Ny Finoana
Ny handraisana azy, ny hampiasana azy
FOTOTRA HO AN’NY FINOANA MARINA HAHAZOANA FANASITRANANA.
Mampiseho ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny fanasitranana ny Baiboly. Tsy mbola nanohitra ny teny nampanoratin’Andriamanitra ny fampisehoana manokana ny sitrapony. Mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ho «mpanasitrana» ny olony ny fianarana tsara ny Soratra Masina ary manambara ny sitrapony hanasitrana ireo izay mankato Azy. Hijery andininy vitsivitsy avy ao amin’ny soratra Masina isika hanamarinana izany.
Rehefa nitondra ny Zanak’Isiraely nivoaka tany Egypta Andriamanitra dia nanome azy fitsipika sy fepetra ho amin’ny FANASITRANANA (Eks. : 75:26). Naverina indray io tamin’ny fiafaran’ny 40 taona nirenirenena tany an’efitra. Hitantsika ao amin’ny tantarany fa narary sy azon’aretina izy, ary raha niverina tamin’Andriamanitra sy nibebaka dia nahazo fahasitranana ho valim-bavaka. Raha fanaon’Andriamanitra ny manome fanasitranana ho valim-bavaka tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia vao mainka koa mahery ny fiasan’izany amin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. «Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra» (Mat. 12:15). Tsy ho fampisehoana ny maha Andriamanitra Azy fotsiny akory, araka ny iheveran’ny sasany azy, ny asa fanasitranana nataon’i Kristy fa mba ho fanatanterahana izay nanirahana Azy - hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. «Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô » (Heb. 10:7).
Jesosy dia fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra Izy ; nanasitrana izay rehetra nanatona Azy Izy. Tsy miova mihitsy ny maha Mpisorona Azy ; Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Tsy miova ny fitiavany fa toy ny tamin’ny nanasitranany olona marobe ihany ; tsy miova ny heriny fa toy ny tamin’ny nanasitranany ny aretina maro samy hafa ihany. «Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky (Heb. 2:17). Na taiza na taiza nalehany fony mbola nanao ny asany tety ambonin’ny tany dia nanana fo mangoraka Izy ary NANASITRANA « ireo rehetra naniry ho sitranina», ary Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ho antsika Izy Ankehitriny. Mitovy ihany ny hevitry ny hoe «fangoraham-po sy famindram-po» ao amin’ny Soratra Masina.
Manana hevitra fisoloana - miharitra fahoriana ho an’olona, fa tsy miarak’ory aminy - ny teny hoe : «mitondra» ao amin’ny Mat. 8 : 17. Raha nentin’i Kristy ny aretintsika, nahoana isika no hitondra azy ? Hitantsika ao amin’ny Testamenta Taloha ny santionan’ny avotra momba ny fanasitranana. Ny fanadiovana ny boka (Lev. 14) ; ny fanasitranana ny areti-mandringana (Nom. 17:15) ; ny menarana varahina (Nom. 21:7-9) ; ny nanasitranana an’i Joba (Job. 33:24).
Hitantsika ao amin’ny Deotornomia toko faha-28 fa natao ho isan’ny ozona ny famparariana. Fa milaza ny (Gal. 3:13) fa «nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna Kristy».
Mifampiankina hatrany ny aretina sy ny ota hatrany am-piandohan’ny Soratra Masina ka hatrany am-piafarany : (Sal. 103:3 ; Jao. 5:14 ; Matio 9:5-6) ; mbamin’ireo hafa koa milaza ny momba izany. Tamin’ny alalan’ny ra soan’i Kristy izay nalatsaka ho antsika sy tamin’ny dian-kapoka niharetany no nahazoantsika fanavotana ho afaka amin’ny ota sy aretina.
Omena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika avokoa izay omen’Andriamanitra antsika, ary ho an’izay rehetra mahatanteraka ny fepetra sy mino ny Teny. Mety hanava-tena isika ka nanao hoe : «Tsy sitrapony» fa tsy manavaka na iza na iza Andriamanitra. Tsy mizaha tavan’olona IZY. Ho an’ny olona rehetra ny teny fikasany. «Misy marary va eo aminareo ?: (Jak. 5:14). «Mangataha dia homena hianareo» (Mat. 7:7). Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako hianareo dia hataoko izany» (Jao. 14:14). «Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany» (Mar. 11:24). Ampanantenaina ny fahasitranana amin’ny alalan’ny fitoeran’ny Fanahy Masina (Rom. 8:77). Ireny teny ao amin’ny Soratra Masina ireny ilay teny fikasana nomena mivantana sy ho an’ny olona rehetra dia mampahalala mazava ny sitrapon’Andriamanitra hanasitrana izay rehetra manatona Azy amim-pinoana. IZANY NO SITRAPONY, NY LALANY. Tsy misy fomba hafa fanasitranana amporisihina ao amin’ny Baiboly. Tsy manana lalan-kafa afa-tsy izany ho an’ny olony Andriamanitra.
Ny sitrapony dia ny hananantsika fahasitranana, fahasalamana ary tanjaka ao amin’i Kristy. Zo sy tombon-tsoantsika ao Aminy izany. Sitrany isika ary manome voninahitra Azy raha manaiky ny lalany. Tiany raha salama isika. Hekentsika ve izany fitiavana atolony izany ? Hankato Azy amin’ny fanarahana ny lalany va isika, mba hahatanteraka ny sitrapony ato amintsika sy hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra ato amin’ny tenantsika.
Tsy ilaintsika ny mivavaka hoe : «raha sitrakao Tompo ô, sitrano aho» raha manana fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra isika. Ny «raha» mantsy dia mitory fisalasalana, ary manafoana ny finoana ny fisalasalana. Nisy marary anankiray niteny tamin’ny mpanoratra tsy ela izay, hoe : «Mino ny fivavahana fangatahana fanasitranana amin’Andriamanitra aho raha sitrapony ary mba hahazoana an-tsary izay heveriny dia hoy izy : «Mety hangata-javatra amin-drainy ny zaza, ary homen-drainy azy izany raha heveriny fa hahasoa an’ilay zaza ; ary tahaka izany koa no ivavahako hahazoana fanasitranana». Izao no valiny : raha NANOME TOKY ny ray fa hanome zavatra iray an-janany, dia manan-jo ny hanantena izany ilay zaza ; NAMPANANTENA fahasitranana ho antsika ny Raintsika, koa manan-jo HANANTENA isika fa hitàna ny teny nomeny Izy.
Ny tsi-fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra sasany dia mety hahatonga antsika hivavaka amim-pinoana fa hanao izany Andriamanitra raha sitrany, ary hanao izany Izy. Fa rehefa nilaza ny sitrapony Andriamanitra ka nanome toky fa hanao zavatra iray, dia tsy tokony tsy hahalala izany isika na hisalasala ny amin’izany. Mampiseho ny Teniny fa sitrapony ny fanasitranana, dia tahaka ny maha sitrapony ny famonjena koa raha mahatanteraka ny fepetra isika ka mino ny teny fikasany.
Miankina amin’ny fahalalana ny sitrapony ny finoana mahazo zavatra avy amin’Andriamanitra. Ny fahalalana ny sitrapony no fototry ny fanantenantsika. Tsy hahazo fahasitranana amim-pinoana mihitsy isika ary amin’ny fandraisana izany raha mbola misalasala ny amin’ny maha ho antsika izany. Tsy maintsy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra isika ; dia mandray amim-pinoana, mino fa rehefa mangataka dia mahazo. Manana ny anjarany ao amin’ny fahasitranana koa ny sitrapontsika. Horaisintsika va izay efa sitrak’Andriamanitra homena antsika ? «Raha miray Amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany (Jao. 15:7). Raha mifanehitra ny «mety Aho»-ny sy ny «mety aho»-ntsika dia ho vita ny asa.
JESOSY MPANASITRANA SY MPAMONJY
Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy narary, no afa-nanao izany ; ary nanao izany Izy noho ny FITIAVANY lehibe, ho antsika no nanaovany izany (Isa. 53).
Talohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana tao Kalvary anefa dia niezaka hampiseho amin'ny mpianany Jesosy izay hitranga sy izay ho vokatry ny fijaliana tsy maintsy hiaretany. Toy izao no fitantaran’i Paoly an’izany : «Tamin’iny alina iny, izay namadihana ny Tompo Jesosy, dia nandray MOFO Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity ny tenako ho anareo ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy izy : Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo» (I Kor. 11:23-23).
Mampisalasala ny hihevitra fa azon’ireo mpianatra izay niara-nisakafo taminy sy nandre Azy niteny ireo teny nolazainy ireo. Tsy azony an-tsaina velively akory izay hitranga - kanefa dia nitranga izany, ary tamim-pahabibiana, tsy fahamendrehana, ambany, mahery setra ho an’ny famonjena ahy sy hianao.
Nokapohina teo an-tanan’ireo lozabe Jesosy, Ilay ZANAK’ONDRINTSIKA. Nororana Izy. Notorotoroina Izy. Nampijaliana Izy. Namela diany lalina ny kapoka nataon’ireo kotopian’ny miaramila Romana izay nanomb bnn ika nofo tamin’ny lamosiny mihitsy. IREO NO DIAN-KAPOKA izay nolazain’Isaia sy Petera hoe : NAHASITRANA ANTSIKA. Ary ny tenany no nasiana ireo (Isa. 53:5 ; I Pet. 2:24). Nokapohina tsy nisy indrafo ny tenany ho antsika. Tsy fanavotana noho ny fahotantsika izany, fa ny fitondrana ny aretintsika izay nahatonga ny fanasitranana ny aretintsika ho efa novononina tao. Ary mbola averiko indray : ireo dian-kapoka nanasitranana antsika dia nisoritra teo amin’ny TENANY, hoy Matio : «Nitondra ny rofintsika izy ary nivesatra ny aretintsika».
Rehefa nokapohina sy notorotoroina ny TENANY mba ho fanasitranana antsika, dia nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ary nolefonina ny tehezany. Nigororoana teo amin’ny tany ny rany, ary ho famelana ny heloky ny maro no nandrarahany izany» (Mat. 26:28) fa tsy ho fanasitranana ny aretina akory.
