho Azy hianao. «Fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay taminareo dia tsy «eny» sy «tsia», fa ao aminy dia «eny» ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny «eny», ary amin’ny alalany koa ny «Amena», ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataony» (I Kor. 1:19:20). «Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra (I Kor. 7:1). «Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo» (Sal. 66:18).

6. Tsy maintsy mangataka amin’ny anaran’i Jesosy isika, tsy mba manana anjara lova any an-danitra isika, raha tsy raisintsika ho Mpamonjy antsika Jesosy. Tsy hisy hiditra any an-danitra raha tsy amin’ny anaran’iJesosy Kristy. Hoy Jesosy. «Izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy» (Jao. 10:1), ary hovaliana araka izany izy. Hariana any ivelany izy ; fa araka ny tenin’i Jesosy: «Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy» (Jao. 6:37).
Fantatry ny olona rehetra fa tsy maintsy misy sonian’ny olona mahatoky eo amin’ny taratasy fandraisam-bola. Jesosy no hany tompon’ny zavatra rehetra ety an-tany sy any an-danitra... nomen’ny Ray Azy ny fahefana rehetra (Mat. 23:18), koa dia haken’Andriamanitra ny fangatahana amin’ny anarany ,izay toy ny misy ny soniany. Nomen’i Jesosy fahefana hanao sonia fangatahana zavatra any an-danitra koa ny mpanaraka Azy. Haleloia !Tsy manampetra ny harem-beny, ary faly Izy raha tonga mampiditra fangatahana hahazoana amin’izany isika.
Misy FAHASITRANANA amin’ny anaran’i Jesosy!
Misy HERY amin’ny anaran’i Jesosy !
Misy FANDRESENA amin’ny anaran’i Jesosy!
Misy FAMPIONONANA amin’ny anaran’i Jesosy!
Misy FAMONJENA amin’ny anaran’i Jesosy!
Tsy misy anarana hafa fantatsika izay mitondra fahafinaretana, fiadanana, sy hery mampandositra ny devoly, toy ny anarana sarobidin’i Jesosy.
Ao amin’ny anaran’i Jesosy dia misy hery lehibe, satria noresen’i Jesosy ny fahotana, ny devoly, ny aretina, ny fahafatesana, ny fasana ary ny helo afo ; nitsangana tamin-kery Izy tamin’ny andro fahatelo nitondra ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo afo, ary hoy Izy : «Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany ; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra» (Mat. 28:18 ; jereo koa Apok. 1:18)

7. Mivavaha araka ny sitrapon’Andriamanitra ambaran’ny Soratra Masina. Maka fanahy an’Andriamanitra isika raha mivavaka tsy araka ny voasoratra ao amin’ny Teniny, Ny Baiboly no manambara ny sitrapon’Andriamanitra ; boky manan-kery hahavita izay lazaina ao aminy, raha raisina amin’ny fo matoky sy marina ary arahina amin’ny fihetsika sy ny asa. Miteraka finoana hahazoana fahasitranana ny Tenin’Andriamanitra: «Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy» (Sal. 107:20).

8. Mivavaha amin’ny antony sy ny fikendrena marina, ka ny voninahitr’Andriamanitra no tsy maintsy imasoana indrindra. Tsy hositranin’Andriamanitra ny olona te-handroso amin’ny fahotana fanaony nefa tsy ho sahirana na marary. Fa arakaraka ny fahotana ataon’ny olona, hataon’Andriamanitra izay hahitany fahavoazana, mba hahatonga azy hanenina sy hibebaka. Raha tahiny ka lasa any amin’ny helo-afo hianao, dia noho ny finiavanao hanoatra ny fisakanana maro ataon’Andriamanitra hibahana ny lalanao mankany izany. «Sarotra ny lalan’ny mpivadika» (ohab. 13:15).
Tsy maintsy dinihintsika ny fontsika, na manana fihavanana amin’Andriamanitra na tsia. «Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy hihaino ny Tompo» (Sal. 66:18). Ny mahazo valim-bavaka avy amin’Andriamanitra dia ireo izay mitandrina ny teniny (Jao. 14:23 ; 15:7) sy manao izay ankasitrahany.

Na dia mivavaka ho anao aza ny olona rehetra ety ambonin’ny tany, kanefa mbola maditra hianao ary manaram-po amin’ny fahotana, dia tsy hahazo na inona na inona hianao, na dia zavatra araka ny sitrapon'Andriamanitra aza no angatahina. Araka ny fahamasinan’Andriamanitra ny fahamarinany, dia olona efa tia Azy sy manaraka ny sitrapony, manao soa amin’ny namany, no hahazo valim-bavaka. Tsy misy fizahan-tavan’olona: na dia mpitoriteny sy loholom-piangonana nanompo Azy tsara nandritry ny taona maro aza, nefa mivadika amin’ny Tompo ka manao izay mampalahelo Azy izay mahita ny zavatra rehetra, dia tsy hihaino ny vavaka ataony intsony Andriamanitra, raha tsy mibebaka izy, ka manitsy ny lalany (Ezek. 33:11 ; II Tant. 16:7-13). «Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy» (II Tant. 16:9).

Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra» (Jak. 5:16). Rehefa ren’i Hezekia, mpanjaka marina fa ho faty izy, dia nitodika tamin’ny rindrina izy ka nivavaka nangataka ny tsy ho faty, nohenin’Andriamanitra niaraka tamin’izay ny fangatahany, ary nomena andro hiainana 15 taona indray (Isaia 38).

Mba nivavaka ihany Saoly, ary nangataka ny namany ho azy ; kanefa tsy nohenoin’Andriamanitra izy, satria tsy te hibebaka sy hiverina amin’ny lalana marina izy ( I Sam. 28:6).
Misy aza olona sasany mivavaka hoe «Andriamanitra ô, ampio aho hikarakara sy hitaiza tsara ny zanako» etc...; kanefa tsy entiny any am-piangonana hihaino ny Tenin’Andriamanitra tsinona ny fianakaviany. Tsy miova ny toe-piainany amin’ny fahotana sy ny fisakaizana amin’ny namana ratsy izay fahavalon’Andriamanitra ; tsy mba mahita fotoana hamakiana ny Baiboly na hivavahana amin’Andriamanitra izy.

Misy koa aza mivavaka momba ny fisarahana amin’ny vadiny sy ny fitadiavana tokantrano vaovao. Efa noraran’Andrlamanttra rahateo izany, toa mangataka an’Andriamanitra hivadi-bolana ny manao izany, kanefa tsy miova Izy. Fa izay mitranga sy miseho dia izao : misokatra ny varavaram-ponao hidiran’ny devoly, rain’ny lainga, izay manao lainga tsara lahatra fanoherana ny tenin’Andriamanitra sady mampatory ny fieritreretanao. Koa na dia ohatra tanteraka aza ilay tokantrano vaovao, dia tsy ho afaka ao am-ponao ny fanamelohan’Andriamanitra tsy miova.

NAHAVITA FAHAGAGANA JESOSY RAHA NISY FINOANA

Na dia manana ny fahefana rehetra aza Jesosy, dia tsy mba nataony tery vozona hositranina ny olona tsy nila izany, na tsy nino Azy sy ny heriny. Tsy nahavita asa mahery tao Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, noho ny tsi-finoan’ny mponina tao ; tokony ho maro ny nila fanasitranana sy famonjena tao, kanefa tsy nisy fahagagana vitan’i Jesosy satria tsy nety nino ny olona tao. Nitomany tamin’i Jerosalema Jesosy satria tiany hovonjena ny mponina tao ; kanefa tsy nety nino ny Zanak’Andriamanitra ireo ka tato aoriana dia tratry ny fahafatesana mahatsiravina.

Nony maty ka nalevina Lazarosy sakaizan’i Jesosy, dia nitomany ny anabaviny nilaza tamin’i Jesosy hoe: «Raha teto Hianao dia tsy maty ny anadahiko». Kanefa nahitsin’i Jesosy izy tamin’ny teny hoe: «Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra ?» (Jao. 11:2l, 39, 40). Ho hitany izao ankehitriny izao izany, hoy Jesosy. Nitaky finoana tamin’izy mirahavavy nialoha Jesosy, nasainy hitarika Azy ho any am-pasana, vao natsangany tamin’ny maty Lazarosy.

Nifanety nanizina an’i Jesosy ny vahoaka indray andro ; tsy voalaza fa nisy sitrana raha tsy tonga ravehivavy narary 12 taona, nanendry ny somotraviavin-dambany (Jao. 8:43-48). Nataony tamin’ny finoana izany ; koa dia hitantsika fa tsy ampy raha ao amin’ny toerana akaikin’i Jesosy isika, fa tsy maintsy manatona Azy amin’ny finoana isika vao mahazo valim-bavaka.

AZA FARITANA ARAKA NY FAHALEMENAO NY HERIN’ANDRIAMANITRA

Maro no mandreraka ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, manontany tena hoe: «Hataon’Andriamanitra ahoana anie ny mahavita izany». Avy aiza no hahitany izay vola ilaiko izay ? iza no havako mety hihaino ny bitsibitsik’Andriamanitra manoro azy hanampy ? Raha tsy azony an-tsaina ny lalan-komban’Andriamanitra hanaovany izay angitahiny, dia tsy mety mino izy (II Mpanj. 7:2). Tsy mba nomen’Andriamanitra adidy hiahiahy ny fomba fanaovany ny asany hianao ; nasainy hino fotsiny sy nandroso, hihetsika, hiasa araka ny teny fikasany.

NY FOTOTRY NY ARETINA

Nesorin’i Jesosy ny fototra sy antony nahatonga ny aretina, raha nanasitrana olona Izy. Indreto izany :

1. NY FAHOTANA : Lazain’ny teny (Mar. 2:5) ny amin’ny efa-dahy nilanja ny namany malemy ho any amin’Jesosy. «Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ireo, dia nanao tamin’ilay mararin’ny paralysisa hoe: «Anaka, voavela ny helokao». Sitrana tamin’izay ralehilahy ary afaka nandeha ; kanefa nataony fa samy hafa ny famelan-keloka sy ny fahasitranana. Kanefa niteny indray Jesosy hoe: «Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ilay mararin’ny ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana? Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana ety ambonin’ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao. Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao». Nitsangana niaraka tamin’izay ralehilahy, sitrana tanteraka. Ny fahotany no anton’ny aretina nampahalemy azy, ka tsy maintsy voavela ny helony vao azo sitranina izy. Rehefa voavela heloka izy dia finaritra tamin’izay. «Fahafatesana no tambin’ny ota» (Rom. 6:23). Natao hanompo an’Andriamanitra sy ny fahamarinana ny vatan-tenan’ny olombelona ; simban’ny fahotana kosa ny tenan’ny olombelona raha avela hahatanteraka ny asany. Ny ahazoana fahasitranana dia ny ny fibebahana sy ny fivalozana amin’ny fahotana, ary ny fandraisana ny fanavotana vitan’i Kristy.

