PASKA IRAY TSY HAY HADINOINA TANY MARTINIKA

Martinika dia nosy frantsay any amin’ny ranomasin’i Karaiba, ao amin’ireo nosy vitsivitsy ao atsimon’i Porto Rico. Manana Helo-dranomasina malalaka sy mahafinaritra izy io. Mangamanga maha-te-hizaha aok’izany ny ranony, fatratra ihany koa ny toetr'andro, ary ny zava-maniry dia mahatonga ity nosy kely ity ho toy ny paradisa. Noho ireo antony ireo dia maro amin’ny mpanan-karena avy any Eoropa no tonga mandany ny andro fialan-tsasatra any Martinika, miharo amin'ny filalaovana sy ny fahotana.

Tamin’ny Paska 1905 dia sambo lehibe 12 avy any Eoropa no hita niantsona teo amin’io helo-dranomasina io, ireo mpandeha rehetra kosa nankalaza, ny karemy teny amoron-dranomasina niaraka tamin’izay mety ho faharatsiana rehetra noho ny fetin’ny Mardi Gras. Tsy mba nisy fiangonana nitory ny Filazantsara tao amin’ity nosy kely ity. Kanefa tsy sitrak’Andriamanitra hisy ho very na dia iray aza, fa mba samy ho tonga amin’ny fibebahana ny rehetra, dia naniraka zatovo roalahy tamin’ny sambo avy any Kanada Izy. Rehefa tonga tao Martinika ilay sambo, dia nanontany azy roa lahy ilay manam-boninahitra mikarakara ny fampidirana ny vahiny ny amin’izay zavatra kasainy hatao ao Martinika. "Hitory ny tenin’Andriamanitra hoy ny valintenin’ireo".
Raha FITORIAN-TENY, dia tsy mila izany ny mponin’ny nosy, satria manelingelina ny lalaony ary tsy ahazoany manara-po amin’ny fahotany. Dia hoy ilay manam-boninahitra tamin’izy roalahy : "Tsy mahazo manitsaka ity taninay ity akory ianareo. Andeha mijanona eny an-tsambonareo ka rehefa miainga ny seranana io dia mandehana miaraka amin’izay koa ianareo".

Nandihy sy nisotro ny mponina teny an-tanety ary mba hanehoany ny fanesoany dia kisoa no nohomboany tamin’ny hazofijaliana mba ho faniratsirany ny nanomboana an’i Kristy, Nihoam-pampana tsy zakan’Andriamanitra izany, ka niaraka tamin’izay dia nidona-tsetroka ny tendrombohitra avo iray nandindona ilay helo-dranomasina, toy ireny hisy volkano hipoaka ireny. Raiki-tahotra ny olona rehetra ka naniraka mpahay siansa handinika akaiky ilay tendrombohitra na hisy volkano hipoaka tokoa, na tsia.
Nozahan’ireo mpahay siansa ary ny tany ka mangatsiaka toy ny mahazatra. Dia niverina ireo ka nanao hoe : "Tohizo ihany ny dihy sy ny fahafinaretana fa tsy misy atahorana". Dia nihanaka tanteraka ny mozika sy ny fahotana.

Lasa ny telo andro, nandao ny seranana ilay sambo kanadiana, izay nitondra ireo Evanjelistra roalahy, fa raha vao nahafaka 5 kilaometatra izy ireo dia tonga ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA. Ny Ilan’ilay tendrombohitra lehibe manontolo no nipoaka ary tao anatin’ny 30 segondra monja dia nandrakotra ny tanàna tamin’ny ranoka mahamay ny lavenona. Tsy nisy afa-nandositra ny loza afa-tsy mpitoriteny iray voahidy tany amin’ny fanambanin’ny fonja. Rehefa voaesotra ny korontan-javatra sy ny vato mihazo ilay tanàna dia hita velon’aina ity mpitoriteny ity ary tsy nisy naratra na kely akory aza. Ny afom-bolkano dia nianjera any amin’ny 200 kilaometatra manodidina, ary ireo tompon-tany dia voatery nitsangana teny an-tsahany niady tamin’ny lavenona nanidina nameno ny sahany. Ny sambokely nitondra ireo mpitoriteny roalahy kosa tapitra nirehitra raha vantany vao tonga tao amin’ny nosy manaraka dia i Sainte-Lucia.

Izay rehetra tonga nitsidika ny nosy Martinika dia nandre avy tamin’ny mponina izany tantara izany.

Fampitandremana hentitra ho an’izao taranaka indray miaina izao izany, fa tsy zakan’Andriamanitra ny fanesoana ny sorona nataon’i Jesosy hamonjena izao tontolo izao. Hisy andro izay hamalian’Andriamanitra ny natao, FAHAFATESANA NO TAMBIN’NY OTA fa fiainana mandrakizay kosa no fanomezan’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika (Rom. 6:23).

Fanoharana maro no entin’i Jesosy milaza ny fihetsik’Andriamanitra eo anoloan’ny mpaniratsira ny fanomezany ny famonjena, "Fa ireo fahavaloko tsy nanaiky hanjakako ireo, dia ento aty ka vonoy eto anatrehako" (Lio. 19:27). "Dory ny tanànany. Zarao ho an’izay manompo ny Tompo ireo babo".

Rehefa miverina amin’ny voninahiny rehetra eny amin’ny rahon’ny lanitra Jesosy : "Ny maso rehetra hahita azy... Ilay nolefoniny" Ary ny firenena rehetra ambonin’ny tany hisaona Azy. Ho hitany ireo dian-pantsika sarobidy teo amin’ny tànany izay nozakain’i Jesosy noho ny OTAKO SY NY OTANAO.
Izay rehetra maniry famonjena izao dia afaka hanana izany, fa aza mirehareha ny ho amin’ny ampitso ianao na dia ny avoaky ny anio aza tsy fantatrao (Oha. 27:1).

Rehefa miverina indray amin’ny hery sy ny voninahitra lehibe Jesosy dia hitondra FIRAVORAVOANA ho an’ireo tia sy manompo marina ny Tompo amin’ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izany. Fa fandravana tanteraka kosa ho an’ireo nandà ny famonjena azy. Tsy hahasoa anao ny volamenanao rehefa higadona izay andro izay.

Maro ny olona miezaka mitady volamena ankehitriny, "tsy manam-potoana" homena an’Andriamanitra amin’ny vavaka sy ny famakiana Baiboly, na hanao izay tian’Andriamanitra hotanterahina eo amin’ny fiainany, fa rehefa tonga Jesosy, dia hariany eny an-dàlambe ny volamenany, "dia toa an’i Jodasy izay nanipy ny farantsa 30 nivarotany an’i Jesosy" Jereo Ezekiela 7:19.

Ny hoe Paska dia midika ho FANOLORAN-TENA TANTERAKA ho an’i Kristy amin’ny fitiavana vaovao sy ny fahatsorana ary fankasitrahana izay rehetra nataon’Andriamanitra ho antsika tamin’ny alalan’ny nijalian’i Jesosy Kristy Ilay Zanany Lahitokana. (Isa. 53:5,6).

Nosoratan’ M.A. Daoud Mivady

Ny Finoana

Ny handraisana azy, ny hampiasana azy

FOTOTRA HO AN’NY FINOANA MARINA HAHAZOANA FANASITRANANA.

Mampiseho ny sitrapon’Andriamanitra ny amin’ny fanasitranana ny Baiboly. Tsy mbola nanohitra ny teny nampanoratin’Andriamanitra ny fampisehoana manokana ny sitrapony. Mampiharihary ny fitiavan’Andriamanitra ho «mpanasitrana» ny olony ny fianarana tsara ny Soratra Masina ary manambara ny sitrapony hanasitrana ireo izay mankato Azy. Hijery andininy vitsivitsy avy ao amin’ny soratra Masina isika hanamarinana izany.

Rehefa nitondra ny Zanak’Isiraely nivoaka tany Egypta Andriamanitra dia nanome azy fitsipika sy fepetra ho amin’ny FANASITRANANA (Eks. : 75:26). Naverina indray io tamin’ny fiafaran’ny 40 taona nirenirenena tany an’efitra. Hitantsika ao amin’ny tantarany fa narary sy azon’aretina izy, ary raha niverina tamin’Andriamanitra sy nibebaka dia nahazo fahasitranana ho valim-bavaka. Raha fanaon’Andriamanitra ny manome fanasitranana ho valim-bavaka tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha dia vao mainka koa mahery ny fiasan’izany amin’ny andron’ny Testamenta Vaovao. «Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra» (Mat. 12:15). Tsy ho fampisehoana ny maha Andriamanitra Azy fotsiny akory, araka ny iheveran’ny sasany azy, ny asa fanasitranana nataon’i Kristy fa mba ho fanatanterahana izay nanirahana Azy - hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. «Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô » (Heb. 10:7).

Jesosy dia fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra. Nanao ny sitrapon’Andriamanitra Izy ; nanasitrana izay rehetra nanatona Azy Izy. Tsy miova mihitsy ny maha Mpisorona Azy ; Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay. Tsy miova ny fitiavany fa toy ny tamin’ny nanasitranany olona marobe ihany ; tsy miova ny heriny fa toy ny tamin’ny nanasitranany ny aretina maro samy hafa ihany. «Koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky (Heb. 2:17). Na taiza na taiza nalehany fony mbola nanao ny asany tety ambonin’ny tany dia nanana fo mangoraka Izy ary NANASITRANA « ireo rehetra naniry ho sitranina», ary Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ho antsika Izy Ankehitriny. Mitovy ihany ny hevitry ny hoe «fangoraham-po sy famindram-po» ao amin’ny Soratra Masina.

Manana hevitra fisoloana - miharitra fahoriana ho an’olona, fa tsy miarak’ory aminy - ny teny hoe : «mitondra» ao amin’ny Mat. 8 : 17. Raha nentin’i Kristy ny aretintsika, nahoana isika no hitondra azy ? Hitantsika ao amin’ny Testamenta Taloha ny santionan’ny avotra momba ny fanasitranana. Ny fanadiovana ny boka (Lev. 14) ; ny fanasitranana ny areti-mandringana (Nom. 17:15) ; ny menarana varahina (Nom. 21:7-9) ; ny nanasitranana an’i Joba (Job. 33:24).

Hitantsika ao amin’ny Deotornomia toko faha-28 fa natao ho isan’ny ozona ny famparariana. Fa milaza ny (Gal. 3:13) fa «nanavotra antsika tamin’ny ozon’ny lalàna Kristy».

Mifampiankina hatrany ny aretina sy ny ota hatrany am-piandohan’ny Soratra Masina ka hatrany am-piafarany : (Sal. 103:3 ; Jao. 5:14 ; Matio 9:5-6) ; mbamin’ireo hafa koa milaza ny momba izany. Tamin’ny alalan’ny ra soan’i Kristy izay nalatsaka ho antsika sy tamin’ny dian-kapoka niharetany no nahazoantsika fanavotana ho afaka amin’ny ota sy aretina.

Omena amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika avokoa izay omen’Andriamanitra antsika, ary ho an’izay rehetra mahatanteraka ny fepetra sy mino ny Teny. Mety hanava-tena isika ka nanao hoe : «Tsy sitrapony» fa tsy manavaka na iza na iza Andriamanitra. Tsy mizaha tavan’olona IZY. Ho an’ny olona rehetra ny teny fikasany. «Misy marary va eo aminareo ?: (Jak. 5:14). «Mangataha dia homena hianareo» (Mat. 7:7). Raha mangataka zavatra Amiko amin’ny anarako hianareo dia hataoko izany» (Jao. 14:14). «Na inona na inona tononinareo amin’ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray hianareo, dia ho azonareo izany» (Mar. 11:24). Ampanantenaina ny fahasitranana amin’ny alalan’ny fitoeran’ny Fanahy Masina (Rom. 8:77). Ireny teny ao amin’ny Soratra Masina ireny ilay teny fikasana nomena mivantana sy ho an’ny olona rehetra dia mampahalala mazava ny sitrapon’Andriamanitra hanasitrana izay rehetra manatona Azy amim-pinoana. IZANY NO SITRAPONY, NY LALANY. Tsy misy fomba hafa fanasitranana amporisihina ao amin’ny Baiboly. Tsy manana lalan-kafa afa-tsy izany ho an’ny olony Andriamanitra.

Ny sitrapony dia ny hananantsika fahasitranana, fahasalamana ary tanjaka ao amin’i Kristy. Zo sy tombon-tsoantsika ao Aminy izany. Sitrany isika ary manome voninahitra Azy raha manaiky ny lalany. Tiany raha salama isika. Hekentsika ve izany fitiavana atolony izany ? Hankato Azy amin’ny fanarahana ny lalany va isika, mba hahatanteraka ny sitrapony ato amintsika sy hanomezantsika voninahitra an’Andriamanitra ato amin’ny tenantsika.

Tsy ilaintsika ny mivavaka hoe : «raha sitrakao Tompo ô, sitrano aho» raha manana fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra isika. Ny «raha» mantsy dia mitory fisalasalana, ary manafoana ny finoana ny fisalasalana. Nisy marary anankiray niteny tamin’ny mpanoratra tsy ela izay, hoe : «Mino ny fivavahana fangatahana fanasitranana amin’Andriamanitra aho raha sitrapony ary mba hahazoana an-tsary izay heveriny dia hoy izy : «Mety hangata-javatra amin-drainy ny zaza, ary homen-drainy azy izany raha heveriny fa hahasoa an’ilay zaza ; ary tahaka izany koa no ivavahako hahazoana fanasitranana». Izao no valiny : raha NANOME TOKY ny ray fa hanome zavatra iray an-janany, dia manan-jo ny hanantena izany ilay zaza ; NAMPANANTENA fahasitranana ho antsika ny Raintsika, koa manan-jo HANANTENA isika fa hitàna ny teny nomeny Izy.

Ny tsi-fahalalana ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny zavatra sasany dia mety hahatonga antsika hivavaka amim-pinoana fa hanao izany Andriamanitra raha sitrany, ary hanao izany Izy. Fa rehefa nilaza ny sitrapony Andriamanitra ka nanome toky fa hanao zavatra iray, dia tsy tokony tsy hahalala izany isika na hisalasala ny amin’izany. Mampiseho ny Teniny fa sitrapony ny fanasitranana, dia tahaka ny maha sitrapony ny famonjena koa raha mahatanteraka ny fepetra isika ka mino ny teny fikasany.

Miankina amin’ny fahalalana ny sitrapony ny finoana mahazo zavatra avy amin’Andriamanitra. Ny fahalalana ny sitrapony no fototry ny fanantenantsika. Tsy hahazo fahasitranana amim-pinoana mihitsy isika ary amin’ny fandraisana izany raha mbola misalasala ny amin’ny maha ho antsika izany. Tsy maintsy mahalala ny sitrapon’Andriamanitra isika ; dia mandray amim-pinoana, mino fa rehefa mangataka dia mahazo. Manana ny anjarany ao amin’ny fahasitranana koa ny sitrapontsika. Horaisintsika va izay efa sitrak’Andriamanitra homena antsika ? «Raha miray Amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany (Jao. 15:7). Raha mifanehitra ny «mety Aho»-ny sy ny «mety aho»-ntsika dia ho vita ny asa.

JESOSY MPANASITRANA SY MPAMONJY

Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy narary, no afa-nanao izany ; ary nanao izany Izy noho ny FITIAVANY lehibe, ho antsika no nanaovany izany (Isa. 53).

Talohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana tao Kalvary anefa dia niezaka hampiseho amin'ny mpianany Jesosy izay hitranga sy izay ho vokatry ny fijaliana tsy maintsy hiaretany. Toy izao no fitantaran’i Paoly an’izany : «Tamin’iny alina iny, izay namadihana ny Tompo Jesosy, dia nandray MOFO Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity ny tenako ho anareo ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy izy : Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako ; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo» (I Kor. 11:23-23).

Mampisalasala ny hihevitra fa azon’ireo mpianatra izay niara-nisakafo taminy sy nandre Azy niteny ireo teny nolazainy ireo. Tsy azony an-tsaina velively akory izay hitranga - kanefa dia nitranga izany, ary tamim-pahabibiana, tsy fahamendrehana, ambany, mahery setra ho an’ny famonjena ahy sy hianao.

Nokapohina teo an-tanan’ireo lozabe Jesosy, Ilay ZANAK’ONDRINTSIKA. Nororana Izy. Notorotoroina Izy. Nampijaliana Izy. Namela diany lalina ny kapoka nataon’ireo kotopian’ny miaramila Romana izay nanomb bnn ika nofo tamin’ny lamosiny mihitsy. IREO NO DIAN-KAPOKA izay nolazain’Isaia sy Petera hoe : NAHASITRANA ANTSIKA. Ary ny tenany no nasiana ireo (Isa. 53:5 ; I Pet. 2:24). Nokapohina tsy nisy indrafo ny tenany ho antsika. Tsy fanavotana noho ny fahotantsika izany, fa ny fitondrana ny aretintsika izay nahatonga ny fanasitranana ny aretintsika ho efa novononina tao. Ary mbola averiko indray : ireo dian-kapoka nanasitranana antsika dia nisoritra teo amin’ny TENANY, hoy Matio : «Nitondra ny rofintsika izy ary nivesatra ny aretintsika».

Rehefa nokapohina sy notorotoroina ny TENANY mba ho fanasitranana antsika, dia nohomboana teo amin’ny hazo fijaliana ary nolefonina ny tehezany. Nigororoana teo amin’ny tany ny rany, ary ho famelana ny heloky ny maro no nandrarahany izany» (Mat. 26:28) fa tsy ho fanasitranana ny aretina akory.

Indroa nijaly Jesosy Zanak’Ondrintsika. Nandraraka ny rany teo amin’ny hazo fijaliana Izy ho famonjena antsika amin’ny fahotantsika, ary nitondra ny dian-kapoka teo amin’ny TENANY Izy ho fanasitranana antsika amin’ny aretintsika. Tamin’ilay fotoana fialan’aina tao Kalvary dia nijaly am-panahy tokoa Jesosy fa toa hatramin’ny Rainy aza no nandao Azy ; nanao izany anefa Izy ho fitondrana ny fahotantsika ary natao ota mba hamonjy antsika (II Kor. 5:21). Fa amin’ilay fijaliana ara-batana tao amin’ny Fitsarana izay niaretan’i Jesosy ny kapoka nafitsok’ireo miaramila romana tsy nifaditrovana, dia ny aretintsika no nentiny ; satria tamin’ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika.

Rehefa vita izany ka niverina ho eo amin’Andriamanitra Jesosy ary mipetraka eo an-tanana ankavanany, fa tanteraka daholo ny zavatra rehetra ary afaka tanteraka tamin’ny fanandevozan’i satana ara-batana sy ara-panahy ny olombelona, dia nasehon’ny Fanahy Masina tamin’i Paoly ny hevitr’izany rehetra izany. Ao amin’ny lahatsoratra nataon’i Paoly no ahitanao ny fandikana izany.

Lazain’i Paoly amintsika ao amin’ny I Kor. toko faha-11 ny amin’ny sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo izay arahin’ny fiangonana rehetra. Lazaina ao ireo TANDINDONA ANANKIROA omentsika voninahitra ho fahatsiarovana izay niaretan’i Jesosy, Ilay Zanak’Ondrintsika, dia ny mofo sy ny divay, misolo ny TENANY voakapoka sy voatorotoro ho fanasitranana ny tenantsika, ary ny ra nalatsaka ho fanasitranana ny fanahintsika. Ary dia hoy Izy amintsika : «Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny» (I Kor. 11:26).

Omen’i Paoly ao amin’ny Korintiana voalohany toko faha-10 andininy faha-16 ny dikan’ireo TANDINDONA ANANKIROA ireo. «Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, moa tsy firaisana amin’ny ran’i Jesosy va izany ? Ny mofo izay vakintsika, moa tsy firaisana amin’ny TENAN’I KRISTY va izany ?».

Nararaka ny ran’i Jesosy mba hitondrany ny helotsika ka tsy hijaliantsika ny hitondra izany intsony fa ny ho voavonjy amin’izany sy hahafahantsika amin'ny herin'ny ota ao amin’ny fiainantsika. NOKAPOHINA NY TENAN’I JESOSY ho fitondrana ny aretintsika, mba tsy hilantsika ny hitondra izany intsony fa ho sitrana aminy sy ho afaka amin’ny herin’ny aretina ao amin’ny tenantsika. Rehefa ampianarina tsara ny Kristiana mba hahalala ny fanafahana azy tamin’ny aretina rehetra sy tamin’ny herin’ny aretina rehetra ao amin’ny fiainany noho ny dian-kapoka tamin’ny TENAN’I KRISTY, dia tahaka ny nampianarana azy koa hahalala ny fanafahana azy tamin’ny ota rehetra sy tamin’ny herin’ny ota ao amin’ny fiainany noho ny nandatsahana ny RAN’I KRISTY, dia ho afaka amin’ny aretina izy tahaka ny maha-afaka azy amin’ny ota koa. Dia tsy hanan-kery amin’ny tenany mihoatra noho ny fahotana intsony ny aretina. Ho hitany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra ny aretina tahaka ny tsy maha-voninahitr’Andriamanitra ny ota koa. Tsy hahita aretina ao amin’ny fiainany intsony izy tahaka ny tsy ahitany ota intsony koa ao amin’ny fiainany. Ho hitany fa samy afaka na ny aretina na ny fahotana satria samy efa nentin’Ilay Mpisolo antsika mahafinaritra, dia Jesosy, ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra nokapohina sy nolefonina ho antsika.

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO.

Rehefa entina eo amintsika ny tandindon’ny Fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompontsika, dia raisintsika ny kapoka ka sotrointsika amim-panajana feno. Rehefa avy misotro azy isika dia maneho ny fisaorantsika ny Raintsika mandrakariva noho izany Kristy mahafinaritra sy noho ny hery mahafinaritra ananan’ny ran’i Kristy mba hanadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Faly isika satria resy ny herin’ny ota ao amin’ny tenantsika, satria tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota Fa ahoana no ahalalantsika izany zavatra izany ? Moa nilazana tanteraka va isika fa manadio antsika tamin’ny fahotantsika rehetra ny ran’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra ? TSIA, no valiny omentsika !

Izao no marina, ary ny marina mahafaka ; afaka amin’ny OTA isika. Voavonjy indray mandeha tamin’ny fiainana feno ota isika ary mino fa tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota, satria VOAVONJY isika.

Fa rehefa atolotra antsika kosa ny mofo dia raisintsika amin-pitiavana ka hanintsika (izany hoe fampisehoana ny tenan’ny Zanak’Ondrintsika, dia tahaka ny niarahan’ny Zanak’Isiraely nihinana ny nofon’ny zanak’ondry tany Egypta). Dia manao fisaorana indray isika noho ny sorona mahafinaritra nataon’i Jesosy. Misaotra Azy isika fa nokapohina ho antsika ny TENAN’I KRISTY, ary hatreo no fampianarana nomena antsika. Nampianarina antsika tokoa fa nolefonina ho antsika io TENA io, fa tsy mba nolazaina antsika ny tombon-tsoa mety ho azontsika noho ny NIKAPOHANA izany TENA izany koa ho antsika.
Hadino mandrakariva ao amin’ny Fanasan’ny Tompo ny hoe : «Izay nanasitrana ny aretinao rehetra» (Sal. 103:3). Ary satria tsy namantatra tsara ny TENAN’NY TOMPO ny fiangonana, dia maro amin’ny mpiangona ankehitriny no marary sy malemy.