Indroa nijaly Jesosy Zanak’Ondrintsika. Nandraraka ny rany teo amin’ny hazo fijaliana Izy ho famonjena antsika amin’ny fahotantsika, ary nitondra ny dian-kapoka teo amin’ny TENANY Izy ho fanasitranana antsika amin’ny aretintsika. Tamin’ilay fotoana fialan’aina tao Kalvary dia nijaly am-panahy tokoa Jesosy fa toa hatramin’ny Rainy aza no nandao Azy ; nanao izany anefa Izy ho fitondrana ny fahotantsika ary natao ota mba hamonjy antsika (II Kor. 5:21). Fa amin’ilay fijaliana ara-batana tao amin’ny Fitsarana izay niaretan’i Jesosy ny kapoka nafitsok’ireo miaramila romana tsy nifaditrovana, dia ny aretintsika no nentiny ; satria tamin’ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika.
Rehefa vita izany ka niverina ho eo amin’Andriamanitra Jesosy ary mipetraka eo an-tanana ankavanany, fa tanteraka daholo ny zavatra rehetra ary afaka tanteraka tamin’ny fanandevozan’i satana ara-batana sy ara-panahy ny olombelona, dia nasehon’ny Fanahy Masina tamin’i Paoly ny hevitr’izany rehetra izany. Ao amin’ny lahatsoratra nataon’i Paoly no ahitanao ny fandikana izany.
Lazain’i Paoly amintsika ao amin’ny I Kor. toko faha-11 ny amin’ny sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo izay arahin’ny fiangonana rehetra. Lazaina ao ireo TANDINDONA ANANKIROA omentsika voninahitra ho fahatsiarovana izay niaretan’i Jesosy, Ilay Zanak’Ondrintsika, dia ny mofo sy ny divay, misolo ny TENANY voakapoka sy voatorotoro ho fanasitranana ny tenantsika, ary ny ra nalatsaka ho fanasitranana ny fanahintsika. Ary dia hoy Izy amintsika : «Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny» (I Kor. 11:26).
Omen’i Paoly ao amin’ny Korintiana voalohany toko faha-10 andininy faha-16 ny dikan’ireo TANDINDONA ANANKIROA ireo. «Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, moa tsy firaisana amin’ny ran’i Jesosy va izany ? Ny mofo izay vakintsika, moa tsy firaisana amin’ny TENAN’I KRISTY va izany ?».
Nararaka ny ran’i Jesosy mba hitondrany ny helotsika ka tsy hijaliantsika ny hitondra izany intsony fa ny ho voavonjy amin’izany sy hahafahantsika amin'ny herin'ny ota ao amin’ny fiainantsika. NOKAPOHINA NY TENAN’I JESOSY ho fitondrana ny aretintsika, mba tsy hilantsika ny hitondra izany intsony fa ho sitrana aminy sy ho afaka amin’ny herin’ny aretina ao amin’ny tenantsika. Rehefa ampianarina tsara ny Kristiana mba hahalala ny fanafahana azy tamin’ny aretina rehetra sy tamin’ny herin’ny aretina rehetra ao amin’ny fiainany noho ny dian-kapoka tamin’ny TENAN’I KRISTY, dia tahaka ny nampianarana azy koa hahalala ny fanafahana azy tamin’ny ota rehetra sy tamin’ny herin’ny ota ao amin’ny fiainany noho ny nandatsahana ny RAN’I KRISTY, dia ho afaka amin’ny aretina izy tahaka ny maha-afaka azy amin’ny ota koa. Dia tsy hanan-kery amin’ny tenany mihoatra noho ny fahotana intsony ny aretina. Ho hitany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra ny aretina tahaka ny tsy maha-voninahitr’Andriamanitra ny ota koa. Tsy hahita aretina ao amin’ny fiainany intsony izy tahaka ny tsy ahitany ota intsony koa ao amin’ny fiainany. Ho hitany fa samy afaka na ny aretina na ny fahotana satria samy efa nentin’Ilay Mpisolo antsika mahafinaritra, dia Jesosy, ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra nokapohina sy nolefonina ho antsika.
FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO.
Rehefa entina eo amintsika ny tandindon’ny Fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompontsika, dia raisintsika ny kapoka ka sotrointsika amim-panajana feno. Rehefa avy misotro azy isika dia maneho ny fisaorantsika ny Raintsika mandrakariva noho izany Kristy mahafinaritra sy noho ny hery mahafinaritra ananan’ny ran’i Kristy mba hanadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Faly isika satria resy ny herin’ny ota ao amin’ny tenantsika, satria tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota Fa ahoana no ahalalantsika izany zavatra izany ? Moa nilazana tanteraka va isika fa manadio antsika tamin’ny fahotantsika rehetra ny ran’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra ? TSIA, no valiny omentsika !
Izao no marina, ary ny marina mahafaka ; afaka amin’ny OTA isika. Voavonjy indray mandeha tamin’ny fiainana feno ota isika ary mino fa tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota, satria VOAVONJY isika.
Fa rehefa atolotra antsika kosa ny mofo dia raisintsika amin-pitiavana ka hanintsika (izany hoe fampisehoana ny tenan’ny Zanak’Ondrintsika, dia tahaka ny niarahan’ny Zanak’Isiraely nihinana ny nofon’ny zanak’ondry tany Egypta). Dia manao fisaorana indray isika noho ny sorona mahafinaritra nataon’i Jesosy. Misaotra Azy isika fa nokapohina ho antsika ny TENAN’I KRISTY, ary hatreo no fampianarana nomena antsika. Nampianarina antsika tokoa fa nolefonina ho antsika io TENA io, fa tsy mba nolazaina antsika ny tombon-tsoa mety ho azontsika noho ny NIKAPOHANA izany TENA izany koa ho antsika.
Hadino mandrakariva ao amin’ny Fanasan’ny Tompo ny hoe : «Izay nanasitrana ny aretinao rehetra» (Sal. 103:3). Ary satria tsy namantatra tsara ny TENAN’NY TOMPO ny fiangonana, dia maro amin’ny mpiangona ankehitriny no marary sy malemy.
NY KAPOAKA SY NY MOFO
Mampiseho ny ran’i Kristy ny divay ao amin’ny kapoaka eo amin’ny Fanasan’ny Tompo, ra izay nalatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Mifaly aho rehefa misotro izany satria novana ilay toetrako feno ota ary namboarina indray aho ho tonga vaovao, satria VOAVONJY AHO. Amin’izany toetra izany no ahafantarako tsara ny ran’ny Tompo. Izany no nataon’ny Korintiana sy ny olona an’arivony maro amin’izao andro izao.
Ny vaki-mofo eo amin’io Fanasan’ny Tompo io kosa dia misolo ny tenan’i Kristy, izay nasian’ny kapoka mafy izay namela diany, ary ireo dian-kapoka ireo no nitondra sy nahasitrana ny aretiko. Rehefa mihinana io aho dia mifaly satria novana ilay tenako malemy sy marary, satria tonga taolana tamin’ny taolany sy nofo tamin’ny nofony ary tena tamin’ny tenany io (Efe. 5:30), ary satria efa «nampisehoana tato amin’ny nofoko mety maty ny fiainan’i Kristy» (II Kor. 4:11) ; satria tsy manan-kery amiko intsony ny aretina, satria SITRANA AHO.
Amin’izany toetra izany no ahafantarako tsara ny tenan’ny Tompo. An’arivony ny olona amin’izao andro izao tsy manana izany.
Manontany tena matetika aho nahoana ireo mpitandrina izay tsy mitory ny fanasitranan’Andriamanitra ny tena no manolotra ny MOFO ho an’ny mpiangony nefa io no misolo ny TENAN’I KRISTY izay misy ny DIAN-KAPOKA nanasitranana antsika (izay mino) (Isa. 53:5 ; I Pet. 2:24). Toa ho tsaratsara aminy kokoa ny hanohy hanolotra ny kapoaka, izay misolo ny ra nalatsaka ho famelan-keloka, ho an’ny olony satria mahafantatra tsara ny RAN’I KRISTY izy ireo sy mahazo tombon-tsoa amin’izany fa tsy hisy antony aminy sy ho herim-po very maina ho azy ny hanolotra ny «mofo», izay misolo ny TENAN’NY TOMPO voakapoka ho fanasitranana ny vatantenantsika, ho an’ny olona, nefa rehefa avy eo mbola hilaza aminy fa tsy an’ny fiangonana ankehitriny intsony ny fanasitranan’Andriamanitra ny vatana. Raha izany tokoa dia tsipazako hevitra izy ireo mba hanaraka izany ka hampijanona hanolotra ilay TANDINDON’ny sorona nataon’i Jesosy, Ilay zanak’Ondrintsika, ka nanomanana izay fahasitranana izany ho an'ny fiangonana. Maro amin’ireo mpiangona ireo no marary sy kilemaina satria na dia mihinana ny tenan’ny Tompo aza izy, dia tsy mahafantatra tsara ny TENAN’NY TOMPO araka izay tokony ho fantany.
Rehefa niteny Jesosy nanao hoe : «Ity mofo vakina ho anareo ity no misolo ny Tenako», dia manantena ny fahalalantsika Izy fa teo amin’ny tenany no nisy ireo dian-kapoka mafy NANASITRANANA antsika. Ny fahafantarana tsara ny Tenany dia hitondra fahafahana amin’ny aretintsika ary ny fahafantarana ny rany nalatsaka no hanaisotra ny fahotantsika. Misy mandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, koa tsy afaka hamantatra na hanana finoana fa mahasitrana ny tenan’ny Tompo na dia efa nampianarina azy aza izany. Raha mandinika ny tenany aloha ny olona mitady fahasitranana ka mampifanaraka ny fanahiny amin’Andriamanitra mba hahazoany «mihinana ny mofo sy misotro ny kapoaka» amin’ny fanahy mendrika, araka izay nampianarin’i Paoly, dia ho tonga eo amin’ny toerana hahafantarany ny tenan’ny Tompo izy sy hananany finoana ho sitrana.
Amiko dia ampianarina mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny fahazoana tombon-tsoa amin’ny fahasitranan’ny tena noho ny TENAN’Ilay Zanak’Ondry nokapohina, dia tahaka ny fampianarana ny fahazoana tombon-tsoa amin’ny famonjena noho ny amin’ny RAN’ny Zanak’Ondrintsika nalatsaka koa.
Fantaro fa nokapohina sy notorotoroina ilay TENA ary izany dian-kapoka izany no nitondra ny aretinao ka nahasitrana anao ary dia salama hianao, dia tahaka ny maha marina koa rehefa namantatra ny RA izay nalatsaka ho anao hianao fa izany sorona izany no nitondra ny helokao, ka dia mahazo famonjena hianao.