2. SATANA SY NY ANJELINY : Ny antsasany latsaka kely amin’ny fahasitranana tantarain’ny filazantsara sy ny Asan’ny Apostoly dia «famoahana demonia». Maro manko ny olona mino miaritra zavatra tsy nokasain’Andriamanitra hatao anjarany akory. Omen’i Jesosy fahefana ny mino, handroaka ny devoly sy hanafaka ny olona amin’ny fahefany, hialany amin’ny famelezany mandoza sy ny aretina afitsony antsika (Mar. 16:17-18).

3. NY FANDIKANA NY LALAN’NY ZAVA-BOAHARY : Araka ny nanaovan’Andriamanitra azy dia mahatonga aretina sy fanaintainana. Noharin’Andriamanitra ny tenan’ny olombelona ary notendreny ny fomba sy lalàna harahiny raha mitombo sy miaina. Raha mandika ireny isika, dia voa. Izay latsaka avy amin’ny tampon-trano dia mety ho tapa-taolana, izay tsy mihinan-kanina dia matin-kanoanana, ny hoditra tratran’ny asidra ranomahery dia may. Torak’izany ny ao anaty. masaka ny vavony sy tsinay raha misotro alikola ny olona, ary mahatonga aretina sy fahoriana izany. Raha te-ho sitrana ny mpisotro, dia tsy maintsy mangataka an’Andriamanitra hamonjy azy amin’ny fanandevozan’ny toaka izy ; amin’izany dia sady voavonjy no sitrana izy.

Izay mahafoy fotoana hamonjena ny fotoam-pivavahana ao amin’ny trano fiangonan’Andriamanitra isan’Alahady, hahazoan’ny fanahiny vatsy avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny fihaonana aminy, dia mahazo fitahiana ho an’ny fiainany manontolo ; manatombo ny fahasalamany, ary vitany tsaratsara kokoa ny asa aman-draharahany. «Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra» (Mat. 4:4).

4. NY RATRA isan-karazany dia loza tokoa ; kanefa Andriamanitra izay nahary ny vatan-tena no mahay manamboatra manasitrana azy koa raha misy fahavoazana. «Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy» (Sal. 46:1).

Noharin’Andriamanitra ho tsara tanteraka ny lehilahy voalohany sy ny vehivavy voalohany, mba tsy ho farofy na marary na ho faty izy. Haharitra arakaraka ny hankatoavany an’Andriamanitra izany ; kanjo tamin’ny andro nivadihany ka nihinanany ny voan’ny hazo noraràna, dia ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, tamin’izany andro izany dia tanteraka ny tenin’Andriamanitra hoe : «Ho faty tokoa hianao (Gen. 2:17).
Nofitahin’i Satana Eva ka tonga nihevitra fa angamba tsy dia tena hataon’Andriamanitra izay nolazainy, ’ndeha ho tsapaina kely, nahasintona ny maso ny voankazo, haharatsy inona raha mba andramana kely ? Kanjo vetivety dia tonga fantatr’i Eva fa hentitra ny tenin’Andriamanitra, to tokoa ka tsy maintsy ho tanteraka. Ka dia tonga ety ambonin’ny tany ny fahafatesana, ny fahoriana isan-karazany, ny aretina ary ny fahafatesana. Satria manko nihinanany ny voankazo ahalalana ny ratsy, ary fahafatesana no tambin’ny ota.
Andriamanitra mihitsy no nandroaka an’i Adama sy Eva tsy ho eo amin’ny saha intsony, sao haninjitra ny tanany ka haka amin’ny voan’ny «hazon’aina», ka ho velona mandrakizay amin’ny ditra sy ny fikomiana amin’Andriamanitra. Kanefa, tsy mba nandao azy Andriamanitra ; nomeny Jesosy ho faty hisolo voina izao tontolo izao noho ny fahotana, ary hitondra fahasitranana ho an’izay rehetra miala amin’ny lalan-dratsiny sy hanompo an’Andriamanitra (Isa. 53:4-5). Manerana ny Testamenta Taloha ny filazana, fa rehefa nibebaka ka niala tamin’ny fahotana ny olona, dia nihaino ny fitarainany Andriamanitra ka namonjy azy ho afaka amin’ny fahoriany rehetra, fa izay nikiribiby kosa dia nofaizin’Andriamanitra (Deot. 28:47, 58-61). «Rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ny firenena rehetra izay androahan’i Jehovah Andriamanitrao anao hianao, sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, dia hampodian’i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ny fahababoanao hianao, ary hamindra fo aminao Izy, ho faly aminao Indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ny razanao, raha mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao hianao» (Deot. 30:1-3, 9, 10).

«Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza ; tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ny lalany. Miantso ny lanitra sy ny tany Aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona hianao sy ny taranakao, dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hihaino ny feony ary hifikitra aminy ; fa izany no fiainana sy fahamaroan’ny andronao» (Deot. 30:15-20).

Tsy mahasoa ny fametrahan-tanana amin’ny maditra, raha tsy mety mibebaka izy. Mety misy manao hoe: «Tsy mba hitako izay toetra ratsy ato amin’ny fiainako, matoky aho fa ho sitrana, manam-pinoana aho, fantatro fa te-hanasitrana ahy Andriamanitra, koa raha mametra-tanana amiko sy mivavaka hianao, dia hino aho ka ho velona». Na dia mametra-tanana aminao aza izahay, kanefa raha tsy vonon-kafoy ny fahotanao hianao, dia tsy afaka hanana finoana marina, ary na dia ohatra ka mamindra fo Andriamanitra ka manasitrana anao, mba hahatonga anao hibebaka. tsarovy ny tenin’i Jesosy hoe: «Aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo» (Jao. 5:14).

Nitokian’i Jakoba fa tsy tokony hisy aretina ao amin’ny zanak’Andriamanitra, ka dia nanoratra izy hoe: «Misy marary va eo aminareo ? Mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo. Ny fiàsan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra» (Jak. 5:14-16). Nantenain’i Jakoba fa tsy hisy aretina ao amin’ny Fiangonana, ary raha misy aza izany, dia noho ny fahotana. Ny fiaiken-keloka amin’Andriamanitra sy ny fifamelana no ilaina hahafahana amin’izany. Mbola toy izany ihany ankehitriny, ary maro ny aretina tsy ho sitrana raha tsy amin’ny alalan’ny fiaiken-keloka sy ny fifamelana.

OLONA SASANTSASANY NOFAIZIN’ANDRIAMANITRA SY NY ANTONY

Nokaikerin’ny menarana afo tany an-efitra ny zanak’Isiraely, satria nimonomonona tamin’Andriamanitra sy Mosesy mpanompony izy, noho ny fitondrana tsy araka ny tian’ny be sy ny maro. Andriamanitra (fa tsy Satana akory) no nandefa ny menarana. Nony nahatsiaro ny fahadisoany ka nivalo sy nifona ny vahoaka dia nokarakarain’Andriamanitra ny fanasitranana ho azy rehetra : «izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona» (Nom. 21:4-9). Nolazain’i Jesosy fa toy izany koa ankehitriny (Jao. 3:14-18).

NY HABOKANA : Nialona an’i Mosesy anadahiny Miriama, satria filohan’ny Isiraely izy. Tsy azoazony ny vadin’i Mosesy, koa dia novokisany hanohitra an’i Mosesy ny vahoaka. Kanefa tsy nojeren’Andriamanitra fotsiny izany, ary tsy minia jamba amin’ny toy izany Izy ankehitriny. Nantsoin’Andriamanitra ho eo anoloan’ny tabernakely Mosesy sy Arona ary Miriama, ary tonga tao anatin’ny rahona Izy hiteny aminy. Nanariny mafy Arona ary nohamarinina Mosesy. Koa nony niala Andriamanitra ka nisava ny rahona, dia indrisy, boka Miriama, fotsy tahaka ny oram-panala. Nifona niaraka tamin’izay Arona sy Miriama, ary nangatahiny hivavaka ho azy Mosesy ; navelan’Andriamanitra ny helony. Kanefa tsy nohadinoin’ireo nanota ny famaizan’Andriamanitra azy ; tonga fantany fa tsy azo atao ny manamaivana ny fiheverana ny fahotana, toy ny sasany ankehitriny izay manao hoe «Mora ny mifoha any aoriana any».

Maro ny olona mitetika hanararaotra ny famindrampon’Andriamanitra kanefa tsy miezaka hiala amin’ny fahotana akory. Lazain’Andriamanitra fa tsy ho tonga any an-danitra ny olona toy izany (Gal. 5:19-21). Nataon’Andriamanitra fay ny Isiraely manontolo: «Natokana tany ivelan’ny toby Miriama ; ary ny olona tsy niainga, raha tsy efa nampidirina Miriama» (Nom. 12).

Nataon’Andriamanitra MAINA MALAZO NY TANAN’I JEROBOAMA. (I Mpanj. 13:4-6). Tonga ny lehilahin’Andriamanitra avy any Joda hitondra ny tenin’Andriamanitra ho any Betela. Nijoro teo anoloan’ny alitara Jeroboama mpanjaka handoro ditin-kazo manitra. Dia nambaran’ny lehilahin’Andriamanitra fa hodoran’ny mpanjaka nanaraka eo ambonin’io alitara io indrindra ny taolan’ny mpisoron’ny sampy. Nony ren’i Jeroboama izany teny izany, dia naninjitra ny tanany izy ka nanao hoe : « hazony ilehio». Dia maty (maina, malazo) ny tanany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony. Dia hoy indray Jeroboama: «Mba hifony amin’i Jehovah Andriamanitrao aho, ka mivavaha ho ahy, mba ho azoko ketrahina indray ny tanako». Dia nifona tamin’Andriamanitra ilay iraka, ary sitrana azony noketrahina indray ny tanan’ny mpanjaka (I Mpanj. 13:4-6).
Nohamainin’Andriamanitra ny tanan’ny mpanjaka, hiarovany ny mpanompony.

NOFAIZIN’ANDRIAMANITRA ABIMELEKA sy ny vadiny ary ny mpanompovaviny.
Nalain’i Abimeleka ny vadin’i Abrahama, noho ny tenin’i Abrahama hoe : «Anabaviko izy». Nataony tamin’ny fahatsoram-po izany, kanefa naka vadin’olona ihany. Ka dia nanarin’Andriamanitra tamin’ny nofy izy hoe : «Ho faty tsy hiteraka hianao mbamin’izay rehetra mety ho anao», Soa ihany, fa tsy navelan’Andriamanitra hikasika an-dravehivavy Abimeleka, «Izaho kosa niaro anao tsy hanota amiko» hoy Izy. Diniho ange ny teny milaza fa fahotana amin’Andriamanitra ny ratsy atao amin’ny olony. Koa hoy Andriamanitra: «Avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona hianao ; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa hianao, dia hianao mbamin’izay rehetra mety ho anao». Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany ; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona. Ary Abimeleka nampaka an’i Abrahama ary Saraha vadiny dia naveriny taminy. Ary Abrahama dia nifona tamin’Andriamanitra ; ary Andriamanitra nahasitrana an’i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ny mpanompovaviny ; dia niteraka izy ireo. Fa Jehovah efa naha-momba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ny ankohonan’i Abimeleka noho ny amin’i Saraha, vadin’i Abrahama. (Gen. 20:3-18.)