NY KAPOAKA SY NY MOFO

Mampiseho ny ran’i Kristy ny divay ao amin’ny kapoaka eo amin’ny Fanasan’ny Tompo, ra izay nalatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Mifaly aho rehefa misotro izany satria novana ilay toetrako feno ota ary namboarina indray aho ho tonga vaovao, satria VOAVONJY AHO. Amin’izany toetra izany no ahafantarako tsara ny ran’ny Tompo. Izany no nataon’ny Korintiana sy ny olona an’arivony maro amin’izao andro izao.

Ny vaki-mofo eo amin’io Fanasan’ny Tompo io kosa dia misolo ny tenan’i Kristy, izay nasian’ny kapoka mafy izay namela diany, ary ireo dian-kapoka ireo no nitondra sy nahasitrana ny aretiko. Rehefa mihinana io aho dia mifaly satria novana ilay tenako malemy sy marary, satria tonga taolana tamin’ny taolany sy nofo tamin’ny nofony ary tena tamin’ny tenany io (Efe. 5:30), ary satria efa «nampisehoana tato amin’ny nofoko mety maty ny fiainan’i Kristy» (II Kor. 4:11) ; satria tsy manan-kery amiko intsony ny aretina, satria SITRANA AHO.

Amin’izany toetra izany no ahafantarako tsara ny tenan’ny Tompo. An’arivony ny olona amin’izao andro izao tsy manana izany.
Manontany tena matetika aho nahoana ireo mpitandrina izay tsy mitory ny fanasitranan’Andriamanitra ny tena no manolotra ny MOFO ho an’ny mpiangony nefa io no misolo ny TENAN’I KRISTY izay misy ny DIAN-KAPOKA nanasitranana antsika (izay mino) (Isa. 53:5 ; I Pet. 2:24). Toa ho tsaratsara aminy kokoa ny hanohy hanolotra ny kapoaka, izay misolo ny ra nalatsaka ho famelan-keloka, ho an’ny olony satria mahafantatra tsara ny RAN’I KRISTY izy ireo sy mahazo tombon-tsoa amin’izany fa tsy hisy antony aminy sy ho herim-po very maina ho azy ny hanolotra ny «mofo», izay misolo ny TENAN’NY TOMPO voakapoka ho fanasitranana ny vatantenantsika, ho an’ny olona, nefa rehefa avy eo mbola hilaza aminy fa tsy an’ny fiangonana ankehitriny intsony ny fanasitranan’Andriamanitra ny vatana. Raha izany tokoa dia tsipazako hevitra izy ireo mba hanaraka izany ka hampijanona hanolotra ilay TANDINDON’ny sorona nataon’i Jesosy, Ilay zanak’Ondrintsika, ka nanomanana izay fahasitranana izany ho an'ny fiangonana. Maro amin’ireo mpiangona ireo no marary sy kilemaina satria na dia mihinana ny tenan’ny Tompo aza izy, dia tsy mahafantatra tsara ny TENAN’NY TOMPO araka izay tokony ho fantany.
Rehefa niteny Jesosy nanao hoe : «Ity mofo vakina ho anareo ity no misolo ny Tenako», dia manantena ny fahalalantsika Izy fa teo amin’ny tenany no nisy ireo dian-kapoka mafy NANASITRANANA antsika. Ny fahafantarana tsara ny Tenany dia hitondra fahafahana amin’ny aretintsika ary ny fahafantarana ny rany nalatsaka no hanaisotra ny fahotantsika. Misy mandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, koa tsy afaka hamantatra na hanana finoana fa mahasitrana ny tenan’ny Tompo na dia efa nampianarina azy aza izany. Raha mandinika ny tenany aloha ny olona mitady fahasitranana ka mampifanaraka ny fanahiny amin’Andriamanitra mba hahazoany «mihinana ny mofo sy misotro ny kapoaka» amin’ny fanahy mendrika, araka izay nampianarin’i Paoly, dia ho tonga eo amin’ny toerana hahafantarany ny tenan’ny Tompo izy sy hananany finoana ho sitrana.

Amiko dia ampianarina mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny fahazoana tombon-tsoa amin’ny fahasitranan’ny tena noho ny TENAN’Ilay Zanak’Ondry nokapohina, dia tahaka ny fampianarana ny fahazoana tombon-tsoa amin’ny famonjena noho ny amin’ny RAN’ny Zanak’Ondrintsika nalatsaka koa.

Fantaro fa nokapohina sy notorotoroina ilay TENA ary izany dian-kapoka izany no nitondra ny aretinao ka nahasitrana anao ary dia salama hianao, dia tahaka ny maha marina koa rehefa namantatra ny RA izay nalatsaka ho anao hianao fa izany sorona izany no nitondra ny helokao, ka dia mahazo famonjena hianao.

Tsy hanan-kery amin’ny tenanao intsony ny aretina tahaka ny tsy ananan’ny ota hery amin’ny fanahinao koa. Ho afaka amin’ny aretina tahaka ny mahafaka amin’ny fahotana koa hianao. Kristy Ilay Mpisolo anao no nitondra ireo ho anao, koa tsy tokony hitondra izany intsony hianao. Raha mino io teny ao amin’ny Soratra Masina io hianao ka mihetsika araka izany dia ho afaka, eny ho tahaka ny ahafahanao amin’ny ota koa no ahafahanao amin’ny aretina.

Indray mandeha ihany no hitondrana ny fahotana sy ny aretina. Ary satria efa voasoratra fa efa nentin’i Jesosy Kristy ireo dia tsy mila mitondra azy intsony hianao. Raha mbola mitondra azy hianao, dia ho herim-po very maina izany ny nitondran’i Jesosy azy, satria tsy mbola nahazo tombon-tsoa avy amin’izany hianao. Kanefa manambara aho fa satria Jesosy nitondra ireo dia TSY ILAIKO SY TSY ILAINAO INTSONY ny hitondra azy, amin’izay dia ho tanteraka ny hoe : «ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika» ary tamin’ny rany no nahazoantsika «famelan-keloka».
Tsy inoantsika intsony izao fa manana alalana hanjaka na hijanona ato amintsika ny aretina.

Takio amim-pinoana ireo zava-tsoa roa lehibe ireo. Ekeo ho anao izy. Ekeo ho MPANASITRANA anao Jesosy tahaka ny anekenao Azy ho MPAMONJY anao koa, dia ho afaka amin’ny aretina hianao tahaka ny maha-afaka anao amin’ny ota koa.
Tsy nisy olona niantso fanampiana ara-batana tamin’i Kristy ka tsy novaliany, fa satria an’arivony maro ny olona mitalaho fahasitranan’ny vatana Aminy dia tsy miova ny teniny voatahiry hoe : «Nositraniny avokoa izy rehetra» (Mat. 4:24 ; 8:16; 12:15; 14:14; Lio. 4 : 40 ;6:9 ets…). «Ary dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy» (Lio. 4 : 40). Tonga hanao ny sitrapon’ny Rainy Izy, koa dia nitory ny Filazantsara Izy sy «nanasitrana ny marary rehetra». «Izay nandehandeha... sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly» (Asa 10 : 38).

Ny antony nanasitranany azy REHETRA dia ny avotra. «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika» (Mat. 8:17).
Raha ny aretintsika fotsiny no nentiny dia tsy feno ny Soratra Masina raha tsy ao ny fanasitranana azy REHETRA.
Izay nataon’i Jesosy tamin’ny nanasitranany ilay vehivavy narary nandeha ra dia ho an’izany vehivavy izany, fa izay nataony tamin’ny fahafatesany dia ho an’ny olona rehetra.

Satria ny fanavotana no antony nanaovan’Andriamanitra ny fanasitranan’i Kristy azy rehetra, dia tsy maintsy tohizany ny fanasitranana izay REHETRA mahatanteraka ny fepetra. Izay nataon’ny fanavotana tamin’ireo velona tamin’izay fotoana izay mantsy dia mbola ataony koa amintsika ankehitriny. «Niharan’ny fahafatesana Izy ho an’ny olona rehetra». Ny zava-kendreny amin’ny fandidiany izany ho toriana amin’ny olombelona rehetra (Mar. 16:15-18) dia ny mba hahazoan’ny olombelona rehetra mandray ny tombon-tsoa avy aminy. Na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza no itoriana an’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony ho an’ny ota sy ny aretina, dia fanasitranana ho an’ny vatana marary no vokany ary famonjena ho an’ny fanahy very.

NITORY AN’I KRISTY PAOLY. «Ary nisy lehilahy anankiray nipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra ; izy nahare an’i Paoly nitoriteny ; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin’ny feo mahery hoe : «Mijoroa amin’ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana» (Asa. 14:8-10). Tsy maintsy ho nitory ny Filazantsaran’ny fanasitranana Paoly, satria nahazo finoana hositranina ilay lehilahy nalemy raha nihaino ny toritenin’i Paoly.

Na aiza na aiza itoriana ny fanasitranan’Andriamanitra ho an’ny tombontsoan’ny olona rehetra, ka mihaino tsara ny teny toriana ny olona, dia tafiditra ny finoana ka sitrana hatrany ny olona. MAHOMBY MANDRAKARIVA izany fomba izany, TSY MAINTSY MAHOMBY NY FINOANA. Aoka haveriko indray fa tsy afa-miasa ny finoana raha misalasala ny tena ny amin’ny hanasitranan’Andriamanitra azy rehetra na tsia. Raha tsy hanasitrana azy rehetra Izy, dia voatery isika isak’izay mitranga tsy maintsy hanontany hoe : «Asa na sitrak’Andriamanitra ny hanasitrana ity anankiray ity, na hoe sao sitrak’Andriamanitra ny handrian’ity sy ny hijaliany ? Ahoana no hahavitantsika ny VAVAKY NY FINOANA raha izany eritreritra izany no ao amintsika ? Aoka ho tafatoetra indray mandeha sy ho mandrakizay ny hoe : SITRAK’ANDRIAMANITRA NY HAHASITRANA AHY, manan-jo ny hositrana aho tahaka ny ananako zo ny ho voavela heloka koa rehefa MINO. Hoy Andriamanitra : «Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao», ary raha Andriamanitra no milaza izany, ary Andriamanitra tsy mandainga, dia izany tokoa no HEVINY. Izay lazain’Andriamanitra dia marina. Koa azoko ny fahasitranana. An’isan’ny Filazantsara koa ny fahasitranana ka tsy maintsy toriana na aiza na aiza «eto amin’izao tontolo izao» ary «amin’ny olombelona rehetra», satria efa natao manan-kery «ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao» (Mat. 28:20). Koa satria an’isan’ny Filazantsara ny fahasitranan’Andriamanitra dia fahasoavana ho an’ny olona REHETRA izy.

FANASITRANANA TAMIN’NY FANAVOTANA.

Izao no vakiantsika ao amin’ny Isaia 53 : «Sady nivesatra ny fahoriantsika». Ary ao amin’ny andininy faha-5 «Nefa izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika». Atambaro amin’io ny I Pet. 2:24 manao hoe «Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo». Hitantsika amin’ireo andininy ao amin’ny Soratra Masina ireo fa azo amin’io fanavotana io ny fahasitranan’ny tena, tahaka ny famonjena ny fanahy koa. AO ANATIN’NY FANAVOTANA NY FAHASITRANANA MAHAZO FAHASITRANANA ISIKA AO AMIN’NY FANAVOTANA. Tokony ho sitrana isika raha voavonjy, ary tokony ho voavonjy isika raha sitrana. Tsy nahafa-po ny Tompontsika ny famonjena antsasany fotsiny. Rehefa mahatsapa ny tena fa mahazo fahasitranana, tahaka ny famonjena koa, dia tsy ilaina intsony ny «hiantso ny loholona» tsy ilaina intsony ny «hametrahan-tanana», tsy ilaina intsony ny «hangataka amin’ny Anaran’i Jesosy» izay efa ananana rahateo ary tsy ilaina ny hisian’ny «anankiroa mifanaiky hanao vavaka iray», satria efa nianatra ny HAHITA TSARA SAMY IRERY NY TENA. Efa nianarana fa AFAKA TAMIN’NY FATORAN’NY ARETINA SY NY ROFY NY TENA. Hita ilay nisolo ny tena dia Jesosy Kristy, Izay nitondra ny fahotan’ny tena sy ny aretin’ny tena tao amin’ny tenany, ary efa mahalala ny tena fa tsy hitondra intsony izay efa nentin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny tena. Efa nahatsapa ny marina voalaza ao amin’ny Matio 8:17 ny tena manao hoe : «Izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika». Efa nianarana sy fantatra fa Jesosy Ilay mpisolo ny tena, dia nanafaka ny vatan’ny tena tamin’ny aretina sy ny fanahin’ny tena tamin’ny ota.

Hitan’ny tena ny aretina sy ny fahotan’ny tena fa napetraka tamin’i Jesosy teo Kalvary, ary efa nianaran’ny tena fa raha nitondra ny rofintsika sy ny fahotantsika Jesosy dia tsy ilaintsika intsony ny hitondra izany. Fa raha mbola ho entintsika izany dia ho very maina ny nitondran’i Jesosy azy ; nefa satria efa NENTINY izany ary ny Soratra Masina manao hoe antsika izany nentiny izany, dia tsy isalasalana fa TSY TOKONY HITONDRA IZANY ISIKA. Aoka haveriko indray : TSY TOKONY HARARY NY KRISTIANA. Ny ho salama sy matanjaka no itiavan’Andriamanitra azy. Famelana ny helony sy fahasitranana ny tenany no hitany. Fahafahana ho an’ny TENANY tahaka ny an’ny FANAHY no hitany. Dia hiara-mihira amin’i Davida hoe izy : «Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko, ary aza misy hadinoinao ny FITAHIANY REHETRA. (Hadinon’ny ankabeazan’ny olona ny antsasaky ny tombon-tsoa azo avy amin’ny fanavotana ; Davida kosa tsy mba nanadino), Izay namela ny helokao REHETRA ; izay nanasitrana ny aretinao REHETRA». (Sal. 103:2-3). Mitovy ny niantsoany hoe : NAMELA NY REHETRA» sy ny «NANASITRANA NY REHETRA».

Amin’ny farany dia ho fantatry ny mino ny antony nanaovan’i Jesosy hoe : «Iza moa no moramora kokoa ny manao hoe : «Voavela ny helokao, sa ny manao hoe : Mitsangana, betao ny fandrianao ka mandehana ?» (Mar. 2:9). Farany dia ho tanteraka ny fifaliana tsy azo tononina sy feno voninahitra noho ny FAMONJENA FENO. Hahita FAHAFAHANA TANTERAKA izy ary hiara-miteny amin’i Petera hoe : «Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo... ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo». Hohitany fa vita tao Kalvary avokoa ireo. Olona afaka izy. Tsy misy ota intsony ary tsy misy aretina intsony. Efa nentin’ILAY MPISOLO izy roa ireo. Rehefa mahalala izany marina tena fototr’aina izany hianao dia hitsonika hiala ny aretina, hihamahitsy ilay tongotra na tanana kilemaina, hahita hianao fa afaka ara-batana sy ara-panahy koa. Tsy hiara-mitoetra amin’i Joba ao amin’ny Testamenta Taloha intsony hianao ka hihevitra fa satria narary Joba dia mba tokony harary koa hianao. Tsia ! Fantatrao fa aty ambadik’i Kalvary hianao no velona, eo ambany Fahasoavana sy Fahamarinana, izay manafaka anao amin’ny ozon’ny lalàna (Deot. 28:58-61).
Hoy ilay mpitandrina anankiray izay tamiko indray mandeha : «Isaky ny mivavaka ho an'ny marary aho, dia marary mafy na izaho na ny vadiko na ny zanako». Dia notohizany ny teniny hoe mino izy fa TSY MAINTSY mandalo izany fitsapana izany mba hizahana ny finoany, ary adidiny ny mijanona ho mahatoky eo amin’ny ARETINA alohan’ny hampiasan’Andriamanitra azy hanasitrana ny hafa. Novaliako izy ka hoy aho: hahamenatra ny hihevitra fa tsy maintsy mampiseho OTA aho vao ho hitan’Andriamanitra fa mendrika ny hitory famonjena amin’ny mpanota. Ankoatr’izany dia hoy aho tamin’io lehilahy io : «Izao no maha-samihafa ny fitorian-teninao sy ny ahy : hianao mitory sy mino fa TSY MAINTSY MIJALY HIANAO ary mampiseho fahatokiana alohan’ny hahazoanao milaza amin’ny hafa fa mety ho sitrana izy, fa izaho kosa milaza amin’ny olona fa EFA NIJALY NOHO NY FAHOTAKO JESOSY - napetraka teo amin’Ilay MPISOLO AHY izany fahotana izany FA TSY TAMIKO. «Nitondra ny rofintsika sy ny aretintsika Jesosy ary tsy ilaintsika ho entina intsony izay efa nentiny. Tsy ilaintsika intsony ny hijaly amin’izay efa nentiny teo amin’ny tenany. METY HAPETRAK’I SATANA AMINTSIKA AMIN’NY FOMBA TSY ARA-DALANA IZAY EFA NAPETRAK'ANDRIAMANITRA AMIN’I JESOSY. Ny anton'ny nitondrany ny heloka dia ny mba hanaovany ho marina izay rehetra mino Azy ho Mpisolo heloka. Ny anton’ny nitondrany ny rofy dia ny hahasitrana izay rehetra mino Azy ho Mpitondra ny aretiny. Ny fitondrany heloka dia mahatonga ny fahamarinana ho azo antoka ho an’ny olom-baovao. Nitondra ny helotsika Izy ka dia nahatonga antsika ho marina. Nahatonga ny fahasitranana ho azo antoka ho an’ny olom-baovao ny fitondrany ny rofy. Nitondra ny aretintsika Izy ka dia nahasitrana antsika. Nitondra ny rofintsika Izy ka dia nahatonga antsika ho matanjaka, ary manolotra antsika fahombiazana hisolo ny tsi-fahombiazana Izy izao.

NY TOETRY NY FINOANA.

Betsaka loatra no diso hevitra ny amin’ny toetry ny finoana araka izay ilazana azy, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary dia mitana fa natao ho an’ny ankabeazan’ny olona io afa-tsy izy, ary koa raha te-hampiasa finoana dia tsy maintsy ampiasaina aloha ny saina, miezaka, misahirana na koa mamita zavatra samy hafa mba hahazoana mandray ny fampanantenana avy amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mahazo ny fahasoavany. Betsaka no hilaza hoe mino ny Tenin’Andriamanitra, kanefa mbola marary. Hoy izy : «ananako ny finoana rehetra, kanefa raha tsy mahita fiovana aho, tsy hino fa sitrana, tsy hihambo hanana ny tsy ananako aho. Mino aho fa raha misy sitrana dia hahita izany izy». IZANY NO HEVI-DISO MOMBA NY TOETRY NY FINOANA.

Tsy maintsy mijoro eo amin’ny iray amin’ireto toerana ireto isika dia ny FINOANA, na ny TSI-FINOANA, marina ny Tenin’Andriamanitra na tsy marina, hanao izay efa nampanantenainy Andriamanitra na tsy hanao izany, azo ianteherana ny teny fikasany na tsy azo ianteherana. Koa dia iza no fanontaniana mipetraka : Hino va isika fa marina ny Tenin’Andriamanitra sa hino kosa isika fa diso izy ? Raha mino isika fa feno fahamarinana Andriamanitra, nahoana no hisalasalana ny hankato sy hanao araka ny teny fikasany, na tanteraka izay kasaina na tsia ?

Ny FINOANA marina an’Andriamanitra sy ny Teniny dia zavatra hafa lavitra noho ny fanarahana ny Teny fikasana tsy mihoatra izay tratry ny masontsika, sy ny tsy finoana afa-tsy izay hitantsika, ary izay tanterahin’Andriamanitra eo amin’ny fahitantsika. Ny hevitr’izany dia hoe finoana hentitra miady amin’izay zava-manohitra rehetra sy ny antontam-pahasahiranana izay toa manakana ny lalan’ny valim-bavaka ho antsika. Izay manao ny vavaky ny finoana dia mangataka amin’Andriamanitra izay zavatra iriny ary mametraka ny valiny Aminy, eo am-pahalalana fa araka ny Teniny dia tsy maintsy ho avy izany. Raha mahalala izay nampanantenainy ao amin’ny teniny isika dia tsy mila intsony hangataka famantarana na fahagagana mba hanamarinana ny teny fikasany na hahazoana antoka fa tsy hanadino ny hanatanteraka ny teny fikasany Izy. Izao no filazan’ny Tenin’Andriamanitra: «Izao famantarana izao no hanaraka ireo izay Mino» (fa tsy ireo izay te-hahita zavatra vao hino) (Mar. 16:17).

Koa satria Andriamanitra nanao hoe hanasitrana ny marary Izy (Eks. 15:26 ; Sal. 103:3 ; I Pet. 2:24 ; ets...) dia vonon-kanasitrana ny marary Izy. Ary satria vonon-kanasitrana ny marary Izy dia hanasitrana ny marary Izy. Satria Andriamanitra te-hanasitrana ny marary sy hamonjy ny mpanota, dia hanasitrana ny marary sy hamonjy ny mpanota Izy IZAO. Aleony manao izany anio toy izay rahampitso...fa «ANIO no andro famonjena… ANIO no andro fankasitrahana» (II Kor. 6:2).

Hitanao amin’izany ny ampisehoan’ny Tenin’Andriamanitra ny sitrapony ho antsika ! Raha tiany hisy harary amintsika, dia tsy ho nentin’i Jesosy akory ny aretintsika (ny ahy sy ny anao) sy ny rofintsika, satria amin'ny fanaovany izany no hanafahany antsika tsy hitondra izay tian’Andriamanitra ho entintsika. Kanefa satria mahazo miteny Kristy hoe: «Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô», dia nampisehoana tamintsika tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fanasitranana ny tenantsika rehefa «naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika Izy» (Mat. 8:17) ary niaritra ny dian-kapoka izay nahasitranana antsika (I Pet.2:24). Mihetsika araka ny Teny ny finoana ary hita tsy ela eo amin’ny tenantsika ny fanasitranana.

Tsy hoe ambinambiny akory ny fanasitranana ao amin’ny Baiboly fa miara-mandeha amin’ny famelan-keloka, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Betsaka noho ny fitantarana ny famelan’i Jesosy ny heloky ny mpanota ny fitantarana ny fanasitranany ny marary ao amin’ny Testamenta Vaovao ! Ary rehefa naniraka ny mpianany Jesosy dia nandidy azy «hanasitrana ny marary, hamoaka demonia, hanadio ny boka, sy hanangana ny maty»... ary «hanasitrana ny marary, na aiza na aiza misy azy !» (Mat. 10:8 ; Lio. 10:8-9).

FITAKA MOMBA NY FIVAVAHANA.