Tsy hanan-kery amin’ny tenanao intsony ny aretina tahaka ny tsy ananan’ny ota hery amin’ny fanahinao koa. Ho afaka amin’ny aretina tahaka ny mahafaka amin’ny fahotana koa hianao. Kristy Ilay Mpisolo anao no nitondra ireo ho anao, koa tsy tokony hitondra izany intsony hianao. Raha mino io teny ao amin’ny Soratra Masina io hianao ka mihetsika araka izany dia ho afaka, eny ho tahaka ny ahafahanao amin’ny ota koa no ahafahanao amin’ny aretina.
Indray mandeha ihany no hitondrana ny fahotana sy ny aretina. Ary satria efa voasoratra fa efa nentin’i Jesosy Kristy ireo dia tsy mila mitondra azy intsony hianao. Raha mbola mitondra azy hianao, dia ho herim-po very maina izany ny nitondran’i Jesosy azy, satria tsy mbola nahazo tombon-tsoa avy amin’izany hianao. Kanefa manambara aho fa satria Jesosy nitondra ireo dia TSY ILAIKO SY TSY ILAINAO INTSONY ny hitondra azy, amin’izay dia ho tanteraka ny hoe : «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika» ary tamin’ny rany no nahazoantsika «famelan-keloka».
Tsy inoantsika intsony izao fa manana alalana hanjaka na hijanona ato amintsika ny aretina.
Takio amim-pinoana ireo zava-tsoa roa lehibe ireo. Ekeo ho anao izy. Ekeo ho MPANASITRANA anao Jesosy tahaka ny anekenao Azy ho MPAMONJY anao koa, dia ho afaka amin’ny aretina hianao tahaka ny maha-afaka anao amin’ny ota koa.
Tsy nisy olona niantso fanampiana ara-batana tamin’i Kristy ka tsy novaliany, fa satria an’arivony maro ny olona mitalaho fahasitranan’ny vatana Aminy dia tsy miova ny teniny voatahiry hoe : «Nositraniny avokoa izy rehetra» (Mat. 4:24 ; 8:16; 12:15; 14:14; Lio. 4 : 40 ;6:9 ets…). «Ary dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy» (Lio. 4 : 40). Tonga hanao ny sitrapon’ny Rainy Izy, koa dia nitory ny Filazantsara Izy sy «nanasitrana ny marary rehetra». «Izay nandehandeha... sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly» (Asa 10 : 38).
Ny antony nanasitranany azy REHETRA dia ny avotra. «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Mat. 8:17).
Raha ny aretintsika fotsiny no nentiny dia tsy feno ny Soratra Masina raha tsy ao ny fanasitranana azy REHETRA.
Izay nataon’i Jesosy tamin’ny nanasitranany ilay vehivavy narary nandeha ra dia ho an’izany vehivavy izany, fa izay nataony tamin’ny fahafatesany dia ho an’ny olona rehetra.
Satria ny fanavotana no antony nanaovan’Andriamanitra ny fanasitranan’i Kristy azy rehetra, dia tsy maintsy tohizany ny fanasitranana izay REHETRA mahatanteraka ny fepetra. Izay nataon’ny fanavotana tamin’ireo velona tamin’izay fotoana izay mantsy dia mbola ataony koa amintsika ankehitriny. «Niharan’ny fahafatesana Izy ho an’ny olona rehetra». Ny zava-kendreny amin’ny fandidiany izany ho toriana amin’ny olombelona rehetra (Mar. 16:15-18) dia ny mba hahazoan’ny olombelona rehetra mandray ny tombon-tsoa avy aminy. Na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza no itoriana an’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony ho an’ny ota sy ny aretina, dia fanasitranana ho an’ny vatana marary no vokany ary famonjena ho an’ny fanahy very.
NITORY AN’I KRISTY PAOLY. «Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra ; izy nahare an’i Paoly nitoriteny ; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin’ny feo mahery hoe : «Mijoroa amin’ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana» (Asa. 14:8-10). Tsy maintsy ho nitory ny Filazantsaran’ny fanasitranana Paoly, satria nahazo finoana hositranina ilay lehilahy nalemy raha nihaino ny toritenin’i Paoly.
Na aiza na aiza itoriana ny fanasitranan’Andriamanitra ho an’ny tombontsoan’ny olona rehetra, ka mihaino tsara ny teny toriana ny olona, dia tafiditra ny finoana ka sitrana hatrany ny olona. MAHOMBY MANDRAKARIVA izany fomba izany, TSY MAINTSY MAHOMBY NY FINOANA. Aoka haveriko indray fa tsy afa-miasa ny finoana raha misalasala ny tena ny amin’ny hanasitranan’Andriamanitra azy rehetra na tsia. Raha tsy hanasitrana azy rehetra Izy, dia voatery isika isak’izay mitranga tsy maintsy hanontany hoe : «Asa na sitrak’Andriamanitra ny hanasitrana ity anankiray ity, na hoe sao sitrak’Andriamanitra ny handrian’ity sy ny hijaliany ? Ahoana no hahavitantsika ny VAVAKY NY FINOANA raha izany eritreritra izany no ao amintsika ? Aoka ho tafatoetra indray mandeha sy ho mandrakizay ny hoe : SITRAK’ANDRIAMANITRA NY HAHASITRANA AHY, manan-jo ny hositrana aho tahaka ny ananako zo ny ho voavela heloka koa rehefa MINO. Hoy Andriamanitra : «Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao», ary raha Andriamanitra no milaza izany, ary Andriamanitra tsy mandainga, dia izany tokoa no HEVINY. Izay lazain’Andriamanitra dia marina. Koa azoko ny fahasitranana. An’isan’ny Filazantsara koa ny fahasitranana ka tsy maintsy toriana na aiza na aiza «eto amin’izao tontolo izao» ary «amin’ny olombelona rehetra», satria efa natao manan-kery «ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao» (Mat. 28:20). Koa satria an’isan’ny Filazantsara ny fahasitranan’Andriamanitra dia fahasoavana ho an’ny olona REHETRA izy.
FANASITRANANA TAMIN’NY FANAVOTANA.
Izao no vakiantsika ao amin’ny Isaia 53 : «Sady nivesatra ny fahoriantsika». Ary ao amin’ny andininy faha-5 «Nefa izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika». Atambaro amin’io ny I Pet. 2:24 manao hoe «Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo». Hitantsika amin’ireo andininy ao amin’ny Soratra Masina ireo fa azo amin’io fanavotana io ny fahasitranan’ny tena, tahaka ny famonjena ny fanahy koa. AO ANATIN’NY FANAVOTANA NY FAHASITRANANA MAHAZO FAHASITRANANA ISIKA AO AMIN’NY FANAVOTANA. Tokony ho sitrana isika raha voavonjy, ary tokony ho voavonjy isika raha sitrana. Tsy nahafa-po ny Tompontsika ny famonjena antsasany fotsiny. Rehefa mahatsapa ny tena fa mahazo fahasitranana, tahaka ny famonjena koa, dia tsy ilaina intsony ny «hiantso ny loholona» tsy ilaina intsony ny «hametrahan-tanana», tsy ilaina intsony ny «hangataka amin’ny Anaran’i Jesosy» izay efa ananana rahateo ary tsy ilaina ny hisian’ny «anankiroa mifanaiky hanao vavaka iray», satria efa nianatra ny HAHITA TSARA SAMY IRERY NY TENA. Efa nianarana fa AFAKA TAMIN’NY FATORAN’NY ARETINA SY NY ROFY NY TENA. Hita ilay nisolo ny tena dia Jesosy Kristy, Izay nitondra ny fahotan’ny tena sy ny aretin’ny tena tao amin’ny tenany, ary efa mahalala ny tena fa tsy hitondra intsony izay efa nentin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny tena. Efa nahatsapa ny marina voalaza ao amin’ny Matio 8:17 ny tena manao hoe : «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika». Efa nianarana sy fantatra fa Jesosy Ilay mpisolo ny tena, dia nanafaka ny vatan’ny tena tamin’ny aretina sy ny fanahin’ny tena tamin’ny ota.
Hitan’ny tena ny aretina sy ny fahotan’ny tena fa napetraka tamin’i Jesosy teo Kalvary, ary efa nianaran’ny tena fa raha nitondra ny rofintsika sy ny fahotantsika Jesosy dia tsy ilaintsika intsony ny hitondra izany. Fa raha mbola ho entintsika izany dia ho very maina ny nitondran’i Jesosy azy ; nefa satria efa NENTINY izany ary ny Soratra Masina manao hoe antsika izany nentiny izany, dia tsy isalasalana fa TSY TOKONY HITONDRA IZANY ISIKA. Aoka haveriko indray : TSY TOKONY HARARY NY KRISTIANA. Ny ho salama sy matanjaka no itiavan’Andriamanitra azy. Famelana ny helony sy fahasitranana ny tenany no hitany. Fahafahana ho an’ny TENANY tahaka ny an’ny FANAHY no hitany. Dia hiara-mihira amin’i Davida hoe izy : «Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko, ary aza misy hadinoinao ny FITAHIANY REHETRA. (Hadinon’ny ankabeazan’ny olona ny antsasaky ny tombon-tsoa azo avy amin’ny fanavotana ; Davida kosa tsy mba nanadino), Izay namela ny helokao REHETRA ; izay nanasitrana ny aretinao REHETRA». (Sal. 103:2-3). Mitovy ny niantsoany hoe : NAMELA NY REHETRA» sy ny «NANASITRANA NY REHETRA».
Amin’ny farany dia ho fantatry ny mino ny antony nanaovan’i Jesosy hoe : «Iza moa no moramora kokoa ny manao hoe : «Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangana, betao ny fandrianao ka mandehana ?» (Mar. 2:9). Farany dia ho tanteraka ny fifaliana tsy azo tononina sy feno voninahitra noho ny FAMONJENA FENO. Hahita FAHAFAHANA TANTERAKA izy ary hiara-miteny amin’i Petera hoe : «Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo... ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo». Hohitany fa vita tao Kalvary avokoa ireo. Olona afaka izy. Tsy misy ota intsony ary tsy misy aretina intsony. Efa nentin’ILAY MPISOLO izy roa ireo. Rehefa mahalala izany marina tena fototr’aina izany hianao dia hitsonika hiala ny aretina, hihamahitsy ilay tongotra na tanana kilemaina, hahita hianao fa afaka ara-batana sy ara-panahy koa. Tsy hiara-mitoetra amin’i Joba ao amin’ny Testamenta Taloha intsony hianao ka hihevitra fa satria narary Joba dia mba tokony harary koa hianao. Tsia ! Fantatrao fa aty ambadik’i Kalvary hianao no velona, eo ambany Fahasoavana sy Fahamarinana, izay manafaka anao amin’ny ozon’ny lalàna (Deot. 28:58-61).