MASO NIKIMPY SY NAHIRATRA. Tantarain’ny Testamenta Taloha ny amin’ny tafika tonga hisambotra an’i Elisa mpaminany. Natahotra ilay zatovolahy naman’ny mpaminany, nahita ny tafika marobe nanao fahirano ny tanàna. Kanefa nivavaka tamin’Andriamanitra Elisa nanao hoe: «Ampahirato ny masony mba ho hitany». Ary Jehovah nampahiratra ny mason’ilay zatovo ; ary dia nahita izy, ka indro, ny tendrombohitra feno soavaly sy kalesy afo manodidina an’i Elisa. Dia nidina nankany aminy ireo, ary Elisa nivavaka hoe : «Jehovah ô, mifona aminao aho, ataovy manjambena ny mason’ireto olona (fahavalo) ireto». Ary dia nataony manjambena ireo araka ny tenin’i Elisa.

Ary hoy Elisa taminy : «Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna ; fa manaraha ahy hianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo aho». Dia nentiny nankany Samaria ireo. Ary rehefa tonga tany Samaria izy ireo, dia hoy Elisa : «Jehovah ô, ampahirato ny mason'ireto mba hahitany. Indro, tao afovoan’i Samaria izy. Dia hoy ny mpanjakan’ny Isiraely : «Ry ikaky ô, hasiako va izy? hasiako va izy?» Fa izy namaly hoe : «Aza asianao izy, rosoy mofo sy rano eo anoloany mba hohaniny sy hosotroiny ary handehanany any amin’ny tompony» Dia nankany amin’ny tompony izy. Koa dia tsy nankany amin’ny tanin’ny Isiraely intsony ny mpitoha adin’i Syria (II Mpanj. 6 : 8-23).
Nataon’Andriamanitra jambena ireo, mba hisakanana ilay tafika tsy hikasika ny mpaminany mpanompony ka hiaika loza ho an’ny tenany. Rehefa niaiky izy fa resy, dia nangatahin’ny mpaminany hampahiratina indray ny masony ka dia nahita mazava izy.

Tonga jamba Paoly nony nanatrika an’Andriamanitra, satria teny an-dalana hanenjika ny fiangonana tao Damaskosy izy. Niteny taminy ny Tompo hoe : «Saoly, Saoly, nahoana hianao no manenjika Ahy?...
mitsangàna ka, mankanesa ho any an-tanàna, dia holazaina amlnao izay mety hataonao». Nitsangana Paoly, kanefa tsy nahita na inona na inona izy ; ary ireo nitantana azy ka nitondra azy ho any Damaskosy. Ary tsy nahita izy hateloana (Asa. 9:1-9). Tonga tao aminy ity olo-mino anankiray dia nanao hoe : «Ry Saoly rahalahy, ny Tompo, dia Jesosy Izay niseho taminao teo amin’ny lalana nalehanao, no efa naniraka ahy, mba hahiratan’ny masonao, ary mba ho feno ny Fanahy Masina hianao». Ary niaraka tamin’izay dia nisy zavatra toy ny kiran’ny hazandrano niala avy tamin’ny masony, dia nahiratra izy ka nitsangana, dia natao batisa ; ary nihinan-kanina izy ka dia natanjaka (Asa. 9:17-19).

Tsy dia fikasan’Andriamanitra ny hanajamba an’i Paoly, kanefa tsy maintsy nosakanany ny fahadalany, mba hamonjena ny fiangonana izay nitaraina tamin’ny vavaka. Koa nony nibebaka Saoly dia nahiratra indray ny masony.

Nataon’Andriamanltra adala very saina Nebokadnezara, ambara-pahafantany fa Andriamanitra no manjaka amin’ny firenena ety ambonin’ny tany (Dan. 4:26-34).

Navelan’Andriamanitra ho babo ny zanak’lsiraely rehefa tsy nety nihaino ny teniny izy, fa niodina taminy ka nanompo sy nanaraka zavatra hafa, fa tsy Andriamanitra velona (II Mpanj. 25 ; II Tant. 36 : 6-21). Kanefa nony nifady hanina sy nivavaka marina taminy ny Isiraely, dia navelan’Andriamanitra ny helony ary nampodiny tao amin’ny taniny (Neh. 1: 4-11 ; Neh. 2:6-8).

NY FITONDRAN’ANDRIAMANITRA NY OLONA ANKEHITRINY

Nitarika fotoam-pivavahana fanasitranana tao Ananona izahay. Dia nangatahinay hitsangana ireo izay tsy mbola sitrana. Nony avy nivavaka izahay dia narary mafy ny an-dohan’ity lehilahy anankiray. Mba te-hanampy azy izahay, ka dia nantsoinay hanatona hametrahan-tanana sy hanaovana vavaka manokana. Tsy nitsahatra anefa ny fanaintainany. Dia nangataka an’Andriamanitra izahay hanambara aminay izay nisakana ny fahasitranany. Nambaran’Andriamanltra fa nanao raharaha am-pitaka izy io. Mambran’ity fiangonana anankiray izy, ary nitompo teny fatratra fa marina daholo ny raharaha nataony. Nivavaka indray izahay, kanefa tsy niova ny fahorian-dralehilahy. Dia niverina namonjy ny toerany izy, ary noravanay ny fivoriana. Kanefa nony vao nidina tamin’ny sehatra izahay, dia nisy olona nanatona anay nanao hoe: «Marina tokoa ny nolazainareo, nanao izany raharaha tsy marina izany tao amin’ny tanàna hafa izy, ka vao niverina avy any».

Azonao fitahina ny olombelona, fa Andriamanitra kosa tsy azo fitahina. Fantany tsara hianao, ary «Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo» (Sal. 66:18). «Aza mety hofitahina hianareo ; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy» (Gal 6:7).

Tsy misy olona na mpanjaka na mpamboly izy, izay afaka hanota kanefa tsy ho faty. Mety mitaredretra ny fitsarana sy famaizana ; vao mainka loza anefa raha tonga izany.
Tsarovy tsara : nony nisy nofaizin’Andriamanitra nataony marary, dia noho ny fahotan’ilay olona izany, ary rehefa nibebaka izy dia sitrana. Na ny olon’Andriamanitra na ny olon’izao tontolo izao dia samy nofaizan’Andriamanitra noho ny fahotany, araka ny efa hitantsika. Rehefa niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny olona, ny hany lalan-kombana hahafahana amin’izany dia ny fibebahana sy ny fivalozana amin’ny fahotana. Tsy misy olombelona mahay manafaka anao amin’ny tanan’Andriamanitra velona. Hianao dia hianao irery no tsy maintsy mifandahatra amin’Andriamanitra, ary raha tsy izany dia ho faty amin’ny fahotanao hianao. Kanefa tsy ilaina akory ny ho faty, satria nanolo-tena ho faty nisolo voina anao Jesosy. Ary miantso anao Izy hoe : «Izay manatona Ahy dia tsy holaviko mihitsy» (Jao. 6:37). «Mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara» (Mar. 1:15). Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany, mba ho velona izy» (Ezek. 33:11).

NY FAHOTANA TSY IBEBAHANA DIA MITARIKA HO AMIN’NY FAHAFATESANA

Na iza na iza isika dia tokony hibebaka rehefa nahavita fahotana. Tsy ho avy na oviana na oviana ny fahasitranana raha tsy efa miala tanteraka amin’ny fahotana isika ; ary izay tsy rariny na tsy mety ovàna ho amin’ny tokony ho izy. Mety haharitraritra ihany vao ho vita. nefa tsy hisy izay handray fahasitranana raha toa mamaly tsy hibebaka izy.

I Asa mpanjaka (II Tantara 16:7) dia sahirana, poritra noho ny miaramilan’ny mpanjakan’lsiraely tonga nanorina tanàna teo amin’ny lalana hiditra mankao Jerosalema. Asa mpanjaka dia nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fony rehetra nandritra ny 36 taona mahery. Andriamanitra dia nanampy azy tamin’ny hery lehibe ho valin’ny vavaka nataony. Fa tamin’ity indray mandeha ity dia tsy vavaka no nataony fa nanarama «tsi-mino» hiady amin’ny zanak’Andriamanitra izy (andininy faha-2). Nomen’Andriamanitra fotoana hiaikeny ny fahadisoany i Asa, nefa tsy niaiky Izy. Ka dia nirahin’Andriamanitra Hanany mpahita, hilaza tamin’i Asa fa «adala hianao tamin’izany ka dia hisy ady hahazo anao hatramin’izao» (andininy faha-9). Tsy mba nibebaka tahaka an’i Davida i Asa fa tezitra no nataony, ka nataony an-tranomaizina ilay mpahita. Mbola nomen’Andriamanitra taona roa ihany i Asa hieritreretany izay nataony sy hibebahany. Nefa Asa tsy nety nibebaka intsony. Ka dia tonga narary tongotra izy, «nefa na dia nihamafy indrindra aza ny aretiny dia tsy nitady an’i Jehovah izy fa ny mpanao fanafody ihany» (and. 10: 12). Tsy misy olona afaka namonjy azy raha manao izay tsy mahafaly an’Andriamanitra izy ka tsy nibebaka.

Misy olona maro miala amin’Andriamanitra ary tratry ny fahasahiranana sy aretina isan-karazany izay nolazain’Andriamahitra fa hataony amin’izay manda tsy handeha araka ny fahamarinana eo imason’Andriamanitra (Deot. 28:58, 61). Maro no mihevitra fa hahay hanova ny toe-javatra amin’ny fankanesany any amin’ny hôpitaly sy ny dokotera, ary ny fihinanana fanafody sy ny fetezany ho didiana. Nefa tsy misy dokotera hahasitrana anao raha toa tsy mety hibebaka hianao. (Nefa amin’ny fibebahanao tsotra ao an-tranonao, ka manova ny diso rehetra ho amin’ny marina dia ho afaka amin’ny famaizana avy amin’Andriamanitra hianao, ka tsy ilàna dokotera na fanafody na fandidiana akory).

Asa dia nitady ny fitsaboana tsara indrindra azony natao nefa tsy nisy vokany fa tsy nisy famonjena, nihamafy ihany ny aretiny. Hatrany hatrany dia fantany fa nety ho sitrana tanteraka izy, nefa nandà tsy hanetry tena sy hangataka famelan-keloka.
Nitady ho sitrana i Asa, nefa tsy nety hidina hanetry tena teo anatrehan’ny firenena ka hamoaka ilay mpahita avy tao an-tranomaizina «Ka dia maty izy» (II Tant. 16 :13) ary nalevina, tsy sitrana intsony, na dia nisy fanasitranana ho azy aza. Tsy sitrak’Andriamanitra ny nahita azy nijaly sy maty : «Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialany amin’ny lalany mba ho velona izy. Mialà, mialà, amin’ny làlan-dratsinareo, fa nahoana no te-ho faty hianareo ? (Ezek. 33:11)

Andriamanitra dia nalahelo tamin’ny nahafatesan’i Asa, fa nety ho azo nositranina izy, raha tahiny mba nibebaka. Ny nifidy ny ho faty sy ny ho velona dia tsy mba avy tamin’Andriamanitra fa avy tamin’i Asa ; Andriamanitra aza dia nitady hampibebaka azy tamin’ny nanirahiny ilay mpahita, nefa tsy nanaiky handray ilay irak’Andriamanitra no nataony, ka hangataka an’Andriamanitra hamela ny helony, fa nandà ny teny nampitondraina ho azy izy ka nandatsaka ilay iraka tao an-tranomaizina, ary nitoetra tao io ambara-pahafatin’i Asa.