Ny Baiboly no didim-pananan’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra. Betsaka ny mpitandrina sy mpampianatra sahy manova ny hevitry ny hoe DIDIM-PANANANA ary tsy inona izany fa fitaka, tsy hisy DIDIM-PANANANA azo ovana aorian'ny fahafatesan’ilay nanao azy. Talohan’ny nandaozany izao tontolo izao, dia navelan’i Jesosy ny DIDIM-PANANAN’ny Rainy momba ny mpanota sy ny marary, tamin’ny nilazany hoe : «Izay mino sy atao batisa no HO VONJENA», sy «Hametra-tanana amin’ny marary izy (ny mino) dia HO SITRANA ireny» Mety hamitaka anao tsy hahazoanao ny tombon-tsoa noho Kalvary ny mpitory sy mpampianatra ary loholona sandoka amin’ny fandisoany ny hevitry ny DIDIM-PANANANA ho anao. Fa vakio ho anao ny DIDIM-PANANANA ry sakaiza. Raha marary sy mila fanampiana hianao, lavo izay fandikana tsy araka ny Soratra Masina ataon’ireo manatona ny fandrianao ka milaza aminao haharitra ny fanaintainana, ets. VAKIO NY DIDIM-PANANANA. Araraoty izy. Angataho ny tombon-tsoa ao. Ampiasao ny zo anananao ka voarakitra ao. Vonon-kapihatra izay zo rehetra efa nekena ho anao ny lanitra manontolo raha sahy mitaky izany hianao. Mpandainga Satana sy rain'ny lainga, ary finaritra amin’ny fanajambana ny lehilahy sy vehivavy tsy hahita ny zony ao amin’ny fanekena sy ny tombon-tsoa ho azy voavidy tao Kalvary. Fa hoy Jesosy : «Ho fantatrareo ny MARINA, ary ny marina HAHAFAKA anareo tsy ho andevo» (Jao. 8:32). Inoy izao ankehitriny izao ny teny fikasany. Tsy misy fotoana metimety noho ny androany hanatanterahan’Andriamanitra aminao izay nampanantenainy.
Amin’ilay minitra ahatsapanao fa anao manokana ny teny fikasana nataon’Andriamanitra momba ny fanasitranana ny marary REHETRA, dia vonon-KIASA ny finoana ary tonga ny fahasitranana.

Aoka hamafisiko : Fampisehoana mivantana amintsika izay zavatra mahaliana an’Andriamanitra hatao amintsika ny teny fikasana rehetra ao amin’ny Teniny. Anankiray amin’ny fahadisoana lehibe indrindra vita amin’izao andro izao dia ny fanaovan’ny olona ny Tenin’Andriamanitra ho toy ny boky hafa rehetra ihany. Tokony homenao toerana sahala amin’izay homenao an’i Kristy raha hitanao vatana ny Tenin’Andriamanitra. Miresaka aminao ny Teniny ary milaza aminao zavatra tsy misy hafa amin’izay ho lazainy aminao raha mandre ny feony miteny aminao hianao.

Tsy azonao sarahina amin’Andriamanitra ny Teniny. Tsy ny Teny ihany Izy fa miambina ny teny nampanoratiny koa mba hanamafisany azy ary hanao izay tsy hampisy horaraka na dia teny iray aza amin’ny teny soa nampilazainy (I Mpanj. 8:56). Hoy ny anjely : «Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra» (Lio. 1:37).

MIFANOHITRA AMIN’NY FAHALALANA NY FINOANA.

Maro ny olona manao hoe : «Mamaky Baiboly isan’andro aho. Fantatro fa mahasitrana ny marary Andriamanitra, nefa nivavaka aho ka nivavaka, tsy fantatro izay tsy amalian’Andriamanitra ny vavaka ataoko, leo aho ! «Maro no mahalala fa velona tety an-tany Jesosy, dia maty ary nitsangana tamin’ny maty, nanasitrana izay rehetra nanatona Azy mba hositranina. Manana fahalalana izy tahaka ny nahalalany fa nisy Kaisara na Napoleona ary nitari-tafika izy ireo... Fa tsy manam-pinoana izy ireo... satria tsy matoky izay nolazain’Andriamanitra fa hataony.

Tsy ny «mino ny Tenin’Andriamanitra rehefa mivavaka», «Miravoravoa amin’i Jehovah hianao dia homeny anao IZAY IRIN’NY FONAO (Sal. 37:4) (Fanasitranana ny tenanao raha marary hianao, na fanampiana amam-bola, raha sahirana hianao ets. na zavatra hafa koa angatahinao) no ataony, fa ny mieritreritra mandrakariva izay hataony raha tsy mahazo valim-bavaka. Raha mbola voan’ny tazo izy na mbola misy fanaintainana, na mivonto na henjana… na raha tsy tazan’ny masony ilay zavatra angatahiny ary tsy azony an-tsaina izay fomba hamalian’Andriamanitra ny vavaka ataony, dia tsy ny famelana an’Andriamanitra hanao ny fahagagana araka izay nampanantenainy sy ny «MINO izay efa nampanantenain’Andriamanitra ; ary mifaly fa mitondra valim-bavaka ho azy Andriamanitra» no ataony fa ny very hevitra, midodododo mankany amin’ny dokotera ary maniry an’Andriamanitra mba hanao zavatra ho azy.

Tsy finoana ny fanantenana, tsy finoana ny fangorahana. Na dia mangora-po aza Andriamanitra ary efa nanomana fahasitranana ho an’ny olona REHETRA, dia tsy mbola mahazo izay nampanantenain’Andriamanitra ny olona REHETRA satria tsy manao zavatra amim-pinoana. Ny manantena sy maniry an’Andriamanitra hanao zavatra dia tsy finoana, fa ny finoana dia mahalala fa nampanantena zavatra Andriamanitra ka dia manao arak’izany : Mandeha sy miresaka eo amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra ny finoana, fa tsy eo amin’ny fahazavan’ny zava-mitranga, fanaintainana, na tsy fahafahana ara-batana, «fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana» (II Kor. 5:7), Tsy finoana ny FANGORAHANA. Voafatotra ny tanan’Andriamanitra mandra-pahatongan’ny fotoana anekentsika izay nataon’i Jesosy ho antsika. Tsy afaka handoa vola aminao ny mpitahiry vola ao amin’ny tranom-bola raha tsy mampiseho fahalalana hianao fa manam-bola ao ka dia manao araka izany fahalalana izany ary manisy sonia taratasim-bola hakana izay tadiavinao. Mety ho fatin-kanohanana hianao na dia feno volanao aza ao amin’ny tranom-bola, angamba te-hampaka anao vola hohaninao ny tompon’ny tranom-bola, kanefa raha tsy hianao no mihetsika, tsy afa-manao na inona na inona ho anao ilay tompon’ny tranom-bola. Dia toa izany koa amin'Andriamanitra. Nanomana fahasitranana ho antsika rehetra Jesosy... be no mijaly, fa tsy hitondra soa ho an’ny olona izay zavatra nomanin’i Jesosy ho azy mandra-pinoany izay!! nomanin’i Jesosy ho an’ny tenany.

Manome fototra ho an’ny finoana ny fahalalana ny SITRAPON’ny Ray. Mampitombo avo roa heny ny tanjaky ny finoanao ny fahalalana izay nataon’Andriamanitra ho an’ny hafa... fa rehefa ampiasainao ao amin’ny tenanao ny Tenin’Andriamanitra, dia omen’Andriamanitra finoana tanteraka hianao izay mitombo isaky ny misy zavatra ilaina ary manao arak’izany teny fikasan’Andriamanitra izany hianao. Miasa amin’izay lazain’Andriamanitra fa marina ny finoana.

MITONDRA VOKATRA MAHAGAGA NY FINOANA MITOMBO.

Tao Bangalore, India, dia nisy dokotera anankiray nitondra ny zana-drahalahiny tamin’ny seza kalesy nandritry ny 3 alina. 25 taona izy (vehivavy) ary tsy mbola mba namindra indray mandeha akory hatrizay niainany (araka ny fahafantaran’ny olona). Nitombo isan’ora tao am-pony ny finoana, ary tamin’ny andro fahefatra, nivavaka tontolo andro izy hatramin’4 sy 1/3 hariva izay nahatongavan’ny finoany ho toy ny vanja mahery.
«Haingàna hianareo, ento any am-pivoriana aho» hoy izy tamin’ny fianakaviany, «hamindra aho raha alina». Nisomaritaka ny tao an-trano ary nitondra azy teo amin’ny fivoriana ka nametraka azy teo akaikin'ny ny lapihazo. Saika tsy nahandry ny fahavitan’ny toriteninay akory izy, saika tsy andriny akory ny fahataperan’ny vavaka ho an’ny famonjena, dia tonga ilay fotoana nandrasan’ela fanaovana ny vavaka ho an’ny marary. Nino izy, ary vantany vao niteny izahay hoe : «Amin’ny Anaran’i Jesosy mitsangana ny mandringa ka mandehana», dia niantsambotra niala teo amin’ny seza kalesy izy ary namindra nankeny amin’ny fanamafisam-peo ka nanambara tamin-karavoana izay nataon’ny Tompo taminy. Nanao ranomason-kafaliana sy talanjona tamin’ny FITIAVAN’I JESOSY ireo olona am-polony maro nahalala azy ka tonga teo amin’ny fivoriana.

INONA MOA NY TENA FINOANA ?

Ny finoana fotsiny izay lazain’Andriamanitra ary mihetsika arak’izany no atao hoe tena finoana miasa. Manova ny «FAHALALANA» ho «FIHETSEHANA». TSY FINOANA ny fahalalana tsy araham-PANKATOAVANA. «Ny finoana no OMEN’ANDRIAMANITRA VONINAHITRA sy valiany soa amin’ny fanomezana IZAY REHETRA angatahina».
Maty ny finoana tsy misy asa (tsy misy ilana azy...), tsy hitondra soa ho an’iza na iza izy. Maro ny olona nanana io karazam-pinoana maty io.. satria tsy mba sahy hihetsika na oviana na oviana arak’izay asain’i Jesosy ataony izy, fa saro-tahotra. Sarotra ny mahalala izay nampahatahotra ny olona amin’ny teny fikasan’Andriamanitra, kanefa ity tany diavintsika ity dia hazonin’ny TENIN’ANDRIAMANITRA. Tsy miova Andriamanitra, izany no ahalalantsika tsara izay tokony hantenaina rehefa mihetsika araka ny teny fikasany isika.

Tsy finoana jamba akory rehefa mihetsika arak’izay nampanantenain'Andriamanitra isika... fa izany ihany no zavatra AZO ANTOKA indrindra eto ambonin’ny tany, mety tsy hahatanteraka ny fampanantenana nataon’ny olona, mety hiova hevitra izy, na mety tsy ho afa-manatanteraka izay nampanantenainy hatao... FA ANDRIAMANITRA KOSA TSY VOAFEHIN’izany fahalemena izany... IZY irery no mbola afaka mamoron-javatra avy amin’ny tsy misy. «Izay nolazainy dia HAINY HATAO KOA (Rom. 4:21). Raha mangataka amin’Andriamanitra mba ho sitraniny hianao, dia minoa an’Andriamanitra ka mialà eo am-pandriana. Inona no hataonao raha mahita an’i Jesosy amin’ny masonao hianao mitsangana eo anilan’ny fandrianao, ka mahare azy tsara miteny hoe : «NY DIAN-KAPOKA TAMIKO NO NAHASITRANA ANAO» (izany dia zavatra efa hita raha ny ao am-pon’Andriamanitra». Inona no hataonao ? Dia mbola handry eo ve hianao sa hitsangana ka hidera an’i Jesosy izay nanasitrana anao tanteraka maimaim-poana ? Ny Tenin’Andriamanitra dia Tenin’i Jesosy koa izay milaza aminao izay efa nataony ho anao. Mba AMPIASAO ny finoanao izao dia ho sitrana hianao (I Pet. 2:24).

MIRESAKA NY FINOANA......MANDEHA NY FINOANA...MIASA NY FINOANA............MAHITA NY FINOANA

Izay zavatra inoantsika no resahintsika. Raha misy tsy tena inoantsika marina dia ny fisalasalana ny amin’izany no resahintsika. Ary satria tsy tena mino izay lazain’i Jesosy ny olona, raha anaovana vavaka izy, dia ny tsi-finoany no resahiny. Misy manao hoe : «Tsy fantatro ny mbola tsy anasitranan’Andriamanitra ahy ihany. Araka ny hevitrao ve tsara raha mankany amin’ny Dokotera aho mba hamarininy ? mety ho sarotra anie ny aretina e. ataoko fa tsaratsara kokoa amiko ny ho didina ; na ahoana na ahoana anefa efa nandoa ilay vola fiarovana amin’ny fidirana ny trano fitsaboana aho (assurance d'hospitalisation) ary koa efa nangataka fotoana aho». Ny olona manana hevitra toy izany dia tsy manam-pinoana izay nolazain’Andriamanitra fa hataony na dia toy ny eran’ambatry aza. Raha ny marina dia tsy ilaina ny misasatra sy mivazavaza hivavaka ho an’ny fanasitranana olona tahaka izany... satria manda tsotra ny fandraisana izay lazain’i Jesosy izy. Aleony miankina amin’izay asain’ny dokotera ataony noho izay asain’Andriamanitra ataony.
Tadidio fa ny olombelona dia maminavina fotsiny fa Andriamanitra kosa mahalala marina.

VAVOLOMBELONA TELO ISAKY NY FAHAFAHANA IRAY

Misy olona telo miteny alohan’ny ahazoana na ny tsy ahazoana ny fandresena. 1. Milaza izay hataony ANDRIAMANITRA raha mino hianao.
2. Mandainga satana ka manao hoe «AZA DIA MATOKY tanteraka an’Andriamanitra. Aleoleo kokoa miandry, jereo aloha raha mihatsara hianao».
3. NY TENINAO anefa no manana ny fanapahana, izay iray inoanao sy ankatoavinao no hamaritra izay ho azonao. Ny miresaka finoana kanefa misalasala raha hanao marina izay nampanantenainy ANDRIAMANITRA dia tonga amin’izay itadiavan’ny devoly azy, ny fihetsika toa izany dia mampiseho fa tsy manam-pahatokiana velively ny teny fikasan’Andriamanitra hianao. Ny tahotry ny devoly no itokianao fa tsy ny TENIN’ANDRIAMANITRA MAHATOKY, koa tsy mahazo na inona na inona afa-tsy fahadisoam-panantenana hianao. «Satria izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy Izy» (Heb. 11:6). Fa ireo izay MINO AN’ANDRIAMANITRA kosa dia manambara tsy amim-pihambahambana fa fantany fa hanao izay nampanantenain’Andriamanitra na dia ao aza ireo zavatra HITANY, TSAPANY, RENY na mety ho FANTANY satria Andriamanitra no milaza izany. Koa dia mino izy ka dia tsy maintsy tanteraka izany. Tsy raharahain’ny olona toy ireny izay zavatra hitany, tsapany na reny, tsy misy zava-dehibe ao an-tsainy afa-tsy izay LAZAIN’ANDRIAMANITRA ka dia mihetsika araka izany izy. Ary hiasa ho azy Andriamanitra ka hanatanteraka izay «nangatahiny tamim-pinoana tamim-bavaka».

«Ny ran’ny Zanak’Ondry sy ny teny filazana Azy no andresentsika ny devoly (Apok. 12:11). Betsaka ny te-«hahita» aloha vao miaiky amin’ny vavany na mino marina izay lazain’Andriamanitra momba ny fanasitranana azy. Tsy HAHITA na oviana na oviana ny olona toy ireny satria tsy hila izay finoana akory izy rehefa mahita, satria fahatsapana sy fahalalana no misy rehefa avy nahita. NY FINOANA dia tsy maintsy ananana alohan’ny hahitana na hahatsapana fiovana ao amin’ny toe-tena. «Fa finoana no andehanantsika fa tsy fahitana» (II Kor. 5: 7). Tsy inona ny finoana fa fahavononana hino fa hanao izay lazainy hataon’Andriamanitra. Raha isalasalanao ny Tenin’Andriamanitra, dia mino hianao izany fa misy mbola mahery noho ANDRIAMANITRA any ho any ary dia mety hampiova ny TENIN’ANDRIAMANITRA izany. Be ny mihevitra fa mahery noho Andriamanitra ny Dokotera. Marikoditra izay mieritreritra izany kanefa ny ATAONY no manamarina izany. Mino sy manao izay zavatra rehetra asain’ny dokotera ataony izy ; tsy fantany na mbola ho afa-mandeha izy na tsia fa dia avelany hanao ny fandidina azy ny dokotera, kanefa tsy mety mino na mihetsika araka ny teny nataon’Andriamanitra izy. Tsy azonao adalaina Andriamanitra, fantany amin’ny fihetsikao raha mino Azy marina hianao na misalasala ny Aminy. Manantena antsika HILAZA IZAY LAZAINY ny momba antsika Andriamanitra. Hoy Andriamanitra «Izaho no Jehovah Izay mahasitran anao» (Eks. 15:26). «Izao famantarana izao no hanaraka izay mino : hamoaka demonia amin’ny anarako izy (izaho sy hianao) , hametra-tanana amin’ny marary izy (izaho sy hianao), dia ho sitrana ireny (tsy hila fandidina)» (Mar. 16:17).

Izay LAZAINTSIKA no hamonjy na handevona antsika, avy amin’ny haben’ny ao am po no itenenan’ny vava, ary avy ao amin’ny fo no ivoahan’ny AINA. Raha manambara izay lazain’Andriamanitra hianao ka MITANDRINA ny TENINY ; manongilana ny sofinao hihaino ny filazany, tsy mamela azy hiala eo imasonao, mirakitra azy ao am-ponao», dia ho «aina ho an’ny mahazo azy izy ary fahasalamana ho an’ny nofony rehetra» (Ohab. 4:20-22 ; Sal. 107: 20). Ampianarina isika hampifatoka ny saintsika, sy ny sofintsika sy ny masontsika ary ny fontsika amin’ny teny fikasan’Andriamanitra irery ihany. Tsy ampidirina ao izany ny tahotra, ny tsi-finoana ary ny fahakiviana.

Raha mino an’ANDRIAMANITRA isika dia mandositra ho azy ny tahotra, tsy afa miara-mitoetra ao amin’ny fo iray izy roa ireo. Avy amin’ny devoly ny tahotra, hanakana ny fahasoavan’Andriamanitra ho anao io. Manindrona poizina ao anatin’ny ranao ny tahotra, ary mampahalemy ny vatanao. Tsy mba mampatahotra na iza na iza Andriamanitra fa tsy hanatanteraka ny teny fikasany fa MAMPIANATRA antsika HINO NY TENIN’ANDRIAMANITRA REHETRA ny Fanahin’Andriamanitra. Mandray ny Tenin’Andriamanitra ny Fanahin’Andriamanitra mba hampiseho amintsika ny hasoany sy ny heriny, ary mamporisika antsika hitaky ny teny fikasana rehetra ary hihetsika araka izany.
Tsy ilaintsika ny hisahiran-tsaina mba hahalalana raha hanatanteraka ny Teniny amintsika Andriamanitra. Tsy mandainga Andriamanitra. Efa nomeny ny teny fikasany izay nohamafisiny tamin’ny fianianana ho an’IZAY REHETRA MINO. Raha matoky ny tenin’Andriamanitra mihoatra noho ny tenin’olombelona hianao dia manam-pinoana hianao. Mihetseha ary araka izany. Dia hahazo izay rehetra angatahinao amin’ny antony tsara hianao ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.

FIAIKENA DISO

Midera ny fahavalo hianao raha miaiky ny fanakantsakanan’i satana anao, ary fomba feno hafetsena hanambarana izany fa mahery noho Andriamanitra satana. Mandevona ny finoana ny tenin’Andriamanitra ny fiaikena toy izany. Mameno tahotra anao izany ary mihazona anao eo ambany fatorana. Manakana ny fahombiazanao izany, mifanaraka amin’i satana hianao ka dia manome azy alalana hifehy anao ; tsy avelany hiala amin’ny fahalemena hianao. «Izay ato amiko dia mahery lavitra noho izay amin’izao tontolo izao» ary «Indro Izaho (Jesosy) manome anareo hery handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo, ary tsy hisy hampaninona anareo akory» (Lio. 10:19) «Tohero ny devoly dia handositra anao izy», ary mijoroa ka lazao ny devoly izay hataony fa aza mankato ny tahony sy ny laingany, dia ho afaka amin’ny fitarihan’i satana hianao amin’ny androm-piainanao ary ho velona tokoa araka izay efa nokasain’Andriamanitra hahavelomanao.

FIAIKENA NOHO NY FTTSAPANA

«Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko ; iza no hangovitako ?» Na inon-kihatra na inon-kidona, na rahoviana na rahoviana, atodiho mandrakariva eo amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny masonao, ary ny fitenin’Andriamanitra tenenina. Zaro amin’ny fiainan’Andriamanitra sy ny fiteniny ny tenanao. Ny fijoroanao hanohitra ny ota sy ny aretina no hampitombo be ny fahaizanao manohitra ao am-ponao ka tsy hahery intsony satana aminao ; satria efa vita lasitra ao amin’ny fiainanao sy ny fombanao ny tenin’Andriamanitra (II Pet. 1:4). Manjary tsy azo tohaina tahaka an’Andriamanitra hianao, satria ny TENINY no mifehy ny fihevitrao, ny fivavakao, ny teninao sy ny fihetsikao.
NY FIAIKENA dia ny fanamafisana zavatra inoana, fanambarana zavatra fantatra sy marina efa noraisina.

INONA NO TOKONY FIAIKENTSIKA

Tsy afa-miaiky na manambara zava-tsy fantatra isika. Amin’ny vavantsika no tsy maintsy hiaikentsika izay fantatsika manokana ny amin’i Jesosy Kristy ary izay lazain’ny teniny fa ao Aminy isika.
Hita ao amin’ny Baiboly ny tsiambaratelon’ny FINOANA mahafehy. Ataovy izay hahitanao izay nataon’i Jesosy ho anao tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy ny fijaliany. Dia miaike an’izany, ary ampiasao izany zava-bita izany mba hahazoanao izay tadiavinao. Ny figagana fotsiny amin’ireo zava-mahatalanjona ao amin’ny Baiboly ireo kanefa manda na manao tsirambina ny fiaikena azy tsotra sy ny fampiasana azy dia tsy hampanana finoana anao amin’ny andro mahory. Mahalala fa resy teo amin’ny hazo fijaliana satana, resin’ilay Mpisolo antsika (Jesosy Kristy) ary dia nisaina ho antsika ny fandresena azy mba hahazoana mijery antsika any amin’ny boky fitadidiana izay an’ny fitsaran’izao rehetra izao fa TOMPON’i satana isika IZAO ary eken’i satana fa mpanapaka azy amin’ny ANARAN’I JESOSY. Rehefa mahalala izany isika tahaka ny ahalalantsika fa efatra no valin’ny roa ampiana roa, dia ilay FINOANA MAHAFEHY miaraka amin’ny FIAIKENA marina FANANANA FAHEFANA no tonga fiteny mahazatra antsika. Dia mandeha ho azy ny itenanantsika tahaka ny nitenenan’i Jesosy. Fantatsika ny fanavotana antsika. TONGA HO AZY tahaka ny nananantsika tahotra talohan’ny nahazoantsika fahazavana ny FINOANA. Tonga tahaka ny an’ny lehilahy mahery ny fitenintsika. Tahaka ny olona hafa firazanana sy avy amin’ny fanjakana hafa ny firesatsika ary koa «taranaka voafidy sy fanjaka mpisorona» isika. MANANA FAHEFANA ISIKA. Manohana antsika ANDRIAMANITRA. Sahy isika. Tahaka ny itenenan’ny tsy mino ny tahony no itenenantsika kosa ny fitenin’Andriamanitra. Imbetsaka ny olona no talanjona sy nitolagaga rehefa NITENY tamim-PAHEFANA sy HERY Jesosy. Na oviana na oviana ary na aiza na aiza ny olona no MINO NY TENINY, dia azo atao na dia ny tsy azo atao aza, manjary mora ilay sarotra ; mitranga izay zavatra tsy fandre, ary dia manjary fahita an-davanandro ny fahagagana. Nanan-kery ny TENIN’i Jesosy. Mbola mahery tahaka ny fony nitenenany azy ny teniny ankehitriny, satria mbola Jesosy ihany no Jesosy, tsy nanova na irigirika iray monja amin’ny TENINY Izy !
«JESOSY KRISTY NO TSY MIOVA omaly sy anio ary mandrakizay» (Heb. 13:8).