Hoy ilay mpitandrina anankiray izay tamiko indray mandeha : «Isaky ny mivavaka ho an'ny marary aho, dia marary mafy na izaho na ny vadiko na ny zanako». Dia notohizany ny teniny hoe mino izy fa TSY MAINTSY mandalo izany fitsapana izany mba hizahana ny finoany, ary adidiny ny mijanona ho mahatoky eo amin’ny ARETINA alohan’ny hampiasan’Andriamanitra azy hanasitrana ny hafa. Novaliako izy ka hoy aho: hahamenatra ny hihevitra fa tsy maintsy mampiseho OTA aho vao ho hitan’Andriamanitra fa mendrika ny hitory famonjena amin’ny mpanota. Ankoatr’izany dia hoy aho tamin’io lehilahy io : «Izao no maha-samihafa ny fitorian-teninao sy ny ahy : hianao mitory sy mino fa TSY MAINTSY MIJALY HIANAO ary mampiseho fahatokiana alohan’ny hahazoanao milaza amin’ny hafa fa mety ho sitrana izy, fa izaho kosa milaza amin’ny olona fa EFA NIJALY NOHO NY FAHOTAKO JESOSY - napetraka teo amin’Ilay MPISOLO AHY izany fahotana izany FA TSY TAMIKO.
«Nitondra ny rofintsika sy ny aretintsika Jesosy ary tsy ilaintsika ho entina intsony izay efa nentiny. Tsy ilaintsika intsony ny hijaly amin’izay efa nentiny teo amin’ny tenany. METY HAPETRAK’I SATANA AMINTSIKA AMIN’NY FOMBA TSY ARA-DALANA IZAY EFA NAPETRAK'ANDRIAMANITRA AMIN’I JESOSY. Ny anton'ny nitondrany ny heloka dia ny mba hanaovany ho marina izay rehetra mino Azy ho Mpisolo heloka. Ny anton’ny nitondrany ny rofy dia ny hahasitrana izay rehetra mino Azy ho Mpitondra ny aretiny. Ny fitondrany heloka dia mahatonga ny fahamarinana ho azo antoka ho an’ny olom-baovao. Nitondra ny helotsika Izy ka dia nahatonga antsika ho marina. Nahatonga ny fahasitranana ho azo antoka ho an’ny olom-baovao ny fitondrany ny rofy. Nitondra ny aretintsika Izy ka dia nahasitrana antsika. Nitondra ny rofintsika Izy ka dia nahatonga antsika ho matanjaka, ary manolotra antsika fahombiazana hisolo ny tsi-fahombiazana Izy izao.
NY TOETRY NY FINOANA.
Betsaka loatra no diso hevitra ny amin’ny toetry ny finoana araka izay ilazana azy, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary dia mitana fa natao ho an’ny ankabeazan’ny olona io afa-tsy izy, ary koa raha te-hampiasa finoana dia tsy maintsy ampiasaina aloha ny saina, miezaka, misahirana na koa mamita zavatra samy hafa mba hahazoana mandray ny fampanantenana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mahazo ny fahasoavany. Betsaka no hilaza hoe mino ny Tenin’Andriamanitra, kanefa mbola marary. Hoy izy : «ananako ny finoana rehetra, kanefa raha tsy mahita fiovana aho, tsy hino fa sitrana, tsy hihambo hanana ny tsy ananako aho. Mino aho fa raha misy sitrana dia hahita izany izy». IZANY NO HEVI-DISO MOMBA NY TOETRY NY FINOANA.
Tsy maintsy mijoro eo amin’ny iray amin’ireto toerana ireto isika dia ny FINOANA, na ny TSI-FINOANA, marina ny Tenin’Andriamanitra na tsy marina, hanao izay efa nampanantenainy Andriamanitra na tsy hanao izany, azo ianteherana ny teny fikasany na tsy azo ianteherana. Koa dia iza no fanontaniana mipetraka : Hino va isika fa marina ny Tenin’Andriamanitra sa hino kosa isika fa diso izy ? Raha mino isika fa feno fahamarinana Andriamanitra, nahoana no hisalasalana ny hankato sy hanao araka ny teny fikasany, na tanteraka izay kasaina na tsia ?
Ny FINOANA marina an’Andriamanitra sy ny Teniny dia zavatra hafa lavitra noho ny fanarahana ny Teny fikasana tsy mihoatra izay tratry ny masontsika, sy ny tsy finoana afa-tsy izay hitantsika, ary izay tanterahin’Andriamanitra eo amin’ny fahitantsika. Ny hevitr’izany dia hoe finoana hentitra miady amin’izay zava-manohitra rehetra sy ny antontam-pahasahiranana izay toa manakana ny lalan’ny valim-bavaka ho antsika. Izay manao ny vavaky ny finoana dia mangataka amin’Andriamanitra izay zavatra iriny ary mametraka ny valiny Aminy, eo am-pahalalana fa araka ny Teniny dia tsy maintsy ho avy izany. Raha mahalala izay nampanantenainy ao amin’ny teniny isika dia tsy mila intsony hangataka famantarana na fahagagana mba hanamarinana ny teny fikasany na hahazoana antoka fa tsy hanadino ny hanatanteraka ny teny fikasany Izy. Izao no filazan’ny Tenin’Andriamanitra: «Izao famantarana izao no hanaraka ireo izay Mino» (fa tsy ireo izay te-hahita zavatra vao hino) (Mar. 16:17).
Koa satria Andriamanitra nanao hoe hanasitrana ny marary Izy (Eks. 15:26 ; Sal. 103:3 ; I Pet. 2:24 ; ets...) dia vonon-kanasitrana ny marary Izy. Ary satria vonon-kanasitrana ny marary Izy dia hanasitrana ny marary Izy. Satria Andriamanitra te-hanasitrana ny marary sy hamonjy ny mpanota, dia hanasitrana ny marary sy hamonjy ny mpanota Izy IZAO. Aleony manao izany anio toy izay rahampitso...fa «ANIO no andro famonjena… ANIO no andro fankasitrahana» (II Kor. 6:2).
Hitanao amin’izany ny ampisehoan’ny Tenin’Andriamanitra ny sitrapony ho antsika ! Raha tiany hisy harary amintsika, dia tsy ho nentin’i Jesosy akory ny aretintsika (ny ahy sy ny anao) sy ny rofintsika, satria amin'ny fanaovany izany no hanafahany antsika tsy hitondra izay tian’Andriamanitra ho entintsika. Kanefa satria mahazo miteny Kristy hoe: «Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô», dia nampisehoana tamintsika tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fanasitranana ny tenantsika rehefa «naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika Izy» (Mat. 8:17) ary niaritra ny dian-kapoka izay nahasitranana antsika (I Pet.2:24). Mihetsika araka ny Teny ny finoana ary hita tsy ela eo amin’ny tenantsika ny fanasitranana.
Tsy hoe ambinambiny akory ny fanasitranana ao amin’ny Baiboly fa miara-mandeha amin’ny famelan-keloka, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Betsaka noho ny fitantarana ny famelan’i Jesosy ny heloky ny mpanota ny fitantarana ny fanasitranany ny marary ao amin’ny Testamenta Vaovao ! Ary rehefa naniraka ny mpianany Jesosy dia nandidy azy «hanasitrana ny marary, hamoaka demonia, hanadio ny boka, sy hanangana ny maty»... ary «hanasitrana ny marary, na aiza na aiza misy azy !» (Mat. 10:8 ; Lio. 10:8-9).
FITAKA MOMBA NY FIVAVAHANA.
Ny Baiboly no didim-pananan’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra.
Betsaka ny mpitandrina sy mpampianatra sahy manova ny hevitry ny hoe DIDIM-PANANANA ary tsy inona izany fa fitaka, tsy hisy DIDIM-PANANANA azo ovana aorian'ny fahafatesan’ilay nanao azy. Talohan’ny nandaozany izao tontolo izao, dia navelan’i Jesosy ny DIDIM-PANANAN’ny Rainy momba ny mpanota sy ny marary, tamin’ny nilazany hoe : «Izay mino sy atao batisa no HO VONJENA», sy «Hametra-tanana amin’ny marary izy (ny mino) dia HO SITRANA ireny» Mety hamitaka anao tsy hahazoanao ny tombon-tsoa noho Kalvary ny mpitory sy mpampianatra ary loholona sandoka amin’ny fandisoany ny hevitry ny DIDIM-PANANANA ho anao. Fa vakio ho anao ny DIDIM-PANANANA ry sakaiza. Raha marary sy mila fanampiana hianao, lavo izay fandikana tsy araka ny Soratra Masina ataon’ireo manatona ny fandrianao ka milaza aminao haharitra ny fanaintainana, ets. VAKIO NY DIDIM-PANANANA. Araraoty izy. Angataho ny tombon-tsoa ao. Ampiasao ny zo anananao ka voarakitra ao. Vonon-kapihatra izay zo rehetra efa nekena ho anao ny lanitra manontolo raha sahy mitaky izany hianao. Mpandainga Satana sy rain'ny lainga, ary finaritra amin’ny fanajambana ny lehilahy sy vehivavy tsy hahita ny zony ao amin’ny fanekena sy ny tombon-tsoa ho azy voavidy tao Kalvary. Fa hoy Jesosy : «Ho fantatrareo ny MARINA, ary ny marina HAHAFAKA anareo tsy ho andevo» (Jao. 8:32).
Inoy izao ankehitriny izao ny teny fikasany. Tsy misy fotoana metimety noho ny androany hanatanterahan’Andriamanitra aminao izay nampanantenainy.
Amin’ilay minitra ahatsapanao fa anao manokana ny teny fikasana nataon’Andriamanitra momba ny fanasitranana ny marary REHETRA, dia vonon-KIASA ny finoana ary tonga ny fahasitranana.