FAHABOKANA

Ozia dia mpanjaka lehibe iray hafa koa, izay tia sy nanompo an’Andriamanitra. «Niely tamin’ny firenena nanodidina ny lazany ; fa nampian’Andriamanitra tamin’ny fomba nahagaga tokoa izy ambara-pahatongany ho nahery tsara. Nefa nony nahery izy dia niavonavona ny fony ka nahatonga fandravana ho azy: fa nandà ny didin’Andriamanitra Tompony izy ka niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra. Ary nanaraka azy ny mpisorona, lehilahy nahery avokoa. Ary nanohitra an’i Ozia mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: «Tsy raharahanao ry Ozia ny handoro ditin-kazo manitra ho an’i Jehovah, fa an’ny mpisorona ihany dia ny taranak’i Arona, izay nohamasinina handoro ditin-kazo manitra. Mialà amin’ny fitoerana masina fa nanao izay mahadiso hianao ; ary tsy ho voninahitra ho anao eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra izany». Tamin’izay Ozia dia nisafoaka ary nisy lovia teny an-tanany handoroany diti-kazo manitra ; koa raha mbola nisafoaka tamin’ny mpisorona izy, dia nisy habokana nipoitra teo amin’ny handriny teo anatrehan’ny mpisorona tao an-tranon’i Jehovah, dia noroahiny hiala teo izy ; nefa ny tenany dia mba nivoka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy. Ary Ozia mpanjaka dia boka ambara-pahafatiny. Fa tsy hita voalaza ho nivavaka na nibebaka, na niantso an’Andriamanitra hamonjy azy, toy ny nataon’i Miriama, izy (II Tant. 26:15-20). Jotana zanany no nanjaka nandimby azy, «ka nanao izay mahitsy eo imason’i Jehovah nefa kosa tsy mba niditra tao amin’ny tempolin’i Jehovah izy. Ary ny vahoaka dia mbola nanao ratsy ihany» (II Tant. 27:2).

Raha heverinao fa ho famaizina na fanitsiana anao ny aretinao, dia tsarovy fa tsy ho afaka aminao izy raha tsy mibebaka hianao ny amin’ny ratsy nataonao tamin’ny namanao sy ny nanalanao baraka ny fahamasinan’Andriamanitra.

Gehazy (ilay zatovon’i Elisa) sy ny taranany rehetra dia natao boka mandrakizay, noho ny fitsiriritam-bola ao aminy, dia ny vola izay efa nolavin’i Elisa avy tamin’i Namana. Izany fitsiriritam-bola izany dia voalohany nahatonga azy handainga tamin’i Namana, nanao hoe: «Niova hevitra Elisa ka nitady vola sy fitafiana». Faharoa: nahatonga azy koa handainga tamin’i Elisa nanao hoe: «Tsy avy taiza tsy avy taiza ny mpanomponao». Ny fitsarana dia manomboka ao an-tranon’Andriamanitra. «Ary niala teo anatrehany izy ka indro boka, fotsy toy ny oram-panala». (I Mpanj. 5:15-27). Tsy voalaza velively fa nagataka famelan-keloka Gehazy hany ka izy sy ny taranany dia maty boka.

HAJAMBANA

Andriamanitra dia namely ny mponina tao Sodoma tamin’ny hajambana tsy nety afaka intsony ; fa ny ampitso marainan’iny dia noravany tamin’ny solifara sy afo nalatsany ny tanàna rehetra teo amin’ny tany lemaka. Noho ny fahotana lehibe nataony, Andriamanitra dia namely azy tamin’ny hajambana mba hiarovany an’i Lota mpanompony (Gen. 19)

Elyma mpanao ody (Asa. 13:8-11) dia tratry ny hajambana «aloha» noho ny teny nataon’i Paoly satria Elyma nanohitra azy roalahy (ry Paoly), nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana. Fa tamin’izay, Paoly, feno ny Fanahy Masina, dia nibanjina azy ka nanao hoe: «ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafatesana ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ny Tompo va ialahy ? Ary indro ankehitriny ny tanan’ny Tompo hamely an’ialahy dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’izay ny mampanjambena sy ny haizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy».

Na iza na iza misakana fanahin’olona tsy hanaiky an’i Kristy sy ny famonjeny, dia hahita fahavoazana fa horaharahin’Andriamanitra ny amin’izany, na dia tsy hovonoiny aza ilay mpanohitra, mba hahatanteraka ny fampanantenany hoe: «Na iza na iza miantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena».

Raha ny Fanahin’Andriamanitra mitaona fanahin’olona iray, ka misy olona mitady hampijanona na hisalovana ny asan’Andriamanitra, ny hanjo ny mpanohitra amin’izany dia ho sahala amin’ny hoe mandray tariby misy elektrisite 10.000 volts (farany izay mahery) amin’ny tanana tsy misy fiarovana. Fa ny Filazantsara dia «hanitra avy amin’ny fiainany ho amin’ny fiainana ho an’ny sasany ; ary hanitra avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fahafatesana kosa ho an’ny sasany». (II Kor. 2:16).

ARETINA MAMELY NY FO

Voa ny fon’i Ananiasy sy Safira satria nandainga tamin’ny Fanahy Masina izy, nanantena hahazo hanao hafetsifetsena sy fitaka tao amin’ny Tranon’Andriamanitra. Tena mampidi-doza ny hanao vazivazy amin’Andriamanitra. Eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fofon’ainao (Asa. 5).

Heroda dia nanenjika ny fiangonana, namono ny Apostoly Jakoba, ary nisambotra an’i Petera saiky hovonoiny koa (Asa. 12:1-3). Na dia tsy nampiharan’Andriamanitra fitsarana niaraka tamin’izay aza izy fa tsy hoe tsy noraharahain’Andriamanitra akory ny fahotany. Niandry ny mba hibebahan’i Heroda fotsiny Andriamanitra. Nefa Heroda tsy niantso velively an’Andriamanitra hamely ny fahotany noho ny nanenjehany ny Fiangonana. Ka indray andro, teo anatrehan’ny vahoaka rehetra dia nanao kabary Heroda ary ny vahoaka niantso hoe: «Feon’Andriamanitra izany fa tsy an’olona» ka sitraky ny fanandratan-tenanan’i Heroda izany, nefa niaraka tamin’izay, dia nisy anjelin’ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, ka nohanin’ny kankana izy ka maty» (andininy 21-23).

Andriamanitra dia nandringana ny mponina rehetra taty ambonin’ny tany afa-tsy olona valo marina ihany, tamin’ny safo-drano, «satria ny fisainana rehetra avy amin’ny olona dia ratsy ihany mandritra ny andro», ka na dia nitory ny fahamarinana aza Noa dia tsy noraharahainy akory izany (Gen. 6:5,7 ; 7:4-6).

Andriamanitra dia nandringana an-dry Farao sy ny miaramilany satria ireo nitady hanenjika ny zanak’Isiraely izy hamerina azy amin’ny fanandevozana indray (Eks. 12.12).

Andriamanitra dia nanisy areti-mandringana tamin’ny vahoaka raha nanao sarin’ombilahy kely volamena hivavahany ireo (Eks. 32:35).

Andriamanitra dia namely ny mpimonomonona raha nihinana papelika izy ireo (Nom. 11:18,33). Andriamanitra dia nampisokatra ny tany hitelina an’i Kora mpikomy sy ireo nanaraka azy (Nom. 16:32).

Andriamanitra dia nanasazy an’i Davida raha nanota Izy (II Sam.l 1.13-18). Ny aretina dia tsy mba alefan’Andriamanitra na oviana na oviana ho fitahiana fa ho famaizana ihany hatrany mba hahatsiarovan’izay voan’ny fa hatezeran’Andriamanitra izay miandry hatrany hatrany ny mpanota.

«Lazao azy fa raha mbola velona koa Aho, hoy Jehovah Andriamanitra, dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany mba ho velona izy. Mialà, mialà amin’ny lalan-dratsinareo, fa nahoana moa no te-ho faty hianareo, ry taranak’lsiraely» (Ezek. 33:11).

Raha vao misy olona miverina amin’Andriamanitra dia esorin’Andriamanitra ny fijaliany, ary vetivety foana dia averina aminy ny fitiavany azy ka miravoravo Aminy indray izy (Lio. 15:11-20, 32), (Deo. 30:9, 19-20).

Andriamanitra dia fitiavana ka izany no anomezany famelan-keloka, sy fanasitranana ho an’izay rehetra mibebaka sy miala amin’ny lalan-dratsiny, ka manaiky an’i Jesosy ho sorona noho ny helony. Nefa Andriamanitra koa dia Andriamanitry ny fahamarinana ary tsy maintsy tanterahina ny lalàny. Tsy afaka hitahy izay mihodina mialà Aminy sy manao ny ratsy Izy.

Efa nambaran’i Jesosy nialoha ny fijaliana sy ny fandravana an’i Jerosalema raha toa ny mponina ao tsy mety mibebaka amin’ny haratsiany ary tsy mandray an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra. Nolaviny anefa izany ka ny vokany dia tonga nihinana ny zaza naloaky ny kibony izy noho ilay mosary mafy sy ny tabataba tao anatin’ny mandan’ny tanana, raha niezaka hamonjy ny tanana i Titosy, kapiteny romana.

Raha nandà sy nanombo tamin’ny hazo fijaliana ilay Tompon’ny Fiainana i Jerosalema, dia nijinja ny fahatezeran’Andriamanitra izy, ary tsy misy olona afaka hisakana ny fahatezeran’Andriamanitra tsy hahatanteraka ny asany.

«Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka dia ho torotoro tampoka ka tsy hisy fahasitranana» (Ohab. 29:1).

«Izay mino sy hatao batisa no hovonjena, fa izay tsy mety mino dia hohelohina» (Mar. 16: 16).

«Izay mino ny Zanaka (Jesosy) dia manana fiainana mandrakizay, fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy» (Jao. 3:36).

INONA NY HOE LASAN’NY DEMONIA ?

Fanontaniana : Iza moa ny devoly ?
Valiny : Ny foto-kevitra ambaran’ny teny hoe devoly dia satana, izay fahavalon’Andriamanitra sy ny olona. «Mahonona tena, miambena, fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany» (I Pet. 5:8). Efa natsipy noroahina avy tany an-danitra izy. «Ary hoy Izy taminy : Izaho nahita an’i Satana nidina avy tany an-danitra tahaka ny varatra» (Lio. 10:18). Dia voalaza koa fa ny devoly sy ny anjeliny izay tany amin’Andriamanitra tany an-danitra tamin’ny voalohany, dia navarina any amin’ny helo (II Pet. 2:4). Io devoly io dia tonga tao amin’ny tanimbolin’i Edena, naka ny endriky ny menarana, ary namitaka an’i Eva, izay nidiran’ny fahotan’izao tontolo izao, sy fahafatesana noho ny ota (Rom. 5:12). Ka dia ny devoly izany no nanao sy nahatonga ny fahotana, mbamin’ny voka-dratsy rehetra avy amin’ny fahotana.