FIFANOHERAN’NY FINOANA SY NY FISALASALANA.

  • 1. Manasitrana ny marary ny finoana
  • 2. Mitondra fifaliana ny finoana
  • 3. Mahatonga an’Andriamanitra ho akaiky sy sarobidy ny finoana.
  • 4. Tsy misy zavatra tsy vitan’ny finoana.
  • 5. Namonjy an’i Noa sy ny fianakaviany ny finoana.
  • 6. Ahazoana fitahiana avy amin’Andriamanitra ny finoana.
  • 7. Amin’ny alalan’ny finoana no andraisantsika ny zava-tsoa rehetra.
  • Tsy mampahatanjaka velively ny malemy ny fisalasalana.
  • Mitondra alahelo ny fisalasalana
  • Mahatonga antsika hihevitra an’Andriamanitra ho lavitra sy tsy miraika ny fisalasalana.
  • Tsy misy zavatra vitan’ny fisalasalana.
  • Nandevona ny olona sisa rehetra ny fisalasalana.
  • Mampanota ny fisalasalana. Maha tonga ny fahatezeran’Andriamanitra ny fisalasalana.
  • Noho ny fisalasalana no anariantsika ny zavatra rehetra.

AHOANA NO FIVAVAKA MBA HAHAZOANA

Ny vavaka no hery lehibe indrindra manerana izao rehetra izao ary mahavita zavatra tsy vita amin’ny fomba hafa. Ohatra : Nisokatra ny Ranomasina Mena ary nandia tany maina ny olona telo tapitrisa raha nilatsaka tao, izany dia vokatry ny vavaka nataon’i Mosesy. Nijanona ny masoandro sy volana noho ny vavaka nataon’i Josoa. Niverina indray ny ain’ny zatovolahy anankiray ho valim-bavaka ho an’i Elia. Ary tsy nahalevona ireo zatovo Hebreo telolahy ny afo.
Tsy misy afa-tsy ny herin’Andriamanitra no mahavita izany zavatra izany ary nomena ho valin’ny vavaka natao tamim-pinoana izy.
1. «Mino fa Jesosy Kristy dla Zanak’Andriamanitra» (Jao. 14 6) «Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy». (Heb. 11:6).
Tsy ho azo atao ny handray zavatra avy amin’olona tsy misy, ary rehefa mahalala hianao fa misy Andriamanitra, dia tsy maintsy mino ny Teniny sy ny marina ary ny teny fikasana ambara ao.
2. Mino fa mihaino sy mamaly anao Jesosy rehefa mivavaka hianao. Ary ampiasao miaraka amin’izay ny finoanao.

ZAZAVAVY KELY IRAY NIVADI-TONGOTRA.

Tamin’ny iray amin’ireo fivoriana nataon’Ingahy Smith Wigglesworth, dia nisy zazavavy kely iray tonga hangataka vavaka ho an’ny tongony anankiray nivadika. Voamarik’Ingahy Wigglesworth fa nitondra vatakely iray tao ambany heliny izy. «Inona no ao anatin’iny vatakely iny ?» hoy ny fanontaniany. «Ny ilan’ny kiraroko tsara, satria fantatrao fa rehefa mivavaka hianao dia hatsotran’i Jesosy ilay tongotro mivadika koa dia tsy ho azoko hanaovana intsony ity kiraro boribory anaovako ity noho ilay tongotro kilemaina». Nivavaka Ingahy. Wigglesworth, dia naka toerana akaiky azy teo amin’ny lampi-hazo ilay zazavavy, dia niondrika ka novahany ny tadi-kiraro tamin’ilay tongony mivadika ary notsoahany ny tongony, raha vao nohetsehiny ilay tongotra dia nitsotra niaraka tamin’izay ka tonga tsy nisy hafa tamin’ilay ilany tsara. Dia nampidiriny haingana ilay kiraro nentiny ary nidina namonjy ny toerany izy, satria rehefa tonga mba hanaovana vavaka izy, dia fantany fa ho eo Jesosy ka hanao asa. Rehefa mivavaka hianao, dia tsy maintsy mino koa fa eo akaikinao Jesosy, ka dia mihetsika araka izany hianao.

3. Tsy maintsy manana FANIRIANA HENTITRA izay zavatra anaovantsika vavaka isika, ary ny hamafin’izany faniriana izany no hampanana faharetana antsika sy hitalahoantsika amin’Andriamanitra ary hitenenantsika tahaka an’i Jakoba hoe : «Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahianao aho» (Gen. 32:36) sy tahaka ilay lehilahy ao amin'ny Lioka 18:1-8

LEHILAHY IRAY TANY SALEM OREGON.

Raha nanao fivoriana tany Salem Oregon, izahay dia nisy lehilahy kristiana mahantra anankiray izay tonga mandrakariva teo amin’ny fotoana. Nihorakora-pifaliana aoka izany izy isaky ny mandre ny zava-tsoa efa nomanin’Andriamanitra, tena namporisika marina ny mpitory hitory amin’ny fony rehetra izy. Kanefa narenina izy. Maro ny olona sitrana isan-kariva, izy kosa anefa mbola nitondra ilay solo-sofina. Koa rehefa nifarana ny fotoana dia najanoko tao amin’ny paosin-trano izy ka nataoko hoe : «Fantatro fa tia an’Andriamanitra hianao, koa tsy misy antony tsy tokony hahasitrana anao. Hivavaka ho anao aho», ka dia natsotrako ny tanako ka noraisiko ny sofiny ary nivavaka tamin’ny Anaran’i Jesosy aho. Kanefa najanony tampoka aho ka hoy izy. : «Aoka ihany izaho no hahazo izany avy amin’ny finoako.» «Tsara izany», nahafaly ahy ny fihetsika toa izany ka dia lasa aho. Kanefa isan’alina mbola iny eny ihany ilay solo-sofiny.
Indray alina anefa teo am-povoan’ny toriteniko indrindra, nitsangana rangahy io ary nanofahofa tanana sy niantso hoe : «Aoka, aoka» FANTATRO ny tsy mampahasitrana ahy ! Nieritreritra aho teto am pipetrahana teto nandritry ny toriteninao. Tsy azoko antoka intsony na te-hositrana aho na tsia, manampy ahy be mantsy ity solosonko ity rehefa tsy te-handre zaza mitomany aho dia vonoiko fotsiny izy, raha tsy te-hihaino ny vadiko aho, dia tapahiko fotsiny izy. koa tsy fantatro na najanoko izany zavatra efa mety amiko izany na tsia. Tsy nisy afa-nanery azy hositranina raha ny tenany aza tsy tia izany. Koa aza mijery ny namana ka manao hoe nahoana izy no tsy sitrana. Minoa fotsiny ny Tenin’Andriamanitra hianao ary raiso ny fahasoavan’Andriamanitra.
4. Ataovy amin'ny zavatra voafaritra tsara ny vavaka. Aza manantena valim-bavaka raha manao vavaka be fahatany tsy misy zava-kendrena voafaritra tsara ao an-tsaina. Betsaka no mankao amin’ny efitranony mba hivavaka hangataka izay zavatra sendra tonga ao an-tsainy amin’io fotoana io ; tsy tadidiny intsony anefa izay zavatra nagatahany rehefa vita ny vavaka nataony. Tsy izany no vavaka ahazoam-baliny.
Tsaratsara kokoa ny mangataka zava-dray loha amin’ny indray mandeha. Satria efa toa izany mantsy no nahariana ny sain’ny olombelona dia ny tsy ahaizany mampifantoka ny eritreriny amin-javatra maro loha indray miaraka. Toa izany avokoa ny vavaka rehetra nahazoam-baliny ao amin’ny Baiboly, zavatra IRAY no niriny mihoatra ny zavatra rehetra, zavatra iray no nangatahiny, ka dia io zavatra nangatahiny io INDRINDRA no azony.
Nivavaka hahazo ranon’orana Elia, tena nitalahoany mihitsy io ka naveriny im-pito ny hataka momba io, tsy nisy zavatra hafa nolazainy, RANON’ORANA ihany no naverimberiny. Nitady ranon’orana izy, ary rehefa nitangorona ny rahona dia najanony ny vavaka ka lasa nitady fialofana izy.

5. TSY MAINTSY MANGATAKA AMIM-PINOANA HIANAO.

«Aoka hangataka amim-pinoana (mba handray) izy ka tsy hiahanahana akory ; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin’ny Tompo izany olona izany» (Jak. 1:6-8).
Raha nampanantenain’Andriamanitra olon-kafa izay irinao dia homeny anao koa izany raha hino hianao ka ho velona ho an’Andriamanitra, satria ny teny fikasan’Andriamanitra tsy «eny» ho an’ny sasany fa «tsia» ho an’ny hafa kosa izay samy mahatanteraka ny fepetra. «Fa ny Zanak’Andriamanitra, dia Jesosy Kristy, Izay notorinay teo aminareo, dia tsy «eny» sy «tsia», fa ao aminy dia «eny» ihany. Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny «eny», ary amin’ny alalany koa ny (Amena» ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataony» (II Kor. 1:19-20). «Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadino ny tenantsika ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra, na amin’ny nofo na amin’ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.» (II Kor. 7:1). «Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo» (Sal. 66:18).

6. TSY MAINTSY MIVAVAKA AMIN’NY ANARAN’I JESOSY

ISIKA tsy manana lova na fananana any an-danitra isika, raha tsy efa manaiky an’i Jesosy ho Mpamonjy ny tenantsika. Tsy misy mankany an-danitra raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hoy Jesosy raha misy mananika ny fefy dia mpangalatra sy jiolahy ary hahazo valiny sahaza azy, holavina izy. Fa hoy koa Jesosy «Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy» (Jao. 10:1).
Samy mahalala avokoa ny olona rehetra ny maha-zava-dehibe ny fisian’ny anarana eo amin’ny taratasim-bola (chèque). Jesosy irery ihany no manana ny tahirim-bola rehetra any an-danitra sy ety an-tany ka azony ampiasaina, nomen’ny Ray Izay any an-danitra an’i Jesosy ny «Fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany» (Mat. 28:18), ary Jesosy no nanao hoe : «Izay rehetra angatahinareo amin’ny Ray amin’ny ANARAKO, dia homeko anareo izany». Homen’ny Raintsika izay any an-danitra antsika izay zavatra rehetra alaina amin’ny alalan’izany anaran-tsoan’i Jesosy Kristy izany, izay Zanak’Andriamanitra Velona.
Nomen’i Jesosy fahefana hanisy sonia izay taratasim-bola halefa any an-danitra ny mpanaraka Azy, Haleloia ! Tsy mety ritra ny trano fitehirizany, ary faly Izy rehefa ampiasaintsika ny Anarany ka mangataka any amin’ny trano fitehirizana any an-danitra isika ! Haleloia !
Misy FAHASITRANANA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy HERY ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy FANDRESENA ao amin’ny Anaran’i Jesosy ! Misy FAMELOMBELOMANA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !
Misy FAHAFAHANA ao amin’ny Anaran’i Jesosy !

Tsy mahalala anarana hafa mitondra fifaliana, fiadanana sy hery na mampandositra ny devoly toy ny ANARAN-TSARO-BIDIN’I JESOSY aho. Misy HERY lehibe ao amin’ny Anaran’i Jesosy, satria naharesy ny ota, satana, aretina, fahafatesana sy helo ary fasana Jesosy, ary nitsangana tamin’ny maty tamim-pandresena tamin’ny andro fahatelo mitondra ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny helo, ka nanao hoe : «EFA NOMENA AHY NY FAHEFANA REHETRA ANY AN-DANITRA SY ETY AN-TANY, koa mandehana hianareo ary mitoria ny Filazantsara amin’ny olombelona rehetra». (Mat. 28:18) Apok. 1:18). Tsy misy antony hijananonan’iza na iza eo ambany fatoran’i satana intsony.

7. Mivavaka araka ny fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra voasoratra.

Raha manao vavaka mifanohitra amin’ny Teny nampanoratin’Andriamanitra dia toy ny maka fanahy an’Andriamanitra. (Vakio ilay boky kely mitondra ny lohateny hoe : «Fanamarinana tsy azo lavina fa sitrak’Andriamanitra ny hahasitrana ny olona rehetra» mba hahalalana ny sitrapon’Andriamanitra momba ny fanasitranana). Ny Baiboly no fampisehoana ny sitrapon’Andriamanitra. Manan-kery hanao ny asany manokana ny Baiboly sy hanatanteraka izay zavatra lazainy sy ampanantenainy, raha fantatra sy raisina izy ary arahina amin’ny fo tsotra. Mahatonga finoana ho amin’ny fanasitranana ary mahasitrana ny Tenin’Andriamanitra : «Nandefa ny Teniny Izy mba hahasitrana azy» (Sal. 107:20).

8. Ho amin’ny ANTONY tsara no ivavaho.

Tsy maintsy mitsinjo ny voninahitr’Andriamanitra ny faniriantsika. Tsy hanasitrana olona mba hanotany ihany ka tsy hananany fangirifirina sy fahasahiranana Andriamanitra. Tsia fa raha manota ny olona dia vao mainka koa hamafisin’Andriamanitra ny aretiny mba hialany amin’ny fahotany raha mankany amin’ny helo hianao dia hanao toy izany isaky ny mahita vato misakana apetrak’Andriamanitra eo amin’ny lalanao. «Sarotra ny lalan’ny mpanao ratsy». Tsy maintsy dinihintsika ny fontsika mba hahitana raha marina eo imason’i Jehovah isika. «Raha mankasitraka ota tao ampontsika isika dia tsy mba hihaino antsika ny Tompo». Mahazo zavatra avy amin’Andriamanitia isika satria manao ny zavatra mahafaly Azy.

Azonao antsoina avokoa ny olona rehetra eto ambonin’ny tany hivavaka ho anao hahazoanao zavatra iray, fa raha mikomy sy manota amin’Andriamanitra hianao dia tsy hahazo na inona na inona na dia ilay zavatra tian’Andriamanitra homena anao indrindra aza no angatahinao. Fa mitaky ny fifandraisantsika tsara amin’ny mpiara-belona amintsika, ny fitiavantsika an’Andriamanitra alohan’ny hamaliany ny vavaka ataontsika. Ary tsy misy fizahan-tavan’olona na mpitondra fivavahana na olon-tsotra efa nanompo an’i Jesosy nandritry ny taona maro, raha vao miala amin’ny fiainana marina ka manao zavatra tsy mahafaly ireo MASON’ny Tompo mahita ny zavatra rehetra dia tsy hihaino ny vavaka ataony intsony Andriamanitra raha tsy efa mibebaka izy ka manonitra ny ratsy vitany. (Ezek. 33:11; II Tant. 16:7-13). «Fa ny mason’i Jehovah mijery eny tontolo eny eran’ny tany rehetra, mba hisehoany amin-kery hamonjy izay manana fo mahitsy aminy.» (II Tant. 16)

Ny fiasan’ny fivavaky ny marina dia mahery INDRINDRA (Jak. 5:16) Rehefa nilazan'ny mpaminanin'Andriamanitra ny amin'ny hahafatesany ny mpanjaka Hezekia, izay mpanjaka marina, dia nitodika tany amin’ny rindrina izy ka nitalaho tamin’i Jehovah ary nangataka mba tsy ho faty. Ren’Andriamanitra niaraka tamin’izay ny vavaka nataony ka naniraka ny mpaminany indray Izy hiverina mitondra hafatra fa mbola nomena andro 15 taona indray izy hahavelomany (Isa. 38).

Mba nanao vavaka be koa Saoly, ilay mpanjaka nihodina, kanefa TSY NETY NIHAINO azy Andriamanitra satria tsy nety nibebaka sy niova famindra izy (I Sam. 28:6). Misy olona mivavaka hoe : «Tompo ô, vonjeo aho, ampio aho, ampio aho hitaizako ny zanako tsara, ets.» kanefa tsy mitondra ny ankohonany miangona izy mba handre ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra, tsy mba miezaka akory izy mba hanova ny fomba fiainany feno ota sy tsy hiaraka amin’ireny namana mpankahala an’Andriamanitra sy tsy mankato ny Filazantsara ireny. Misy aza tsy mba mitady fotoana kely akory hamakiana ny Baiboly isan’andro na mivavaka mba hahazoana ny fanampian’Andriamanitra sy ny toro-heviny. Misy olona mivavaka mba hisao-bady sy hampakatra vady vaovao.Efa nilaza taminao Andriamanitra tsy hanao izany. Angamba hivavaka hianao mba hanovan’Andriamanitra ny heviny, tsy MIOVA ANEFA ANDRIAMANITRA, izay mitranga dia vohanao ho an’ny devoly mpandainga ny fonao ka ampidirinao ao izy hanome hevitra anao izay mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra, manadala ny tenanao hianao ary mandrovitra ny feon’ny fieritreretanao, ary raha mampakatra vady vaovao hianao ka miady mba hahita fahombiazana dia ao ihany ilay fahatsiarovan-tena miafina ho meloka.

MANAO FAHAGAGANA JESOSY REHEFA AO NY FINOANA

Na dia manana ny finoana sy ny hery rehetra aza Jesosy, dia tsy mba manome fahasitranana an-tery setra ho an’ireo izay tsy mila izany Izy akory, na ho an’ireo izay tsy mety mino ny herin’i Jesosy. Tsy nahavita fahagagana lehibe tao Nazareta, tanàna nonenany Jesosy satria tsy nety nino ny tao, betsaka tokoa ny olona nila fanampiana kanefa tsy nahavita fahagagana lehibe tao Jesosy noho ny tsi-finoan’ny tao, nitomany an’i Jerosalema Jesosy ary ho namonjy azy raha nino an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra izy fa nandà Azy izy ka dia nahita fahafatesana mahatsiravina.

Raha maty ka nalevina Lazarosy sakaizany ary nitomany Marta sy Maria sy nilaza tamin’i Jesosy hoe : «Raha teto Hianao dia tsy maty ny anadahiko, dia hoy Jesosy : «Raha MINO hianao, dia hahita ny VONINAHITR’ANDRIAMANITRA». Nanaiky Marta ary nino fa haseho ny voninahitr’Andriamanitra rahatrizay, kanefa najanon’i Jesosy izy ka nataony hoe: «Tsy efa nilaza taminao va Aho fa raha mino HIANAO (izao ankehitriny izao) dia hahita ny VONINAHITR’Andriamanitra, esory ny vato». (Jao. 11:39-40) tsy maintsy nampiseho ny finoany tamin’ny fanaovany izay nasain’i Jesosy natao izy ireo ary rehefa vitany ny anjarany dia mba nanao ny azy koa Jesosy ka nanangana an’i Lazarosy ary namelona azy indray. Raha maro loatra sy nifanosika ny vahoaka nanaraka an’i Jesosy dia tsy nisy sitrana ambara-pisisik’ilay vehivavy narary nandritry ny 12 taona hankao an-damosiny (Jesosy) ka nikasihany Azy «tamim-pinoana» (Lio. 8:43-48). Tsy mahasitrana anao akory ny toerana misy an’i Jesosy ; tsy maintsy manaiky amim-pinoana izay atolony anao hianao.

AZA FERANA AMIN’IZAY METY HO VITANAO NY HERIN’ANDRIAMANIFRA.

Betsaka no voasakana amin’ny finoana ny Tenin’Andriamanitra noho ny fieritreretana ny FOMBA HAHAVITAN’ANDRIAMANITRA ny fahagagana, AIZA NO HAHITANY NY VOLA ilaiko, iza no sakaizako azon’Andriamanitra itenenana… ets. Raha tsy hitany hoe izao no lalana hahazoan’Andriamanitra miasa dia tsy hino izy fa mahatanteraka izay nampanantenainy fa hatao Andriamanitra (II Mpanj. 7:2). Tsy nilaza taminao Izy hisahiran-tsaina amin’ny FOMBA hanatanterahany ny fahagagana. Nilazany fotsiny hianao HINO sy HIHETSIKA ARAKA NY TENY FIKASANY !

Loza ho an'ny "Fitafiana hafahafa"

"Ary izao no hiseho, amin'ny andro hanaovan'i Jehovah ny fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka mbamin'izay rehetra mitafy fitafiana hafa." Zefania 1:8

Efa nandinika lalina Andriamanitra ka manan-kolazaina tokoa ny amin'ny zavatra inian'ny ankabiazan'ny olona tsy jerena, izay mihevitra fa tsy miraharaha ny fomba fiankanjony Andriamanitra sady manala tsiny ny tenany amin'izany izy ireo ka milaza hoe : "Andriamanitra mijery ny fo fa tsy izay miseho ivelany."

Rehefa niteny tamin'i Samoela Andriamanitra mba tsy hijery ny fahatsaram-bikan'i Eliaba, zanak'i Jese, satria Andriamanitra nahalala izay tao am-pony, dia efa nolavin'Andriamanitra izy, (Kanosa avokoa ny rahalahin'i Davida teo anatrehan'i Goliata ilay goavam-be. Tsy nisy na dia iray aza tamin'izy ireo nanam-pinoana hivoaka ary handringana ilay goavam-be, fa Davida kosa no sahy).

Izany no antony nilazan’Andriamanitra tamin'i Samoela mba tsy hijery ny ivelany, fa Andriamanitra mijery ny fo nefa tsy niteny akory Andriamanitra fa ny fo ihany no jereny. Andriamanitra dia tsy nangina na oviana na oviana ny amin'ny resaka fitafiana.

Raha ny marina, Andriamanitra dia nanome ny toro-làlany, hatrany amin'ny ota voalohany tao amin'ny saha Edena ka hatrany amin'ny boky farany ao amin'ny Baiboly, ary manan-kambara Izy ny amin'ny tokony ho fomba fitafintsika, na ny amin'izao ankehitriny izao, na ny any amin'ny mandrakizay.