Aoka hamafisiko : Fampisehoana mivantana amintsika izay zavatra mahaliana an’Andriamanitra hatao amintsika ny teny fikasana rehetra ao amin’ny Teniny. Anankiray amin’ny fahadisoana lehibe indrindra vita amin’izao andro izao dia ny fanaovan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny boky hafa rehetra ihany. Tokony homenao toerana sahala amin’izay homenao an’i Kristy raha hitanao vatana ny Tenin’Andriamanitra. Miresaka aminao ny Teniny ary milaza aminao zavatra tsy misy hafa amin’izay ho lazainy aminao raha mandre ny feony miteny aminao hianao.
Tsy azonao sarahina amin’Andriamanitra ny Teniny. Tsy ny Teny ihany Izy fa miambina ny teny nampanoratiny koa mba hanamafisany azy ary hanao izay tsy hampisy horaraka na dia teny iray aza amin’ny teny soa nampilazainy (I Mpanj. 8:56). Hoy ny anjely : «Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra» (Lio. 1:37).
MIFANOHITRA AMIN’NY FAHALALANA NY FINOANA.
Maro ny olona manao hoe : «Mamaky Baiboly isan’andro aho. Fantatro fa mahasitrana ny marary Andriamanitra, nefa nivavaka aho ka nivavaka, tsy fantatro izay tsy amalian’Andriamanitra ny vavaka ataoko, leo aho ! «Maro no mahalala fa velona tety an-tany Jesosy, dia maty ary nitsangana tamin’ny maty, nanasitrana izay rehetra nanatona Azy mba hositranina. Manana fahalalana izy tahaka ny nahalalany fa nisy Kaisara na Napoleona ary nitari-tafika izy ireo... Fa tsy manam-pinoana izy ireo... satria tsy matoky izay nolazain’Andriamanitra fa hataony.
Tsy ny «mino ny Tenin’Andriamanitra rehefa mivavaka», «Miravoravoa amin’i Jehovah hianao dia homeny anao IZAY IRIN’NY FONAO (Sal. 37:4) (Fanasitranana ny tenanao raha marary hianao, na fanampiana amam-bola, raha sahirana hianao ets. na zavatra hafa koa angatahinao) no ataony, fa ny mieritreritra mandrakariva izay hataony raha tsy mahazo valim-bavaka. Raha mbola voan’ny tazo izy na mbola misy fanaintainana, na mivonto na henjana… na raha tsy tazan’ny masony ilay zavatra angatahiny ary tsy azony an-tsaina izay fomba hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataony, dia tsy ny famelana an’Andriamanitra hanao ny fahagagana araka izay nampanantenainy sy ny «MINO izay efa nampanantenain’Andriamanitra ; ary mifaly fa mitondra valim-bavaka ho azy Andriamanitra» no ataony fa ny very hevitra, midodododo mankany amin’ny dokotera ary maniry an’Andriamanitra mba hanao zavatra ho azy.
Tsy finoana ny fanantenana, tsy finoana ny fangorahana. Na dia mangora-po aza Andriamanitra ary efa nanomana fahasitranana ho an’ny olona REHETRA, dia tsy mbola mahazo izay nampanantenain’Andriamanitra ny olona REHETRA satria tsy manao zavatra amim-pinoana. Ny manantena sy maniry an’Andriamanitra hanao zavatra dia tsy finoana, fa ny finoana dia mahalala fa nampanantena zavatra Andriamanitra ka dia manao arak’izany : Mandeha sy miresaka eo amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra ny finoana, fa tsy eo amin’ny fahazavan’ny zava-mitranga, fanaintainana, na tsy fahafahana ara-batana, «fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana» (II Kor. 5:7), Tsy finoana ny FANGORAHANA. Voafatotra ny tanan’Andriamanitra mandra-pahatongan’ny fotoana anekentsika izay nataon’i Jesosy ho antsika. Tsy afaka handoa vola aminao ny mpitahiry vola ao amin’ny tranom-bola raha tsy mampiseho fahalalana hianao fa manam-bola ao ka dia manao araka izany fahalalana izany ary manisy sonia taratasim-bola hakana izay tadiavinao. Mety ho fatin-kanohanana hianao na dia feno volanao aza ao amin’ny tranom-bola, angamba te-hampaka anao vola hohaninao ny tompon’ny tranom-bola, kanefa raha tsy hianao no mihetsika, tsy afa-manao na inona na inona ho anao ilay tompon’ny tranom-bola. Dia toa izany koa amin'Andriamanitra. Nanomana fahasitranana ho antsika rehetra Jesosy... be no mijaly, fa tsy hitondra soa ho an’ny olona izay zavatra nomanin’i Jesosy ho azy mandra-pinoany izay!! nomanin’i Jesosy ho an’ny tenany.
Manome fototra ho an’ny finoana ny fahalalana ny SITRAPON’ny Ray. Mampitombo avo roa heny ny tanjaky ny finoanao ny fahalalana izay nataon’Andriamanitra ho an’ny hafa... fa rehefa ampiasainao ao amin’ny tenanao ny Tenin’Andriamanitra, dia omen’Andriamanitra finoana tanteraka hianao izay mitombo isaky ny misy zavatra ilaina ary manao arak’izany teny fikasan’Andriamanitra izany hianao. Miasa amin’izay lazain’Andriamanitra fa marina ny finoana.
MITONDRA VOKATRA MAHAGAGA NY FINOANA MITOMBO.
Tao Bangalore, India, dia nisy dokotera anankiray nitondra ny zana-drahalahiny tamin’ny seza kalesy nandritry ny 3 alina. 25 taona izy (vehivavy) ary tsy mbola mba namindra indray mandeha akory hatrizay niainany (araka ny fahafantaran’ny olona). Nitombo isan’ora tao am-pony ny finoana, ary tamin’ny andro fahefatra, nivavaka tontolo andro izy hatramin’4 sy 1/3 hariva izay nahatongavan’ny finoany ho toy ny vanja mahery.
«Haingàna hianareo, ento any am-pivoriana aho» hoy izy tamin’ny fianakaviany, «hamindra aho raha alina». Nisomaritaka ny tao an-trano ary nitondra azy teo amin’ny fivoriana ka nametraka azy teo akaikin'ny ny lapihazo. Saika tsy nahandry ny fahavitan’ny toriteninay akory izy, saika tsy andriny akory ny fahataperan’ny vavaka ho an’ny famonjena, dia tonga ilay fotoana nandrasan’ela fanaovana ny vavaka ho an’ny marary. Nino izy, ary vantany vao niteny izahay hoe : «Amin’ny Anaran’i Jesosy mitsangana ny mandringa ka mandehana», dia niantsambotra niala teo amin’ny seza kalesy izy ary namindra nankeny amin’ny fanamafisam-peo ka nanambara tamin-karavoana izay nataon’ny Tompo taminy. Nanao ranomason-kafaliana sy talanjona tamin’ny FITIAVAN’I JESOSY ireo olona am-polony maro nahalala azy ka tonga teo amin’ny fivoriana.
INONA MOA NY TENA FINOANA ?
Ny finoana fotsiny izay lazain’Andriamanitra ary mihetsika arak’izany no atao hoe tena finoana miasa.
Manova ny «FAHALALANA» ho «FIHETSEHANA». TSY FINOANA ny fahalalana tsy araham-PANKATOAVANA. «Ny finoana no OMEN’ANDRIAMANITRA VONINAHITRA sy valiany soa amin’ny fanomezana IZAY REHETRA angatahina».
Maty ny finoana tsy misy asa (tsy misy ilana azy...), tsy hitondra soa ho an’iza na iza izy. Maro ny olona nanana io karazam-pinoana maty io.. satria tsy mba sahy hihetsika na oviana na oviana arak’izay asain’i Jesosy ataony izy, fa saro-tahotra. Sarotra ny mahalala izay nampahatahotra ny olona amin’ny teny fikasan’Andriamanitra, kanefa ity tany diavintsika ity dia hazonin’ny TENIN’ANDRIAMANITRA. Tsy miova Andriamanitra, izany no ahalalantsika tsara izay tokony hantenaina rehefa mihetsika araka ny teny fikasany isika.
Tsy finoana jamba akory rehefa mihetsika arak’izay nampanantenain'Andriamanitra isika... fa izany ihany no zavatra AZO ANTOKA indrindra eto ambonin’ny tany, mety tsy hahatanteraka ny fampanantenana nataon’ny olona, mety hiova hevitra izy, na mety tsy ho afa-manatanteraka izay nampanantenainy hatao... FA ANDRIAMANITRA KOSA TSY VOAFEHIN’izany fahalemena izany... IZY irery no mbola afaka mamoron-javatra avy amin’ny tsy misy. «Izay nolazainy dia HAINY HATAO KOA (Rom. 4:21). Raha mangataka amin’Andriamanitra mba ho sitraniny hianao, dia minoa an’Andriamanitra ka mialà eo am-pandriana. Inona no hataonao raha mahita an’i Jesosy amin’ny masonao hianao mitsangana eo anilan’ny fandrianao, ka mahare azy tsara miteny hoe : «NY DIAN-KAPOKA TAMIKO NO NAHASITRANA ANAO» (izany dia zavatra efa hita raha ny ao am-pon’Andriamanitra». Inona no hataonao ? Dia mbola handry eo ve hianao sa hitsangana ka hidera an’i Jesosy izay nanasitrana anao tanteraka maimaim-poana ? Ny Tenin’Andriamanitra dia Tenin’i Jesosy koa izay milaza aminao izay efa nataony ho anao. Mba AMPIASAO ny finoanao izao dia ho sitrana hianao (I Pet. 2:24).