Ireto manaraka ireto no lisitry ny anaran’ny devoly :
1. Mpiampanga ny zanak’Andriamanitra (Apok. 12:10).
2. Fahavalon’Andriamanitra sy ny olona (I Pet. 5:8).
3. Abadona na Apolyona (Apok. 9:11).
4. Belzeboba (Mat. 12:24).
5. Beliala (II Kor. 6:15).
6. Dragona mena lehibe (Apok. 12:3).
7. Rain’ny lainga (Jao. 8:41).
8. Mpandainga (Gen. 3:4) (Jaona 8:44).
9. Losifera (Isaia 14:12).
10. Andriamanitr’izao tontolo izao (II Kor. 4:4).
11. Menarana ela (Apok. 12:9).
12. Andrianan’izao tontolo izao (Jaona 14:30).
13. Mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra (Efes. 2:2).
14. Lohan’ny demonia (Mat. 12:24).
15. Mpanjakan’izao fahamaizinana izao (Efes. 6:12).
16. Mpanota hatramin’ny voalohany (I Jao. 3:8).
17. Satana (Lio. 10:18).
18. Mpamono olona hatramin’ny voalohany (Jao. 8:44).

Fanontaniana : Fa olona toy inona no manana demonia ?
Valiny : Ireo izay manana fiainana tsy madio, feno fahotana, izay manaraka ny fomba sy fanao araka izay itaoman’ny devoly azy, toy ny filokana, ny bal, ny karatra, ny ody, ny sikidy, ny mosavy, ny hypnotisma.

Misy olona betsaka amin’izao fotoana izao izay nony avy nanatona ireny mpanao hatsarana na mpanao azy ho mahay mamantatra ny vintana eo amin’ny rantsan-tanana ireny, na avy nanatona irony hoe mahay miresaka amin’ny maty, dia izao no hitany vetivety foana aorian’izany : ampahorian’ny fanahy ratsy ny zanany na ny tenany, ary indraindray izany dia mitatra ka manjary fahadalana mihitsy na mahatonga fahavoazana, lasa adaladala, na indraindray tonga tsy mahay miteny na marenina. Satana tsy handroaka an’i satana. Raha mamoha ny fonao ho amin’ny fombafomban-devoly hianao dia efa nandrava ny fefy rehetra fiarovana ny fiainanao sy ny fanahinao, ka tsy hahita an’Andriamanitra intsony hianao fa ny devoly ihany. Ary vetivety foana dia hohararaotiny ny fitoloranao ho azy. Ary be dia be ny olona sahirana dia sahirana lavitra amin’ny fialany amin’izany noho ny nidirany, raha ho afaka aza.

Toy izany irony hoe miresaka amin’ny fanahin’ny maty ets…, izay mampiasa ny herin’ny devoly, hilaza vintana ets... .rehefa avy miasa amin’izany izy dia matetika marary mafy ary tena mangirifiry tokoa mandritra ny herinandro maromaro. Tsy mitsitsy ny manompo azy satana. Maro amin’ireny mpiresaka amin’ny maty ireny no nangataka anay handroaka ny devoly ao aminy, satria ekeny fa marina tokoa izay lazainay ny amin’ny fijaliana mahazo azy, ka mitady fanafahana amin’izany izy. Rehefa nodidiana hiala tao aminy tamin’ny anaran’i Jesosy ny demonia dia tonga olona afaka izy ; ka ny mpanao fanafody mpimasy iray toy izany tany India Atsimo aza dia nangataka taminay mba hamela azy handoro ny bokin-tsikidiny sy ny odiny izay efa nahafatesany olona maro tamin’ny herin’ny devoly. Vahoaka nivory akaikin’ny 50.000 no faly ery nahita ny nandorany ireny zava-doza ireny.

Raha manao fanandroana hianao, na manao sikidy karatra, na kodia kely na baolina kristaly sy ny toy izany ets…, na manana ody na boky momba ny fanao miankina amin’ny devoly, ka mitady ho afaka amin’izany hianao na ny zanakao dia tsy azo ialana ny handoro ireny zavatra ireny izay ao aminao. Fa na oviana na oviana misy zavatry ny devoly ao aminao dia hijanona ao aminao hiaro ireo azy ireo izy. Koa raha te ho voavonjy hianao dia tsy maintsy doranao ireo.

Fanontaniana : Moa raha misy olona manana demonia, mety hisy fitsaboana avy amin’ny dokotera hahavonjy azy ve ?
Valiny : Tsy misy fanafody na inona na inona mahavonjy ny olona toy izany.

Fanontaniana : Inona no azon’ny mino atao raha misy olona any lavitra manana demonia ?
Valiny : Tamin’ny andron’ny Apostoly, «ny tanan’i Paoly dia nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’akanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy maloto» (Asa. 19:11-12). Ny devoly dia azo avoaka amin’ny herin’ny vavaka na dia lavitra aza ny olona. «Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra» (Jak. 5:16). Jesosy dia nilaza tamin’ilay vehivavy fa niala tamin’ny zanany izay tany amin’ny kilometatra maro lavitra tany (Mar. 7:30).

Fanontaniana : Moa ny kristiana ve tokony hatahotra ny demonia sy ny mpamosavy ?
Valiny : Tsia dia tsia. Ny mpanota izay mibebaka tamin’ny fahotany rehetra ka mandray an’i Jesosy ho tena Mpamonjy azy mihitsy dia tsy hatahotra ny demonia. Fa satana dia matahotra ny zanak’Andriamanitra, satria fantany fa isika dia manana fahefana nomen’ny tenan’i Jesosy Kristy antsika mihitsy, hamoaka ny demonia sy ny asa ratsiny (Lio. 10:9 ; Mar. 16:17).
Azafady, vakio ireto teny ao amin’ny Baiboly manaraka ireto : Asa. 1:5 ; Mar. 1:15 ; Asa. 2:38 ; II Kor. 7:10 ; I Jao. 1:7 ; Apok. 3:20 ; Asa. 1:14 ; Lio. 24:49 ; Asa. 1:5 ; Mar. 16:17.

Fanontaniana : Rahoviana ny devoly sy ny demonia rehetra no ho voagadra mandrakizay ?
Valiny : Ny devoly dia ho voafatotra mandritra ny arivo taona alohan’ny hanombohan’ny arivo taona hanjakan’i Kristy (Apok. 20:1-3), ary avy eo dia hatsipy any anaty farihy afo aorian’ny ady farany hataon’Andriarranitra amin’i Satana rehefa tapitra ny arivo taona hanjakan’i Kristy (Apok. 20:10). Manaraka izany dia havarina any amin’ny farihy afo ny devoly sy ny demonia sy ny mpanaraka azy.

Ny karazana demonia voalaza ao amin’ny Baiboly :
Fanahy maharofy (Lio. 13:11).
Marenina sady miraiki-dela (Mar. 7:32).
Demonia jamba sady moana (Matio 12: 22).
Demonia moana (Mat. 9:32).
Demonia mamitaka (I Tim. 4:1).
Fanahy mahavaly (mpilaza vintana) (Asa. 16:16).
Fanahy ratsy (Lio. 8:2)
Fanahy maloto (Lio. 8 : 26-36)
Fanahy mampahory loatra (Mar. 7 : 24-30)
Demonia androbe (Mat. 17 : 15-.

FISEHOAN’NY DEMONIA

Satria ny olona sasany tsy nahamarika ny hoe, manao ahoana no fiasan’ny devoly teo imason’i Jesosy, dia tsy azony an-tsaina koa fa raha misy olona tena manana fahefana marina amin’ny demonia, ny demonia dia hiala amin’ny minitra andidiana azy hiala amin’ny anaran’i Jesosy. Izany anefa dia tsy hita na dia teo anoloan’i Jesosy aza. Ny demonia dia miantsoantso, mamosaka hevitra, manamarin-tena ary mangataka mbola hijanona aloha vao manaiky ny didy ataon’ny Zanak’Andriamanitra. Ny sasany aminy dia manjera amin’ny tany ireo olona tratrany ka mitsikasina mandoa vory ireo. Ka izay nataon’ny demonia teo anatrehan’ny Zanak’Andriamanitra, dia tsy maintsy hataony koa eo anatrehan’ny mpanompon’i Jesosy.

Raha misy didy ataon’i Jesosy dia tsy mba manova an’iny na manaiky fanamboarana momba an’iny izy, na dia mamango mafy sady mivatravatra aza ny demonia. Raha tsy miova isika amin’ny didy ataontsika ho fandroahana ny devoly dia tsy maintsy hiala izy rehefa didiantsika amin’ny anaran’i Jesosy, tsy misy hafa amin’izay nialany tamin’ny nandidian’i Jesosy azy. Fa hoy Jesosy : «Indro, efa nomeko fahefana handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo ka tsy hisy hampaninona anareo» (Lio. 10:19 ; Lio. 9:1 ; Mar. 16:17).

OHATRA AVY AO AMIN’NY BAIBOLY NY AMIN’IZAY MANANA DEMONIA

Ny zanakavavin’ilay vehivavy kananita, nampahorian’ny demonia loatra. (Mat. 15:22 ; Mat. 7:24-30). Nampahorian’ny fanahy maloto ny zanakavavin’ity vehivavy, ka tonga teo amin’i Jesosy io reniny io, ary na dia tsy nanaiky aza Jesosy tamin’ny voalohany, dia nikiry izy ka tsy nety niverina nody raha tsy nahazo famonjena. Tian’i Jesosy ny finoana mikikitra toy izany (Lio. 18:1-8) «Ary hoy Jesosy taminy : noho izany teny izany, mandehana hianao fa efa nivoaka tamin’ny zanakao vavy ny demonia. Ary raha tonga tany an-tranony izy dia hitany fa nivoaka ny demonia ary ny zanany vavy nandry teo ambonin’ny farafara» (Mar. 7:29,30).
Fanahy maloto mampifanintontsintona ilay zanaka lahy tokana : «Indro misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany ka mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy» Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia ka nahatorovana azy, demonia izay tonga mba «hamono sy handrava» (Jao. 10:10). Jesosy dia niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy ; dia natolony an-drainy».

Mariho : fa misy fanahy maloto maromaro dia tsy iray ny fiasany. Ny iray tsy mba mandrovitra akanjo fa miantsoantso na mivatravatra. Ny hafa kosa dia nitady hamono ka mandavo amin’ny tany ka mampifanintontsintona ary mahatorovana. Fa ny iray hafa kosa mampahory fatratra izay tratrany.

Tsy misy hafa amin’ny olona tsirairay samy manana ny toetra maha-izy azy iavahany amin’ny hafa, dia toy izany koa ny fanahy ratsy, mba manana ny maha-izy azy manokana, ary manao ny asam-panimbany araka ny fomba itiavany azy avy. Ny demonia jamba sasany dia manajamba ny maso ka mandevona ny faritra fahitana ao amin’ny maso, fa ny sasany kosa mandevona ny maso mihitsy amin’ny aretina «cancer na fivontosana», nefa na manao ahoana na manao ahoana ny demonia dia tsy maintsy manaiky ny zanak’Andriamanitra izy rehefa teneniny sy didiany amin’ny anaram-pandresen’i Jesosy Tompon’ny fahefana mba hiala. «Manome fahefana anareo handresy ny demonia rehetra Aho» (Lio. 10:19).