Ny fahamaotinana sy fahamendrehana dia tsy maintsy hiainana raha tsy izany dia ho lavin’Andriamanitra izany olona izany. Tao amin'ny saha Edena, ny zavatra voalohany indrindra nataon'Andriamanitra dia ny nampitafy hodi-janak'ondry an'i Adama sy Eva, rehefa nanota izy ireo. Rehefa nivoaka hiala ny fanandevozan’ny Egyptiana ny Zanak’Israely ary rehefa mby akaikin'ny tany nampanantenaina dia niteny tamin'i Mosesy Andriamanitra, handidy ny olona hanisy somotraviavy eo amin'ny sisin'ny fitafiany, ary hasiana kofehy manga izany. Dia izany no notoherin'ireo loholona 250 teo amin’ny Isiraely mafy sy ireo mpifehy, ka nangoniny avokoa ny olona rehetra hanohitra an'i Mosesy sy Arona ary niezaka hampiseho tamin'ny firenena manontolo fa marina izy ireo, fa i Mosesy kosa no tsy maharaka ny toetr'andro sy manava-tena satria tsy manao ny fanaon'ny olona, fa izy ireo dia masina na dia nanao fitafiana fohy izay mampihanjahanja ny feny aza.

Rehefa nanome ny baiko Andriamanitra hanalavana ny fitafian'izy ireo, dia nomeny azy koa ny anton'izany (Nom. 15:39-40), "Ary ho somotraviavy [fanampin'ny morontongotr'akanjo] ho anareo izany, ka raha jerenareo, dia hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didin'i Jehovah rehetra ; ary tsy handeha araka ny fonareo ianareo, na araka ny masonareo", “fa tamin'ny fanarahana izany no nahatonga anareo ho zatra mijangajanga, mba hotsarovanareo sy hankatoavinareo ny didiko rehetra, ka ho masina ho an'Andriamanitra ianareo." Fantatr'Andriamanitra ny tao am-pony raha nahita ireo fe mihanjahanja izy ireo. Tsy hainy ny hahatsiaro ny lalàn'Andriamanitra satria feno filàna ny fo ratsiny. Koa mba hampitsaharana ny filàny, dia tokony halavaina ny fitafiana, ary nolazain'Andriamanitra ihany koa ny fomba hanaovana an'izany. Kanefa nitsangana nanohitra an'i mosesy ireo lehilahy ireo, ka nilaza fa manao ny tenany ho zavatra sy ho lehibe i Mosesy, nefa izy ireo koa dia masina tahaka azy ; dia nihaika azy izy ireo ka sahy nanapa-kevitra tsy hamela ny vadiny hanalava ny fitafiany, ary mbola sahy nanolotra ditin-kazo manitra ho an'Andriamanitra aza. Ary nodoran'Andriamanitra velona izy ireo. Voatery Andriamanitra nampisokatra ny tany hitelina ny lain'i Datana sy Abiràma ary izay rehetra mety ho azy mbamin'ny zanany madinika, ka dia latsaka velona mivantana any amin'ny helo izy ireo satria tsy te-hanalava ny fitafiany. (vakio manokana: Nom. 15:37-41 ; Nom. 16-17; Eks. 32:25).

Niteny Andriamanitra taty aoriana ao amin'ny bokin'ny mpaminany hoe: "ny fisehon'ny tarehiny miampanga azy" (lsaia. 3:9) : ny fitafin'i Jezebela sy ny fandokoany ny tarehiny, sns... dia milaza mazava ny faharatsiana izay tao am-pony.

Ezekiela dia milaza ny fomba fitafin'ny vehivavy izay miezaka hamitaka. Lazain'ny Ohabolana ny fomba fitafin'ny vehivavy ratsy fanahy, sy ny fomba firesany, ary ny famindrany. Ary ny Ohabolana ihany koa no milaza ny fomba fitafin'ny vehivavy tsara fanahy, sy ny fomba firesany, ary ny famindrany. Nananatra mafy ny vehivavy i Paoly hitafy akanjo mendrika ny Fahamasinana, tsy hanahaka ny an'izao tontolo izao, tsy hanao zavatra izay hitaona ny lehilahy ho amin'ny filàna ka hijangajanga ao am-pony (I Tim. 2:9-10 ; Mat. 5:27-29).

Fa ao amin'ny Zef. 1:8, dia milaza Andriamanitra fa HANAFAY IZAY REHETRA manao FITAFIANA HAFA, hafahafa na hafa no teny marina hilazana ny lamaody na ny fomba fitafy adalan'ny "hippie" izay mahazo vahana sy laka eo amin'ny lamaodin'akanjon'ny lehilahy sy ny vehivavy, ny vehivavy manao ny fitafian-dehilahy. Ny sarisary eny amin'ny akanjo sy ny lehilahy izay manao zavatra tsy an-dehilahy.

Ny olona tsirairay izay manao fitafiana hafahafa dia handray ny famaizana avy amin'i Jehovah. Ankehitriny isika dia mahita fahafatesam-panahy, fisainana araka ny nofo, fanaon'izao tontolo izao, nofo mihanjahanja, filàna sy fieremana izay manjaka amin'ireo misora-tena ho olo-masin'Andriamanitra sy milaza fa voavonjy. Kanefa raha apetraka eo amin'ny tena mizana marin'ny Tenin'Andriarnanitra sy ny fenitra hotratrarina izy ireo dia ho hita fa vitsy dia vitsy ny ho tonga any an-danitra.

Raha ireo milaza fa feno ny Fanahy Masina no tsy mbola mahatratra ny fahamasinam-piainana, dia voaporofo fa tsy manana ilay tena Fanahy Masina izy, satria ny Fanahy Masina dia masina ka mampiaiky ny ota sy ny fanaon'izao tontolo izao amin'ny endriny rehetra.

Ry mpamaky malala, aza mety hofitahina. Ny Tenin’Andriamanitra no haharitra ny fizahan-toetra. Raha velona araka ny nofo isika dia ho faty, fa raha velona araka ny Fanahy kosa isika dia ho velona.

Fanahy mamitaka maro ankehitriny no miasa manerana an'izao tontolo izao, ary polipitra an'arivony no feno rahalahy sandoka, misaina araka ny nofo, tsy masina, fatra-pierina mba hahazo tombon-tsoa ara-bola sy fahafinaretana eto amin'ity izao tontolo izao ity. Manaraka ny fahafinaretana sy ny fialam-boly maro ; manahaka tanteraka izao tontolo izao sy ny asany ary ny fombany.

Tsy mendrika hatao ohatra ho an'ny mpino izy ireo, tsy azo alain-tahaka ilazana fisarahana amin'izao tontolo izao. Nodidiana isika "hitahiry ny tenantsika tsy misy tsiny [na pentimpentina] avy amin'izao tontolo izao". Ahoana no hiasan'ny Fanahy Masina sy hitoerany ao amin'ny olona tsy masina toy izany, dia ao amin'ny olona izay tsy mahafoy ny otany.

Mampianatra mazava Andriamanitra fa ny fahasoavan'Andriamanitra dia mampianatra antsika manda izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filàn'izao tontolo izao, tokony ho velona amin'ny onony sy ny marina isika amin'izao fiainana ankehitriny izao, izay hamirapiratantsika ho fanazavana, "itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filàny".

Ankehitriny dia maro no milaza fa feno ny Fanahy Masina nefa mampihanjahanja ny nofony na dia ao amin'ny tranon'Andriamanitra aza. Ary indraindray na dia eny amin'ny polipitra aza. Ny hanintona olona ho latsaka amin'ny filàna no hany fitafiany ka dia izany no hitondra fanamelohan'Andriamanitra haingana ho an'ny tenany sy ho an'ireo izay azom-pakam-panahy tamin’ny alalan'ny fitafiany tsy araka an’Andriamanitra.

"Fahamasinana no mendrika mandrakizay ny tranonao Jehovah ô!" Sal. 93:5

Nosoratan’I M. A. DAOUD

Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany

NY FIJANGAJANGANA

FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKA
FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ANDRIAMANITRA.

Io fahotana io no nahatonga ny safo-drano teto ambonin’ny tany izay nandringana ny olombelona rehetra sy ny biby afa-tsy Noa sy ny ankohonany.
Io fahotana io no nahatonga an’Andriamanitra handatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora, ary koa handroaka ny mponina voalohany tany amin’ny tanin’i Palestina.

Nahatonga mpanjaka maro ho very seza fiandrianana io, namono zaza maro, nahatonga olon-dehibe ho kilemaina, nahatonga ny olona hamono ny tsy manan-tsiny sy hampiditra an-tranomaizina ny mpivavaka, namparary fo sy nampijaly ny manodidina ary nampalemy ny olona tomady ho tahaka ny landihazo. Tsy mba voasarona na oviana na oviana io fahotana io. Manoratra ny tantarany sy ny rikorikony eo amin’ny tavan’izay voany izy ka mandatsa azy amin’ny androm-pahanterany. Mandà ny rariny sy ny fananarana izy, ny hany lalana handresena azy dia ny "fandosirana azy" hoy ny Soratra Masina. (II Kor. 6:17 ; II Tim. 2:22).

Tena mahery vaika mihitsy izy io eto ambonin’ny tany ka na dia ny mpitondra fivavahana sasany aza dia mihevitra fa mahazo manaram-po izy ary tsy misy voka-dratsy hojinjainy amin’izany. Mamela ny zanany hiroboka amin’io fahotana io ny ray aman-dreny ka tsy mampiasa ny tsorakazo, ary misy aza ray aman-dreny kristiana sasany mampirisika ny zanany hanao io fahotana io satria mangina ny polipitra ny amin’ny fitsaran’andriamanitra mahatahotra momba ny fijangajangana na dia efa an-tapitrisany aza ny olona rava tokantrano sady voan'ny areti-mandoza tsy azom-panafana mandra-pibebany marina amin’ny fahotany ka ialany amin’ny [[fiamana sy]] lalan-dratsiny. Ny filazana voalohany momba io fahotana io dia hita ao amin’ny (Genesisy 6). Tena zava-dratsy teo imason’Andriamanitra mihitsy io. "nampanenina ny tompo" ny namoronany ny olombelona teto an-tany, ary dia naringan’Andriamanitra izay rehetra meloka fa nanambady izay vehivavy rehetra tiany fa tsy nijanona tamin’ilay vadiny voalohany.

Raha misy lehilahy mandika ny voadim-panambadiany ka manao tokantrano maso amin’izay vehivavy tiany dia mampalahelo ny fon’Andriamanitra indrindra izany. naleony tsy nisy lehilahy na vehivavy akory teto an-tany raha handoto azy. Mety handidy fîsaraham-panambadiana ny fitsarana fa tsy mba toy izany amin’Andriamanitra. Ny lalana ahazoana manampina io fahotana io hatrany amin'ny loharanony dia ny "mitandrina ny fanahin’ny tena", ary ny tsy hamela olona hamitaka ny vadin’ny fahatanorany. "Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa misy manarona herisetra amin’ny fitafiany", hoy Jehovah, Tompon’ny maro ; koa tandremo ny fanahinareo ary aoka tsy nisy hamitaka ny vadin’ny fahatanorany". (Mal. 2:14-16.) Ny anankiray fahatelo dia ao amin’ny (Gen. 20), raha nisy mpanjaka mpanompo sampy iray naka an’i Saray, vadin’i Abrama, noho ny hatsaran-tarehiny. Niseho tamin'i Abimeleka tamin'ny nofy nony alina Andriamanitra ka nanao hoe: "Indro, ho faty ianao (tsy hisy famindrampo mitondra fahasitranana mihitsy fa dia fahafatesana) noho ny vehivavy izay efa nalainao, fa vadin’olona izy. Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina ? Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy ? Ary ravehivavy tenany ihany no nanao hoe: Anadahiko izy ; tamin’ny fahitsian’ny foko sy ny tsy fananan’ny tanako tsiny no nanaovako izany. Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: Eny, fantatro fa tamin’ny fahitsian’ny fonao no nanaovanao izany, fa niaro anao tsy hanota amiko koa Aho, noho izany no tsy namelako anao hanendry azy. Ary ankehitriny avereno amin-dralehilahy ny vadiny ; fa mpaminany izy ka hivavaka ho anao, dia no velona ianao ; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamm’izay rehetra anao".

FANAMARIHANA: Na dia tsy nanan-tsiny aza Abimeleka, dia tsy maintsy naveriny ho any amin’ny vadiny ihany Saray ; fa tsy fijaliana ihany no hahazo an’i Abimeleka raha nandà, fa ho tonga aminy sy ny ankohonany koa ny fahafatesana Betsaka ny ray aman-dreny no mijaly amin’ny androm-pahanterany satria tsy nampitandrina ny zanany lahy na vavy tsy hanambady olona efa nisaraka am-panambadiana no nataony, fa ny nampirisika azy mihitsy aza ka nihevitra fa mety amin-janany ny hanambady olona toy izany, na dia handrava tokantranon’olona aza izany, nataony izany satria nantenainy fa ho vady tsaratsara kokoa ho an’ilay olona ny zanany, heveriny fa tsy miraharaha izany mihitsy ny fitsaran’andriamanitra. Tsy mahazo maka vadin’olona ny lehilahy, toy izany koa ny vehivavy. Raha mandika izany didin’Andriamanitra mazava izany izy dia hijinja aretina sy fahafatesana izay fisarahana mandrakizay amin’Andriamanitra ary fanamelohana mandrakizay any amin’ny helo ho famaizana.

Tsy noho ny hoe satria mifankatia izy roa ; tsia, fa "feno fitaka ny fon’olombelona sady tena ratsy", hoy Andriamanitra ; koa mety ho tia ota ny fo ratsy kanefa hamono azy ara-nofo izany ota izany ary hahavery azy any amin’ny helo mandrakizay. Fa tsy misy mahazo miditra any an-danitra na ny mpijangajanga, na ny olom-betaveta, na ny mpierina, aza mety hofitahin’olona amin’ny teny foana ianareo ; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana (Efe. 5:5-6).

Faizin’Andriamanitra ny ray aman-dreny matetika noho ny tsy fandrarany ny zanany tsy hijangajanga sy tsy hanao zava-betaveta. Mpaminany sady mpisoronabe Ely, kanefa satria nahalala izy fa nandry tamin’ireo vehivavy tonga tao amin’ny tempoly mba hivavaka ny zanany lahy, izay efa tonga taona, ary na dia mba niteny an-janany ihany aza Ely, kanefa tsy nisakana azy tamin’ny tsorakazo (I Sam. 2:22 ; I Sam. 3:12-14), dia nofolahin’Andriamanitra ny vozony ary novonoiny ny zanany roa lahy (I Sam. 4:14-18). Tompon’andraikitra amin ny fandrarana ny zanany tsy hikasika na haka vadin’olona ka handrava ny tokantranon’ny hafa ny ray aman-dreny. Raha manao ny asa ampanaovin’Andriamanitra azy ny ray aman-dreny fa tsy lany andro amin’ny fitadiavam-bola izay hahazoan’ny zanany vavy hividy haingo fotsiny na mba hahazoan’ny zanany lahy hividy fïarakodia vaovao fotsiny, ary raha amafïsiny tsara amin-janany ny tsy tokony hieritreretany akory izay fisaraham-panambadiana, dia hahavonjy ny tenany sy ny zanany tsy ho azon’aretina izy. (Kanefa matetika ny ray aman-dreny no mamela ny zanany hinamana sy hifanadala amin’olona efa manambady), ka rehefa masaka ny fihavanana ka sendra mifamaly kely ny mpivady dia mihevitra ilay zanany fa afaka manome fahasambarana bebe kokoa ho an’ilay olona adalainy. Ny antony toy izany dia ampy handravana tokantranon’olona ka hanambadiany ilay vadin’olona. Tapeno hatrany am-boalohany izany hevi-petsin’ny devoly izany ka asaovy mitandrina ny zanakao tsy ho roboka amin’olona tsy manaja ny vadiny. Raha tàhiny tsy mahita olona ho adalainy amin’ireo olona tsara fitondrantena ny mpijangajanga, dia vetivety foana izy dia hahatsiaro ny fahotany ka hanitsy ny fiainany.

Betsaka ny reny raha misaraka am-panambadiana ny zanany vavy, no mihevitra fa sitrak’Andriamanitra ny hanambadian-janany indray mba tsy hahatsiarovany ny tenany ho singan’irery, ary mba tsy hiadian’izy mivady aminy intsony. Kanefa raha vao manambady indray izy dia tena mijangajanga mihitsy ary mampijangajanga ilay olona manambady azy indray (Lio. 16:18).

Misy olona manao hoe: "Rehefa mamela heloka Andriamanitra dia mamela heloka ; ary tahaka ny amelany ny heloka anankiray no amelany ny heloka hafa indray koa", eny, kanefa rehefa namela heloka Jesosy dia hoy Izy: "Mandehana ka aza manota intsony, fandrao hanjo anao ny ratsiratsy kokoa noho ny teo". Raha misy mpamono olona navelan i Jesosy heloka, dia mihevitra Izy fa tsy hiverina hamono olona intsony ilay mpamono olona. Raha mamela heloka ny mpangalatra iray Andriamanitra dia tsy hihevitra izany mpangalatra izany hamaky trano fitehirizarn-bola hafa indray. Toy izany koa eo anatrehan’Andriamanitra ny tsy hanohizan’ny mpijangajanga ny fijangajangany intsony, rehefa voavela ny helony. Fa satria misy mihevitra fa tsy afaka ho velona raha tsy manambady dia izao: raha ampy sy mahery ny Fahasoavan’Andriamanitra, ka mahasakana ny mpangalatra tsy hangalatra, ny mpamono olona tsy hamono olona, ny mpimamo tsy himamo, ny mpandainga tsy handainga, dia ho voasakan’ny Fahasoavan’Andriamanitra koa ny lehilahy na vehivavy tsy hijangajanga. Raha tsaroan’ilay olona mantsy fa hitondra azy any amin’ ny helo mirehitra afo sy solifara mandrakizay ny fijangajangana dia hitandrina sy tsy hanao izany intsony izy. Hoy Jesosy: "Izay manambady ny efa nisaorana dia mijangajanga (mitohy izany ary mbola hitohy raha mbola miara-mitoetra izy ireo), ary na firy na firy zaza naterany tamin’izany dia zanaky ny fijangajangana". Nefa ny hany hampijanonana ny fijangajangana dia ny fisarahana amin’ilay namana niaraha-nanota ihany. Izany no zavatra mafy hanjo ny zanakao raha avelanao ho rendrika amin’io fahotana mahatsiravina io izy dia ny fijangajangana sy ny fahavetavetana ary ny fakambadin’olona. Tsy mijanona miaraka amin’ny fampijanonana ny fijangajangana akory ny voka-dratsiny. Raha misy mibebaka amin’ny vonoan’olona nataony, tsy mahaverina ny aina nalany akory izany. Avelan’Andriamanitra ny heloka fa ny aina tsy miverina. Raha misy mampakatra ny olona nanaovany tokantrano maso mba hoe hanajanona ny fijangajangana, dia tsy manala ireo nateraka tamin’ny tokantranomaso tsy ho eto an-tany akory izany. Hijaly ireny zaza tsy manan-tsiny nateraky ny mpijangajanga ireny, kanefa koa betsaka ny zaza nateraka tamin’ny vady ara-dalàna no mijaly rehefa lasa mitoetra amin’ny vehivavy hafa ny rainy na amin’ny lehilahy hafa ny reniny. Mba mahagaga ihany ny hamindran’ny olona fo amin’ny vehivavy janga sy ny zanany ; kanefa tsy heveriny akory ny fijaliana entin’ny vady aman-janaka ara-dalàna.

Misy ray aman-dreny manome ny zanany vavy hanambady lehilahy efa nanary vady aman-janaka. Kanefa raha tokony mba hiova ilay lehilahy ka hiverina amin’ny vadiny aman-janany ara-dalàna dia ireo ray aman-dreny nanome ny zanany vavy ho vadiny no mampijangajanga io lehilahy io sady hampijaly sy hampitondra fahoriana ny vady aman-janany ara-dalàna. Kanefa raha omeny azy io zanany vavy io dia mba mety harian-drangahy indray io any aoriana ka dia hianjadian’ny fahoriana sy ny fijaliana izy amin’ny andro sisa iainany. "Aza mety hofitahina ianareo fa Andriamanitra tsy azo vazivazina fa izay afafin’ny olona no hojinjainy koa". Arakaraky ny mahatratra aoriana ny fijinjana no mahabe ny hojinjaina.

Raha nanota Davida tamin’ny fitsiriritany ny vadin’i Oria, ka nampaka azy, dia tsy nandà ravehivavy satria nihevitra fa tokony hankato ny didy, satria mpanjaka Davida, kanefa tsy faly Andriamanitra. Dia nahatsiaro ravehivavy nony afaka kelikely fa nanana anaka dia nampilaza tany amin’i Davida. Niaraka tamin’izay dia nitady izay hanaronana ny fahotany Davida ka dia nampaka an’i Oria tany amin’ny tany fiadiana mba hody sy hiala sasatra ao amin’ny vadiny. Saingy olona tena miendrika andriana tokoa Oria ka dia hoy izy: "Ahoana no ahazoako hiara-mifaly amin’ny vadiko kanefa ny miaramilan’i Jehovah miady sy miaritra any an-tafika?" Koa dia nandà tsy nety nody izy. Dia nomamoin’i Davida indray izy ka noheveriny fa amin’izany dia tsy hahalala ny lalan-kalehany izy ka hody any an-tranony ; kanefa na dia nomamoina aza izy dia tsy very voninahitra Oria. Tsaroan’i Davida tamin’izay fa tsy ho afa-miala izy, satria ny lalàn’i Mosesy dia mandidy fa ny mpijangajanga dia toraham-bato mandra-pahatapitry ny ainy. Dia nitetika hamono an’i Oria izy mba hanavotany ny ainy ka vitany izany. Teraka ny zaza ary nitombo mandra-pahatonga azy ho roa taona eo ho eo, dia naniraka an’i Natana Andriamanitra mba hampiseho sy hanambara amin’i Davida ny fahotany. Nibebaka Davida ary rehefa narary ilay zaza dia nifady hanina izy ka nivavaka sy nitomany ary nanetry tena teo anatrehan’Andriamanitra kanefa izany tsy nampijanona ny ain’ilay zaza tao aminy.
Rehefa maty ilay zaza, dia nitsangana Davida ka nanao hoe: "MARINA ANDRIAMANITRA". Na dia tsy nanao fahotana toy izany intsony aza Davida taoriana, dia mbola nanaraka azy ihany tamin’ny androny sisa rehetra izany vokatry ny ota izany, satria: nohazain’ny zanany lahy tahaka ny amboadia izy, ary ireo zanany ireo dia nanao fahotana mitovy amin’ny azy saingy tsy mba niafina tahaka ny nataon’i Davida fa ampahibemaso. Davida no ilay voro-manga feon’ny Isiraely. Rehefa lao tamin'ny ota izy noho ny fitsiriritana ny hatsaran-tarehin’ilay vehivavy dia nanary ny fifalian’ny famonjena azy ary raha tsy efa nihira ny Salamo 51 noho ny fibebahana izy dia tsy nisy fiadanana tao aminy ; ary indray na dia tsy nanao izany fahotana izany intsony aza Davida, dia mbola nitsingilahila ihany ny fiainany tamin’ny andro sisa rehetra niainany, ary nidina tany am-pasana tamin’alahelo izy.