MIRESAKA NY FINOANA......MANDEHA NY FINOANA...MIASA NY FINOANA............MAHITA NY FINOANA
Izay zavatra inoantsika no resahintsika. Raha misy tsy tena inoantsika marina dia ny fisalasalana ny amin’izany no resahintsika. Ary satria tsy tena mino izay lazain’i Jesosy ny olona, raha anaovana vavaka izy, dia ny tsi-finoany no resahiny. Misy manao hoe : «Tsy fantatro ny mbola tsy anasitranan’Andriamanitra ahy ihany. Araka ny hevitrao ve tsara raha mankany amin’ny Dokotera aho mba hamarininy ? mety ho sarotra anie ny aretina e. ataoko fa tsaratsara kokoa amiko ny ho didina ; na ahoana na ahoana anefa efa nandoa ilay vola fiarovana amin’ny fidirana ny trano fitsaboana aho (assurance d'hospitalisation) ary koa efa nangataka fotoana aho». Ny olona manana hevitra toy izany dia tsy manam-pinoana izay nolazain’Andriamanitra fa hataony na dia toy ny eran’ambatry aza. Raha ny marina dia tsy ilaina ny misasatra sy mivazavaza hivavaka ho an’ny fanasitranana olona tahaka izany... satria manda tsotra ny fandraisana izay lazain’i Jesosy izy. Aleony miankina amin’izay asain’ny dokotera ataony noho izay asain’Andriamanitra ataony.
Tadidio fa ny olombelona dia maminavina fotsiny fa Andriamanitra kosa mahalala marina.
VAVOLOMBELONA TELO ISAKY NY FAHAFAHANA IRAY
Misy olona telo miteny alohan’ny ahazoana na ny tsy ahazoana ny fandresena.
1. Milaza izay hataony ANDRIAMANITRA raha mino hianao.
2. Mandainga satana ka manao hoe «AZA DIA MATOKY tanteraka an’Andriamanitra. Aleoleo kokoa miandry, jereo aloha raha mihatsara hianao».
3. NY TENINAO anefa no manana ny fanapahana, izay iray inoanao sy ankatoavinao no hamaritra izay ho azonao. Ny miresaka finoana kanefa misalasala raha hanao marina izay nampanantenainy ANDRIAMANITRA dia tonga amin’izay itadiavan’ny devoly azy, ny fihetsika toa izany dia mampiseho fa tsy manam-pahatokiana velively ny teny fikasan’Andriamanitra hianao. Ny tahotry ny devoly no itokianao fa tsy ny TENIN’ANDRIAMANITRA MAHATOKY, koa tsy mahazo na inona na inona afa-tsy fahadisoam-panantenana hianao. «Satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy Izy» (Heb. 11:6). Fa ireo izay MINO AN’ANDRIAMANITRA kosa dia manambara tsy amim-pihambahambana fa fantany fa hanao izay nampanantenain’Andriamanitra na dia ao aza ireo zavatra HITANY, TSAPANY, RENY na mety ho FANTANY satria Andriamanitra no milaza izany. Koa dia mino izy ka dia tsy maintsy tanteraka izany. Tsy raharahain’ny olona toy ireny izay zavatra hitany, tsapany na reny, tsy misy zava-dehibe ao an-tsainy afa-tsy izay LAZAIN’ANDRIAMANITRA ka dia mihetsika araka izany izy. Ary hiasa ho azy Andriamanitra ka hanatanteraka izay «nangatahiny tamim-pinoana tamim-bavaka».
«Ny ran’ny Zanak’Ondry sy ny teny filazana Azy no andresentsika ny devoly (Apok. 12:11). Betsaka ny te-«hahita» aloha vao miaiky amin’ny vavany na mino marina izay lazain’Andriamanitra momba ny fanasitranana azy. Tsy HAHITA na oviana na oviana ny olona toy ireny satria tsy hila izay finoana akory izy rehefa mahita, satria fahatsapana sy fahalalana no misy rehefa avy nahita. NY FINOANA dia tsy maintsy ananana alohan’ny hahitana na hahatsapana fiovana ao amin’ny toe-tena. «Fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana» (II Kor. 5: 7). Tsy inona ny finoana fa fahavononana hino fa hanao izay lazainy hataon’Andriamanitra. Raha isalasalanao ny Tenin’Andriamanitra, dia mino hianao izany fa misy mbola mahery noho ANDRIAMANITRA any ho any ary dia mety hampiova ny TENIN’ANDRIAMANITRA izany. Be ny mihevitra fa mahery noho Andriamanitra ny Dokotera. Marikoditra izay mieritreritra izany kanefa ny ATAONY no manamarina izany. Mino sy manao izay zavatra rehetra asain’ny dokotera ataony izy ; tsy fantany na mbola ho afa-mandeha izy na tsia fa dia avelany hanao ny fandidina azy ny dokotera, kanefa tsy mety mino na mihetsika araka ny teny nataon’Andriamanitra izy. Tsy azonao adalaina Andriamanitra, fantany amin’ny fihetsikao raha mino Azy marina hianao na misalasala ny Aminy. Manantena antsika HILAZA IZAY LAZAINY ny momba antsika Andriamanitra. Hoy Andriamanitra «Izaho no Jehovah Izay mahasitran anao» (Eks. 15:26). «Izao famantarana izao no hanaraka izay mino : hamoaka demonia amin’ny anarako izy (izaho sy hianao) , hametra-tanana amin’ny marary izy (izaho sy hianao), dia ho sitrana ireny (tsy hila fandidina)» (Mar. 16:17).
Izay LAZAINTSIKA no hamonjy na handevona antsika, avy amin’ny haben’ny ao am po no itenenan’ny vava, ary avy ao amin’ny fo no ivoahan’ny AINA. Raha manambara izay lazain’Andriamanitra hianao ka MITANDRINA ny TENINY ; manongilana ny sofinao hihaino ny filazany, tsy mamela azy hiala eo imasonao, mirakitra azy ao am-ponao», dia ho «aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra» (Ohab. 4:20-22 ; Sal. 107: 20). Ampianarina isika hampifatoka ny saintsika, sy ny sofintsika sy ny masontsika ary ny fontsika amin’ny teny fikasan’Andriamanitra irery ihany. Tsy ampidirina ao izany ny tahotra, ny tsi-finoana ary ny fahakiviana.
Raha mino an’ANDRIAMANITRA isika dia mandositra ho azy ny tahotra, tsy afa miara-mitoetra ao amin’ny fo iray izy roa ireo. Avy amin’ny devoly ny tahotra, hanakana ny fahasoavan’Andriamanitra ho anao io. Manindrona poizina ao anatin’ny ranao ny tahotra, ary mampahalemy ny vatanao. Tsy mba mampatahotra na iza na iza Andriamanitra fa tsy hanatanteraka ny teny fikasany fa MAMPIANATRA antsika HINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA REHETRA ny Fanahin’Andriamanitra. Mandray ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahin’Andriamanitra mba hampiseho amintsika ny hasoany sy ny heriny, ary mamporisika antsika hitaky ny teny fikasana rehetra ary hihetsika araka izany.
Tsy ilaintsika ny hisahiran-tsaina mba hahalalana raha hanatanteraka ny Teniny amintsika Andriamanitra. Tsy mandainga Andriamanitra. Efa nomeny ny teny fikasany izay nohamafisiny tamin’ny fianianana ho an’IZAY REHETRA MINO. Raha matoky ny tenin’Andriamanitra mihoatra noho ny tenin’olombelona hianao dia manam-pinoana hianao. Mihetseha ary araka izany. Dia hahazo izay rehetra angatahinao amin’ny antony tsara hianao ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
FIAIKENA DISO
Midera ny fahavalo hianao raha miaiky ny fanakantsakanan’i satana anao, ary fomba feno hafetsena hanambarana izany fa mahery noho Andriamanitra satana. Mandevona ny finoana ny tenin’Andriamanitra ny fiaikena toy izany. Mameno tahotra anao izany ary mihazona anao eo ambany fatorana. Manakana ny fahombiazanao izany, mifanaraka amin’i satana hianao ka dia manome azy alalana hifehy anao ; tsy avelany hiala amin’ny fahalemena hianao. «Izay ato amiko dia mahery lavitra noho izay amin’izao tontolo izao» ary «Indro Izaho (Jesosy) manome anareo hery handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo, ary tsy hisy hampaninona anareo akory» (Lio. 10:19) «Tohero ny devoly dia handositra anao izy», ary mijoroa ka lazao ny devoly izay hataony fa aza mankato ny tahony sy ny laingany, dia ho afaka amin’ny fitarihan’i satana hianao amin’ny androm-piainanao ary ho velona tokoa araka izay efa nokasain’Andriamanitra hahavelomanao.
FIAIKENA NOHO NY FTTSAPANA
«Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ?» Na inon-kihatra na inon-kidona, na rahoviana na rahoviana, atodiho mandrakariva eo amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny masonao, ary ny fitenin’Andriamanitra tenenina. Zaro amin’ny fiainan’Andriamanitra sy ny fiteniny ny tenanao. Ny fijoroanao hanohitra ny ota sy ny aretina no hampitombo be ny fahaizanao manohitra ao am-ponao ka tsy hahery intsony satana aminao ; satria efa vita lasitra ao amin’ny fiainanao sy ny fombanao ny tenin’Andriamanitra (II Pet. 1:4). Manjary tsy azo tohaina tahaka an’Andriamanitra hianao, satria ny TENINY no mifehy ny fihevitrao, ny fivavakao, ny teninao sy ny fihetsikao.
NY FIAIKENA dia ny fanamafisana zavatra inoana, fanambarana zavatra fantatra sy marina efa noraisina.
INONA NO TOKONY FIAIKENTSIKA
Tsy afa-miaiky na manambara zava-tsy fantatra isika. Amin’ny vavantsika no tsy maintsy hiaikentsika izay fantatsika manokana ny amin’i Jesosy Kristy ary izay lazain’ny teniny fa ao Aminy isika.
Hita ao amin’ny Baiboly ny tsiambaratelon’ny FINOANA mahafehy. Ataovy izay hahitanao izay nataon’i Jesosy ho anao tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fijaliany. Dia miaike an’izany, ary ampiasao izany zava-bita izany mba hahazoanao izay tadiavinao. Ny figagana fotsiny amin’ireo zava-mahatalanjona ao amin’ny Baiboly ireo kanefa manda na manao tsirambina ny fiaikena azy tsotra sy ny fampiasana azy dia tsy hampanana finoana anao amin’ny andro mahory. Mahalala fa resy teo amin’ny hazo fijaliana satana, resin’ilay Mpisolo antsika (Jesosy Kristy) ary dia nisaina ho antsika ny fandresena azy mba hahazoana mijery antsika any amin’ny boky fitadidiana izay an’ny fitsaran’izao rehetra izao fa TOMPON’i satana isika IZAO ary eken’i satana fa mpanapaka azy amin’ny ANARAN’I JESOSY. Rehefa mahalala izany isika tahaka ny ahalalantsika fa efatra no valin’ny roa ampiana roa, dia ilay FINOANA MAHAFEHY miaraka amin’ny FIAIKENA marina FANANANA FAHEFANA no tonga fiteny mahazatra antsika. Dia mandeha ho azy ny itenanantsika tahaka ny nitenenan’i Jesosy. Fantatsika ny fanavotana antsika. TONGA HO AZY tahaka ny nananantsika tahotra talohan’ny nahazoantsika fahazavana ny FINOANA.