IREO ROA LAHY NANANA DEMONIA TENY GADARENA nitoetra teny amin’ny fasana, nasiaka dia nasiaka. Niantsoantso an’i Jesosy : «Tonga ety va Hianao hampijaly anay alohan’ny fotoana ?» Nodidian’i Jesosy izy hivoaka nefa nangataka izy mba halefan’i Jesosy hankao amin’ny kisoa. Dia hoy Jesosy «Mandehana» ka dia niala tamin’izy roa lahy izy ka dia sitrana ireo (Lio. 8:26-36).

Fanahy marenina sy moana nahazo zazakely anankiray (Mar. 9:25). Notenenin’i Jesosy mafy ny fanahy maloto hoe : «Ry fanahy moana sady marenina. Izaho mandidy anao : mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony. Ary rehefa ninananana izy sady nampifanintontsintona mafy ilay zazalahy dia nivoaka taminy : ary efa toy ny maty izy ka nataon’ny maro hoe : maty, fa nandray ny tanany Jesosy ka nanarina azy ; dia nitsangana izy». Ny zanakao dia tsy hoe «manana aretin-kozatra» fotsiny, ary tsy afaka mijoro mivavaka amin’ny feo mafy raha toa manomboka miantsoantso izy rehefa amin’ny anaran’i Jesosy hiala ao aminy ny demonia, fa matokia hianao fa misy zavatra mila havoaka ao aminy, koa asehoy tsara ny fahefanao amin’ny demonia ary didio amin’ny anaran’i Jesosy hivoaka satana.

Zaza tratry ny hadalana, «Matetika izy no mianjera ao amin’ny afo ary matetika ao amin’ny rano. Ary Jesosy niteny mafy ny demonia, dia nivoaka taminy izy ary ilay zazalahy dia sitrana tamin’izay ora izay». (Mat. 17:15-18). «Iny karazana iny tsy mba azo avoaka afa-tsy amin’ny fivavahana ihany» (Mar. 9:29). Ireo zaza izay mianjerazera foana toa tsy misy fanantenana hahasitrana azy ireo, indraindray aza avy eny antrotroan-dreniny na avy eo ambony seza, na eny am-pandehanana dia mety midaboka foana amin’ny tany, izany dia tsy inona fa asan’ny demonia tsotra, ary tokony havoaka tsy hajanona ambara-pahasitrany tsara. ilain’Andriamanitra hianao hampiasa ny fahefanao handroaka ny demonia. Tsarovy fa tsy hahay handidy an’i satana hianao raha mbola andevony. Raha mbola ao anatin’ny fahotana hianao dia angataho aloha ny hamonjen’Andriamanitra anao, diovy ny tranonao amin’ny fanesorana izay rehetra an’ny fahotana sy ny devoly. Ary amin’izay, fa tsy alohan’izay, vao ampiasao ny fahefana izay omen’Andriamanitra izay rehetra zanak’Andriamanitra voadio tamin’ny ran’i Jesosy : «Hamoaka demonia amin’ny anarako hianareo» (Mar. 16:17).

Demonia marenina sady raiki-dela navoaka (Mar. 7 : 32) : «Niaraka tamin’izay dia nalady ny sofiny, sady voavaha ny fatoran’ny lelany, ka dia nahateny tsara izy». Azon’ny demonia jamba sy moana : nositraniny (Jesosy izany) izy ka dia niteny sy nahita ilay moana (Mat. 12:22), ary nony navoakan’i Jesosy ny demonia, ka afaka nahita sy niteny niaraka tamin’izay ilay lehilahy, dia talanjona ny vahoaka ka nanaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy azy. Fa nony ren’ny Fariseo izany dia hoy izy : «Tsy misy amoahan’ilehiny ny demonia afa-tsy Belzeboba lohan’ny demonia». Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe : Raha satana no mamoaka an’i satana, ahoana no aharetan’ny fanjakany ? Fa raha ny Fanahin’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’Andriamanitra. Fa ny teninao no hanamarinana anao ary ny teninao no hanamelohana anao (and. 37). Ary na iza na iza no hanao teny hanohitra ny Zanak’olona dia hahazo famelan-keloka ihany, fa na iza na iza no miteny ratsy ny Fanahy Masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka na amin’izao fiainana izao na amin’ny ho avy, (and. 32) Jesosy dia namoaka ny demonia tamin’ny Fanahin’Andriamanitra, ka dia azontsika atao koa izany, satria izany Fanahy izany ihany no nomena ny Fiangonana (Asa. 1:8 ; 2:4).

Demonia moana navoaka… (Lio. 11:14 ; Mat. 9:32-33) «Nentiny teo aminy (Jesosy) ny lehilahy iray nanana demonia moana, ary rehefa nivoaka ny demonia dia niteny ilay moana ka talanjona ny vahoaka». Fanahy maloto sy aretina, Maria Magdalena (Lio. 8:2) «izay efa nivoahan’ny demonia fito» Mariho : Mety hisy demonia mihoatra ny iray miara-mitoetra ao amin’ny olona iray. Raha iray monja amin’ireo demonia mamatotra ilay olona no afaka dia tsy mbola tena famonjena azy izany. Tsy tena famonjena raha tsy afaka avokoa izy rehetra. Rehefa afaka ny demonia, ilay olona nialany dia tsy maintsy mameno ny fiainany amin’ny Fanahin’Andriamanitra sy ny teny ary ny fitiavan’Andriamanitra, ary ny finoana an’Andriamanitra, fa raha tsy izany dia demonia fito ratsy lavitra noho ny teo no ho avy hibosesika indray. «Ary ny hiafaran’izany olona izany dia ho ratsy noho ny voalohany». Jesosy irery ihany no mahay manatanteraka ny fiarovana, tsy hisy demonia ho tafiditra ao amin’izay itoeran’i Jesosy (Lio. 11:18-26). Haleloia ! fa na dia ny anjelin’Andriamanitra aza dia hiady mba hiaro antsika.

Lamosina manjoko tsy afa-mitraka noho ny fanahy ratsy mampaharofy, vehivavy iray nanjoko nandritra ny 18 taona ka tsy nahatraka.
Nanana finoana an’Andriamanitra izy ary tonga tao amin’ny tranon’Andriamanitra. Rehefa nahita azy Jesosy dia nanao taminy hoe : «Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao hianao». Dia nametraka ny tanany taminy Izy ; ary niaraka tamin’izay dia nitraka ravehivavy sady nankalaza an’Andriamanitra. (Lio. 13:11-16). Tamin’izay ny Fariseo dia nanome tsiny an’i Jesosy satria nanasitrana ilay vehivavy tamin’ny sabata Izy, fa Jesosy namaly hoe : «Koa ity vehivavy zanak’i Abrahama ity, (vehivavy manam-pinoana sady zanak’Andriamanitra) izay efa nafatotr’i satana 18 taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’izany fatorana izany amin’ny andro Sabata ve ?».
Tamin’ny toerana maro hafa Jesosy dia nandroaka ny tazo (Jao. 4:47-53 ; Mat. 8:14, ets.) nefa tsy niantso ny demonia tahaka ny nataony tamin’ity vehivavy nanjoko ity. Tonga nahatraka tsara izy raha mbola tsy nanazava akory Jesosy fa ny demonia no nahatonga ny fanjokoana. Matetika izy dia niteny tamin’ny marenina hoe : «Maladia» sy tamin’ny jamba hoe : «Mahirata», ary ny maro hafa koa toy izany... tamin’ny sasany dia tsy nisy fanazavana ny nihavian’ny aretina fa ny didy nataon’i Jesosy dia ampy mandrakariva hahatonga ny olona rehetra ho sitrana.

Fanahy mahavaly navoaka (Asa. 16:16-18 ; 25). Nisy ankizivavy anankiray nanana fanahy mahavaly nifanena taminay niantso hoe: Ireo lehilahy ireo dia mpanompon’ny Avo Indrindra, izay manoro anareo lala-mpamonjena, ary nataony tamin’ny andro maro izany. Ary
sosotra Paoly dia nitodika taminy ka nanao tamin’ny fanahy hoe : Mandidy anao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy aho hivoaka aminy. Dia nivoaka tamin’izany ora izany indrindra izy».
Na dia misy fanahy milaza zavatra amintsika aza, dia tsy porofo akory izany fa avy amin’Andriamanitra izy, satria ny demonia dia mahalala zavatra ary mino nefa matahotra (Jak. 2:9).

Mariho : Ny kilema hatramin’ny nahaterahana dia ho sitrana, fa raha ny demonia no tonga ka misakana ny tena tsy ho amin’ny toetrany ara-dalàna dia tokony havoaka satana. Raha tonga ao an-tranonao ny mpangalatra dia omenao alalana hitoetra ao izy raha toa heverinao ho sakaiza fa rehefa hitanao fa tsy tonga afa-tsy hamono, hangalatra, ary handrava izy (Jao. 10:10) miaraka amin’izay dia miova ny fandeferanao ka miantrana handroaka azy tsy ho ao an-tranonao intsony hianao.

Aza amindrana fo ny demonia raha miantsoantso izy rehefa havoaka. Jesosy dia tsy nalahelo raha nandidy ny fanahy moana hiala tao amin’ilay zazalahy, na dia namotraka azy io hitsikasina ary handoa vory sy ninananana ny demonia. Jesosy dia nijoro niandry ka dia nivoaka ny demonia ary ilay zazalahy dia nankeo amin’ny ray aman-dreniny sitrana tanteraka mihitsy. Ny demonia dia tsy manana fahefana hikasika na ny iray amin’ny zanak’Andriamanitra aza, tahaka ny tsy ananan’ny mpangalatra alalana ho tonga amin’ny alina handroba ny trano. Tsy sitrapon’ny ray aman-dreny izany. Ary tsy sitrapon’Andriamanitra koa ny hamela ny zanany harary tratry ny aretina mahatsiravina toy ny cancer na fivontosana, ets... fa asan’ny demonia ireny na dia tsy manana fahefana hikasika izay efa novidin’Andriamanitra aza izy, fa araka ny toetra maha-demonia azy izany dia «mpangalatra sy mpandainga» izy ary tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handrava» (Jao. 10:10). Tiany ny olona rehetra ho babon’ny laingany. Nefa Jesosy dia tsy hamela antsika ho tsy hahafantatra ny tetika ataony, ary noho izany dia hanambara amintsika izay hahazoantsika mandresy ny devoly isaky izay mitranga Izy. Jesosy dia tsy niteny tamintsika na oviana na oviana hampandroso ny «mpangalatra» raha miseho izy.

FIRY MOA NY DEVOLY METY HIARA-MIPETRAKA AO AMIN’NY OLONA TOKANA ?

Hatramin’ny iray monja ka hatramin’ny «legiona» (izany hoe : 3.000 - 6.000) «Maria atao hoe Magdalena, izay nivoahan’ny Demonia fito.» (Lio. 8:2) Lehilahy iray nahazo Legiona. (Lioka 8:30). Ao amin’ny (Mar. 1:26) dia misy lehilahy azon’ny fanahy maloto anankiray.