Nataon’i Heroda tao an-tranomaizina Jaona Mpanao-batisa noho ny famelivelezana ny fijangajangana ka nanaovany hoe: "Tsy ara-dalàna aminao ny manambady ny vadin’i Filipo rahalahinao". Tezitra mafy Herodiasy satria tiany ny hitoetra amin’ny maha-vadin’ny mpanjaka azy, koa dia namelatra fandrika tamin’i Heroda izy mba hampanantenany azy ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa. Nampalahelo an’i Heroda izany zavatra izany, kanefa noho ny sain’i Heroda voafehin’ny fijangajangana loatra dia tsy sahy nanohitra ny fangatahan’i Herodiasy izy ka dia notapahiny ny lohan’i Jaona Mpanao-batisa. fa tsy matoritory akory ny fitsaran’andriamanitra., ny amin’ny helo ireo izao. Tsy marina teo anatrehan’Andriamanitra mantsy ny nataony na dia mpanjaka sy mpanapaka aza izy ireo.
Ary helohin’Andriamanitra ny fianakaviana rehetra raha mamela ny zavatra toy izany hitohy. Tsy afa-milalao afo ka tsy ho may lamba ianao. Izay atao mba hanakanana ny fijangajangana ary dia ny tsy famelana ny zanakao hiaraka amin’olona nisaraka am-panambadiana na mbola manambady. Hovalian’Andriamanitra araka izay nataony avy ny olona. Mora dia mora tokoa ny mandeha mijangajanga ka mandao ny vady aman-janaka ary mamela azy ireo hijaly sy hitomany, fa ho lehibe lavitra noho izay nafafinao ny vokany. Ny voam-bary iray miteraka voam-bary zato, koa ampitomboy toy izany ny fahotanao ary manampoiza fa tsy maintsy hiverina aminao izany. Lalana tsy azo lavina izany, AZA METY HOFITAHINA IANAREO... ANDRIAMANITRA TSY AZO VAZIVAZINA, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy koa (Gal. 6:7).

Io fahotana avy amin'ny fijangajangana sy ny fitsiriritana ary fahavetavetana sy tsy fahadiovana io dia tsy zava-bitika sy maivana akory na dia betsaka aza ny olona maty fanahy noho io ota adala io ankehitriny. Tsy hoe satria misy areti-mifindra mamely ny tany no mahatonga ny olona rehetra harary, fa ny fijangajangana koa dia miteraka aretina sy fahafatesana. Koa na hita toa ambinina aza izy ka miteraka, dia aoka tsy hihevitra izany ho fitahiana avy amin’Andriamanitra ka hisakana ny fahafatesana tsy handripaka izay rehetra azony arapaka. Izao no Tenin’Andriamanitra milaza ny vokatr’io fahotana io: IZA NO HOMEN-TSINY, raha misy ny fijangajangana, ny lehilahy sa ny vehivavy ? Izay voalaza etsy ambony dia mampiseho ny andraikitry ny olona tsirairay avy.

Ny Mpanjaka ao amin’ny Testamenta Taloha izay nitarika ny fireneny tamin’ny fijangajangana sy faharatsiana dia fohy andro nahavelomana ary voapaokan’ny fandringanana tampoka, ka hafa no nandimby azy. Na dia samy meloka aza ny lehilahy sy ny vehivavy mijangajanga, satria tsy ho vita izany raha tsy efa nifaneken’izy roa, dia izao no fomba hilazan’ny Soratra Masina ny vehivavy mpandrava tokantrano ka manambady lehilahy nisao-bady na namandrika zatovolahy tsy manan-tsiny.
Ny Tenin’Andriamanitra sy ny fahendreny no hanafaka anao "amin’ ny vehivavy jejo, dia ny vahiny izay mandrobo amin'ny teniny, izay mahafoy ny mpitari-dalan'ny fahatanorany sy manadino ny faneken’Andriamaniny fa ny tranony milentika ho amin’ny fahafatesana ary ny alehany mankany amin’ny maty. Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, na mihazo amin'ny lalan’aina ". (Oha. 2:16-19). Ohatra angaha, misy vehivavy iray tsy manambady miasa amin’ireny birao ireny ; ary an-kafetsena no iresahany amin’ny lehilahy iray efa manambady aman-janaka ka mampiseho aminy ny alahelony azy noho ny anaovan’ny vadiny azy fa tena tsy mety mihitsy ny ataon’ny vadiny aminy, tsy tokony ho iny no ho vadiny hoe: (nefa amin’izay ny vady any an-trano mikarakara ny ankizy ary matetika tsy manao ny akanjony tsara indrindra foana akory Ramatoa rehefa miditra ny tokantrano ralehilahy vadiny, kanefa ilay vehivavy any am-piasana tsara fitafiana ery ka afa-miseho vahoaka). Dia mba mandoka ilay mpitovo koa ralehilahy ary manomboka eo ny tantara. Dia manjary kintonina amin’ny vadiny ilay lehilaliy, izany mantsy no nilazany ny vadiny, mihevi-tena ho mijaly ary tsy mety ho sambatra rehefa mody. Dia mihasarotra eo ny fiainana. Dia miantomboka mitondra ilay anankiray ho any amin’ny trano fisotroana na manasa azy hiara-misakafo mba ho mariky ny fisakaizana fotsiny satria tsy mba mahita izany amin’ny vadiny, hono izy ; dia mitohy ny tantara. Nefa hoy Andriamanitra: Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, ary ny alehany mankany amin’ny maty (tsy fahasambarana fa fahafatesana). Fa "sambatra izay olona mahita fahendrena sy izay olona mahazo fahalalana. Andro lava no eo an-tanany ankavanana ; ary harena sy voninahitra no eo an-tanany ankavia. Lalana mahafinaritra ny lalany ary fiadanana ny alehany rehetra" (Oha. 3:13-17).

"Ny ozon’i Jehovah dia ao an-tranon’ny ratsy fanahy, fa ny fonenan’ny marina dia tahiany kosa." (Oha. 3:3), "Tandremo ny fonao amin’izay fitandremana tsara rehetra, fa avy ao no ivoahan’ny aina. Ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. Aoka ny hodi-masonao hibanjina ny eo anoloanao. Saino tsara izay alehan’ny tongotrao, ary aoka ho voalamina ny lalanao rehetra. Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia ; esory amin'ny ratsy ny tongotrao.(Oha 4:23-27).

(Ohabolana 5:3-6) : "Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin’ny tohotra ary ny vavany dia malama noho ny diloilo ; nefa ny farany dia mangidy tahaka ny hazo mahafaty ary maranitra ohatra ny sabatra roa lela. Midina ho any amin’ny fahafatesana ny tongony ; mizotra ho any amin’ny helo ny diany." "Fandrao hisaina ny lalan’aina ianao dia miovaova ny alehany mba tsy hahafantaranao azy." (mihevitra ny ho afa-miala ianao ka hamitaka azy fa izy kosa mihodina ka mambabo anao ao anatin’ny fandrika lehibebe kokoa noho ilay voalohany).

"AMPANALAVIRO azy ny alehanao ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony ; (aleo kokoa hanalavi-dalana aza ianao mba tsy handalovanao eo akaikin’ny tranony), fandrao homenao ho an’ny sasany ny Voninahitrao ary ny taonanao ho an’izay lozabe ; fandrao hivokisan’ny vahiny ny fanananao ; ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon’ny vahiny ; ka dia hitoloko ianao any am-parany raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao ; dia hanao hoe: Nahoana re no nankahala fahalalana aho ? ary nahoana no naniratsira fananarana ny foko ka tsy nihaino ny tenin’ny mpampianatra ahy , na nanongilana ny sofiko hihaino ny mpanoro hevitra ahy ?" (Oha. 5:6-13).

Ny vehivavy jejo izay mihevitra fa tsy maninona ny mijangajanga amin’ny lehilahy manam-bady dia tena tsy mifaditrovana mihitsy. Tsy mampaninona azy akory ny tsy hihinanan’ny vady aman-janak’ilay lehilahy hanina sy tsy hitafiany, fa izy kosa mihaingo be ary feno vola ny kitapom-bolany ary lasany ny fanamarinana ny trano aman-tanin-dralehilahy. Fa rehefa marary izy, ary harary izy satria miteraka aretina ao amin’ny tena ny fijangajangana, ka efa ambany ny ainy, dia hialan-dravenivavy izy ka hilaozany manaraka olon-kafa indray izay afa-manome azy izay tadiaviny. Tsy mifikitra na oviana na oviana amin’ny lehilahy voafandriny izy fa haneso azy aza amin’ny farany.

"Nahoana ianao anaka, no ho renoka amin’ny fitiavana vehivavy jejo, ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga ? Fa eo imason’i Jehovah ny alehan’ny olona, ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa. Ny heloky ny ratsy fanahy dia hahazo ny tenany ihany ; ary ny kofehin’ny fahotany no hitanana azy. Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany." (Oha. 5:20-23). "Fa jiro ny didy ary fanazavana ny lalàna ary lalan’aina ny anatra famaizana (na dia avy amin’ny vady malala tia anao aza), hiaro anao amin’ny fandroboan’ny lelan’ny vahiny jejo.

"Aoka tsy hila ny hatsaran-tarehiny ao am-ponao ianao ; ary aoka tsy hahazo anao amin’ny hodi-masony izy. Fa noho ny amin’ny vehivavy janga no ietren’ny lehilahy tsy hanana afa-tsy sombi-mofo ; ary ny vehivavy mpijangajanga dia hihaza ny aina sarobidy".

"Mahatondra afo ao an-tratrany va ny olona, ka tsy ho may ny akanjony ?", "Misy mahadia vainafo va ka tsy ho may ny tongony ? Dia toy izany izay mankamin'ny vadin’ny namany: izay rehetra mikasika azy dia tsy ho tsy manan-tsiny." (Fa meloka eo anatrehan’Andriamanitra izy).

"Izay mijangajanga amin’ny vehivavy dia tsy ampy fahalalana ; manimba-tena izay manao izany.", "Ratra sy fahafaham-baràka no ho azony ary tsy ho afaka aminy ny tondro-molotra. Fa ny fahasaro-piaro dia mampisafoaka ny lehilahy, koa tsy hamindra fo izy amin’ny andro hamaliana. Tsy handinika izay vola avotra izy, ary tsy hety ho afa-po na dia omenao fanomezana betsaka aza" (Oha. 6:23-35).

HO AN’NY MPITOVO

"Fa teo amin’ny varavarankelin’ny tranoko, dia teo amin’ny makarakara no nitsirihako, ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, izay nandeha tamin'ny lalàna akaikin ny zoron-tranon'ny vehivavy janga sy nizotra nankany an-tranony, nony takariva ilay somambisamby iny sy tamin’ny alina efa maizina dia maizina. Dia indro, nisy vehivavy nitsena azy sady manao fitafian’ny janga no mifetsy am-po, (sady vavàna no maditra, tsy manajanona ao an-tranony ny tongony ; fa vetivety mby eny ivelany izy, vetivety eny an-dalambe ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy). Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe: Manana fanati-pihavanana aho aty amiko ; ary androany no efa nanefako ny voadiko. (Vao avy nivavaka ho anao aho ary ny toeranao ato amin’ny fiainako, na vao avy nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanirahany ny olona ilaiko hanampy ahy ary fantatro fa izany no sitrapon’Andriamanitra dia ny hiarahantsika (izany no lalana alehan’ny sasany na dia any am-piangonana aza mba hamandrihana ny fanahin’ny tsy manan-tsiny). Koa dia nivoaka hitsena anao aho, mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao. (Raha tsy ianao no azony dia tsy maintsy ho nahazo olon-kafa izy. Tsy dia misy lanjany loatra ianao.) Ny fandriako dia nasiako firakotra tsara, dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly tamin'ny hariry madinika avy tany Egypta. Efa norarahako miora sy ahalima ary havozo manitra ny fandriako. Andeha, aoka isika hivoky fitia mandra-pahamarain’ny andro, aoka ho feno fahafinaretana amin’ny fitiavana isika (na dia mampalahelo ny zazavavy tsara aza izany). Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, fa lasa nivahiny lavitra izy ; ny kitapom-bola dia nentiny any aminy, ka tsy mbola hody izy raha tsy amin'ny andro voatendry (Oha. 7:6-20).

"Tamin’ny teniny mahafinaritra maro no nampanekeny azy, tamin’ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy, ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin’izay ilay zatovo, tahaka ny omby entina hovonoina, ary tahaka ny adala hogadraina amin'ny boloky hazo ambaram-piboroaky ny lefom-pohy amin’ny atiny ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany. "Koa mihainoa ahy ianareo, ry zanaka, ary atreho ny tenin’ny vavako. Aoka tsy hivily ho any amin’ny lalany ny fonareo ary aza mania ho amin’ny alehany. Fa efa betsaka no lavo naratrany ; eny, maro ny lehilahy efa matiny. "Ny tranony dia lalàna mankany amin’ny helo, midina mankany amin'ny efitranon'ny fahafatesana." (Oha. 7:6-27).

NY VEHIVAVY ADALA DIA :

Toa manintona, toa tsotra, nefa tsy mahay na inona na inona (mety hiebo ho mahay raharaha izy ka heverinao fa ilainao ny hanampiany anao fa ny Tenin’Andriamanitra manao hoe: "Tsy mahalala na inona na inona izy"), aleo lavitra maka olo-marina izay tsy mamitsaka hikendry sy hambabo ny fanahinao ka hanimba ny fiainanao ary hitondra anao ho amin’ny fahalevonana mandra-piboroaky ny lefom-pohy amin’ny atinao, ary nony mifoha ianao dia hahita fa lasa ny herin’ny taonanao rehetra, ho eo am-pofoan’ny vehivavy vahiny ; ary hanjonitra ianao amin’ny farany ka tsy hisy vola intsony hitsaboana raha marary. Betsaka ny lehilahy mpanan-karena no nila tsy hahita sombi-mofo hohanina noho ny nataon’ny vehivavy janga. TSY FETSY noho ny devoly ianao. TSY MATSILO NOHO ANDRIAMANITRA Izay mahita ny ataonao rehetra sy mahalala ny hevi-dratsinao rehetra na dia izay ataonao amin’ny namanao miara-miangona aminao aza ianao. Milaza izay hataony Andriamanitra raha manaraka vehivavy vahiny ianao ka mijangajanga aminy. Tsy fetsy noho ny vehivavy janga izay mikendry ny fanananao rehetra ianao. Avereno vakina iretsy Soratra Masina iretsy, ka mahazoa fahalalana. Vonjeo ny fiainanao ka tano ny voninahitrao sy ny harenao sy ny fahasalamanao, ny fahasambaranao sy ny fiadananao.

"Mipetraka eo am-baravaran'ny tranony ny vehivavy adala ary amin’ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna, mba hiantso ny mpandalo izay mizotra amin’ny alehany." (Tsy ianao irery akory no ilalaovany, raha maharava ny tokantranonao izy dia maharava tokantranon’olon-kafa moramora toy izany koa. Tsy misy tahotra an’Andriamanitra eo amin’ny masony na ao am-pony. Tsy ho raharahainy akory izay fiheveranao, mahafinaritra azy aza ny mampijaly anao amin’ny fampanaovana anao izay sitrapony ary dia hihomehezany ianao rehefa rava fananana).
Ny tafika mahery indrindra nanananay (Amerika) tamin’ny ady lehibe faharoa dia ilay anankiray niady hatrany Aostralia ka nankany amin’ny Nosy Filipina. Azony nisesy ireo nosy maromaro. Tena andian-tafika mahery fo izy io mandra-pahatongany teo amin’ny nosy kely iray farany. Toa hoatry ny efa lavitr’azy ny fahavalony ka dia nanararaotra nisotro sy nitady vehivavy janga izy. Nony alina dia norarafan’ny fahavalo izy ireo ka ripaka daholo afa-tsy vitsy kely foana izay tsy nety nanao izany fahotana izany. An’arivony ny zatovolahy no maty tsy noho ny naha-mpiady mahatoky azy ireo ka netezany hanavotra an’i Amerika, fa noho ny fankanesany tany an-tranon’ny vehivavy janga fony izy tany am-pitan’ny ranomasina.

Na iza na iza tsotra, aoka izy hitodika eto ary ho an’izay mikatsaka fahalalana dia hoy izy taminy : "Mamy ny rano angalarina ary fy ny mofo hanina amin’ny fiafenana. Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, ary ao amin'ny halalin’ny helo ny olona nasainy.

Ny ilaina hataonao dia ny mamaky ny tantaran’ny fiainana mahatsiravina nananan’ireo vehivavy janga voalaza ao amin’ny Baiboly, (ny hoe: "janga" eto, dia vehivavy tia firaisana tsy ara-dalàna, mandrakariva mba hahazoany vola, na laza), dia hohitanao izay nanjo ny fireneny noho ny ratsy nataony. Nampianatra ny olona hijangajanga sy hanao vetaveta Jezebela, dia nofaizin’Andriamanitra tamin’ny fahafatesana mahatsiravina izy, fa natsipin’ny mpiambina azy avy teny am-baravarankely ary alohan’ny niantefany tamin’ny tany dia efa narapaky ny alika izy.
Nampivadika ny lohan’i Solomona ireo vadi-tsindranony marobe ka nahatonga ny fiafaran’ny fiainany ho feno alahelo ary ny fanjakany ho voasaratsaraka taorian’ny nahafatesany .
Lozabe tokoa i Herodiasy ka nampanaiky an’i Heroda hamono ny mpaminany dia i Jaona Mpanao-batisa.

Ao amin’ny Boky farany ao amin’ny Baiboly, dia ny Apokalypsy, dia mampitandrina ny fiangonana Jesosy mba tsy hamela ny vehivavy janga hampianatra ao am-piangonana ka milaza fa hampandaloviny fahoriana lehibe ireo izay mijangajanga aminy.

Misy mpitovo sasany mihevitra fa ny vehivavy efa namoafady taloha dia mety ho vady tsaratsara kokoa noho ny zatovovavy tsotra izay mety ho saro-kenatra sy maotina kanefa tsara toetra ary mahatonga ny lehilahy ho tafakatra ambony. RAHA MANAMBADY VEHIVAVY efa nisaorana ianao na izay efa nandao ny vadiny dia MIJANGAJANGA ary raha misaotra ny vadinao ianao dia MlJANGAJANGA ary mampijangajanga azy koa. Koa aza mitaraina fa mba manao izay ataonao koa ny vadinao. Fa tsy mahafa-tsiny ny iray amin’ izy ireo akory izany sady tsy mahavonjy azy amin’ny ozon’Andriamanitra sy ny fahatezerany ary ny helo. Ny fibebahana ihany no hahavonjy azy ireo.

Hoy ny Apokalypsy 21:8 hoe: "ny mpivaro-tena dia hanana ny anjarany ao anatin’ny farihy mirehitra afo sy solifara, izany no fahafatesana faharoa". Ary ao amin’ny Apokalypsy 22:15, "Fa any ivelany (ivelan'ny lanitra) ny mpivaro-tena ary izay rehetra tia lainga sady manao lainga.

Ao amin’ny Efesiana 5:5 : "Fa fantatrareo marina fa samy tsy manana lova eo amin’ny fanjakan’i Kristy sy Andriamanitra na ny vehivavy mpivaro-tena... "
Ny Galatiana 5:19-21 indray: "Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahavetavetana, fahalotoana, fïjejojejoana ara-panahy izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra."

Raha te-handao ny fïainana feno fijangajangana ataony ny lehilahy dia mandinika miaraka amin’izay ny fomba hilazany ny toe-javatra amin’ilay vehivavy janga. Very ny heviny amin’izay fomba hanaovany izany mba tsy hampisendaotra ny fon’ilay vehivavy janga. Tamin'ny nandaozany ny vadiny ara-dalàna sy ny zanany anefa izy, dia tsy mba nisy eritreritra kely akory ny hoe: ahoana no hanazavako ny raharaha amin’izy ireo, fa dia lasa fotsiny ary angamba tsy mba nanoratra ho any an-trano akory nandritry ny volana na taona maro. Fa izao kosa nony te-hanitsy ny fiainany eo imason’Andriamanitra izy dia mihevitra fa tsy maintsy mitandrina tsara ka mihevitra fa ny tokony hataony voalohany indrindra dia ny mandamina ny toeran’ilay vehivavy janga sy ny zanany ka manao fiomanana tsara ary manome azy ireo zavatra tsara alohan’ny handaozany azy, kanefa fony nandao ny vadiny izy dia tsy niraharaha akory na andro Krismasy, na taom-baovao, na hatsiaka na hafanana fa dia lasa fotsiny ary namela ny vady aman-janany hikarakara tena. Fa nony hiverina amin’io vady ara-dalàna io izy dia ampidiran’ny devoly hevitra mba hijanonany amin’ilay vehivavy janga aloha mandra-pahitany hevitra amin’ny hanomezany azy ny zavatra ilainy amin'ny androny sisa: RAHA MISY VEHIVAVY TSY VALAHARA KA MANDRAVA NY TOKANTRANON’NY VEHIVAVY HAFA ANANKIRAY ka maka ny vadiny, na raha misy lehilahy tsy vanona ka maka vadin’olona, kanefa raha vonona hiala amin’ny fiainan-dratsiny izy dia TSY MAINTSY MIVONON-KIJINJA IZAY NAFAFINY HO AZY IZY.

Tsy mamafy voan-dandihazo ianao ka manantena hijinja voaloboka. Dia toy izany koa, izay mamafy fahotana aza manantena hijinja fahasambarana sy ho afa-maina amin’ny fijaliana nateraky ny fahotana aminao. Mety hibebaka ianao fa ny voa nafafinao sy ny toe-javatra efa nasavoritakao dia tsy ho afaka amin'ny fanaovanao fotsiny hoe: "Malahelo aho". Mety hibebaka ny mpamono olona fa tsy mahaverina ny ain’ilay nalatsany rà akory izany . Mety hibebaka ny mpijangajanga (na lahy na vavy) fa izany akory tsy mampiala eto an-tany ny zaza naterany tamin’ny fahotana. Hoy ny Soratra Masina: Tsy ho afaka mihitsy ny pentina " fa izay afafin’ny olona no ho jinjainy."

Tena zava-dehibe mihitsy io fijangajangana io, koa jereo tsara, ry Ray aman-dreny ny lalan-kalehan’ny zanakareo lahy sy vavy, raha tianareo ho sambatra izy ireny ka tsy hisy loza mihantona mandrakariva eo ambonin ny lohany.
Ny tsora-kazo ahatra eo amin’ny tenan’ny zanakareo sy ny fampianarana mahatoky avy amin’ny Tenin’Andriamanitra no hahatonga azy ireny handositra fijangajangana sy fahavetavetana. Mba mankanesa ange eny amin’ny trano fitsaboana ny adala sy fitaizana ny ankizy e, dia hahita zaza maro kilemaina noho ny fijangajangana sy fahavetavetana nataon’ny ray aman-dreniny ianao. "NY FAHAMARINANA sy ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra no MANANDRATRA NY FIRENENA fa ny OTA kosa dia FAHAFAHAM-BARAKA amin’ny OLONA".

Ny zanaky ny mpijangajanga sy ny vehivavy janga kosa izay mihomehy an’Andriamanitra ka manara-dia ny ray aman-dreniny dia hoy ny Teny ao amin’ny Isa. 57:3-21: "Fa ianareo kosa dia mankanesa aty, ry zanaky ny mpanandro, ianareo taranaky ny mpijangajanga. Iza no ihomehezanareo ? Iza no isanasananareo vava sy itrangatranganareo lela ? Tsy taranaky ny fihodinana va ianareo sady taranaky ny lainga ? Ianareo dia mahamaimay ny fonareo amin’ny sampy eny ambany hazo maitso rehetra ; ka mamono zaza eny an-dohasaha, eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato. Ao amin’ny vato kilonjy any an-dohasahan-driaka no anjaranao ; eny, izany no anjaranao ; ireny koa no nanidinanao fanatitra aidina sy nanateranao fanatitra hohanina. Hahatsindry fo amin’izany va Aho ? Teo ivohon’ ny varavarana sy ny tolam-baravarana no nametrahanao ny fampahatsiarovana anao.