Tonga tahaka ny an’ny lehilahy mahery ny fitenintsika. Tahaka ny olona hafa firazanana sy avy amin’ny fanjakana hafa ny firesatsika ary koa «taranaka voafidy sy fanjaka mpisorona» isika. MANANA FAHEFANA ISIKA. Manohana antsika ANDRIAMANITRA. Sahy isika. Tahaka ny itenenan’ny tsy mino ny tahony no itenenantsika kosa ny fitenin’Andriamanitra.
Imbetsaka ny olona no talanjona sy nitolagaga rehefa NITENY tamim-PAHEFANA sy HERY Jesosy. Na oviana na oviana ary na aiza na aiza ny olona no MINO NY TENINY, dia azo atao na dia ny tsy azo atao aza, manjary mora ilay sarotra ; mitranga izay zavatra tsy fandre, ary dia manjary fahita an-davanandro ny fahagagana.
Nanan-kery ny TENIN’i Jesosy. Mbola mahery tahaka ny fony nitenenany azy ny teniny ankehitriny, satria mbola Jesosy ihany no Jesosy, tsy nanova na irigirika iray monja amin’ny TENINY Izy !
«JESOSY KRISTY NO TSY MIOVA omaly sy anio ary mandrakizay» (Heb. 13:8).
FIFANOHERAN’NY FINOANA SY NY FISALASALANA.
- 1. Manasitrana ny marary ny finoana
- 2. Mitondra fifaliana ny finoana
- 3. Mahatonga an’Andriamanitra ho akaiky sy sarobidy ny finoana.
- 4. Tsy misy zavatra tsy vitan’ny finoana.
- 5. Namonjy an’i Noa sy ny fianakaviany ny finoana.
- 6. Ahazoana fitahiana avy amin’Andriamanitra ny finoana.
- 7. Amin’ny alalan’ny finoana no andraisantsika ny zava-tsoa rehetra.
- Tsy mampahatanjaka velively ny malemy ny fisalasalana.
- Mitondra alahelo ny fisalasalana
- Mahatonga antsika hihevitra an’Andriamanitra ho lavitra sy tsy miraika ny fisalasalana.
- Tsy misy zavatra vitan’ny fisalasalana.
- Nandevona ny olona sisa rehetra ny fisalasalana.
- Mampanota ny fisalasalana. Maha tonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny fisalasalana.
- Noho ny fisalasalana no anariantsika ny zavatra rehetra.
AHOANA NO FIVAVAKA MBA HAHAZOANA
Ny vavaka no hery lehibe indrindra manerana izao rehetra izao ary mahavita zavatra tsy vita amin’ny fomba hafa. Ohatra : Nisokatra ny Ranomasina Mena ary nandia tany maina ny olona telo tapitrisa raha nilatsaka tao, izany dia vokatry ny vavaka nataon’i Mosesy. Nijanona ny masoandro sy volana noho ny vavaka nataon’i Josoa. Niverina indray ny ain’ny zatovolahy anankiray ho valim-bavaka ho an’i Elia. Ary tsy nahalevona ireo zatovo Hebreo telolahy ny afo.
Tsy misy afa-tsy ny herin’Andriamanitra no mahavita izany zavatra izany ary nomena ho valin’ny vavaka natao tamim-pinoana izy.
1. «Mino fa Jesosy Kristy dla Zanak’Andriamanitra» (Jao. 14 6) «Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy». (Heb. 11:6).
Tsy ho azo atao ny handray zavatra avy amin’olona tsy misy, ary rehefa mahalala hianao fa misy Andriamanitra, dia tsy maintsy mino ny Teniny sy ny marina ary ny teny fikasana ambara ao.
2. Mino fa mihaino sy mamaly anao Jesosy rehefa mivavaka hianao. Ary ampiasao miaraka amin’izay ny finoanao.
ZAZAVAVY KELY IRAY NIVADI-TONGOTRA.
Tamin’ny iray amin’ireo fivoriana nataon’Ingahy Smith Wigglesworth, dia nisy zazavavy kely iray tonga hangataka vavaka ho an’ny tongony anankiray nivadika. Voamarik’Ingahy Wigglesworth fa nitondra vatakely iray tao ambany heliny izy. «Inona no ao anatin’iny vatakely iny ?» hoy ny fanontaniany. «Ny ilan’ny kiraroko tsara, satria fantatrao fa rehefa mivavaka hianao dia hatsotran’i Jesosy ilay tongotro mivadika koa dia tsy ho azoko hanaovana intsony ity kiraro boribory anaovako ity noho ilay tongotro kilemaina». Nivavaka Ingahy. Wigglesworth, dia naka toerana akaiky azy teo amin’ny lampi-hazo ilay zazavavy, dia niondrika ka novahany ny tadi-kiraro tamin’ilay tongony mivadika ary notsoahany ny tongony, raha vao nohetsehiny ilay tongotra dia nitsotra niaraka tamin’izay ka tonga tsy nisy hafa tamin’ilay ilany tsara. Dia nampidiriny haingana ilay kiraro nentiny ary nidina namonjy ny toerany izy, satria rehefa tonga mba hanaovana vavaka izy, dia fantany fa ho eo Jesosy ka hanao asa. Rehefa mivavaka hianao, dia tsy maintsy mino koa fa eo akaikinao Jesosy, ka dia mihetsika araka izany hianao.
3. Tsy maintsy manana FANIRIANA HENTITRA izay zavatra anaovantsika vavaka isika, ary ny hamafin’izany faniriana izany no hampanana faharetana antsika sy hitalahoantsika amin’Andriamanitra ary hitenenantsika tahaka an’i Jakoba hoe : «Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahianao aho» (Gen. 32:36) sy tahaka ilay lehilahy ao amin'ny Lioka 18:1-8
LEHILAHY IRAY TANY SALEM OREGON.
Raha nanao fivoriana tany Salem Oregon, izahay dia nisy lehilahy kristiana mahantra anankiray izay tonga mandrakariva teo amin’ny fotoana. Nihorakora-pifaliana aoka izany izy isaky ny mandre ny zava-tsoa efa nomanin’Andriamanitra, tena namporisika marina ny mpitory hitory amin’ny fony rehetra izy. Kanefa narenina izy. Maro ny olona sitrana isan-kariva, izy kosa anefa mbola nitondra ilay solo-sofina. Koa rehefa nifarana ny fotoana dia najanoko tao amin’ny paosin-trano izy ka nataoko hoe : «Fantatro fa tia an’Andriamanitra hianao, koa tsy misy antony tsy tokony hahasitrana anao. Hivavaka ho anao aho», ka dia natsotrako ny tanako ka noraisiko ny sofiny ary nivavaka tamin’ny Anaran’i Jesosy aho. Kanefa najanony tampoka aho ka hoy izy. : «Aoka ihany izaho no hahazo izany avy amin’ny finoako.» «Tsara izany», nahafaly ahy ny fihetsika toa izany ka dia lasa aho. Kanefa isan’alina mbola iny eny ihany ilay solo-sofiny.
Indray alina anefa teo am-povoan’ny toriteniko indrindra, nitsangana rangahy io ary nanofahofa tanana sy niantso hoe : «Aoka, aoka» FANTATRO ny tsy mampahasitrana ahy ! Nieritreritra aho teto am pipetrahana teto nandritry ny toriteninao. Tsy azoko antoka intsony na te-hositrana aho na tsia, manampy ahy be mantsy ity solosonko ity rehefa tsy te-handre zaza mitomany aho dia vonoiko fotsiny izy, raha tsy te-hihaino ny vadiko aho, dia tapahiko fotsiny izy. koa tsy fantatro na najanoko izany zavatra efa mety amiko izany na tsia. Tsy nisy afa-nanery azy hositranina raha ny tenany aza tsy tia izany. Koa aza mijery ny namana ka manao hoe nahoana izy no tsy sitrana. Minoa fotsiny ny Tenin’Andriamanitra hianao ary raiso ny fahasoavan’Andriamanitra.
4. Ataovy amin'ny zavatra voafaritra tsara ny vavaka. Aza manantena valim-bavaka raha manao vavaka be fahatany tsy misy zava-kendrena voafaritra tsara ao an-tsaina. Betsaka no mankao amin’ny efitranony mba hivavaka hangataka izay zavatra sendra tonga ao an-tsainy amin’io fotoana io ; tsy tadidiny intsony anefa izay zavatra nagatahany rehefa vita ny vavaka nataony. Tsy izany no vavaka ahazoam-baliny.
Tsaratsara kokoa ny mangataka zava-dray loha amin’ny indray mandeha. Satria efa toa izany mantsy no nahariana ny sain’ny olombelona dia ny tsy ahaizany mampifantoka ny eritreriny amin-javatra maro loha indray miaraka. Toa izany avokoa ny vavaka rehetra nahazoam-baliny ao amin’ny Baiboly, zavatra IRAY no niriny mihoatra ny zavatra rehetra, zavatra iray no nangatahiny, ka dia io zavatra nangatahiny io INDRINDRA no azony.
Nivavaka hahazo ranon’orana Elia, tena nitalahoany mihitsy io ka naveriny im-pito ny hataka momba io, tsy nisy zavatra hafa nolazainy, RANON’ORANA ihany no naverimberiny. Nitady ranon’orana izy, ary rehefa nitangorona ny rahona dia najanony ny vavaka ka lasa nitady fialofana izy.
5. TSY MAINTSY MANGATAKA AMIM-PINOANA HIANAO.
«Aoka hangataka amim-pinoana (mba handray) izy ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany» (Jak. 1:6-8).
Raha nampanantenain’Andriamanitra olon-kafa izay irinao dia homeny anao koa izany raha hino hianao ka ho velona ho an’Andriamanitra, satria ny teny fikasan’Andriamanitra tsy «eny» ho an’ny sasany fa «tsia» ho an’ny hafa kosa izay samy mahatanteraka ny fepetra. «Fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia tsy «eny» sy «tsia», fa ao aminy dia «eny» ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny «eny», ary amin’ny alalany koa ny (Amena» ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataony» (II Kor. 1:19-20). «Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadino ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.» (II Kor. 7:1). «Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo» (Sal. 66:18).