FAHAFANTARANA NY FANAHY MALOTO

Satria tonga indraindray tahaka ny «Anjelin’ny Fahazavana» Satana, dia efa nomen’i Jesosy famantarana mazava ny mpanaraka azy mba tsy ho voafitaky ny «Ambodia amin’ny fitafian’ny ondry».
Ny mpamosavy tany Egypta dia nahay naka tahaka ny fahagagana nataon’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy. Nefa kosa tsy nahay nitondra famonjena izy ireo. Raha nitady vonjy i Farao dia nitaraina mandrakariva tamin’i Mosesy, ilay Lehilahin’Andriamanitra, mba hivavahany amin’ny Andriamanitra Velona. (Eks. 7:11,19).

FOMBA HAHAFANTARANA NY FANAHY MALOTO

1. «Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy (Kristy tonga nofo) dia tsy mba avy amin’Andriamanitra» (satria ao amin’ny nofo no nandresen’i Jesosy an’i Satana tamin’ny alalan’ny fahafatesany tany Kalvary) ( I Jaona 4:3), «Izy no antikristy, dia izay manda ny Ray sy ny Zanaka» (I Jaona 2:22)

2. «Ny voany no hahafantaranareo azy» (Matio 7:15,16). Ny olona izay tsy mahita fifaliana sy firaisana amin’Andriamanitra ao amin’ny fiainany manontolo manao rapa-dango sy finaritra amin’ireo toetra tsy marina, fa voasoratra ao amin’ny 2 Timoty 3:1-7, dia tsy avy amin’Andriamanitra fa voahazon’ny fanahy diso. (Na dia efa nanompo an’Andriamanitra nandritra ny taona maro aza izy, ohatra tahaka ny mpanjaka, raha nivily lalana izy, ka tsy nanaraka an’Andriamanitra intsony, dia notabatabain’ny fanahy maloto ary saiky very saina tanteraka tamin’ny farany.) Raha sendra hitanao fa voagadran’ny zavatra ratsy tahaka izany hianao, dia vakio I Jaona 2:1,2. «Raha misy manota, dia manana solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy ilay marina» «Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy, ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra» (I Jaona 1:9).
Hoy Jesosy tamintsika, «Tandremo fa hisy fahagagana famitahana fandringanana no ho fiafarany», «Mitandrema fandrao hisy hamitaka anareo» ary raha manazava ny amin’ny andro ivelomantsika ankehitriny i Paoly, dia hoy izy, «Hisy olona tonga ary ny fihavian’ilehiny dia araka ny fiàsan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mandainga rehetra ary ny famitahana momba ny tsi-fahamarinana amin’izay ho very, satria tsy nandray ny fitiavana ny fahamarinana izay hamonjena azy izy. Koa izany no ampanateran’Andriamanitra fiàsan’ny fahadisoan-kevitra aminy hinoany ny lainga, mba hohelohina avokoa izay rehetra tsy mino ny marina, fa nankasitraka ny tsy marina» (2 Tesa. 2:9-12). Izay rehetra tsy mifanandrify tsara amin’ny tena fahamasinan’ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia tsy maintsy havela, tsy mampaninona akory ny mety ho vokatr’izany na izay vola mety ho raisina amin’izany. Hoy Andriamanitra hoe : «Tsy tokony hiara-dia azy hianareo amin’izay olona manaiky an’Andriamanitra amin’ny vavany, sady mampiasa ny tenin’Andriamanitra aza saingy feno famitahana sy fanaovan-dratsy ary fahalotoana ny fiainany.»

3. Fandrao tsy manaraka tsara ny zanak’Andriamanitra amin’ireo fanahy ratsy ny fomba roa eo ambony, dia misy lalana fahatelo nomen’Andriamanitra hahafantarantsika ny devoly, izany dia atao hoe : «Ny Fanomezam-pahasoavana», jereo (I Kor. 12:10). Raha tsy fantatrao izay vavaka tokony hataonao, matokia ny Fanahin’Andriamanitra izay hitarika anao hivavaka. (Rom. 8:26).
Jesosy dia namoaka devoly tamin’ny «Fanahin’Andriamanitra» (Mat. 12 :28) sy «tamin’ny teniny» (Mat. 8:16). Jesosy nandidy antsika koa hamoaka devoly : «Amin’ny Anarako» (Jesosy) (Mar. 16 :17). Maty Jesosy dia nitsangana tamin’ny maty indray mba hananantsika ny Fanahy Masin’Andriamanitra ao anatintsika mba hahazoantsika manao asa lehibe mitovy amin’ny nataon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny Fanahy», jereo (Gal. 3:13-15).
Nilaza Jesosy fa hanao ny Asa mitovy amin’ny asa nataony isika, ary koa «hanao asa lehibe noho izany aza, satria Izaho mankany amin’ny Ray» (Jaona 14:12). Amin’izany raha mamoaka devoly hianao dia aza matahotra, ary ataovy tahaka izay hataon’i Jesosy raha eto imasonao ny Tenany, namoaka devoly Jesosy isaky ny nahitany ireny, ary isika koa dia tokony hamoaka devoly sy hanafaka ny mpifatotra, tahaka ny nataon’ny Tompontsika satria eto amintsika Jesosy ary izay fomba fiasany dia tsy maintsy tahafintsika koa, satria mpanompony isika. Raha mamoaka devoly hianao, dia baikoy izy mba tsy hiverina na oviana na oviana (Mar. 9:25).
Matetika dia tsy mipetraka irery na anankiray ihany ny devoly koa anatin’izany dia miankina tokoa amin’ny famoahana ny devoly rehetra avokoa ny fanafahana ny tena manontolo, vantana sy saina... mety haharitra izany, nefa mety hiara-miala daholo izy. Kanefa, indraindray, dia mety hisitrika ny sasany fa mbola te-hijanona, na dia efa lasa aza ny maro aminy. Nefa raha averimberinao ny baiko ka atao amin’ny feo henjakenjana dia ho fantatry ny devoly amin’izany fa manana fahefana nomena hianao araka ny maha mpino ny Tompo Jesosy Kristy anao.

Tadidio ary, fa rehefa tafavoaka ny devoly na tamin’ny ankizy madinika na tamin’ny olon-dehibe, ka nanjary nisokatra tanteraka ny fandrenesany, ary hita miharihary fa afaka mihaino mazava tsara ny sofiny, dia tsy maintsy ekena kosa fa noho izy tsy zatra nandre teny hatramin’ny nahaterahany, ity fahavoazana tamin’ny herin’ny devoly ity dia tsy mety hahazony fahalalana sy fahendrena ara-pianarana. Raha olona tsy mbola nandre zavatra akory, na dia mahay soratra sy mamaki-teny aza, ary mahatsiaro fa efa sitrana ny sofiny, dia tsy maintsy mbola mandany fotoana elaela ihany amin’ny famantarana ny anton’ny feon-javatra ren’ny sofiny vao nisokatra izy. Toy ny mianatra tenim-pirenena, mandre ny feo hianao, kanefa raha misy maniraka anao hividy mofo na mibaiko anao hitsangana na hipetraka na hijery zavatra dia ho toy ny teniteny entin’ny rivotra foana izany satria tsy mbola nianatra ny anton’izany feo izany hianao. Tahaka izany koa ny olona izay tsy mbola niteny, mety handany fotoana ihany vao afaka mampiasa tsara ny vavany sy ny lelany izy. Mety hanao ohatry ny feon-jaza mihitsy izy raha vao afaka ny hamoanany mandrapaha-hainy mampiasa tsara ny lelany. (Mety ho tahaka izany ihany hianao raha vao manomboka mianatra teny sinoa, mety hanao diso mahatsikaiky aza hianao) Ny olona kely saina taloha, raha lasa ny devoly dia afaka mivoatra ara-dalana tsara ny sainy, kanefa mety ho elaela ihany ny fandrosoany amin’ny fianarany ny zavatra tsy takatry ny sainy taloha. Maro ny olona mahatsapa fahafahana raha mbola mipetraka mihaino ny fitoriana ny Teny, raha misy amin’ny ankohonanao olona tsy ampy saina na manana demonia, aza avela ao an-trano izy fa ento aty hamonjy ny fitoriana ny Teny.

IZA MOA NO AFAKA HAMOAKA DEVOLY ?

1. Ny mpianatra dia namoaka devoly raha mbola tety ambonin’ny tany Jesosy. (Lioka 10:17) .Taorian’ny fiakaran’i Jesosy dia mbola namoaka devoly ny Mpino rehetra sy ny Mpianatra.

2. ary ny olona maro avy tamin’ny vohitra manodidina an’i Jerosalema dia nivory koa, nitondra ny marary sy izay nampahorin’ny fanahy maloto ; dia sitrana avokoa izy rehetra». Na dia tandidon’i Petera ihany aza dia namoaka ny devoly rehetra nandalovany. (Asa. 5:12-16).

3. Filipo dia namoaka fanahy maloto tany Samaria. (Asa. 8:7) «Fa ny fanahy maloto niantso tamin’ny feo mahery, dia nivoaka tamin’ny maro izay nanana azy.»

4. Ny mosoara sy ny fiaron’akanjon’i Paoly namoaka devoly. «Ny tanan’i Paoly no nanaovan’Andriamanitra fahagagana lehibe maro, ka dia ny mosara sy ny fiaron’ankanjo teny aminy no nentina hatao amin’ny marary dia sitrana ny aretiny, ary nivoaka ny fanahy ratsy» (Asa. 19:11,12.) Ny fandefasana mosara voahosotra ho an’ny marary dia mbola fomban’ny mpino sasany. Mbola tahaka ny teo aloha ihany Andriamanitra fa tsy niova ary mbola manaiky ny olona mandidy ny fanahy ratsy na atao izany amin’ny alalan’ny tenany na amin’ny alalan’ny mosara alefany.

5. Tsy mba naniraka olona hitory ny teny fotsiny Jesosy. Raha antsoina hitory teny hianao dia antsoina koa hamoaka devoly sy hanasitrana ny marary koa. Ny mpaminany rehetra ao amin’ny Testamenta Taloha izay nitory teny sy nitondra fotoam-pivavahana fotsiny dia nijaly tamin’ny fahatezeran’Andriamanitra. (Eze. 34:4), (Matio 10:1, Lioka 9:1, Lioka 10:19, Mar. 16:17-20).

6. Ny Mpino rehetra dia antsoina «hamoaka devoly». (Mar. 16:17). Tsy ny olona manana talenta manokana ihany no afaka mamoaka devoly, ny zanak’Andriamanitra rehetra dia mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy, izay nataon’i Jesosy no azontsika atao koa raha «mino ny Anarany». (Mar. 16:16, 17). «Indro, efa nomeko fahefana handresy ny herin’ny fahavalo (ny devoly) hianareo : ka tsy hisy hampaninona anareo akory» (Lio. 10:19).

MAHARITRA HOATRINONA VAO METY HIALA NY DEVOLY ?

Misy miala «miaraka amin’izay», misy mandeha «ao anatin’ny adiny iray», ary ny sasany dia miala ao amin’ny fotoana itoriana ny Teny. «Ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy ary izay marary rehetra dia nositraniny avokoa» (Mat. 8:16).