"Raha mitaraina ianao, aoka ireo antokonao no hanafaka anao ; fa hongahan’ny rivotra avokoa ireo ; zava-poana no hahalasa azy ; fa izay mametraka ny fitokisany Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina. Ary Izy hilaza hoe: Manandrata, eny, manandrata ka manamboara lalana, esory izay mahatafintohina eny amin'ny alehan’ny oloko. Fa izao no lazain’ny Iray Avo sy Manerinerina, Izay monina mandrakizay, Masina no anarany: Ao amin’ny fitoerana avo sy masina no onenako, ary ao amin’ ny torotoro fo. Efa nahita ny lalany Aho, nefa hahasitrana azy, dia hitari-dalana azy Aho ka hampody ny fiononana ho aminy sy ho amin’ny malahelo ao aminy. Ka dia hahasitrana azy Aho. Fa ny ratsy fanahy dia tahaka ny ranomasina misamboaravoara, tsy mety tafatoetra izy, ka ny ranony dia mamoaka loto sy fotaka. TSY MISY FIADANANA HO AN’NY RATSY FANAHY, hoy ANDRIAMANITRO ".

Andriamanitra milaza fa hotsarainy haingana ny mpijangajanga, "Indro, ianareo matoky ny teny lainga, izay tsy mahasoa anareo. Hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga sy hianian-tsy to va ianareo ? ary tonga MIJORO EO ANATREHAKO AMIN’ ITY TRANO izay antsoina amin’ny anarako ITY ka manao hoe: EFA AFAKA IZAHAY MBA HANAO IREO FAHAVETAVETANA REHETRA IREO ? (Efa navelan’Andriamanitra ny fahotantsika taloha ka dia mahazo mijanona amin’ny fanohizana ny fijangajangana isika). Moa tonga zohy fieren'ny jiolahy eo imasonareo va ity trano izay antsoina amin'ny anarako ity? (Moa va mety amin’ny mpitondra fivavahana ny mamela ny mpijangajanga ho velona amin’ny fijangajangana ?) Fa mandehana ianareo ankehitriny any amin’ny fitoerako izay tao Silo, izay nasiako ny anarako tany am-boalohany, ka JEREO IZAY NATAOKO TAMINY NOHO NY HARATSIAN’NY ISIRAELY OLOKO.

"Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo ; koa dia ho toy ny nataoko tamin’i Silo no hataoko amin’ity trano izay efa nantsoina tamin’ny Anarako sady itokianareo ity, sy amin’ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo. Ary hoesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak’i Efraima rehetra. Koa AZA mivavaka ho an’ity firenena ity ianao ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona Amiko, FA TSY HIHAINO ANAO AHO. Fa tsy ny amin’ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nandidiako azy, fa izao kosa no nandidiako azy hoe: ANKATOAVY NY FEOKO, dia ho Andriamanitrareo Aho ary ianareo ho oloko, ka handeha amin’ny lalana rehetra nandidiako anareo ianareo, mba hahitanareo soa. Kanjo tsy nihaino izy. Nametraka ny fahavetavetany ao amin’ny trano izay efa antsoina amin’ny Anarako izy mba handoto azy, ny tenin’ i Jehovah dia nolaviny, ka FAHENDRENA INONA NO AO AMINY ? Ary noho izany dia homeko ho an’ny hafa ny vadiny, ary ny sahany ho an’izay handova azy, satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy fatra-pila harena, hatramin'ny mpaminany sy ny mpisorona dia samy mamitaka avokoa. Fa nataotaony foana ny fanasitranana ny faharatran’ny zanakavavin’ny oloko tamin’ny nanaovany hoe: FIADANANA, FIADANANA ; KANJO TSY MISY FIADANANA TSINONA.

"Menatra va izy raha nanao fahavetavetana? Tsia, tsy menatra izy, na nivoaramena akory ; koa ho lavo eo amin’izay lavo izy ; amin’ny andro hamaliana azy dia hazera izy, hoy Jehovah. Fa, indro Aho handefa aminareo bibilava sy menarana izay tsy azon’ody, ka hanaikitra anareo izany, hoy Jehovah.
"Moa tsy misy balsama va any Gileada ? Moa tsy misy dokotera va any ? Koa NAHOANA NO TSY TANTERAKA NY FANASITRANANA NY ZANAKAVAVIN’NY OLOKO ? (Jer. 7, 8, 9.)

"Enga anie ka ho rano ny lohako, ary ho loharanon-dranomaso ny masoko, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, ary fiangonan'ny olona mpamitaka. Ary manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipika izy mba handefa lainga, nefa tsy araka ny marina no mahahery azy ety ambonin’ny tany. Noho izany, indro hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy homeko ranon’afero izy hosotroiny. Ary haeliko any amin’ny jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy ; ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.

Tadidio fa TSY MBOLA NIOVA ANDRIAMANITRA, manao famindrampo amin’izay miala marina amin’ny lalan-dratsiny Izy, dia izay miantso an’i Jesosy Kristy mba hamela azy ka tsy mijanona intsony amin’ny helony. Hoy ny (Mat. 5:32) "NA ZOVY NA ZOVY NO HANAMBADY IZAY VOASAOTRA DIA MIJANGAJANGA". Amin’izao ankehitriny izao no fotoana ilazana izany eto ; izany hoe isaky ny mikasika azy (ilay voasaotra) izy dia manao fijangajangana vaovao indray. Azo avela heloka noho ny fijangajangana ianao raha manajanona an’izany fa raha mbola tohizanao ny fijangajangana, hahavita inona aminao ny fitalahoana ny famindrampon’Andriamanitra. Mety ho voavela heloka ny mpamono olona, kanefa raha mbola mamono olona isan’andro, na isaky ny indroa andro izy, iza no hino fa efa navelan’Andriamanitra ny helony RAHA TSY MANAN-KEVITRA NY HIALA AMIN’ NY FAHOTANY IZY ?

Ny heloka amin’ny faniratsirana dia io heloka amin’ny filalaovana amin’ny indrafon’Andriamanitra io indrindra. Hoy ny fanontanian’i Paoly: "Mbola hitoetra amin’ny ota ihany va isika hitomboan’ny fahasoavana ? Sanatria izany ! Hataontsika izay efa maty ny amin’ny ota ahoana no ho velona aminy ihany ?" (Rom. 6:1-2).
Moa misy fanantenana ho an’ny vehivavy janga ve ? Eny, nandroaka devoly fito tamin’i Maria Magdalena Jesosy ary tonga mpianatr’i Jesosy Kristy izy sady izy no mpilaza ny fitsanganany tamin’ny maty voalohany. Nilatsahan’ny Fanahy Masina izy tamin’ny andron’ny Pentekosta rehefa navelan’Andriamanitra ny helony ary tsy niverina nanota intsony izy.

Ilay vehivavy teo amin’ny fantsakana tany Samaria dia efa niova vady in-5 ary vadin’olona no nipetrahany tamin’ny fotoana nihaonan’i Jesosy taminy ka nilazan’i Jesosy taminy ny zavatra rehetra nataony. Fa faly loatra izy noho ny famelana ny helony, dia lasa tany an-tanàna ka niantso ny olona rehetra tao, dia tamy ireo ary niangavy an’i Jesosy mba hijanona ao aminy roa andro indray. Ary voavonjy daholo izy satria tena nialan’ilay vehivavy marina tokoa tamin’ny fony rehetra ny fahotany.

Nisy vehivavy azo nijangaianga anankiray nentina teo Aminy ka saiky hotoraham-bato araka ny voalazan’ny lalàna, dia hoy Jesosy: "Izay tsy nanota eo aminareo no aoka hitora-bato azy voalohany. Dia niondrika indray Izy ka nanoratra teo amin’ny tany, nony efa nampitràka ny lohany Izy dia indro hitany fa tsy nisy iray tafajanona intsony mba hitora-bato azy satria efa samy nanota daholo, dia hoy Jesosy: "IZAHO KOA DIA TSY MANAMELOKA ANAO, mandehana, ary AZA MANOTA INTSONY".

Fa mitondra alahelo lehibe sy fahasahiranana ho an’izay lavo tao aminy, ny fiarenana amin’ny fîjangajangana, satria mahatonga ilay zazavavy hiahy irery ny zanany izany ; ary henatra ho an’ny fianakavian’ilay zazavavy rehefa miala ralehilahy mba hanarina ny fiainany.

Tena zavatra mahalasa eritreritra mihitsy ny mahita ny ahiahy manjo ny lehilahy amin’ny handaozany ny vehivavy janga sy ny zanany, nefa tsy mba nampaninona azy akory ny nandao ny vadiny ara-dalàna sy ny tokantrano misy ireo zaza tsy manan-tsiny. Fa nony efa mieritreritra ny lalany izy ka te-hanarina ny fiainany, dia injay fa nandeha ny tsiny ataon'ny maro noho ireo ZAZAKELY TSY MANAN-TSINY naterak’ilay mpijangajanga. Tokony hieritreritra tsara aloha ny zazavavy ka handanjalanja ny vokatra hojinjainy raha miverina amin’ny vadiny ilay lehilahy, mialoha ny handaniany zara ny tenany ny amin’ny ho avy. Raha tsy valahara ny zazavavy ka mitetika haka vadin’olona fa tsy miandry ny anjara soa atolotr’Andriamanitra azy, dia izy irery no hivesaran’ny famelomana ny zaza naterany tamin’ny ota raha miova fo ilay lehilahy ka miverina amin’ny vadiny marina teo aloha.

Raha nasain’i Saray naka ny andevovaviny Abrama mba hahazoany zanaka aminy ka hifalian’i Saray amin’ny fananany zanaka amin’i Abrama, dia tsy izany no fikasan’Andriamanitra fa fahalemen’i Saray izany. Ary rehefa notanterahan’Andriamanitra ny toky nomeny ka nomeny an’Isaka izay naterak’i Saraha ary rehefa nitombo Isaka ka noesoesoin’ilay andevovavy, dia ny zava-piseho mandrakariva ihany no niseho: tsy zakan’i Saraha ny hisian’ny vehivavy hafa maharevo an’i Abrahama, koa dia hoy izy: "ROAHY IO ANDEVOVAVY IO sy ny zanany !" Nampalahelo an’ i Abrahama izany, fa hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: "HENOY IZAY LAZAIN’I SARAHA, ROAHY NY ANDEVOVAVY fa TSY TOKONY HIARA-MANDOVA amin’Isaka ny andevovavy sy ny zanany."
Mafy tamin’ ilay andevovavy sy Isimaela izany, nefa Andriamanitra no niahy azy ka nanao an’Isimaela ho firenena lehibe Izy. Fa mbola mifandrafy ihany izao Isaka sy Isimaela. Tsy mety hanana fandriam-pahalemana akory ny ota. TSY MAINTSY VONOINA NY OTA ALOHAN’NY HIANTOMBOHANY.

Na dia ao amin’ny Testamenta Taloha aza izay ahitana lehilahy mampirafy dia hita fa tsy mbola nitondra fahasambarana na oviana na oviana ireny ; fa fahasosorana kosa na dia tamin’izy mirahavavy samy vadin’i Jakoba aza. TSY NATAON’ANDRIAMANITRA HITAMBATRA AMIN-DEHILAHY IRAY NY VEHIVAVY ROA.
Misy mihevitra, fa noho ny Gal. 2:16 manao hoe: "Nefa fantatsika fa tsy mba hamarinina amin’ny asan’ny lalàna ny olona fa amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy, fa tsy amin’ny asan’ny lalàna, satria tsy misy nofo hohamarinina amin’ny asan’ ny lalàna", dia tsy eo ambanin’ny lalàn’Andriamanitra intsony izy. Mihevitra izy fa tsy hofaizina ny fijangajangana raha mitohy manao izany izy.

Kanefa hoy ny andininy manaraka io indrindra: "Fa raha mitady hohamarinina ao amin’i Kristy isika, nefa ny tenantsika no hita fa mpanota, moa mpanompon’ny ota va Kristy ? Sanatria izany. Fa raha ny zavatra efa noravako no atsangako indray, dia mampiseho ny tenako fa mpandika lalàna aho.

Ny toko faha-4: "Nefa ahoana no lazain’ny Soratra Masina ? "Roahy io andevovavy io sy ny zanany lahy ; fa ny zanaky ny andevovavy tsy hiray lova amin’ny zanaky ny tsy andevovavy"

Ny toko faha-5:17: "Fa ny nofo manohitra ny Fanahy ary ny Fanahy manohitra ny nofo ; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanareo manao izay zavatra tianareo. Fa raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ny lalàna (raha tsy izany dia mbola eo ambanin’ny lalàna sy ny famaizany ianareo). Fa miharihary ny asan’ny nofo, dia izao: FIJANGAJANGANA, fahalotoana, fijejojejoana, sns... izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra. Fa izay an’i Kristy Jesosy dia niara-nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazofijaliana. Raha velona ao amin’ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy koa." (Gal. 5:18-25).

Ny Toko 6:8: "Izay mamafy ho an’ny nofony dia hijinja fahasimbana avy amin’ny nofo ; ary izay mamafy ho an’ny Fanahy dia hijinja "FIAINANA MANDRAKIZAY avy amin’ny Fanahy"

Ny hoe manombo ny nofo, dia hoe manombo ny fijangajangana, fahavetavetana, sns... no dikany, ary koa tsy manolo-tena hanao izany, na hanaram-po amin’ny filàny. ZAVA-TSAROTRA tokoa izany, TSY MORA ny miarina amin’ny fijangajangana fa fijaliana samy irery no dikany, kanefa izay miverina amin’i Jehovah dia AFA-MANDRESY, fa raha tsy haharo ny olona tsy hanota Andriamanitra, dia izay olona te ho velona tokoa ho an’Andriamanitra, dia kely loatra izany ny herin’Andriamanitra. Fa isaorana anie Andriamanitra fa izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra.

Hoy Paoly: "Asio, vonoy ny asan’ny nofo", aza milalao aminy ka mihevitra ny hisangy azy fotsiny dia handao azy, adala ianao raha mihevitra izany satria feno fitaka ny fo sady tena ratsy, iza no hahalala ny aminy ? Miantomboka amin’ny fijerena sy ny faniriana ny fijangajangana. Tsy afa-miady hevitra sy mifandahatra amin’ny fijangajangana ianao, ny hany fanafodiny dia ny mandositra ny filàn’ny tanora fanahy, miezaka mitady fahamarinana, ary miady ny ady tsaran’ny finoana. Fa ampy ho anao ny fahasoavan’Andriamanitra raha te-hanaraka ny Tompo ianao ka hanao ny lanitra ho fonenanao. Raha mbola mifikitra amin’ny fijangajangana ianao dia hivarina any amin’ny helo ; dia aleonao ve hijaly any amin’ny helo mandrakizay noho ny fahotana kely mandritry ny alina vitsivitsy.

Natosik’i Paoly tany amin’i Satana ny lehilahy anankiray mba handevonany azy ka hampianarany azy tsy hijangajanga.

Misy olona izay tsy maintsy avela hioty ny vokatry ny fahotany aloha vao mahatsiaro tena ka hiantsoany tahaka an’i Davida, endrey izany hadalany niala ny didy lehibe sady mahatokin’Andriamanitra. "Ary tsy misy fizaha-tavan’olona amin’Andriamanitra."

Ry Ray aman-dreny, ho famonjena ny zanakareo dia tsy tokony hatoritory ianareo ka hamela ny zanakareo handeha amin’izay tiany, hifanadala amin'ny zatovolahy na lehilahy efa manambady. Ry Reny, tokony hitandrina ianareo mba tsy hahatonga ny zanakareo vavy ho mpandrava tokantranon’olona. TSY FIVAVAHANA NO ILAINA AMIN'NY TOY IRENY fa fiambenana sy fitandremana kosa ary famonoana ny ota hatrany an-karanany. Noho ny zatovolahy sy zatovovavy tsy tan-dalàna: zavatra hafa no takian'ny Soratra Masina aminareo fa tsy ny handeha hatory fotsiny ka hanao hoe: "Efa nanao izay azoko natao aho, miangona aho ka tsy fantatro izay tsy maha-voavonjy ny zanako". Manantena Andriamanitra, ry Ray aman-dreny, fa tsy hitsitsy ny tsora-kazonareo amin’ ny zanakareo lahy na vavy ianareo mba hamonjena ny fanahiny tsy ho any amin’ny helo. (Oha. 23:13-14). Azonao atao ny mampandeha azy amin’ny lala-mahitsy raha tianao, mila fiezahana izany, mila fiarahana aminy izany, mety ny tsy hamelana ny reny hiasa any ivelan’ny tokantrano, ka dia tsy maintsy izay azon’ny ray no hiveloman’ny fianakaviana. Avelao kely ny haingo isan-karazany mba hamonjena an'i Bozy. Fifaliana kosa no ho vokatr’izany amin’ny fiainan’ny zanakareo ary koa fitahian’Andriamanitra aminy sy aminareo, ary fahasalamana ho an’ny vatanareo.

Tsy hahavita soa ho an’ny olona ny fivavahana indraindray raha tsy mandray ny tsora-kazony izy hikapohana ny zaza maniasia ka mampiverina azy amin’ny lala-mahitsy mba hampijoro azy sy hanitsiana azy ary tsy handravany tokantranon’olona.

Moa tsy misy balsama va any Gileada ? Eny, misy any, saingy ny fijangajangana aloha no tsy maintsy ialana alohan’ny hitondran’Andriamanitra fanasitranana na hihainoany ny vavak’ireo ray aman-dreny nampirisika ny zanany amin’izany fiainana izany. "Mialà, eny, mialà amin’ny lalana ratsy nalehanareo ka aoka ho velona fa nahoana ianareo no te-ho faty ?"(Deo. 30).

Hoy Andriamanitra ao amin’ny Ezekiela 14:6 "Mibebaha, dia miambohoa ny fahavetavetanareo rehetra". Ialao ny fijerena na ilay olona niara-nanao ratsy taminao, na ny sariny na ny fanomezana nataony. Ary hoy ny Ezekiela 18:30 "Mibebaha ka mitodiha hiala amin’ny fahadisoanareo rehetra, dia tsy ho fandringanana anareo ny heloka. Ario ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo ; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’Isiraely ? Fa tsy sitrako ny fahafatesan’izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mitodiha ianareo, mba ho velona".

Ao amin’ny Ezekiela 33:13-16 "Raha holazaiko amin’ny marina hoe: Ho velona tokoa izy, nefa izy mitoky amin’ny fahamarinany manokana ka manao heloka, dia tsy hotsarovana ny fahamarinana rehetra izay nataony fa ny heloka nataony no hahafaty azy. Ary koa, raha hoy Izaho kosa amin’ny ratsy fanahy: Ho faty tokoa ianao, nefa mialà amin’ny fahotany izy sady manao izay ara-dalàna sy mahitsy, raha mamerina ny natao tsatoka ny ratsy fanahy sady mampody izay norobainy ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao heloka, dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony ; manao izay ara-dalàna sy mahitsy izy, ka dia ho velona tokoa."

Maro ny olona mety hanao hoe: "Ka hataoko ahoana no fiharitra ny aretim-po sy fahanginana izay tsy maintsy ho vokatr’izany fisarahana izany amiko ?" Hoy Jesosy: "Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko satria nanosotra Any hitory teny soa mahafaly amin’ ny mahantra Izy ; naniraka Ahy hanasitrana ny torotoro fo, hitory fahafahana amin'ny babo, hanafaka izay nampahoriana". (Lio. 4:18). Tonga hanafaka anao amin’ny fahotanao Jesosy ary hanasitrana ny ratra izay vokatr’izany fahotana izany na ara-batana, na ara-tsaina na ara-panahy izany. Tonga hanafaka anao amin’ny fanamelohana anao noho ny fahotanao Jesosy ary hanasitrana ny fo malahelo. Hoy Jesosy: "Ampy ho anao ny fahasoavako fa ny HERIKO dia TANTERAHINA amin’ny fahalemena (II Kor. 12:9). Nefa teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan’ny ota tao amin’ny fahafatesana no hanjakan’ny fahasoavana kosa amin ny fahamarinana ho amin'ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika." (Rom. 5:20-21).

Raha mahavonjy Andriamanitra dia mahatahiry koa, ary hotehiriziny ho madio ianao sady ho masina, ka hamoa voan’ny fahamarinana. Hahalala ny fahasoavan’Andriamanitra ianao rehefa miala amin’ny lalan-dratsy nalehanao ; fa raha mbola mihosona ao amin’ ny fotaky ny fahalotoana ianao dia tsy mba hahalala mihitsy ny hasoan’ny hoe: voadio. Tsy mandro ianao raha mipetraka ao anaty lavaka feno fotaka, fa raha miala ao amin’ny fotaka ianao ka misasa amin’ny rano madio, dia ho tsaroanao fa tsara lavitra ianao.

Fa ahoana kosa ny amin’ny fahavetavetana ? Moa ve mahazo manambady ny olona raha nahavita fahavetavetana? "Eny", hoy ny Soratra Masina ; nefa rehefa manambady izy ary misy mpialona maka ny vadiny, dia mety handao azy ralehilahy ka tsy hiara-mitoetra aminy intsony, ary hilaza tena ho mahazo maka vady hafa izy satria nandiso fanantenana azy ravehivavy. Ary ny anarany sy ny hoavin-dravehivavy dia rava mandrakizay, na iza na iza manambady azy rehefa voasaotra izy dia mijangajanga (Mat. 5:32).

Ny zazavavy manambady ara-dalàna lehilahy efa manambady dia tsy ara-dalàna ny fanambadiany eo anatrehan’ny lalàn’ny tandrefana sy ny Eoropeana, mahazo manambady izay tiany izy raha miala amin’ilay namitaka azy miaraka amin’izay. TSY MISY IZANY HOE FAMPAKARAM-BADY ARA-PANAHY SY TSY ARA-PANAHY IZANY. Ny fanambadiana dia ara-nofo mihitsy izay hajain'Andriamanitra na amin’ny mpanota na amin’ny kristiana. Raha manambady mpanota ny kristiana, dia ny anjara ratsiny izany, satria tsy maintsy hifandona amin’ny rafozany izy, dia ny devoly raha manambady zanaky ny devoly. Raha manambady zanak’Andriamanitra kosa izy dia hotahian’Andriamanitra raha manaraka Azy.

Tokony izay ho naman’ny zanany no mavesatra an’eritreritry ny ray aman-dreny ; ary aoka hahay hanavaka ny zazalahy izay tokony ho tokantranon’ny zanakao vavy. Tokony hiresaka amim-pahatsorana amin ny zanany lahy ny ray aman-dreny amin'ny fifidianana izay zazavavy hanasoa azy amin'ny androm-piainany rehetra. "Mamitaka ny fahatsaram-bika ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy ; fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovan no hoderaina " (Oha. 31:30).