6. TSY MAINTSY MIVAVAKA AMIN’NY ANARAN’I JESOSY
ISIKA tsy manana lova na fananana any an-danitra isika, raha tsy efa manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy ny tenantsika. Tsy misy mankany an-danitra raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hoy Jesosy raha misy mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy ary hahazo valiny sahaza azy, holavina izy. Fa hoy koa Jesosy «Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy» (Jao. 10:1).
Samy mahalala avokoa ny olona rehetra ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny anarana eo amin’ny taratasim-bola (chèque). Jesosy irery ihany no manana ny tahirim-bola rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka azony ampiasaina, nomen’ny Ray Izay any an-danitra an’i Jesosy ny «Fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany» (Mat. 28:18), ary Jesosy no nanao hoe : «Izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny ANARAKO, dia homeko anareo izany». Homen’ny Raintsika izay any an-danitra antsika izay zavatra rehetra alaina amin’ny alalan’izany anaran-tsoan’i Jesosy Kristy izany, izay Zanak’Andriamanitra Velona.
Nomen’i Jesosy fahefana hanisy sonia izay taratasim-bola halefa any an-danitra ny mpanaraka Azy, Haleloia ! Tsy mety ritra ny trano fitehirizany, ary faly Izy rehefa ampiasaintsika ny Anarany ka mangataka any amin’ny trano fitehirizana any an-danitra isika ! Haleloia !
Misy FAHASITRANANA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy HERY ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy FANDRESENA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy FAMELOMBELOMANA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy FAHAFAHANA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Tsy mahalala anarana hafa mitondra fifaliana, fiadanana sy hery na mampandositra ny devoly toy ny ANARAN-TSARO-BIDIN’I JESOSY aho. Misy HERY lehibe ao amin’ny Anaran’i Jesosy, satria naharesy ny ota, satana, aretina, fahafatesana sy helo ary fasana Jesosy, ary nitsangana tamin’ny maty tamim-pandresena tamin’ny andro fahatelo mitondra ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo, ka nanao hoe : «EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY, koa mandehana hianareo ary mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra». (Mat. 28:18) Apok. 1:18). Tsy misy antony hijananonan’iza na iza eo ambany fatoran’i satana intsony.
7. Mivavaka araka ny fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra voasoratra.
Raha manao vavaka mifanohitra amin’ny Teny nampanoratin’Andriamanitra dia toy ny maka fanahy an’Andriamanitra. (Vakio ilay boky kely mitondra ny lohateny hoe : «Fanamarinana tsy azo lavina fa sitrak’Andriamanitra ny hahasitrana ny olona rehetra» mba hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fanasitranana). Ny Baiboly no fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra. Manan-kery hanao ny asany manokana ny Baiboly sy hanatanteraka izay zavatra lazainy sy ampanantenainy, raha fantatra sy raisina izy ary arahina amin’ny fo tsotra. Mahatonga finoana ho amin’ny fanasitranana ary mahasitrana ny Tenin’Andriamanitra : «Nandefa ny Teniny Izy mba hahasitrana azy» (Sal. 107:20).
8. Ho amin’ny ANTONY tsara no ivavaho.
Tsy maintsy mitsinjo ny voninahitr’Andriamanitra ny faniriantsika. Tsy hanasitrana olona mba hanotany ihany ka tsy hananany fangirifirina sy fahasahiranana Andriamanitra. Tsia fa raha manota ny olona dia vao mainka koa hamafisin’Andriamanitra ny aretiny mba hialany amin’ny fahotany raha mankany amin’ny helo hianao dia hanao toy izany isaky ny mahita vato misakana apetrak’Andriamanitra eo amin’ny lalanao. «Sarotra ny lalan’ny mpanao ratsy». Tsy maintsy dinihintsika ny fontsika mba hahitana raha marina eo imason’i Jehovah isika. «Raha mankasitraka ota tao ampontsika isika dia tsy mba hihaino antsika ny Tompo». Mahazo zavatra avy amin’Andriamanitia isika satria manao ny zavatra mahafaly Azy.
Azonao antsoina avokoa ny olona rehetra eto ambonin’ny tany hivavaka ho anao hahazoanao zavatra iray, fa raha mikomy sy manota amin’Andriamanitra hianao dia tsy hahazo na inona na inona na dia ilay zavatra tian’Andriamanitra homena anao indrindra aza no angatahinao. Fa mitaky ny fifandraisantsika tsara amin’ny mpiara-belona amintsika, ny fitiavantsika an’Andriamanitra alohan’ny hamaliany ny vavaka ataontsika. Ary tsy misy fizahan-tavan’olona na mpitondra fivavahana na olon-tsotra efa nanompo an’i Jesosy nandritry ny taona maro, raha vao miala amin’ny fiainana marina ka manao zavatra tsy mahafaly ireo MASON’ny Tompo mahita ny zavatra rehetra dia tsy hihaino ny vavaka ataony intsony Andriamanitra raha tsy efa mibebaka izy ka manonitra ny ratsy vitany. (Ezek. 33:11; II Tant. 16:7-13). «Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.» (II Tant. 16)
Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery INDRINDRA (Jak. 5:16) Rehefa nilazan'ny mpaminanin'Andriamanitra ny amin'ny hahafatesany ny mpanjaka Hezekia, izay mpanjaka marina, dia nitodika tany amin’ny rindrina izy ka nitalaho tamin’i Jehovah ary nangataka mba tsy ho faty. Ren’Andriamanitra niaraka tamin’izay ny vavaka nataony ka naniraka ny mpaminany indray Izy hiverina mitondra hafatra fa mbola nomena andro 15 taona indray izy hahavelomany (Isa. 38).
Mba nanao vavaka be koa Saoly, ilay mpanjaka nihodina, kanefa TSY NETY NIHAINO azy Andriamanitra satria tsy nety nibebaka sy niova famindra izy (I Sam. 28:6). Misy olona mivavaka hoe : «Tompo ô, vonjeo aho, ampio aho, ampio aho hitaizako ny zanako tsara, ets.» kanefa tsy mitondra ny ankohonany miangona izy mba handre ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, tsy mba miezaka akory izy mba hanova ny fomba fiainany feno ota sy tsy hiaraka amin’ireny namana mpankahala an’Andriamanitra sy tsy mankato ny Filazantsara ireny. Misy aza tsy mba mitady fotoana kely akory hamakiana ny Baiboly isan’andro na mivavaka mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra sy ny toro-heviny. Misy olona mivavaka mba hisao-bady sy hampakatra vady vaovao.Efa nilaza taminao Andriamanitra tsy hanao izany. Angamba hivavaka hianao mba hanovan’Andriamanitra ny heviny, tsy MIOVA ANEFA ANDRIAMANITRA, izay mitranga dia vohanao ho an’ny devoly mpandainga ny fonao ka ampidirinao ao izy hanome hevitra anao izay mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra, manadala ny tenanao hianao ary mandrovitra ny feon’ny fieritreretanao, ary raha mampakatra vady vaovao hianao ka miady mba hahita fahombiazana dia ao ihany ilay fahatsiarovan-tena miafina ho meloka.
MANAO FAHAGAGANA JESOSY REHEFA AO NY FINOANA
Na dia manana ny finoana sy ny hery rehetra aza Jesosy, dia tsy mba manome fahasitranana an-tery setra ho an’ireo izay tsy mila izany Izy akory, na ho an’ireo izay tsy mety mino ny herin’i Jesosy. Tsy nahavita fahagagana lehibe tao Nazareta, tanàna nonenany Jesosy satria tsy nety nino ny tao, betsaka tokoa ny olona nila fanampiana kanefa tsy nahavita fahagagana lehibe tao Jesosy noho ny tsi-finoan’ny tao, nitomany an’i Jerosalema Jesosy ary ho namonjy azy raha nino an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra izy fa nandà Azy izy ka dia nahita fahafatesana mahatsiravina.
Raha maty ka nalevina Lazarosy sakaizany ary nitomany Marta sy Maria sy nilaza tamin’i Jesosy hoe : «Raha teto Hianao dia tsy maty ny anadahiko, dia hoy Jesosy : «Raha MINO hianao, dia hahita ny VONINAHITR’ANDRIAMANITRA». Nanaiky Marta ary nino fa haseho ny voninahitr’Andriamanitra rahatrizay, kanefa najanon’i Jesosy izy ka nataony hoe: «Tsy efa nilaza taminao va Aho fa raha mino HIANAO (izao ankehitriny izao) dia hahita ny VONINAHITR’Andriamanitra, esory ny vato». (Jao. 11:39-40) tsy maintsy nampiseho ny finoany tamin’ny fanaovany izay nasain’i Jesosy natao izy ireo ary rehefa vitany ny anjarany dia mba nanao ny azy koa Jesosy ka nanangana an’i Lazarosy ary namelona azy indray. Raha maro loatra sy nifanosika ny vahoaka nanaraka an’i Jesosy dia tsy nisy sitrana ambara-pisisik’ilay vehivavy narary nandritry ny 12 taona hankao an-damosiny (Jesosy) ka nikasihany Azy «tamim-pinoana» (Lio. 8:43-48). Tsy mahasitrana anao akory ny toerana misy an’i Jesosy ; tsy maintsy manaiky amim-pinoana izay atolony anao hianao.
AZA FERANA AMIN’IZAY METY HO VITANAO NY HERIN’ANDRIAMANIFRA.
Betsaka no voasakana amin’ny finoana ny Tenin’Andriamanitra noho ny fieritreretana ny FOMBA HAHAVITAN’ANDRIAMANITRA ny fahagagana, AIZA NO HAHITANY NY VOLA ilaiko, iza no sakaizako azon’Andriamanitra itenenana… ets. Raha tsy hitany hoe izao no lalana hahazoan’Andriamanitra miasa dia tsy hino izy fa mahatanteraka izay nampanantenainy fa hatao Andriamanitra (II Mpanj. 7:2). Tsy nilaza taminao Izy hisahiran-tsaina amin’ny FOMBA hanatanterahany ny fahagagana. Nilazany fotsiny hianao HINO sy HIHETSIKA ARAKA NY TENY FIKASANY !
0 Response to " "
Enregistrer un commentaire