NY FAHAGAGANA HITA TAO AMIN’NY HOPITALY HO AN’NY MARARY SAINA AO SAINTE CROIX AO AMIN’NY NOSIN’NY VIRIJINA (VIRGINIE).

Namonjy ny fanompoam-pivavahana nataonay ny olona maro, anti-dahy sy anti-bavy izy ireo, avy tamin’ny hopitaly lehibe tao Sainte Croix, ao amin’ny Nosin’ny Virijina. Raha nahita izy ireo fa nositranin’Andriamanitra na dia ny marary be aza dia nangataka anay mba hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ny hopitaly mihitsy ho an’ny olona izay tsy afa-niarina teo am-pandriana. Nanao fotoam-pivavahana teo amin’ny efitrano lehibe anankiray izahay ary endrey ny fifalian’ny mpitsabo raha nanomboka nitsangana ny olona izay tsy afa-nandeha akory efa an-taonany maro. Nahiratra ny mason’ny jamba, ary na dia ny mpitsabo azy aza dia sitrana tamin’ny aretina nivonto tao anatiny. Satria tena vaovao mihitsy amin’ny mpitsabo ity asa nataon’Andriamanitra ity dia heverinay fa tian’ny Tompo ho fantatry ity vehivavy ity izay azony hatao amin’ireo olona marary saina nokarakarainy ireo. «Eny ary», hoy ilay mpïtsabo, «Vohay ny varavaran’ny efitry ny tena adala.» Noheverin’ny mpiambina fa lasa adala koa ilay mpitsabo hamoha ny varavaran’ireo trano nisy ny olona tena adala tahaka izany ve? ary tsy fanao akory izany na dia amin’ny fanaterana sakafo ho azy aza. (Nisy anti-bavy anankiray izay tsy nahaleo azy ny lehilahy telo raha nampiditra azy ho ao amin’ny efitranony. Hosokafana ve ireo trano ireo? Dia nanamafy izany ilay mpitsabo ; izany indrindra no heviny. Nialoha anay ny mpiambina dia tonga teo anoloan’ny varavarana voalohany. «Vohay ny varavarana», hoy ny mpitsabo. Tamim-pisalasalana lehibe no nanalan’ny mpiambina ny hidi-trano, kanefa tsy sahy namoha ny varavarana izy. Natosiky ny mpitsabo ny varavarana. Indro, nijoro teo ny anti-bavy anankiray ary hita fa raiki-tahotra tanteraka izy. Nijery ahy fatratra izy, nametraka ny tanako moramora tany an-dohany aho sady nibaiko mafy ny devoly rehetra mba hivoaka avy ao aminy amin’ny Anaran’i Jesosy. Dia hoy aho, «Lazao hoe : Jesosy», dia hoy izy :«Jesosy», dia hoy aho indray «Lazao hoe : Jesosy ô, mamelà ny heloko rehetra», dia hoy izy, «Jesosy ô, mamelà ny heloko rehetra», «Lazao hoe : Jesosy ô tiako hianao», dia hoy izy «Jesosy ô, tiako hianao». Hoy ny mpitsabo tamin’izay, «Tena fahagagana izy ity, satria tsy afaka nanonona na dia teny iray akory aza izy io, hatramin’ny nahatongavany teto». «Aoka hivoaka avy eto isika» hoy aho tamin’ilay anti-bavy. «Tsy avelany hivoaka aho» hoy izy, «Eny hamela anao hivoaka izy satria indro eo ny mpitsabo» «Eny fa vao izao no mba nidirany teto». Kanefa, rehefa namporisika azy mafy aho, dia nivoaka izy, afaka tanteraka.

Raha nitodika nibanjina izany varavaram-by voasokatra izany izahay sy ny efitrano foana ary ny marary afaka tamin’ny fatorany, dia endrey ny hafalianay raha nahatsiaro ny tenin’i Jesosy hoe, «Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko satria nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo izy, hanafaka izay nampahoriana». (Lioka 4:18).
Ary raha nandehandeha nivavaka ho an’ny hafa koa izahay dia tsy nibaiko olona hanara-maso ilay anti-bavy intsony ny mpitsabo satria fantany fa sitrana tanteraka izy.

OLONA VOAN’NY FERY «CANCER».

Nisy anti-bavy anankiray tao amin’izany hopitaly izany, izay saiky maty vokatry ny fandidiana azy tao amin’ny kibony, noverahina ny faritra nodidiana ka efa nihalo ny nofo, nahatratra hatramin’ny folo centimètres ny velaran’ny vava fery ary ny halavan’ny nodidiana dia namaky ny kibony manontolo, tsy nety sitrana ilay cancer. Tamin’ny alàlan’ny làlan-drà ihany no nampidirana sakafo ho an-drafotsibe fa tsy zakan’ny kibony na dia rano fotsiny aza.
Namonjy fivoriana ny zanany vavy, nandre ny amin’ny hery ananan’ny mpino rehetra handresy ny devoly tanteraka, hitany mazava fa na ny tenany koa aza izay efa mpino, dia nomena fahefana handresy ilay aretina nahazo ny reniny. Saiky tsy andriny ny hahamaraina ny andro fa rehefa tonga ny tamin’ny fito dia lasa nihazakazaka nankany amin’ny hopitaly izy. Rehefa tonga tao an-efitranon’ny reniny izy dia nihohoka teo aminy ka niteny hoe: «Ry neny malala ô, tsy mbola nilaza ity taminao aho, mino aho fa afaka manasitrana anao Jesosy». Dia hoy ilay anti-bavy «Izaho mino koa, adray izany fahararin’ny lanivoako !» Niaraka tamin’izay raha nahita ny fahorian’ny reniny razavavy, dia noraisiny, nohazoniny tamin’ny tanany roa ny lohan’ny malalany, dia nanomboka nibaiko ny devoly izy hivoaka amin’ny Anaran’i Jesosy. Indray mipi-maso dia nisinda sahady ny fahoriana ary afaka indray andro monja dia efa saiky sitrana sahady ilay fery nodidiana, nitanatana sy lo teo. Ny mety ho raisinao avy amin’Andriamanitra dia miakina amin’ny fahasahiana sy ny finoanao. Aza manome tsiny an’Andriamanitra, manomeza tsiny ny tenanao ihany raha tsy vonona hampiasa ny hery nomen’Andriamanitra anao ho enti-manafaka ny tenanao. Raha voafatotry ny tady hianao ary nisy olona nanome antsy anao ka tsy manatsiny ilay olona nanome antsy anao raha mipetraka fotsiny amin’izao hianao. Hianao irery no manan-tsiny, satria tsy vonona hampiasa ny fiadiana mahavonjy eo am-pelatananao. Mila faharetana miasa indraindray vao mety miala ny demonia, kanefa amin’ny farany dia tsy maintsy mandeha izy noho ny herin’ny finoanao ny tenin’Andriamanitra sy noho hianao mibaiko azy amin’ny anaran’i Jesosy.

NY OLONA IZAY TSY AFAKA MAMOAKA DEVOLY

Nisy fotoana anankiray monja izay tsy nahafahan’ny mpianatra namoaka devoly dia hoy Jesosy «Noho ny tsi-finoanareo». Ny mpanota, ny tsy mpino, ny mpivavaka amin’ny devoly na ny mpanompo sampy dia samy tsy afaka mamoaka devoly avokoa. Hoy Jesosy «Ary raha Satana no mamoaka an’i Satana dia miady an-trano izy, ary ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano».

Ary nisy fito mirahalahy, zanak’i Skeva izay nikasa hamoaka devoly anankiray dia hoy izy «Mampianina anao amin’i Jesosy izay torin’ny Paoly mba hivoaka» kanefa namaly ny devoly hoe : «Fantatro Jesosy, ary fantatro koa Paoly ; fa mba iza kosa moa hianareo?» Ary ny lehilahy izay nanana ny fanahy ratsy dia niantsambotra tamin’ireo ary nahery ka naharesy azy roa lahy dia nandositra niala tamin’izany trano izany ireo sady nitanjaka no voaratra (Asa. 19:14-17).

Ireo izay manatona ny mpanandro, na ny mpamosavy mba ho afaka amin’ny fanahy mahazo azy, dia tsy hahazo fahafahana fa vao maika ho voa. Ny hany fanafody tokana monja, momba ny fahazoana mamoaka demonia dia ny mahafoy tanteraka ny asan’ny devoly sy ny fahotana rehetra. Ataovy madio ny tranonao amin’ny asan’ny devoly rehetra. Tsy azo atao ny sady ho tompon’ny devoly no ho mpanompony koa. Manaraka izany, dia mazotoa tsara mamaky ny Tenin’Andriamanitra hahitanao ny fomban’i Jesosy amin’ny famoahana devoly. Manana fahefana hamoaka devoly ny mpino, sady manao izany izy amin’ny Anaran’i Jesosy (Mar. 16 : 17).

NOTA : Ny ray aman-dreny no mpiadidy ny famonjena ny zanany ; ny ray aman-dreny izay manompo ny devoly, dia tsy afaka mibaiko an’i Satana hivoaka. Raha mitady famonjena ho an’ny zanakao hianao dia tsy maintsy manaraka ny Tompo, amin’izay dia ho tonga hamonjy anao sy ny ankohonanao Izy. Misy olona izay mitady vonjy ho an’ny sofin’ny zanany marenina, kanefa tsy mafana fo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra velively izy, ary amin’izany, matetika tsy mitondra ny zanany akory izy fa maniraka olona hafa hitondra azy. Misy hafa koa izay mba tonga ihany kanefa tsy vonona hanitsy ny toetra miolikolika eo amin’ny raharaha ataony isan’andro sady tsy mahafoy ny fiainana maloto.

Ry olona ô, tsy maintsy manapa-kevitra hianareo eo anoloan’ny vokatra tadiavinareo. Tsy azonareo atao ny manaraka ny devoly hatrany, raha manantena hahazo fahasalamana sy fahafinaretana ho an’ny tenanareo sy ny ankohonanareo. Ny miara-mipetraka amin’Andriamanitra ihany no handray izany, Tsy maintsy mifidy izay tianao ho azo hianao ary avy hatrany dia miainga hanaraka izany Tompo izany

FANDRESENA NY ARETIN-TSATANA

Satria sady fototry ny fahotana no fototry ny tsy fahasalamana koa i Satana dia tonga Jesosy «handrava ny asan’ny devoly» (I Jao. 3:8) «dia nentin’ny olona tany aminy ny demoniaka maro ; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa» (Matio 8:16).
«Dia nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina maro samy hafa sy ny fangirifina, dia ny demoniaka : ka nahasitrana ireny Izy (Jesosy)» (Mat. 4:24). Hoy Jesosy «Ity vehivavy ity dia efa nafatotr’i Satana izay valo ambin’ny folo taona» nefa teny iray monja avy tamin’i Jesosy no nahafaka azy.

Hoy Andriamanitra «Satana namely vay ratsy an’i Joba hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny tampon-dohany (Joba 2:7). Nefa nositranin’Andriamanitra izy raha nivavaka ho an’ny namany.