Azon’ny lehilahy atao ny mahatonga vehivavy tsara tarehy ho tonga ratsy tarehy amin’ny fanaovany ny tsy marina aminy, nefa koa azony atao ny mahatonga ny vadiny ratsy tarehy ho tonga tsara tarehy amin’ny fampisehoana hatsaram-panahy aminy. Tahaka ny diloilo ny fahasambarana. Ka mampamirapiratra ny endrika ary manamaivana ny famindran’izay manana azy. Avy amin'ny fitiavana no ihavian'ny fahasambarana, ny fifaliana, ny hatsaram-panahy, ny fahatokisana ary ny famindrampo amin’ny finoana. Aoka ho lehilahy tsara ianao dia hanana fianakaviana tsara, raha zarinao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra ny ankohonanao ary arovanao amin’ny ratsy.

Ny ray aman-dreny te-hiadana andro lava amin’ny androm-pahanterany dia tsy maintsy miaro ny zanany (na lahy na vavy) tsy hamafy tsiparifary ; fa tsy hahavokatra vary akory ny tsiparifary, fa manana ny fomba fïtondrany ny voany ny tsiparifary izay tsy maintsy ho entin’ny zanakareo amin’ny androm-piainany sisa rehetra. Fa ny ray aman-dreny hendry kosa izay matahotra an’Andriamanitra ary malina amin’ny namana izay fidin’ny zanany, dia handray valiny tsara noho ny fisahiranany nandritry ny taona meritreretan’ny zanany hanana tokantrano. "Ary efa mba toy izany ihany ny sasany aminareo fa ankehitriny voasasa tamin’ny ra soan’i Jesosy Kristy ianareo, mandehana tahaka ny zanaka malalan’ny mazava ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho amin’ny fanahinareo hatramin’izao ka ho mandrakizay mandrakizay. Amena".

Misy ray aman-dreny mandray ny Fanasan’ny Tompo ihany na dia hita miharihary aza fa mampirisika ny zanany ho velona amin’ny ota, dia amin’ny fitaizana ny zafikely mba hahafahan’ny zanany vavy mamonjy dihy na mifanadala amin’ny vadin’olona. Mpiara-miombom-keloka aminy ianao raha manamora sy manalalaka ny fandravany ny tokantranon’olona. Raha manampy ny zanakao amin’ny ota ataony ianao, nefa mandray ny Fanasan'ny Tompo dia misotro fanamelohana ho an'ny tenanao ; ary izany no mahatonga olona maro ao aminareo harary sy ho farofy ka tsy mety sitrana mihitsy raha tsy efa ajanony ny fanampiana an-janany amin’ ny fijangajangana ataony.

Manasitrana izay matahotra Azy sy mandeha amin’ny fahamarinana Andriamanitra. Raha misy reny iray manana zanaka vavy, moa ekenao ve ny hiarahan’ity zazavavy mihenjy amin’ny zanakao lahy efa manambady aman-janaka, ary moa ekenao (koa) ve ny hanampian’ilay reny an-janany vavy janga ka handravany ny tokantranon’ny zanakao lahy amin’ny fitaizany ny zafiny rehetra kanefa ny zanany vavy miara-milalao amin’ny zanakao lahy, RAHA IZAHO DIA TSY HANAIKY VELIVELY ary raha tahian’ANDRIAMANITRA ilay vehivavy manampy an-janany vavy handrava ny tokan-tranoko dia TSY HO ANDRIAMANITRO IZANY Andriamanitra izany. MASINA ANDRIAMANITRA ka tsy hitahy ny faharatsiana na oviana na oviana.

Ry Reny, raha te-ho afaka ianao dia ilazao ny zanakao vavy mba hijanona ao an-trano hitaiza ny zanany fa aza avela hanadala vadin’olona izy. Amin’ny ankapobeny dia tsy tian’ny lehilahy efa manambady ny misahirana amin’ny zana-drafilahy, izany no angatahan’ny vehivavy sasany ny reniny mba hitaiza ny zanany. Raha tsy afaka hitondra an-janany ilay niteraka dia aleoleo kokoa izy tsy mandehandena n’aiza n’aiza mirenireny foana.

Ilay fahamasinan’ny fo sy ny fomba nahazatra taloha dia nahatonga an’ANDRIAMANITRA ho faly ka hampijoro ny zanakao ; ary ireo hiantso anao hoe: Sambatra, Mety haneso sy hisendoatra izy amin’ny fijoroanao ho masina sy manohitra ny ota, fa tsy ho ela dia hamihina ny vozonao izy ary hikendry ny hanao soa anao sy hikarakara anao satria namonjy azy tamin’ny helo ianao ary nahafaka azy tamin'ny fahasahiranana betsaka mahazo amin’izao fiainana ankehitriny izao. Ary dia ho salama sy ho sambatra ianao ka na dia amin'ny androm-pahanteranao aza dia mbola hamoa voa tsara ianao ho voninahitr’ANDRIAMANITRA ; ka ho an’ny fonao sy ny fanahinao ary ny sainao ny fiadanana.
Ny lalana ho amin’ny fiainana sy ny fifaliana sy ny fiadanana ary ny fahasambarana dia ny mitandrina ny didin’ANDRIAMANITRA ao amin’ny Baiboly sy ny misakana ny zanakao tsy hanao sy hankasitraka ny ratsy.

Misy lalana mankamin’ny fahasahiranana sy ny alahelo sy ny fahafatesana sy ny aretina sy ny fahadisoam-panantenana ary ny aretim-po, koa ianao no tsy maintsy mifidy izay lalan-kalehanao satria tsy ho azonao indray aleha ny lalana anankiroa, "Koa mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao." (Deo. 30:19). Tsy nampiova ny haratsian’ny ota akory ny fahatongavan’i JESOSY, na koa hoe: misy ota sasany tsy heverin’ANDRIAMANITRA ho tsy ota intsony, na koa indray hoe: tsy ho faizina intsony ny mpanota. "Fahafatesana no tambin’ny ota". (Ilay zavatra nantsoin’ANDRIAMANITRA hoe ota tao amin’ny Testamenta Taloha dia mbola antsoiny hoe ota ao amin ny Testamenta Vaovao). (Rom. 6:23).
Tonga KRISTY nivesatra ny valin'otantsika sy ny helok’izao Tontolo izao. Mila Mpamonjy isika izao ANKEHITRINY izao tahaka ny nilan’ireo velona tamin'ny andron’ny Testamenta Taloha Mpamonjy koa satria zavatra mitovy no ataontsika dia izay hitondra antsika any amin’ny helo tahaka ny nitondrany ny olona tamin’ny andron’ny Testamenta Taloha ho amin’ny famaizan’ANDRIAMANITRA koa.

Nahoana moa no nomena ny lalàna ? Tsy hanameloka ny olona fa ho "aloky ny zava-tsoa ho avy" (Heb. 10:1). Izay rehetra mankato ny lalàna dia hijinja fiainana tsara, fiadanana, fahasambarana, fifaliana ary ny fitiavan’ANDRIAMANITRA. Fa ny manahirana ny olombelona rehetra dia ny tsy fisian’ny anankiray akory afaka manatanteraka ny zavatra voasoratra ao amin’ny lalàna noho ny toetra maha-olona azy, noho izany dia tsy maintsy nirahin’ANDRIAMANITRA ny Zanany mba haka ny endrik’olombelona ka hitondra sy hiaritra ny famaizana tokony ho antsika noho ny fahotantsika, ary handresy ny ota moa hahazoantsika toetra vaovao hahafahantsika manao izay voasoratra ao amin’ny lalana amin’ny fo tsara.

Satria be famindrampo Andriamanitra sady fantany ny manjo antsika, dia izany no netezany hamela heloka antsika sy hanamarina antsika tsirairay avy amin'ny fahotantsika ka hanafahany antsika amin’izany, dia ilay fahotana nofaizin’Andriamanitra tao amin’ny Testamenta Taloha indrindra.

Fa ireo tsy mety hodiovina amin’ny fahotany kosa dia ho faty amin’ny faharatsian’ny tenany satria ny fahotana dia mbola fahotana ihany eo imason’Andriamanitra ary tsy maintsy ho faizina amin'ny fahafatesana mandrakizay izy raha tsy ialana dieny mbola eto amin’ ity tany ity izany.
Ny hany halàn’i Jesosy tao amin’ny lalàna dia ny fanatitra noho ny ota satria tsy mahaisotra ny ota ny ran’ombilahy sy ny ran’osilahy (Heb. 10:3, 4, 9, 12). Ny hoe nohamarinina mandrakizay dia tsy hoe akory rehefa mangataka famelan-keloka amin’i Jesosy dia mahazo manao ny ota fanao ihany satria efa nohamarinina ary tsy ho entina eo anoloan’ny fitsarana intsony noho ny ota hataontsika manomboka hatreo. Ny hoe nohamarinina dia hoe efa notsaraina tamin’ny fahotantsika taloha isika ka hita fa tsy meloka satria Jesosy no efa nitondra ny fahotantsika, koa dia afa-mivoaka ny trano fitsaran’Andriamanitra isika ka manatraka ny loha, olona tsy manan-tsiny, tahaka ny tsy mbola nanota akory taloha. Lasa mandrakizay ny fahotantsika taloha ary tsy hotsarovana amintsika intsony mandrakizay. (Eze. 33:16).

Fa raha manota isika aorian’io dia tokony hibebaka ka hangataka famelan-keloka tahaka ny tamin’ny voalohany, raha tsy izany dia ho faty amin’ny fahotantsika isika (I Jao. 2:1-4 ; Eze. 33:12,13, 18). "Raha ny marina miala amin’ny fahamarinany ka manao heloka dia ho faty amin’izany izy.
"Rankiziko madinika, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota dia manana Solo-vava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina, ary Izy no fanatitra fampiononam-pahatezerana noho ny fahotantsika ; ary tsy noho ny antsika ihany fa noho ny fahotan’izao tontolo izao koa. Ary izao no tena ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny fitandremantsika ny didiny. Izay manao hoe: Fantatro Izy, nefa tsy mitandrina ny didiny, dia mpandainga ary ny marina tsy ao anatiny."

Tsy miasa ny famindrampon’Andriamanitra raha tsy manaiky hiala amin’ny fahotantsika isika ka voadio ho afaka aminy.
Raha tsy fahotana ho an’ny lehilahy ny mipetraka amin’ny vehivavy efa vadin’olona, na raha tsy fahotana ho an’ny vehivavy ny mipetraka amin’ny lehilahy efa vadin’olon-kafa dia tsy ilaina ny famindrampo sy ny famelan-keloka, fa raha fahotana kosa izany dia tsy maintsy ialana. Ahoana no hahavoavonjy antsika raha tsy mila Mpamonjy isika ?

Na Jesosy aza tsy namela heloka izay olona ninia nitohy nanota, fa rehefa mamela heloka Izy dia manova ny fiainany, betsaka ny mpijangajanga sy ny mpivaro-tena no nanatona an’i Jesosy satria te-hahazo ilay fiainana vaovao omen’i Jesosy, nefa kosa misy ny mpitondra fivavahana no tsy nety niala tamin’ny fahotany.

"Mpanompon’izay arahintsika isika raha manolo-tena ho mpanompo na ho an’iza na ho an'iza". (Rom. 6:16). Raha mankato ny nofo isika dia mpanompon’ny fahotana fa tsy an’ny fahamarinana. Raha miala amin’ny fahotantsika isika ka mankato an’i Jehovah, dia hahita famindrampo sy famelana, raha mitohy manota kosa isika dia hoy Jesosy hoe: zanaky ny devoly isika. Aza mety ho fitahina, fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’Andriamanitra (fa tsy ny famindrampony) amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana, izay manao izany dia tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra. (Gal. 5:19-21 ; Efe.5:5).

Tsy mahafa-po an’Andriamanitra ny fanaovana hoe: Misy fahotana koa izay mitovy haratsiana amin’ny fijangajangana na tsaratsara kokoa noho ny sasany ao amin’ny fiangonanay aho. Aza misahirana amin’ny hafa raha te ho voavonjy ianao, ianao no tsy maintsy mampijoro ny tenanao eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy eo anatrehan’ny olona noho ny fahotanao, tsy hahafa-tsiny anao ny fahotan’ny hafa.

NY LANITRA SY NY LALANA HAHAZOANA AZY

Ny Baiboly dia manambara fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra (Rom. 3:23), ary "ny fahafatesana no tambin’ny ota (Rom. 6:23) ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana satria samy efa nanota izy rehetra (Rom. 5:12). Ny fahafatesana mandrakizay sy ny fisarahana tanteraka amin’Andriamanitra no vokatry ny ota rehetra ataon’ny olombelona, kanefa satria tian'Andriamanitra ny olombelona, dia efa nikarakara lalana Izy hanafahana ny olona rehetra izay manaiky an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy azy, ary koa amin'izany dia hanazo fiainana vaovao izay tsy mifangaro amin’ny ota intsony. Talohan’ny nidiran’ny fahotana i Adama sy Eva dia nitana ny toetra araka ny maha-izy azy, fa masina tanteraka izy ka tsy nanota akory, nanana firaisana tamin’Andriamanitra mihitsy izy ; fa raha vao nifidy ny lalana manaraka an’i Satana, fa tsy Andriamanitra intsony, dia tafasaraka tanteraka tamin’Andriamanitra izy mivady, Andriamanitra mihitsy no nandroaka azy avy tao amin’ny saha Edena, ka niharan’ny fahafatesana izy sy ny taranany rehetra hatramin’ny faramandimbiny. Tsy misy olona mahay mamonjy olombelona fa ny fitiavan’Andriamanitra ihany, dia Andriamanitra izay naniraka ny Zanany Lahy Tokana, Jesosy Kristy, ho eto amin'izao tontolo izao mba hitondra ny famaizana ny fahotantsika.

Raha mitaraina amin’i Jesosy Kristy isika sady mangataka AZY mba hanala ny fahotantsika ary koa raha MIFIDY ny hanaraka an’i Jesosy Kristy mandrakariva isika dia hihaino ny fitarainan’ny vavatsika Izy, hanadio antsika amin’ny fahotantsika taloha Izy sady hamerina amintsika indray ilay toerana (tsara) nananan’i Adama sy Eva fahiny. Raha tsy manana izany toetra masina izany isika, dia tsy hankany an-danitra akory, na dia miangona amin’ny fiangonana maro aza ary na dia manana andraikitra manokana amin’ireo fiangonana ireo aza isika. Tsy mijery afa-tsy ny fo Andriamanitra. Moa tena madio sy marina amin’ny finoana an’i Jesosy Kristy Tompo izy ? Moa ve IANAO mikely aina HANAIKY an i JESOSY isan’andro isan’andro amin’ny zavatra rehetra ataonao ? Tsy sarotra ny manao ny marina sy ny manana fitiavana hanaiky ny Tenin’Andriamanitra raha voavelany ny helokao ary nasian’Andriamanitra fiainana vaovao ao anatin’ny fonao. Ny fo toy izany no lazain’i Jesosy hoe "nateraka indray tamin’ny Fanahin'Andriamanitra."
Nandova toetra anankiray avy tamin’ny ray aman-dreny niteraka ianao raha vao latsaka an-tany. Izany toetra izany no mety hahatonga anao handainga sy hanao fahotana isan-karazany. Izany toetra izany tsy mba afaka hiditra any na dia mitafy lamba tsara tarehy eo imason’ny fiangonana aza ny olona mbola mety handainga izy, mbola mety handika ny Tenin’Andriamanitra lalandava izy.

Rehefa miaiky amin’i Jesosy Kristy ny fahotanao sy ny zavatra tsy laitranao ianao sady mangataka Azy hanova ny fonao mba tsy hiverina intsony amin’ireny zava-dratsy ireny dia homen’Andriamanitra toetra vaovao tokoa. Izany toetra izany dia ho tena samy hafa be mihitsy ka ho hitan’ny havana aman-tsakaiza rehetra miharihary ny fiovan’ny fiainanao, vokatry ny fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra tao am-ponao. Rehefa tonga izany dia tsy misaina afa-tsy ny zavatra mety hahafaly an’i Jesosy ianao. Hanova tanteraka ny dian-tongotrao amin’izao fiainana izao izany Fanahy izany. Hitarika anao mba hiteny sy handeha ary hanao araka ny nolazainy tamin’ny Teniny hoe: Izay tsy manana izany toetra vaovao izany dia tsy mba hahita an’Andriamanitra na iza na iza.

Naorin'Andriamanitra ny helo ho an’ny devoly sy ny anjeliny kanefa raha manaraka ny devoly ny olombelona sady tsy nahazo ny fahaterahana indray akory dia ho faty izy ka ho anjarany koa ny helo ary any no hahitany fijaliana andro aman’alina. Ary satria mahatsiravina loatra izany helo izany dia efa neken’Andriamanitra ny hiaretan’i Jesosy ny fahafatesana teo ambony hazofijaliana noho ny sazintsika. Ho azon’izay rehetra vonona hiantso ny anaran’i Jesosy Kristy, ny toetra vaovao mahafaka amin’ny herin’ny ota sy ny devoly.

Nisy mpanapaka tamin’ny andron'ny Jiosy natao hoe Nikodemosy izay nanatona an’i Jesosy sady nahalala tsara fa avy tamin’Andriamanitra Izy. Na dia nankasitraka ny fahagagana nataon’i Jesosy aza izy dia mbola nahazo teny taminy ihany hoe: "Raha tsy ateraka indray ny olona (ka mahazo ny toetra vaovao noresahantsika teo), dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra izy". (Jao. 3:3). Sady mpiangona no mpitoriteny ambony toerana i Nikodemosy, kanefa tsy ny toerany na ny naha-mpiangona azy no lalana hahazoana namonjy azy. Ny fomba sy ny fanao dia tsy hanafaka. Andriamanitra ihany no mahay manova ny fon’ny olona. Ao amin’ny Apo. 21:8 ; Gal. 5:19-21 sy Rom. 1 dia voalaza miharihary ny olona izay tsy mety ho tonga any an-danitra. Ny olona, araka ny maha-olombelona azy no nanao ireo zavatra tononina ireo noho izany, dia ilaina tokoa ny fanovan’Andriamanitra tanteraka nv toetsika raha te ho voavonjy mandrakizay.

Maro tokoa ny olona izay miangona Alahady maraina sady mihira ho an’Andriamanitra kanefa amin’ny harivan’iny ihany indray, dia lasa mijery "sinema" maloto, mijangajanga, mandihy, misotro zava-mahamamo, izay samy asan’ny devoly avokoa, tsy misy kristiana tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra minia manao ireo zavatra ireo. "Fa raha misy kosa olona tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy Azy izy" (Rom. 8:9). Raha manana ny Fanahin’Andriamanitra isika dia ho "tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra". "Fa izay rehetra tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak'Andriamanitra". (Rom. 8:14).
Ny sarimihetsika (film) rehetra, dia voaorina ho amin’ny fahotana, ny fijangajangana, ny fisaoram-bady, ny fampakarana vady faharoa, sy ny filàn’ny nofo. Raha madio ny diany araka ny ilazan’ny sasany azy, nahoana no tsy miara-mandihy ny lehilahy samy lehilahy, na ny vehivavy samy vehivavy ?

Ny hoe "Kristiana" dia milaza "mpanaraka an’i Jesosy" na "Ambasadaoron’i Kristy". Ny mino ny Baiboly dia tsy maintsy ho mpanaiky ny teny fahamarinan’Andriamanitra. Araka ny filazan’i Jaona 1:12 hoe: "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra. Heverinao ange, raha mety ho tonga any amin’ny toerana maloto ny zanak’Andriamanitra. Mitsiriritra vadin'olona, nefa mbola miangona sy manao ny tenany ho KRISTIANA.

Ry havana, aza mety ho fitahin’ny fanantenana diso sy poak’aty mety ho hitanao ny amin’ny fidirana any an-danitra, kanefa tsy mahatratra ny fepetra nataon'Andriamanitra momba izany tsinona. Ny mpandainga dia tsy mba hiditra any an-danitra na izay tia lainga aza (Apo. 22:15).

Masina Andriamanitra ary tsy hisy hahita Azy raha tsy feno finoana sy fitokiana an’i Jesosy Kristy, no sady tafasaraka tanteraka amin’ny fanao ratsy rehetra. Tamin'ny andron’i Jaona Mpanao-batisa, dia maro ny olona nanatona azy hatao batisa tao amin’ny ony Jordana. Kanjo rehefa hitan’i Jaona ny Mpanora-dalàna sy ny Fariseo tonga hatao batisa koa dia nolaviny tanteraka izany raha tsy hita mazava ao amin’ny fiainany fa efa nafoiny ny ota sy ny fihatsarambelatsihy taloha. Nisy nihevitra ny tenany ho voavonjy satria natahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreniny sady izy voafora rahateo, nefa kosa hoy Jaona: "Aza manao anakampo hoe: Manana an’i Abrahama ho rainay izahay fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto". Dia hoy Jesosy tamin’ireo olona ireo hoe: "zanaky ny menarana dia ny devoly ianareo, satria manao ny zavatra lazain’ny devoly aminareo". "Avy amin’ny devoly rainareo ianareo ka ny filan’ny rainareo no tianareo hatao.

Ny batisa amin’ny rano dia tsy manampy anao afa-tsy rehefa foinao ny fahotanao ary ekenao ny finoana ny Tompo Jesosy Kristy (Mat. 28:18-20 ; Mar. 16:16-18).
Samy hafa tokoa ny fiainana mitodika amin’Andriamanitra mandrakariva sy ny fiainana feno fombafombam-pivavahana fotsiny.

Tena Mpamonjy antsika tsirairay Andriamanitra sady Sakaiza miaraka amintsika lalandava ; vonona hanampy antsika hatrany hatrany Izy rehefa voatolotra an’i Jesosy ny fiainantsika mba hodioviny tanteraka. Amin’izany dia hanome antsika fo feno ny Fitiavan'Andriamanitra, fo malemy, mangorakoraka. Tena samy hafa tokoa ny mpiangona, na mpandray fotsiny sy ny tena zanak’Andriamanitra vao teraka indray izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra lalandava.

Mamaly ny vavaky ny zanany tarihin’ny Fanahiny Andriamanitra, fa ny olona mafy fo izay tsy mety mibebaka dia tsy mahazo valiny, raha tsy vonona hanome lalana an’i Jesosy hitondra ny fiainany.

Manana trano soa mahafinaritra voaomana ho an’izay rehetra tia Azy Jesosy, fa ny helo kosa no ho anjaran’ny olona izay mbola mifidy ny fiainan’ny ota sy ny fanaon’izao tontolo izao. Ianao irery no manan-tsafidy araka izay tianao na hankany an-danitra, na hankany amin’ny helo. Andriamanitra dia vonona hamonjy anao, Jesosy dia vonona hamela ny fahotanao taloha raha vonona hiantso Azy ianao sady hangataka Azy mba hanome anao fiainana vaovao amin’ny Fanahiny, dia hanaisotra ny fahotanao rehetra, kanefa tsy hanery anao Andriamanitra, ny safidinao no hamaritra ho anao, na fiainana mandrakizay izany na fisarahana mandrakizay ao amin’ny afo sy ny solifara izay misy ny devoly sy ny anjeliny.

Ny vavakay dia izao: Enga anie ka hanetsika ny fonao Andriamanitra mba ho tianao ny lalany sy ny fahasambarany, mifalia mandrakizav ianao.